Hatraiza ny fetra amin'ny fanoroana hevitra olona?
1. soanja
(
01/06/2009 09:46)
Mahavarina ahy fa isika olombelona rehefa hanao ny zavatra mahasarika ny fontsika sy ny saintsika dia roboka tokoa matetika tsy ampiheverana na ampiheverana manao izany satria izay no mahaolombelona antsika, ary matetika dia tsy ilaintsika ny hevitry ny hafa ny fanaovana azy fa tonga dia lasa izao. Mifankahalala izaho sy ranona satria naman'i anina izy. Tiako ranona, ndeha hiaraka izahay. Rehefa tafaraka izahay vao ampahalalana i anina. Mitady izay mahasambatra antsika isika tsinona ary halavirina mihitsy ny hevitry ny hafa. Ny olana anefa dia eo amin'ny famahana olana eo no tena tavela na mihitsoka isika ary manantena matetika isika fa ny hafa no tena manana ilay vahaolana na afaka hanoro sy hamaha izany ho an'ny tena.
Ny namana kosa izay itokisana hatramin'izay, ilay mihaino sy mandray ny olana mipetraka, dia mahita koa fasahiranana amin'ny hoe hatraiza no tsara ny torolalana na hevitra omena ary hatraiza no ametrahana hoe anjaran'ilay olona na izy samy izy no mamaha izany fa tsy tokony hitsabahana na hidirana na dia mitaky mafy ny fidiranao aza ireo olona manan'olana....
Ny fanontaniako dia hoe hatraiza ny fahendrena mipetraka ilazana hoe na tiako aza ianareo satria namako avokoa dia izay indrindra no tsy idirako amin'ny olanareo fa vahao ny anareo. Eo anefa dia matetika triatra ny fifandraisana satria amin'ny hafa io dia milaza fa manary azy amin'ny fotoan-tsarotra izany.
Asa na efa nisy niaina izany ianareo fa hitako fa na ny fitiava-namana aza dia manahirana raha vao tafiditra ny resaka fitiavana eo amin'ny samy mpinamana. Hatraiza ny fetra?

novalian'i ni81 ny 04/06/2009 05:46
2. Mirananirina
(
01/06/2009 11:39)
tsy azoko mihitsy aloha ny tena tianao lazaina fa dia samy manana ny heviny ny olona tsirairay ary tsy mitovy na namana be io na olona tsy fantatra
3. Koditra
(
01/06/2009 13:34)
Tsy tena azoko tsara koa ny tian'i Soanja lazaina, ilay soratra farany ihany no azoko dia aleo iny no hovaliako :
Tsy maintsy hoe mpinamana teny andakilasy, na mpiara-mivavaka, na iray tanàna, na niray taxi-brousy, dia nanomboka nifanersera teny sy lasa mpinamana, nifankahalala toetra dia nanomboka nisy ny fifankatiavana vao niditra teo @ fanambadiana. Asa hoe mba nandalo t@ zany làlana izany ve ny an'Soanja?
Ny olana nefa dia raha tsy nanana eritreritra fitiavana ny ankilany, io angamba ilay olana tian'i Soanja apetraka raha tsy diso ny fahitako azy. Raha io dia ekena tokoa fa tena manahirana.
Soanja:Tsy olana io raha toa ka samy tia ilay olona 2, zay foana matetika no fiandohan'ny fanambadiana fa tsy nisy hoe nifanena teny andalana dia tonga dia nande nisoratra teny @ Firaisana.
Asa na efa nisy niaina izany ianareo fa hitako fa na ny fitiava-namana aza dia manahirana raha vao tafiditra ny resaka fitiavana eo amin'ny samy mpinamana. Hatraiza ny fetra?
Tsy maintsy hoe mpinamana teny andakilasy, na mpiara-mivavaka, na iray tanàna, na niray taxi-brousy, dia nanomboka nifanersera teny sy lasa mpinamana, nifankahalala toetra dia nanomboka nisy ny fifankatiavana vao niditra teo @ fanambadiana. Asa hoe mba nandalo t@ zany làlana izany ve ny an'Soanja?
Ny olana nefa dia raha tsy nanana eritreritra fitiavana ny ankilany, io angamba ilay olana tian'i Soanja apetraka raha tsy diso ny fahitako azy. Raha io dia ekena tokoa fa tena manahirana.
