Fanatsarana ny ambanivohitra

1. hery ( 03/06/2009 11:40)
[ampiakariko kely ilay dinika]

Anisan'ny zavatra himatimatesanay ka nahatonga anay tapa-kevitra ny hiroso amin'ny fifidianana manaraka io dia ny fanatsarana ny ambanivohitra indrindra indrindra. Tsy politikan'ny te hahazo vato fotsiny izany, satria na dia mbola tsy teo amin'ny fitondrana aza izahay dia efa izany no nataonay. Ohatra mivantana ny natao tamin'iny faritra atsimo andrefan'ny nosy iny, momba ny fanomezana rano, sekoly, sy fampianarana ny mponina hahay hampiasa ny herijika eo amin'ny faritra misy azy (fahafahana mamboly na dia kely rano). Toa izany koa izay efa nataonay tamin'ny faritra afovoany andrefana sy ny mbola hataonay any amin'ny faritra atsimo atsinanana.
Aoka izay ny fanaovan'ny renivohitra ampihimamba ny toekarena. Fahefana goavana ny fananan'ny tantsaha tany hamokarana sy biby fiompy kanefa matetika dia izy ireo indray no tompony mangataka hatony.
Koa mba hanatanterahana izany dia hofoananay ny fisian'ny mpanera ofisialy maro be eo anelanelan'ny mpamokatra sy ny mpanjifa ka mahatonga ny vidim-bokatra hidangana be sy mampihena ny vokatra lafo.
Hohamafisina sy homena lanja kokoa ny koperativa mba hampihena na hanafoanana ireo mpanera ireo.
Hampiakarina ny haba momba ny sakafo voavoatra izay nafarana avy any ivelany.

Mbola hiaraka aminay hatrany ianareo? Hoporofoinay fa mahavita tsara lavitra noho izay nifanesy teo izahay ho fanandratana ny tanindrazana.

Efa miparitaka eny ambanivohitra eny izahay amin'izao fotoana izao. Miainga avy any ifototra, ary asa fa tsy kabary.
novalian'i rodro ny 10/06/2009 13:42
2. andrywui ( 03/06/2009 12:10)
resaka hery !! ao tsara ve ianao aloha hatramzao e ? voanao 1/0 aho zao !!

--tadidio fa na hanao ezaka maina toa izany aza ny TIM ra-hery de ny TGV no mahazo ny dera sy ny famatsiambola be amzany fa ny anareo ganagan mitety asa !! sa ve raha oe hanao action (peta-toko eny de hoe hiraiketan'ny fon'ny vahiny ve ? sa oe tena manao zavatra?) zavatra peta-toko toy izao no fanaondravalo teo amin'ny fitondrany fa eritrereto averina anie ee!!

-zara fa vita , ataotao fona , tsisy precision , de io mitady hoo ataon'ny TIM izao lazaindra hery io !!

asio mavesabesatra kokoa e !! zay vao mipasy izy !!
3. mmmhh ( 03/06/2009 12:19)
hery:
.....himatimatesanay ......anay ..... aza izahay ..... izany no nataonay. ......nataonay .... sy ny mbola hataonay ..... dia hofoananay ny
... hiaraka aminay ....Hoporofoinay ....izahay .


iza aloha ilay nareo e??

