korobo @ venty sy korobo

1. sitlo ( 09/06/2009 16:11)
Inona marina no dikan'ny korobo fa tsy azoko mihitsy?
novalian'i xxx ny 07/08/2009 05:23
2. ni81 ( 09/06/2009 16:33)
anaram-bola io , venty, kirobo sns
3. simplex ( 09/06/2009 16:53)

mety hoe onomatope
otran'ny ny hoe vingt cinq milles Fmg izao nogasiana hoe vaintsssainky
farany lasa vaintssss
dia avy eo lasa tsy miteny afa tsy vaintsssss tsony ny olona...
afaka 100 taona manotany @ zay ny zafiafin'i toi hoe ahoana kay niavin'ny vaintssss ee :)
4. xxx ( 09/06/2009 17:22)
Raha ny fahalalako dia anarana nomena ny ampahaefatry ny ariary mihitsy ny kirobo (fa tsy korobo) fa tsy hoe teny hafa dia nampiasaina tamin'ny vola fotsiny ka. Asa aloha. :-D :-D :-D
5. sitlo ( 12/06/2009 09:32)
kirobo marina.
Mety mitovy dia amin'ny hoe venty ihany eh?
6. ikaretsaka ( 12/06/2009 13:36)
Ny nahafantarako an'io indray ra sitl de teny angalisy nogasiana io...avy @ teny hoe "crumb" izany hoe potiny (bread crumb=poti-mofo)

Ilay dadan'i dadabe anay no nilaza izany t@ zay mbola kely..
Taloha dia ilay vola metaly boribory iny no novakiana (notsofaina) rehefa mila madinika..... dia ny "venty" no madinika indrindra (ohatry ny fotsimbary) ka mahatonga ilay hoe vary 1 venty ....tsy manam-bary ray venty..

dia ny kirobo koa na tsy nnisy valeur aza de kafirian'ny olona satria vovo-bolany dia rehefa miady varotra taloha de hoe asio kirobo e (izany hoe mba hametraho kely @ le potiny e)

Dia nony tonga ry gallieni dia tonga de nofaritany hoe 2 francs ilay izy.... taloha ny ariary faha panjaka nizara 3 na 4 (tsy tadidiko tsara)... dia no devalueny hoe nizara 5 de namoronany ny 1mbilanja... de lasa nitontona 1.80 frs teo ny venty de tsy tiany fa tiany ho boriboriana go 2 francs...de nampiany kirobo....
De zay
7. xxx ( 13/06/2009 11:15)
Tsy ny venty no madinika indrindra tamin'ny vola malagasy fahiny fa mbola misy ny voamena. Dia ny voamena koa aza mbola azo nozaraina --> silavoamena (raha tsy diso aho). Ny kirobo koa nisy sandany noho ny venty. Ary ny venty sy ny variraiventy toa tsy mitovy tamin'ny vola Malagasy.

Ny iraimbilanja no nasosoka tamin'ny andron'ny vazaha, fa ny venty + kirobo efa nisy tamin'ny andro gasy, dia manodidina ny 2francs eo ihany koa ny sandany. (Manodidina satria tombana fotsiny koa ny ariary tamin'izany hoe 4.?? fa tsy 5Fmg, ary fraction no miasa ny an'ny gasy tamin'ny vola notsofaina hi hi).

Nisy nifandraisany ny fandanjana (g, mg etc) sy ny sandan'ny vola araka ny anarany fa tsy dia tadidiko tsara.
8. ikaretsaka ( 13/06/2009 17:36)
ny voamena mbola vaventy nohon'ny venty koa...
ny "ila voamena" toa ngeza kokoa nohon'ny "varaiventy"
izay no mahatonga ny hoe "kely varaivanty" fa tsy hoe "kely ila voamena" :-D
9. xxx ( 14/06/2009 08:54)
Io lazain'i Ikaretsaka io no mety ho lojika ao an-tsaintsika, saingy tsy io no nataon'ny Mpanjaka fahiny ho ampiasaina.

Ny variraiventy no kely noho ny voamena, fa tsy ny venty. Zavatra roa samihafa ny venty sy ny variraiventy.

Ankoatra izay sila-bola hadinoko dia izao no filaharany :

variraiventy < voamena < sikajy < venty < kirobo

1 venty = 4 voamena eo ho eo.
10. xxx ( 14/06/2009 08:55)
sitlo:

kirobo marina.
Mety mitovy dia amin'ny hoe venty ihany eh?


tsy azoko ilay hoe "mitovy dia"
11. hery ( 14/06/2009 09:03)
Fa tsy venty ve no unité ?

dia ny kirobo atsasaka venty?

Dia ny Venty sy kirobo = iray sy sasany?

Raha toa ka venty < kirobo mantsy dia tsy nisy ny kirobo fa nantsoina hoe Roa venty.

