Andry Rajoelina nanodina vol Airmad

21. Noue ( 29/05/2009 07:15)
naritsimba:

izany nanodina izany ange dia toy ny ataon'ny pirates eh! Raha voaloa ara-dalàna kosa ny vola saran'ny andehanany satria ao anaty teti-bolam-panjakana ireny dia tsy misy olana amiko.
"naritsimba":
izany nanodina izany ange dia toy ny ataon'ny pirates eh!
ka aminao ve ny fanodinana toy ny nataon'ny pitares zany tsy fahadisoana zany ? tsy heloka zany ?? zany izy efa oe pirate zany??? sa misy pirate tsara dia misy pirate ratsy???
"naritsimba":
Raha voaloa ara-dalàna kosa ny vola saran'ny andehanany satria ao anaty teti-bolam-panjakana ireny dia tsy misy olana amiko.
ka raha voaloa ara-dalàna ny vola , naninona no tsy natao @ fomba ofisialy fa naninona no nahodina zay niteraka fampijaliana ny mpandeha? zao lasa 24h ny vol tokony ho à peine méme pas 10h ??? sady tsisy fanajana ny mpandeha???


22. andrywui ( 29/05/2009 08:13)
ary ny alina efa matory mangingina iny ramosé vao mitsaitsaika manoratra hevitra ato an !!! tsy olana zany fa ny fotoana tsy manapetra e !!
23. andrywui ( 29/05/2009 08:15)
Ny an'i Andry rajoelina avion no nahodina fa ny an'i Ravalo ny volampanjakana mihitsy no nahodiny nividianany avion force anakiroa zao mihintsy
24. naritsimba ( 29/05/2009 09:40)
Noue> Tsy nangalatra izy, fa hoy ny nosoratanao hoe:
Il se trouve que nous devions receuillir des personnes de ce vol réquisitionné pour la délégation HAT devant se rendre à Dakar

réquisitionné # détournement
réquisitionné = didy ampiharina.
détournement = fanodinkodinana, halatra

Ny hita eto izany dia tsotra: izay olona nanoratra an'io dia milalao fomba firesaka izay azo antsoina hoe fikitra mampiady angely.
Moa ve tsy manan-jo hanao "réquisition" ny manam-pahefana malagasy? sa mbola tadiavinareo ho baikoin'ny vahiny ihany koa.
Mba fantatrao ve ohatrinona ny volan'ny AIR MAD lasan-ireo olona napetraky Ravalomanana hitantana ny Air Mad?
Aza manao fitsindrok'akoho ry Noue an! ary lasa mampianatra indray ah ankehitriny @ ireto olona tsy mahay teny malagasy ...!
Noue tsiky dia ampy an!


25. xxx ( 29/05/2009 10:01)
réquisitionné # détournement
réquisitionné = didy ampiharina.
détournement = fanodinkodinana, halatra

Tsy ilaina azavaina @ TIM ireo ry Naritsimba a! tsy ho takatry ny lohakeliny ny mahasamihafa ireo. Avelao izy hitatata toy ny k7 eo, rehefa lany pile mangina ho azy.
26. coucou2 ( 29/05/2009 10:20)
naritsimba:

Mahagaga sy mahavariana.
Teo aloha lazaina fa tsy sahy nivoaka ny filohanay Andry Rajoelina, nony injay mivoaka indray dia ahitana fitenenana hafa, maninona moa raha jerena koa ra-hery hatramin'ny hoe inona no vary nohaniny dia inona ny laokany.
Azon'ny Filoham-panjakana rehetra atao ny mampiasa ny fiaramanidina ao @ firenena misy azy fa kosa raha tsy mandoa vola dia diso, izany nanodina izany ange dia toy ny ataon'ny pirates eh! Raha voaloa ara-dalàna kosa ny vola saran'ny andehanany satria ao anaty teti-bolam-panjakana ireny dia tsy misy olana amiko.
marina io tenenin'ny ndaty io, rehefa tsy mety dia tsy mety na iza na iza, fa saingy misy alahelo manokana mihitsy ny an'ny sasany dia hoe raha tsy Ra8 no eo dia tsy lasa.
Ny voamariko ihany koa dia ireo tsy monina eto Madagasikara no tena malahelo mafy mihitsy an'i Ra8, asa inona loatra ny antony, ny any Frantsa,sy Italie no tena malahelo.
Milaza mankahala frantsay nefa dia mbola mitokona mipetraka any ihany.