TIM sa TGV sa Hery manokana sy ny namany sa ...........ny serasera


4. andrywui ( 03/06/2009 12:27)
na anay io lazainy io na izy na izy de ny TGV no tompon'ny dera sy hitan'ny solomaso avy any ivelany fa hery mpanasa lamba fotsiny fa sao de mihevitra trafo-kena eo !!
5. reeves ( 03/06/2009 12:45)
Tsy tsapan`ilay TGV zany e ! Tsy tsapany hoe 85% n`ny gasy anie ka Tantsaha ary any no miantomboka ny ady amin`ny fahantrana fa tsy eny anaty hazo Isotry akory satria ny mpamokatra sakafo no tokony ho tohanana fa ny fitobahan`ny vokatra eo amin`ny tsena no mitana ny vidiny tsy hiakatra fa tsy hoe ho voinoina amin`ny vary 500 ar indray ny tantsaha . Ny fanaovana ny làlana no hahafahan`ny tantsaha mamoaka ny vokany fa tsy hoe azo hohanina akory ny lalana araky ny fanankianana . Ho anareo izay any ambanivohitra rehetra any dia tsara ny manazava ny sain`ny vahoaka mikasika io famotehina ny toe-karena sy ny firenena ataon`i TGV io . Ny fahantrana dia avy amin`ny toe-tsaina nokolokoloina tsy hiasa mafy , zatra tolorana lava fa tsy mikaroka ka manome laka ny hakamoana sy ny , fanantenana vola azo amin`ny fomba moramora (mangarom-paosy , garde voiture , manendaka izay mba bebe sandry ...) , manao kolokoly ( vola tsy nisasarana ) . Ireo no mitady hiverina hahazo laka satria hono hoe efa " NAHAZO FAHAFAHANA " . Tokony ho mailo noho izany ianareo izay avy amin`ny faritra iva satria ireo olona mieritreritra ny hanome sakafo anareo amin`ny vidiny morabe dia miezaka izay hahatonga anareo ho miankin-doha aminy mandrakizay ( toy izay ny politikan`ny Frantsay teto h@ zay ) ka azo atao fitaovana politika rehefa tonga ny fotoanany ary toy izany no ataon`i Alain Ramaroson ankehitriny .
6. hery ( 03/06/2009 12:47)
mmmhh> Euh, araho ny dinika efa nalefako teto teo aloha e :-) Sady tsy TIM izahay no tsy TGV.

7. andrywui ( 03/06/2009 12:49)
mmmhh> Euh, araho ny dinika efa nalefako teto teo aloha e Sady tsy TIM izahay no tsy TGV.


ha ha hahaah!! maninnnn hery raha manao acteur aminreny film d'action ireny e! mety mahavoa be nareo
8. Mirananirina ( 03/06/2009 12:50)
tadidio fa na hanao ezaka maina toa izany aza ny TIM ra-hery de ny TGV no mahazo ny dera sy ny famatsiambola be amzany fa ny anareo ganagan mitety asa !! sa ve raha oe hanao action (peta
mmmhh> Euh, araho ny dinika efa nalefako teto teo aloha e Sady tsy TIM izahay no tsy TGV.

efa hoe olom-baovao no hitatsika eto fa tsy taloha.
Arosoy fa miandry izahay e.
9. andrywui ( 03/06/2009 12:56)
mmmhh> Euh, araho ny dinika efa nalefako teto teo aloha e Sady tsy TIM izahay no tsy TGV.


-Mirana ve mahatoky an'i hery amzany hoe sady tsy TIM no tsy TGV zany !! bandy io ry Mirana fa tandremo a!
--efa tsipaky ny miala aina ny andry zalahy io ka ze voa any voa !
efa voa aho tamin'ny maraina be mbola tsy de nisy nahita,, fa saika nanaraka hatramin'ny aiko nanaovan'ny TIM ahy tanikeo zay ry Mirana a!

-nifandrimbona teo daholo izy rehetra niaraka tamin sefony

10. naritsimba ( 03/06/2009 12:58)
hoy hery:
Anisan'ny zavatra himatimatesanay ka nahatonga anay tapa-kevitra ny hiroso amin'ny fifidianana manaraka io dia ny fanatsarana ny ambanivohitra indrindra indrindra. Tsy politikan'ny te hahazo vato fotsiny izany, satria na dia mbola tsy teo amin'ny fitondrana aza izahay dia efa izany no nataonay. Ohatra mivantana ny natao tamin'iny faritra atsimo andrefan'ny nosy iny, momba ny fanomezana rano, sekoly, sy fampianarana ny mponina hahay hampiasa ny herijika eo amin'ny faritra misy azy (fahafahana mamboly na dia kely rano). Toa izany koa izay efa nataonay tamin'ny faritra afovoany andrefana sy ny mbola hataonay any amin'ny faritra atsimo atsinanana.
Aoka izay ny fanaovan'ny renivohitra ampihimamba ny toekarena. Fahefana goavana ny fananan'ny tantsaha tany hamokarana sy biby fiompy kanefa matetika dia izy ireo indray no tompony mangataka hatony.
Koa mba hanatanterahana izany dia hofoananay ny fisian'ny mpanera ofisialy maro be eo anelanelan'ny mpamokatra sy ny mpanjifa ka mahatonga ny vidim-bokatra hidangana be sy mampihena ny vokatra lafo.
Hohamafisina sy homena lanja kokoa ny koperativa mba hampihena na hanafoanana ireo mpanera ireo.
Hampiakarina ny haba momba ny sakafo voavoatra izay nafarana avy any ivelany.