4. fahamarinana
(
01/06/2009 16:57)
soanja:
Ny fanontaniako dia hoe hatraiza ny fahendrena mipetraka ilazana hoe na tiako aza ianareo satria namako avokoa dia izay indrindra no tsy idirako amin'ny olanareo fa vahao ny anareo. Eo anefa dia matetika triatra ny fifandraisana satria amin'ny hafa io dia milaza fa manary azy amin'ny fotoan-tsarotra izany.
:arrow: Ito aloha no azoko valiana mandra-pahatongan'ny fanampim-panazavana omeny soanaja an!
Za manokana mazana dia tafiditra lalina foana anaty tranga tahakan'io ,ny olana efa nandalovako sy azo atao hoe novahako dia ilay mpivady na ilay olona roa miaraka mihintsy no lasa mamboraka olana amiko ,nefa aho tsy afaka mizara na amin'izy roa tonta fa mahalala olana dia anjarako samirery no mamaha azy ,araka izay saim-patako sy mba heveriko fa mety !..Ny tiako lazaina dia mbola tsy nisy hatreto aloha ka namana ka nialako pas satria amiko ,raha namana ,indrindra tena namana akaiky dia sarotra ny hanakimpy maso manoloana ny olana ka tsy hamaha na dia atao hoe hiresaka na hanamora ny adi-tsaina e !Na ny tenako aza marary ihany koa !..Za angamba no mbola tsy sendra tranga sarotra sy tsy azo vahana ,ary tsy te ahita izany akory satria malahelo koa aho raha marary ny namako nefa tsy misy azoko atao hanamaivana ny fahasahirany ...
Za moa mazava ho azy fa tsy manana ilay fahendrena ka mety izay no mahatonga ahy mijabaka ao anatiny ! :? (l)
5. rakaroka
(
01/06/2009 17:51)
Fiheverako , tsy voafaritra na voafetra ny azo ifanampiana, sy itiavana olona.
Ilay izy tsy hoe ny fitsabahana akory no inn fa ny "fahaizana mitia" mihitsy no "ART GOAVANA" amiko!

6. fahamarinana
(
01/06/2009 18:44)
rakaroka:
ny "fahaizana mitia" mihitsy no "ART GOAVANA" amiko!
:arrow: mbola tena fanontaniana hafa koa ity lazain'ny rakaroka ity !..Moa etsy andaniny samy manana ny tena ilazany ny hoe 'fahaizana mitia ",araka ilay olona ! Ohatra misy mitia dia manome hatrany ,misy mitia dia mandray fotsiny ,misy mitia dia mifampizara ! Iza amin'ireo no azo lazaina ho tsara ? Azo tsy valiana satria mety lasa hampivoana ny dinika napetraka tany am-boalohany na za koa no mety efa zatra sy tia manitatra ! Fa mba nanitikitika ahy monja re e ! (l)
7. soanja
(
01/06/2009 20:34)
Mirananirina:
tsy azoko mihitsy aloha ny tena tianao lazaina fa dia samy manana ny heviny ny olona tsirairay ary tsy mitovy na namana be io na olona tsy fantatra
Mikorontana tokoa aky ny fametrahako ilay lohahevitra fa ialako tsiny indrindra.
Ny ao anaty saiko zany io zaraiko io fa ity no zava-misy:
Manana namana aho 6 ny isany. Samy tamiko daholo no nifankahalalan'ireo tamin'ny fomba samihafa. Tampoka eo efa mpisipa ny roa vao fantatro- couple #1. Ny roa hafa kosa - couple #2 - efa somary nifankatia teny ho eny ary raikitra ihany ny farany. Ny couple # 3 kosa dia mpivady mihitsy. Niodina ny fiainana tsy nisy ny olana, tampoka eo tonga ny olana. Te hisaraka amin'iray ny iray ao amin'ny C1 satria lasa nifankatia tamin'iray hafa tao amin'ny C2. Lasa tia ny sipa C1 ny bandy C2 zany. Marary aby ny C1 sy C2 hialana. Etsy andaniny ny roa farany tsy voakasika C3 milaza amiko ny fahitany ny fifandraisain'ireto mpisipa roa C1 ka manesika fa ny fisarahan'ireto C1 no hahatsara ny finamanana satria ny C2 hono tsy dia mamely loatra ny toetran'ny fiarahana ao, Moa ny C1 tsy misy fitombenana ny zavamisy hono araka ny voalazan'ny C3.