Manontany anao aho: impiry moa io lazainao fa filohanareo io no nande t@ avion airmad? Dé impiry t@ reo izy no nandoa frais??????????????

Afaka manontany ny mpiasan'ny airmad enao raha tsy mino.
27. booboo ( 29/05/2009 12:55)
zà koa mba gaga ry Coucou2 !

Mahalaza azy tsara ilay voambolana @ teny malagasy : nanodina fiaramanidina. Tena vendrana dia vendrana mihitsy ilay HAT : tsy mieritreritra mihitsy hoe misy olona efa lehibe ao marary, misy olona mbola handray avion ho any @ firenen-kafa, misy mpitsena manana ny fotoany sy mipetraka lavitra, misy zazakely tsy mahatanty presque 24h tao anaty avion sns. Tsisy nampiomanina ny @ zany hanao escal ao Dakar izany ny olona raha tsy efa ni-décolle ny avion !! inona no fiantso an'izany ????????

Dia ny vokatr'io tsy mba nosain'ireo HAT mihitsy fa dia leur petite personne ihany no hita !! manodiava iny omaly iny klé !! san'angady !
28. ravonjison ( 29/05/2009 13:03)
Itý resaka Avion itý dia efa natao ady hevitra teo aloha, kanefa niverina indray satria misy ny olana ( ny adala ihany no tsy mahita ilay olana).

1- Tsy fantatro na misy miasa @ orin\"asa priveé ny mpifanerasrea sasany ato fa amiko dia olana tokoa izany fifampiakinana\" ny filoha sy ny orin\" asa iray izany.Isaky ny misy programa izany ny filoha dia tsy maintsy mifampresaka @ Air Mad foana. Tsy mety izany, tsy maintsy miteraka olana foana izany any aoriana : mety tsy ho voalohan\" ny filoha ny sarandalany, mety ampiakarin\" ny Air mad ny sarandalan\" i filoha satria fantany fa tsy maintsy ilain\" ny filoha ny mandeha, na mety tsy manaiky fahatarána ny mpandeha sasany..sns....betsaka ny olana aterak\" io. Noho izany, tsara sy normal raha mandeha @ avion-ny ny filoha.
Hita t@ itý cas iray itý fa tena mametraka olana tokoa ilay izy.

2- Izany olana izany dia tsapan-dRavalo tokoa, izay no nahatonga azy hividy avion ho an\" ny filoha.
Hatreo dia mazava fa nanana raison (hevitra) mitombina Ravalo raha nividy ilay avion ( raison iray iny , fa mety mbola misy raison hafa).

Ny olana hafa indray dia ny hoe: avion inona no tokony novidiny mba tsy ho lafo sy mba tsy hampandany vola ny entretien-ny ? Iny dia ny manampahaizana no tokony handanjalanja sy nanao calcul. Izao mino fa misy antony mazava sy mitombina ao matoa izy nividy avion lehibe ( ohatra : matetika dia tsy mandeha irery izy fa miaraka @ entrepreneurs...).

Voalaza teo : \" raha hitanao ve fa ny ankohonanao tsy misy hanikoanina sady misy ny marary mila fitsabohana sy fifidianana fanafody ,ianao manambola kanefa dia tsy norarahinao io ankohonanao io fa ny hividy fiara hijejojejona eraky ny tanana no nataonao?\"
Io hevitra io dia somary tsara amboalohany, saingy somary marivo ihany rehefa tena dinihina akaiky..

