Hatraiza ny fetra amin'ny fanoroana hevitra olona?
21. soanja (
04/06/2009 05:38)
Tsy hay ny tsy hisaotra antsika rehetra nandray anjara tamin'ny dinika.
Rehefa nandinika lalina aho dia ny C1 sy C2 torotoro fo na marary tokoa noho ny zavamisy no horaisiko an-tanana ny fanampiana amin'ny torohevitra ho entin-dry zareo hiroso amin'ny fiainam-baovao izay tsy maintsy hatrehany.
Ny akoatr'izay dia aleo ny fiainana no hanampy azy ireo hijery mazava ny atao hoe fitiavana.
Amiko , arakaraka ny fifandraisana @ lé ol ihany .
- Mahazo miditra lalindalina @ fanoroana ianao raha akaiky tsara azy ( tahaka ny rahalahy sy anabavy , tsy mifampijery harina an-tava na dia mety ahafitohana azy aza izany , adidy izay )
- toro hevitra tsotsotra fotsiny raha toa ka tsy namana akaiky loatra . Mila amboarina b ny fanoroana hevitra .
zà koa dia mitovy hevitra @ koto eto satria efa mba afaka nanambara izay tao am-po, dia na ho inona na ho inona ho tohiny eo dia tsy hisy nenina intsony fa efa mba efa nandray andraikitra t@ toro-hevitra