Mivadibadika be ilay fandehany fa dia somary leo aho. Tiako raha mba tsy mila mamaha ny olan'ny rehetra aho fa tiako kosa raha mba mifankatia ny rehetra. Amiko samy afaka miaraka amin'izay tiany hiarahana any ary samy tompon'andraikitra tamin'izay nataony avy. Tsy misy diso satria ny fo daholo no nibaiko tamin'izany ary samy mifamela heloka satria olombelona ihany. Izay leo miala ary izay mifankatia miaraha. Tsy manana vahaolana matotra aho satria amiko kilalao aby izany. Olona samy mpinamana eo dia mifampidimpiditra toy izany.
Ny zavamisy anefa dia samy mangataka fotoana malalaka hitantarana izay mampalahelo any anaty avy ny tsirairay ary manantena fa hahazo ny zavamisy aho. Noho izany dia matotra tokoa ny raharaha. Iza ary no hotiavina dia iza no homena tsiny. Samy namana tiana avokoa ary mitovy tsy misy valaka aby ny fandraisana azy. Iza no nilaza tamin'ny iza hoe velaro etsy ny fe sy atsofoy eto ny zavatra sns... de iza no nilaza fa nihena ny fitiavana sns ka hamindra ketsa indray. Amin'izao vaninandro be ny manahirana izao dia amiko somary tsy mahamaika ahy ny hamaha olan'olona nefa rehefa nandinika koa dia tsy afaka mankaiza fa ny tena no ivo ifaharan'ireto manodidina ary heverina fa manana ny fahendrena hamaha izany satria fantatr'ireto avy fa anisan'izay no asako taloha.
Tia tena ve ny tena raha hiteny hoe tsy te hihaino aho satria tsy te hifampidipiditra fa mba vahao ao re ny anareo dia rehefa milamina teneno amiko hoe ahoana ny hifandraisantsika sa hoe eny ary fa mihaino aho fa tsy afaka hanome vahaolona satria samy tiako ianareo fa izay maharary tsipazo eto ary dia eto isika handoro azy , zah sy ianao irery dia nefa aza manantena hoe hanao action ankoatr'izay aho. Sa ve hoe mandreraka be ianareo rehetra fa aleo zah mba haka coin aloha fa mino aho fa lehibe daholo ianareo mahalala zay tokony atao. Sa ve hoe mandehana any amin'ny Mpanolontsaina ny mpifankatia sy mpivady mandoa vola fa ireny afaka manampy kokoa? Tsy afaka handray vola amin'ny namako aho nefa koa tsy te handany fotoana hamparary fo ao anaty hoe iza no diso dia hampihena ny fitiavako ho amin'izany.
Omeo hevitra aho izay mahalala e. Tsara ny manana namana, tiako ny namako rehetra ary samy mitovy amiko aby ireo. Mahatsara ahy ve ny miala mora. Aiza ny fetra??? Tia tena ve aho?? Efa misy somary tezitra ny C3 fa hoe tsy manampy mihitsy hono aho nefa afaka mijery mazava ny zavamisy satria neutre!
8. Ratoa
(
01/06/2009 21:20)
Ianao ihany no milaza fa ny fo no mitondra io. Raha izaho no eo @ ny toeranao dia tsy miditra @ ny olany aho. Ianao rehefa avy eo no ho lazainy fa nanoro vohana. Avelao eo fa samy lehibe ary samy mahalala fa tsy tokony hitsiriritra eny na dia hijery akory aza, ny vadin'ny namany izy. Na sipa aza dia azo lazaina hoe vady. Ary rehefa levona ny fitiavana ka tsy misy intsony dia tokony samy handray andraikitra ny tsirairay. Efa lazaina ve ianao fa "tsy tiako intsony ianao fa i Rose indray no tiako izao" dia mbola hisisika ihany?
vidian-kaja, vidiam-boninahitra
vidian-kaja, vidiam-boninahitra
9. fahamarinana
(
02/06/2009 03:35)
:arrow: Amiko manokana indray soanja an ,tsy hoe tia tena satria marina fa toa bobaka be kosa ilay olana sady miara-mitontona ! Za mba maniry koa ny ho tia tena ndraindray fa tsy mety vitako ilay izy !
Ny olana (raha azo lazaina hoe olana )dia misy karazan'olona dia sendra izay foana hoe hi confier n'olona sy hizaran'olona zvtr :na olana na tsiambaratelo !
