Iza Mpihira ireto hira ireto?

1. Angie ( 07/06/2009 16:17)
Sao mba misy namana mahay hoe iza no mpihira ireto hira ireto:

1. Dina :
Eny fa na lavitra na akaiky,
Ny foko efa nanaiky,
Natokako ho an’ ny olona iray,
Mamiko loatra izy izay .

Dina sy voady nifanaovanay,
Mikambana ary ho mandrakizay,
Miray safidy fa tsy hifandao,
Izany no DINA natao.
-------------------

2. Fitiavana niara-naniry

Fitiavana niara-naniry
Fitiavana tokana tsy firy
Ho anao (bis) ka matokia
Ny miova dia atao sanatria (bis)
Na ho mora , na ho sarotra
Tsy mba misy mampihaotra
Fitia vita voady ny antsika ralala
Ka tsy ho ravan’ireo mpakahala
-----------------

3. Rafringa

Ry Tompo Andriamanitra
Amin’ny fo sy Fanahy
Amin’ny saina sy hery no hitiavako Anao ry Ray
Frère Raphael Louis
Nitia koa ny Fiangonana ny namana

Ilainay mba hiaro ny Fiangonanay
Ilainay mba ho sambatra fa mpiaro ny Fiangonanay
Rahalahy sy Hanabavin’i Jesoa Kristy
Izahay rehetra
Irinay ny fitiavanay
-----------------------------

misaotra o
novalian'i mmmhh ny 08/06/2009 07:56
2. ni81 ( 07/06/2009 17:45)
Ilay n°1 dia i Gilles RAMIARISON fa ilay n° 2 tsy tadidiko loatra ilay hira, ary ilay n° 3 dia tsy haiko mihitsy
3. fahamarinana ( 07/06/2009 17:55)
:arrow: tena tsy misy haiko na ny iray aza !... :? (l)
4. ni81 ( 07/06/2009 18:24)
Ilay faha 2 toa i Celéstine sy Ossy angamba
5. Angie ( 07/06/2009 19:53)
n81 > misaotra betsaka
Faha> izaho koa anie ts mahay e fa mba tiako ho hay koa e

miandry zay mbola mahay ihany na izany aza

6. mmmhh ( 08/06/2009 07:56)
tena tsy misy haiko fa azafady e,

:(
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3025