Ato akaikinay dia misy fianakaviana iray izay vao nividy fiara satria tara foana ilay raim-pianakaviana vao tonga ao ampiasana, bedin\" ny chef-ny foana izy. Ny antony dia tsy mandeha tsara ara-dalána ny bus. Ny asany anefa tena tsara be mihitsy ( indrindra ara-bola). Noho izany dia tapa-kevitra ny fianakaviana fa hividy fiara, niafy dia niafy tokoa izy ireo ( ara-tsakafo, ara-panafody).
Nony voavidy ilay fiara dia faly dia faly tokoa rangahy. Ny nahafaly azy dia noho izy tsy ho tara intsony, ka tsy ho very asa, fa tsy hoe izy afaka ni
sekoseko t@ manodidina azy.
Ny olona sasany dia nihomehy sy nanakiana azy satria hono tsy manankohanina nefa nividy fiara, ny sasany kosa anefa ni-comprendre satria ilaina ilay fiara.
Io dia arakaraka izay toerana misy anao no hanaovanao fanapahankevitra.Noho izany tsy maintsy jerena @ lafiny rehetra ilay olana.

Ny tiako lazaina dia izao : iny resaka Avion iny dia nataon\" ny sasany hevitra hanonganam-panjakana, satria moramora ny midradradradrda izany eny @ 13 Mai.
Hita mazava anefa fa nisy antony mitombona tao matoa i Ravalo nividy ilay Avion. Izany anefa dia hodian\" ny sasany tsy hita.Aleon\" ny sasany mivily any Dakar.
Mampihomehy ihany.
29. Noue ( 29/05/2009 13:06)
naritsimba:

réquisitionné # détournement
réquisitionné = didy ampiharina.
détournement = fanodinkodinana, halatra
tena tsy miady zany leson'i naritsimba zany aaa ! ON DETOURNE AVANT DE REQUISITIONNER hianaro kely any am-pianarana aloha io eee


30. nancy ( 29/05/2009 13:35)
Dia ahoana izany ireo passangers natao tsinotsinona?
dia ahoana koa ilay vavan'i Rajoelina tao anaty avion tamin'izy ireo?
Izany ve no demokrasia?

essera:

« Ce plan de vol permet de réduire considérablement le coût du voyage présidentiel »



31. Noue ( 29/05/2009 14:46)
naritsimba:

réquisitionné # détournement
réquisitionné = didy ampiharina.
détournement = fanodinkodinana, halatra
dia ataovy tsara aloha ny différence entre réquisitionner sy détourner eee! réquisitionner dia efa nampifantarina aloha ny olona oe réquisitionner-na ity avion ity hitondrana an'i radomelina any dakar !!!

détourner indray dia tsy misy nahampafantarina ny mpandeha fa ny trajet dia Tana-----Paris , kanjo inona no nitranga ? NAHODINA ny avion ho any dakar ! Mazava ve ???


32. xxx ( 29/05/2009 15:05)
Noue ! ka nahoana raha torinao any @ tribunal international izy hoe pirate de l'air raha izay no tsy mahafaly anao fa tsy eto no mivovoa!
33. Noue ( 29/05/2009 15:30)
xxx:
Noue ! ka nahoana raha torinao any @ tribunal international izy hoe pirate de l'air raha izay no tsy mahafaly anao fa tsy eto no mivovoa!
kay ve ianareo rehefa manoratra eto dia mivovoa ee ??? dia zay koa zany no mahatonga anareo miafina @ io XXX io???


:-D :-D :-D :-D :-D :-D :-D
34. xxx ( 29/05/2009 16:05)
Ianao aza mba miafaina ao ambadik'i Noue ko! :-D :-D :-D ny ahy xxx no mba reviko ka ahoana! :-D :-D :-D
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.5599