Htreto aloha dia Tsy dia manana toro-hvtr homena andry aho
:arrow: F'angaha kosa voatery ho izay no ho lazain'ny namana anao raha manampy na mamaha ny olany ? Amiko tsy tena namana raha ahavita hamaly izany amiko ,ahy moa iny !! sady koa tsarovy fa fo torotoro no manoloana ka normal raha sanatria ka mahatafavoaka teny maharary !
:arrow: Ka raha hitsara azy amin'ny fitondrany ny fiainany kosa aloha dia aleo tsy miteny e,olona mila torohevitra ve no ndeha holatsaina koa fanampiny ? Olon-dehibe izy ireo :ekeko izay fa ny anjaranao ,namany raha te hanao dia milaza izay mba hevitra rahatoa ka mahavita na tonga dia tsy milaza tahaka ny fanapahan-kevitra ataon'ny soanja !
Fa hevitro monja izay an ! Mirary andry ahita vahaolana mety ho andry sy eken'ny namana rahateo aia a! :-* (l)

Ratoa:
Ianao rehefa avy eo no ho lazainy fa nanoro vohana

10. aivetinakely
(
02/06/2009 07:40)
Tsotra ny ahy no mba hevitro
-Ataovy fantantr'izy rehetra , tenano ho reny fa "neutre" ianao , tsy momba ny atsy na ny aroa
-Ampahafantaro azy fa torohevitra no azonao atao fa an'ny tsirairay ny manapa-kevitra sy manantanteraka izay dingana takin'ny fihavanana sy ny finamàna
-Asaivo ho samy tony izay te-hanatona anao, ary ilazao hitady izay anjara fahadisoany fa tsy hitsikera ny hafa, raha vao mitsikera ny hafa manko de vao maika manampy trotraka ny raharaha
-Tsy voatery hibaboka aloha fa mahafantatra fotsiny hoe " ity tokoa ny tsy mety nataoko".
-Asaovy dinihiny hoe" hatraiza no mety fahapotehana" ateraky ny fihetsiny ho an'ny hafa.
-Rehefa avy maka ny hevitry ny tsirairay ianao vao miroso amin'ny fampihavanana miaraka raha tiany
-Tsy voatery hiandry ny fahatapahan-kevitry ny rehetra anefa vao mampiroso tsikelikely amin'ny fampifanatonana izay vonona, fa manjary tsy afa-patorana izay efa vonona.
-Ataovy fantany fa " ny pardon" de teny mampiadana ny FO, ka na mamela na tsy mamela azy ny hafa , rehefa mangataka io izy de hiadana ny fony.
-Ampahatsiahivo azy fa hoy ny fitenin-drazana" Tsy maha-andriana akory ny mamela heloka, ary tsy maha-andevo ny mibaboka" fa ny olom-belona de mandia tany ka solafaka ary miloloha lanitra ka lena.
-Aoka ho hentitra ianao amin'ny fanamafisana ny hoe" mikaroka ny anjara fahadisoany" no tsara kokoa noho ny miampanga ny hafa, raha vao ny fiampangàna no manjaka na mandeha aloha, de vao maika hiha-maizina ny tabelau.
Tsy mety amiko ny mamela azy ireo irery hamaha ny olany satria efa samy difotra ry zareo ka tsy afa-miala, ary efa tsy mahataka-davitra satria samy entim-po.
Izay no mba hevitro ka mba andramo raha mety aminao.
Mahereza fa tsy very akory ny ezaka ataonao , fa na tsy hitanao anio ny vokany, ho azonao rahampitso; de mba izarào ny fivoaran'ny fihavanana é

11. Mirananirina
(
02/06/2009 08:43)
Amiko samy afaka miaraka amin'izay tiany hiarahana any ary samy tompon'andraikitra tamin'izay nataony avy. Tsy misy diso satria ny fo daholo no nibaiko tamin'izany ary samy mifamela heloka satria olombelona ihany. Izay leo miala ary izay mifankatia miaraha. Tsy manana vahaolana matotra aho satria amiko kilalao aby izany. Olona samy mpinamana eo dia mifampidimpiditra toy
Io aloha dia tena marina ary tsy misy afaka manakana io na dia atao hoe fitia voarara aza dia vao maika mafy.
