Tanora mahavita azy nefa tantanan'ny antitra tgvendrana
1. penguin
(
08/06/2009 10:20)
Raha ny resaka fampiakarana avo ny resaka Tanora dia anisany tena nankaleo ny sasany aza nandritra ny fitondran-dRavalomanana. Eraky ny Ministera ohatra raha misy fampiaofanana na fiofanana dia tonga avy hatrany ny hoe "Tanora ihany ampanaovina izany". Ny nampalahelo kosa anefa dia saika efa antitra ny akamaroan'ny mpiasam-panjakana nefa tsy mbola afaka ny manao fampidirana mpiasa maro aloha hatramin'nizao. Dia gaga ny tena mandre ireto tanora mifamory ary milaza fa hoe " tokony omena lanja" izy ireo ary ny farany dia toa re fa mangataka ny hanalana ny fetran'ny taona afaka mirotsaka ho filoham-pirenena miampy ny fangatahana Ministera dimy ho an'ny tanora. Hita mazava izao fa tia hirotsaka i andry tgvendrana dia ny tanora no harisika ny handrotsaka azy ary hanaovana làlana mipetrapetraka. Inona moa no olana fa tsara mihintsy mirotsaka izay mety ho tian'ny vahoaka tokoa. Fa naninona ry tanora tgvendrana no mbola ny antitra tgvendrana indray no mitantana sy mandamina ny fifamorian'ny tanora a ? Sa mahavita azy fa mbola tantanana havia sy havanana. AZA ADINO FA MIFEMENO NY TANORA SY NY NAHAZO TAONA ERAN'IREO FIRENENA MANDROSOBE IREO;
répondu par tsiafoi1 le 09/06/2009 05:54
2. andrywui
(
08/06/2009 10:58)
zao vao mba nisy soratra nazava hatrizay naoratann'i Penguin teto hatramzay !
tena efa niova kalma 10% nedala fa tsy otran'ny teo aloha !!
--nandaitra ihany zany le anatra nataoko anllery satria tena hita fa milamina tsara zao ny zavatra nosoratany io !!
merci ny akamako an ! :-* :-*

3. penguin
(
08/06/2009 11:02)
Tsy mamaky izay hanatr'elah any aho ra oui oui a. Ny tgvendrana hanarina mba ahay mampifandray izay ataony rehetra. Ny fako izao tsy hay ny mamaha azy fa mitangorona erak'Antananarivo. Ny " La farine" mbola manpikolay. tgvendrana milaza haingam-pandeha nefa. Ny tanora tsy hatory nefa lazaina ho mahavita azy.
4. andrywui
(
08/06/2009 11:14)
efa tena mazava tsara mihitsy ny zavatra soratan'i penguin ka !!
tena efa azo vakiana tsara le hevitra e !!
bravo penguin :!!!!! bravo mon ami penguin !!! :-* :-* :-* :-* :-*
bizou !
tena efa azo vakiana tsara le hevitra e !!
bravo penguin :!!!!! bravo mon ami penguin !!! :-* :-* :-* :-* :-*
bizou !
5. halloween
(
08/06/2009 12:38)
Famaranana ny fihaonambem-pirenen’ny tanora
Nangataka minisitera 5 ny tanora malagasy
Nandritra ny fanakatonana tamin’ny fomba ofisialy ny fihaonambem-pirenen’ny tanora, ny sabotsy teo, teny Ankatso, dia naroson’ny tanora ho an’ny fitondram-panjakana ireo fehin-kevitra nivoaka tao. Koa anisan’izany ny fangatahana minisitera 5 omena ny tanora satria mahatsapa izy ireo fa manana fahavononana sy ny kalitao ilaina amin’ny toeran’ny minisitra. Dia tsy ny inona moa izany fa ny minisiteran’ny Fanatanjahan-tena, tanora, kolontsaina, tontolo iainana, ary ny fampianarana ambony. Eo ihany koa ny fanafoanana ilay famerana ny taonan’ireo izay te hilatsaka hofidiana ho filoham-pirenena ho 40 taona. Voalazan’ireo nandray fitenenana ihany koa fa tsy ampy ilay 1 miliara iraimbilanja nomen’ny Filoha fa tokony hahavita bebe kokoa noho izany. Haparitaka manerana ny faritra 22 ihany koa ireo fehin-kevitra ireo ary hisy ny fitetezam-paritra izay kasaina hatao atsy ho atsy. Atoa Pierrot Rajaonarivelo, Alain Ramaroson izay nisolo tena ny Hat dia anisan’ny nanatrika tao. Nisy fotoana nahafahan’ireo tanora tonga nanatrika nifanoro sy nifankahafantarana tsara nandritra izay telo andro izay.
omena ny tanora ny hetahetany fa ireo no tompon'ny ho avy !!
--marina ny anareo ry zalahy a! tadiavin'ny sasany ho apetraka anjorombala lava foana ny tanora hatramzay fa izao omena azy ny toerana mety sy sahaza hoazy eo amin'ny fitantanana sy fifanomezantanana eo amin'ny fampandrosoana !!
-- tsy zavatra sarotra akory na tsy azo hatao ireo zavatra nangatahiny ireo !!
misaotra ny tanora VONONA

6. xxx
(
09/06/2009 04:55)
Tsisy zany ry mpanonovy atoandro a,miala eo ny tsy tonga volana fa tsy matotra !!!manaonao foana tsy misaina
7. tsiafoi1
(
09/06/2009 05:54)
Rehefa te hilatsaka de milatsaka fa tsy ny tanora no atao fitaovana hanomanana an'izany, mody hoe "fihaonam-be a fihaonam-be". Ingahy Andry TanoraGasyVendrana aza ity mbola ny dinozore RatsyRahonana sy ny tariny no manolon-tsaina azy ka hitetateta hitondra firenena aiza, ho any anaty fako sy fahantrana?