Mbola hiaraka aminay hatrany ianareo? Hoporofoinay fa mahavita tsara lavitra noho izay nifanesy teo izahay ho fanandratana ny tanindrazana.

Efa miparitaka eny ambanivohitra eny izahay amin'izao fotoana izao. Miainga avy any ifototra, ary asa fa tsy kabary.


Tsy haiko na nodian'ny hery fanina na ahoana fa nisy fotoana aho efa niresaka teto momba ny fambolena sy fiompiana ary fampandrosoana ny eny ambanivohitra.
Nisy fiofanana mikasika ny fambolena izay nataonay ary nampitondraina ny anarana hoe TANTSAHA VAOVAO, t@ taona 2006 izy io no natao ary niarahana t@ Injeniera Amerikana, ary tao @ ny fiangonana FJKM Ambohipo no natao ny fampiofanana tsy nanavahana na iza na iza, fa izay vonona dia afaka nianatra.
Nisy ny fampiharana natao ary teny @ Vitrine de Madagascar tao Iavoloha no natao ny fambolena, saingy indrisy fa dia tsy nitohy ilay izy fa noelingelenin'Ingahy Ravalomanana izay filoha t@ izany.
Nisy ihany anefa ny fampiharana sy fampianarana ny tantsaha ka tany @ faritra Amoron'Imania(Ambositra), sy Toamasina, ary Andohatanjona-itaosy no nanaovana azy ary mbola mitohy hatramin'izao.
Misy ihany koa Injeniera maromaro izay efa mivondrona ka mikarakara mikasika ny fahazoana herin'aratra azo avy amin'ny rivotra(Energie eolienne), ahafahana manome herin'aratra ny eny ambanivohitra, io koa dia tetik'asa mbola iandraiketan'ny FJKM Ambohipo.
Maromaro ireo tetik'asa tokony efa ho vita sy tanteraka saingy noelingelenin'iny filoha Ra8 iny na dia tsy nangatahana na ariary taminy aza.
Soa ihany anefa fa dia mitohy mangina any ambadika any ny fiaraha-miasa @ ireo tsara sitra-po izay nahatsapa fa azo atao tsara ny mampandroso ity madagasikara ity @ fampiasana ny zava-misy eto @ taniny, ary tsy mila famatsiam-bola be izany.
Ny tena moa sy ireo izay vonona ny handroso dia miasa mangina.
Dia mirary ho tena fampandrosoana marina no ataon'ny hery sy ireo izay miara-miasa aminy fa tsy sanatria misy ambadika pôlitika.
11. andrywui ( 03/06/2009 13:05)
Dia mirary ho tena fampandrosoana marina no ataon'ny hery sy ireo izay miara-miasa aminy fa tsy sanatria misy ambadika pôlitika.


aleo hanao ry hery sy ny antokony ry Nary fa ny honneur de an'ny TGV foana !! ganagana mitety asa reo e! miditridi-^poana amin'ny tsy tokony hidirana ! asa innnnn ndray no kotrehendry zalah reo amzany
12. ravatorano ( 03/06/2009 13:25)
tsy azoko lessy ry andrywui ilay hoe ganagana mitety asa !
eo njinja mantsy no mahahirana aminity politika atao eto madagasikara ity e !
izay tonga eo milaza ho babany avokoa nefa reefa tena eo amin'ny toerana ny paosy no feno tanteraka ary ianareo ve d hino fa ho diso ambaka amin'izany ireto mpiara dalana ao amin'ny HAT ireto !
misy foana izany ny fahadisoana eo ami'nny fanaovana politika ary amizao dia hita miharihary ny zava misy fa dia manaiky an izany avokoa na ny mpiara dalana amin'ny fitondrana aza ! asa re inona no mahatonga izany sa izay ilay ganagana mitety asa voalaza etsy ambony ka hahazahoan'ny HAT dera sy laza arak'ilay hiran i HAT Sareraka hoe dera sy laza ho anao ......
tsy izay olona miasa ve no tokony mendrika ho deraina e
raha miasa araky ny tokony ho izy ny HAT sy izay miaraka aminy dia dera ho azy tokoa torak'izany koa izay mpanohitra mahavita ny asany fa tsy hoe raha andrywui no mahavita be d i ravatorano no hahazo dera sy laza :-P na d samy tsy mila an'izany aza zahay roalahy ! sa ahona ry zandry !
13. hery ( 03/06/2009 13:49)
Ra-Andrywui mbola variana amin'ny resaka TGV sy TIM foana :lol:

http://forum.serasera.org/index.php?rub=dinika/message&msgid=m4a152092dc5bf fa efa ela izahay no niainga.

Ny mahatonga anay hamerina ny ara-dalàna amin'ny fomba rehetra dia satria tsy hilamina ny fifidianana raha tsy miverina ny ara-dalàna.

Raha toa ka tsy tafaverina haingana dia haingana ny ara-dalàna dia sarintsarim-pifidianana fotsiny sisa satria araka ny tatitra heno avy amin'ireo namana miparitaka any ambanivolo any dia efa any koa ny avy amin'ireo mpanao politika sasany izay tohanan'ny frantsay izay tsy vitan'ny hoe mamafa ny anaran-dRavalo fotsiny fa manao fomba fiady tsy mamely tsy hisian'ny fifaninanana ara-dalàna.

14. Noue ( 03/06/2009 15:08)
hery:

Ny mahatonga anay hamerina ny ara-dalàna amin'ny fomba rehetra dia satria tsy hilamina ny fifidianana raha tsy miverina ny ara-dalàna.
harosohy aingana dia aingana aza zany fa inona no andrasanareo ???


15. endrika01 ( 03/06/2009 15:54)
Efa kely sisa,de hahay ampiasa ordi doly ny eny Ambanivohitra,de afaka mifidy am internet de tsisy afaka manao kolikoly ny mitady plus :wink: ny Gasy tsy mahay mifanina hoaminy tsara,fa ny mamingana no hainy! Dia fisaorana hoanireo zay miezaka hitady ny ara-dalana hatrany! Aleo halan Andriana,toy izay halam-bahoaka! :P
16. endrika01 ( 03/06/2009 15:54)
Efa kely sisa,de hahay ampiasa ordi doly ny eny Ambanivohitra,de afaka mifidy am internet de tsisy afaka manao kolikoly ny mitady plus :wink: ny Gasy tsy mahay mifanina hoaminy tsara,fa ny mamingana no hainy! Dia fisaorana hoanireo zay miezaka hitady ny ara-dalana hatrany! Aleo halan Andriana,toy izay halam-bahoaka! :P
17. Noue ( 03/06/2009 15:58)
hery:
Raha toa ka tsy tafaverina haingana dia haingana ny ara-dalàna
@ fomba ahoana moa no ahatafaverina aingana dia aingana an'io ??


18. andrywui ( 03/06/2009 18:35)
NY ARA-DALANA ??

mba tsy tiako ny hanononanareo TIM ireo anzany ara-dalana zany kah !!

otran'ny de tena oe mety ery ny ataonareo nefa tena tsy izy mihitsy !!

raha ohatra akaiky fotsiny ity ary : vao tsy mahatanty apoakako ato de ny sary porno no alefa hanetsemana ny olona tsy hamaky ny baramina alefako !!

de izany ve no ara-dalana ?? ny lehibebe kokoa ndray ; efa tsy havela hivorivory eny amin Magro eny fa manelingelina ny filaminanmbahoaka de mbola manao ihany !!!
19. Rajakoo ( 03/06/2009 19:24)
Tongava enao Hery fa hahonganay ty tgv ty fa tsy mahavoa é,mila soloina fa be katramo,
mavandy avao :-D :-D :-D :-D
20. fijo ( 03/06/2009 20:32)
hihihihi oka letsy.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.6843