Omeo hevitra aho izay mahalala e. Tsara ny manana namana, tiako ny namako rehetra ary samy mitovy amiko aby ireo. Mahatsara ahy ve ny miala mora. Aiza ny fetra??? Tia tena ve aho?? Efa misy somary tezitra ny C3 fa hoe tsy manampy mihitsy hono aho nefa afaka mijery mazava ny zavamisy satria neutre!
tsy tokony handiso anao ry zareo ,fa azonao atao koa anie ny tsy miditra sy tsy manome hevitra e.Afaka miala ianao raha hitanao fa tsy mahasoa sy hampidikizo izy ireo.
12. ikaretsaka
(
02/06/2009 16:12)
rakaroka:
Fiheverako , tsy voafaritra na voafetra ny azo ifanampiana, sy itiavana olona.
Ilay izy tsy hoe ny fitsabahana akory no inn fa ny "fahaizana mitia" mihitsy no "ART GOAVANA" amiko!
miray hevitra zaho sy rakaroka eto
13. kotobekibo
(
03/06/2009 20:12)
Amiko , arakaraka ny fifandraisana @ lé ol ihany .
- Mahazo miditra lalindalina @ fanoroana ianao raha akaiky tsara azy ( tahaka ny rahalahy sy anabavy , tsy mifampijery harina an-tava na dia mety ahafitohana azy aza izany , adidy izay )
- toro hevitra tsotsotra fotsiny raha toa ka tsy namana akaiky loatra . Mila amboarina b ny fanoroana hevitra .
;-)

14. soanja
(
04/06/2009 04:37)
Ratoa:
Ianao ihany no milaza fa ny fo no mitondra io. Raha izaho no eo @ ny toeranao dia tsy miditra @ ny olany aho. Ianao rehefa avy eo no ho lazainy fa nanoro vohana. Avelao eo fa samy lehibe ary samy mahalala fa tsy tokony hitsiriritra eny na dia hijery akory aza, ny vadin'ny namany izy. Na sipa aza dia azo lazaina hoe vady. Ary rehefa levona ny fitiavana ka tsy misy intsony dia tokony samy handray andraikitra ny tsirairay. Efa lazaina ve ianao fa "tsy tiako intsony ianao fa i Rose indray no tiako izao" dia mbola hisisika ihany?
vidian-kaja, vidiam-boninahitra
Izay tokoa no tsapako voalohany raha voa nitotona ny olana. Amiko io no fahendrena voalohany tonga tao an-tsaiko. Nefa rehefa nanao fandinihana lalina aho dia miha miova ny fomba fijeriko ny zava-drehetra dia niditra moramora ato amiko ny tahotra sy ny ahiahy ka izay no nizarako azy aminareo eo ahitako mazava azy. Misaotra indrindra nanolotra hevitra.
15. soanja
(
04/06/2009 04:39)
Koditra:
Tsy tena azoko tsara koa ny tian'i Soanja lazaina, ilay soratra farany ihany no azoko dia aleo iny no hovaliako :
Soanja:Tsy olana io raha toa ka samy tia ilay olona 2, zay foana matetika no fiandohan'ny fanambadiana fa tsy nisy hoe nifanena teny andalana dia tonga dia nande nisoratra teny @ Firaisana.
Asa na efa nisy niaina izany ianareo fa hitako fa na ny fitiava-namana aza dia manahirana raha vao tafiditra ny resaka fitiavana eo amin'ny samy mpinamana. Hatraiza ny fetra?
Tsy maintsy hoe mpinamana teny andakilasy, na mpiara-mivavaka, na iray tanàna, na niray taxi-brousy, dia nanomboka nifanersera teny sy lasa mpinamana, nifankahalala toetra dia nanomboka nisy ny fifankatiavana vao niditra teo @ fanambadiana. Asa hoe mba nandalo t@ zany làlana izany ve ny an'Soanja?
Ny olana nefa dia raha tsy nanana eritreritra fitiavana ny ankilany, io angamba ilay olana tian'i Soanja apetraka raha tsy diso ny fahitako azy. Raha io dia ekena tokoa fa tena manahirana.
Miandry an'i Koditra hanome ny heviny amzay zany satria efa natosako io no tena olana.
16. soanja
(
04/06/2009 04:59)
fahamarinana:
:arrow: Amiko manokana indray soanja an ,tsy hoe tia tena satria marina fa toa bobaka be kosa ilay olana sady miara-mitontona ! Za mba maniry koa ny ho tia tena ndraindray fa tsy mety vitako ilay izy !