Ny hoe vary iray venty dia tsy mitambatra fa tahaka ny hoe Vary ariary izany hoe fatram-bary zakan'ny venty iray. Ny olona tsy manana vary iray venty izany dia tena mahantra mihitsy, toy ny hoe tsy manana na vary iray kapoaka aza, raha toa ka iray venty ny vidin'ny vary iray kapoaka.

12. xxx ( 14/06/2009 09:18)
Hery, toa izay no lojika. Fa toa tsy izay hoa ny nampiasaina taloha tamin'ny fahampanjaka. Kaloha mihitsy hotadiaviko ange e.

Ny venty aloha hoe unite tokoa ny dikany e, fa tamin'ny vola taloha dia tsy venty fa "tsivaky" no niantsoana ilay vola "unite", ilay vola namboarina izany dia avy eo dia novakivakiana rehefa mila madinika hi hi. (mety ilay ataontsika hoe ariary izany)
13. ndenn ( 14/06/2009 10:28)
Toa mbola nisy koa ny ilavoamena raha tsy diso tadidy aho ko !
variraiventy ,ilavoamena ,sikajidimy ,venty , kirobo , ah la la resaka vola izany .
14. ikaretsaka ( 14/06/2009 12:51)
Xxx... ka ny anao ange tsisy porofo e..
15. xxx ( 14/06/2009 17:47)
Ikaretsaka :

Kaloha mihitsy hotadiaviko ange e.

16. ikaretsaka ( 14/06/2009 17:51)
ndenn:

Toa mbola nisy koa ny ilavoamena raha tsy diso tadidy aho ko !
variraiventy ,ilavoamena ,sikajidimy ,venty , kirobo , ah la la resaka vola izany .


tsara toko araha mba jerena ihany ny sandan'izy ireny heo izao ampiana an'izao no manome an zao
17. fahamarinana ( 14/06/2009 17:55)
:arrow: mbola ho hita sy tadidy ve ny sandan'izany amin'izao ? efa lea hany zany ! (l)
18. xxx ( 14/06/2009 18:01)
Ity aza, vao nojereko tato http://cjbenoit.club.fr/malagasy/volamalagasy.htm :


Notsongaina tao amin'ny sangan'asan'i Régis Rajemisa Raolison


Ny vola malagasy taloha dia vola vy avokoa fa tsy nisy taratasy ; Tao aloha ny vola ariary, izay natao koa hoe vola farantsa, na vola tsivaky, ary dia tao ny vakim-bola na vakivakim-bola, mitovy @ ataon-tsika hoe vola madinika. Ny vola ariary ihany no novakivakiana natao vola madinika, ka "ézsefa nisy olona nanam-pahaizana manokana momba ny famakivakiam-bola ary tsy nanana anton-draharaha afa-tsy izany.

Ny ariary no lehibe indrindra ka azo heverina ho venty fototra @ vola malagasy: 4,80 Fmg no tena tombany ary ireto avy ny ampahany fampiasa ka manana anarana manokana.

* Ny antsasaky ny ariary 1/2 : loso 2,40 F
* ny ampahatelony 1/3: sasanangy 1,60 F
* ny ampahefany 1/4 : kirobo 1,20 F
* ny ampaheniny 1/6 : venty 0,80 F
* ny ampahavalony 1/8 : sikajy 0,60 F
* ny ampahefatra amby roapolony 1/24 : voamena 0,20 F

* nisy ny naverina imbetsaka ny sikajy telo ohatra 0,60 X 3 = 1,80 F
* nisy no nozaraina roa ny ilavoamena ohatra 0,20 : 2 = 0,10 F
* nisy nampifanampiana ny ilavoamena sy ny voamena lasa lasiray
0,10 + 0,20 = 0,30 F
* nisy nanalàna ariary : latsa-benty 4,80 - 0,80 = 4,00 F
* nisy ny ampahan'ireo ariary ireo ihany no nampifamenoana : venty sy kirobo 0,80 + 1,20 = 2,00 F


Azo tadiavina tsirairay ao amin'ny http://malagasyworld.org io anaram-bola ireo raha te hahafantatra bebe kokoa. Singanina manokana :
variraiventy
MALAGASY DEFINITION Anaran' ny vakim-bola kely indrindra ...


varifitoventy
MALAGASY DEFINITION Anaram-bola mitovy amin' ny variraiventy [...] [full text in Rajemisa 1985]
19. fahamarinana ( 14/06/2009 18:03)
:arrow: merci xxx , ary tena mahavariana ity rohy ity ! ho ahy aloha an fa asa ny sasany e !! Misaotra e ! :-* (l)
20. ikaretsaka ( 14/06/2009 18:28)
taorianan-dranava2 ngamba io e
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.4428