Ny olana (raha azo lazaina hoe olana )dia misy karazan'olona dia sendra izay foana hoe hi confier n'olona sy hizaran'olona zvtr :na olana na tsiambaratelo !
Htreto aloha dia Tsy dia manana toro-hvtr homena andry aho
Fa hevitro monja izay an ! Mirary andry ahita vahaolana mety ho andry sy eken'ny namana rahateo aia a! :-* (l)
Misaotra indrindra Fahamarinana a. Tsy fantatro na ny taonanay mivady na ny hoe fomba fandraisanay olona no tena mahatonga ny olona hametraka fitokisana tokoa amin'ny filazana sy fizarana izay manjo azy ireo. Tsy mbola nisy fotoana koa anefa ka niraviravy tanana izahay na hoe nanilikilika fa raha mbola afaka manampy olona izahay dia izay no hisaoranay an'Andriamanitra.
Misy filamatra izay napetrakay ho fijoro " Ho fantsom-pitahiana ho an'ny hafa anie ianareo!" Io angamba no azoko lazaina ho fitiavana lavorary aminay.
Nefa satria olombelona isika dia misy tokoa ny fetra azo apetraka ary tsy maintsy apetraka mba tsy hitsambikinan'olona ny fefy izay natao hahasalama ny rehetra ao anaty fiaraha-monina.
Io fetran'ilay fefy io no nahasarika ahy hitady hoe aiza ho aiza raha amin'ny samy zatra mpanome torohevitra toa antsika.
Misaotra indrindra manampy.
17. soanja
(
04/06/2009 05:12)
aivetinakely:
Tsotra ny ahy no mba hevitro
-Ataovy fantantr'izy rehetra , tenano ho reny fa "neutre" ianao , tsy momba ny atsy na ny aroa
-Ampahafantaro azy fa torohevitra no azonao atao fa an'ny tsirairay ny manapa-kevitra sy manantanteraka izay dingana takin'ny fihavanana sy ny finamàna
-Asaivo ho samy tony izay te-hanatona anao, ary ilazao hitady izay anjara fahadisoany fa tsy hitsikera ny hafa, raha vao mitsikera ny hafa manko de vao maika manampy trotraka ny raharaha
-Tsy voatery hibaboka aloha fa mahafantatra fotsiny hoe " ity tokoa ny tsy mety nataoko".
-Asaovy dinihiny hoe" hatraiza no mety fahapotehana" ateraky ny fihetsiny ho an'ny hafa.
-Rehefa avy maka ny hevitry ny tsirairay ianao vao miroso amin'ny fampihavanana miaraka raha tiany
-Tsy voatery hiandry ny fahatapahan-kevitry ny rehetra anefa vao mampiroso tsikelikely amin'ny fampifanatonana izay vonona, fa manjary tsy afa-patorana izay efa vonona.
-Ataovy fantany fa " ny pardon" de teny mampiadana ny FO, ka na mamela na tsy mamela azy ny hafa , rehefa mangataka io izy de hiadana ny fony.
-Ampahatsiahivo azy fa hoy ny fitenin-drazana" Tsy maha-andriana akory ny mamela heloka, ary tsy maha-andevo ny mibaboka" fa ny olom-belona de mandia tany ka solafaka ary miloloha lanitra ka lena.
-Aoka ho hentitra ianao amin'ny fanamafisana ny hoe" mikaroka ny anjara fahadisoany" no tsara kokoa noho ny miampanga ny hafa, raha vao ny fiampangàna no manjaka na mandeha aloha, de vao maika hiha-maizina ny tabelau.
Tsy mety amiko ny mamela azy ireo irery hamaha ny olany satria efa samy difotra ry zareo ka tsy afa-miala, ary efa tsy mahataka-davitra satria samy entim-po.
Izay no mba hevitro ka mba andramo raha mety aminao.
Mahereza fa tsy very akory ny ezaka ataonao , fa na tsy hitanao anio ny vokany, ho azonao rahampitso; de mba izarào ny fivoaran'ny fihavanana é
Misaotra indrindra nanoro hevitra. Ireo omenao ireo tokoa no tsara hanampiana azy ireo. Raha mba nanam-potoana ivalamparana anefa aho dia faly tokoa ny tenako namita antsakany sy andavany izany saingy eo ny adidy aman'andraikitra tonga alohan'io rehetra io ary laharampahamehana koa.
Izay efa niresaka tamiko moa izany dia efa nomeko sopapa aho alohan'ny hiresahantsika akaiky ny zavamisy dia soraty an-tsoratra daholo aloha ny mety hadisoana nisy avy taminao ka nahatonga izao olana izao. Tsy ny rehetra anefa no efa voateny izany. Satria be ny manamari-tena dia aleo mangina mihaino fotsiny.
Ny C3 moa tonga dia noteneniko hoe matoa izahay neutre dia tsy hoe satria tsy tia akory na tsy miraharaha fa noho ny fitiavana indrindra no mahatonga anay ho toy izany. Iza tokoa moa amin'olombelona no tia ho jabajabain'olona ny fiainany ary olon-kafa no mamily izay ho fiainany. Tsy misy aloha io raha ny fahitako azy afa tsy ny sembana ara-tsaina na ara-batana ka tsy afaka mahita mazava ny zavamisy fa mila fanampiana na izany aza dia mila fitiavana sy fahatokisana be dia be tokoa vao tonga amin'io.
Tsara ny mamitra-pihavanana ary enga anie ho tody amin'izany ny ezaka atao. Enga anie hoy aho satria raha ny fahitako azy avy eto ho sarotra ny raharaha satria araky ny voalaza ny fo aby no milalao eo!
18. soanja
(
04/06/2009 05:23)
Mirananirina:
Amiko samy afaka miaraka amin'izay tiany hiarahana any ary samy tompon'andraikitra tamin'izay nataony avy. Tsy misy diso satria ny fo daholo no nibaiko tamin'izany ary samy mifamela heloka satria olombelona ihany. Izay leo miala ary izay mifankatia miaraha. Tsy manana vahaolana matotra aho satria amiko kilalao aby izany. Olona samy mpinamana eo dia mifampidimpiditra toy
Io aloha dia tena marina ary tsy misy afaka manakana io na dia atao hoe fitia voarara aza dia vao maika mafy.Omeo hevitra aho izay mahalala e. Tsara ny manana namana, tiako ny namako rehetra ary samy mitovy amiko aby ireo. Mahatsara ahy ve ny miala mora. Aiza ny fetra??? Tia tena ve aho?? Efa misy somary tezitra ny C3 fa hoe tsy manampy mihitsy hono aho nefa afaka mijery mazava ny zavamisy satria neutre!
tsy tokony handiso anao ry zareo ,fa azonao atao koa anie ny tsy miditra sy tsy manome hevitra e.Afaka miala ianao raha hitanao fa tsy mahasoa sy hampidikizo izy ireo.
Zah aloha mino fa tsy hanome na handiso anay velively ry zareo saingy tsara foana ny mametra ny toro-hevitra mba tsy hivaoana amin'ny tsy tokony ho izy raha sanatria ka misy malemy ny sasany mpandray ka tsy afaka mahita ny fahamarinan-javatra. Ny mpanome torohevitra rahateo tsy anjely.
:-D
Ny fahitako azy betsaka ny fahalemena ao anatin'ilay resaka nefa olombelona isika ka tsy maintsy solafaka izay tokoa ary tsy misy mahalala izay hapoakan'ny ampitso: besiasia izay raolombelona mantsy!
19. soanja
(
04/06/2009 05:26)
ikaretsaka:
rakaroka:
Fiheverako , tsy voafaritra na voafetra ny azo ifanampiana, sy itiavana olona.
Ilay izy tsy hoe ny fitsabahana akory no inn fa ny "fahaizana mitia" mihitsy no "ART GOAVANA" amiko!
miray hevitra zaho sy rakaroka eto
Ndeha hoteneniko hoe tsy manana ilay "Art Goavana" izahay. Mbola miandry anareo izany hizara izany aminay eto! Misaotra mialoha.
20. soanja
(
04/06/2009 05:32)
kotobekibo:
Amiko , arakaraka ny fifandraisana @ lé ol ihany .
- Mahazo miditra lalindalina @ fanoroana ianao raha akaiky tsara azy ( tahaka ny rahalahy sy anabavy , tsy mifampijery harina an-tava na dia mety ahafitohana azy aza izany , adidy izay )
- toro hevitra tsotsotra fotsiny raha toa ka tsy namana akaiky loatra . Mila amboarina b ny fanoroana hevitra .
;-)
Misaotra indrindra fa marina izany tsy havana akaiky akory ireo saingy kosa samy ela nifanapahana avokoa.