lasa mora be ny PPN nanomboka androany

1. xxx ( 27/05/2009 07:11)
efa ho 1volana lasa izay no nampanantenana anay fa hidina ny PPN ici 15jours fa hoavy ny vary sy menaka morabe avy any arabie saoudite,ny mahagaga anefa toa tsy mitrahatra miakatra hatrany ny vidina PPN eto dago,aiza ihany izy ity eh toa fika daholo ihany izany ,ary le hoe 50millions dollars promesse teny @ 13mai aiza ihany fa hividianana vary 3kg par personnes??? ho ela velona anie ny HAT
novalian'i fijo ny 27/05/2009 20:28
2. essera ( 27/05/2009 07:19)
Tsy maintsy ela velona aloha ny HAT mandrapahavitan'ny fifidianana. Fa ngah nareo tsy mijery kosa fa nihena ny vidim-bary fa mbola ho avy ilay tena mihena am le izy. Fa tsy fito taona izany a na 4L na scooter.

hi hi hiiiiiii
3. Noue ( 27/05/2009 07:27)
xxx:

efa ho 1volana lasa izay no nampanantenana anay fa hidina ny PPN ici 15jours fa hoavy ny vary sy menaka morabe avy any arabie saoudite,ny mahagaga anefa toa tsy mitrahatra miakatra hatrany ny vidina PPN eto dago,aiza ihany izy ity eh toa fika daholo ihany izany ,ary le hoe 50millions dollars promesse teny @ 13mai aiza ihany fa hividianana vary 3kg par personnes??? ho ela velona anie ny HAT
ka atao ahoana fa zany anie ny lainga nasesin'ny FAT(Y) eee! hidina hono ny vidin'ny mofo , kay ny lanjany no tena nidina


:-D :-D :-D :-D
4. Oay ( 27/05/2009 07:32)
Noue:


ka atao ahoana fa zany anie ny lainga nasesin'ny FAT(Y) eee! hidina hono ny vidin'ny mofo , kay ny lanjany no tena nidina


:-D :-D :-D :-D



Noue a! ary efa résignée anie noue zany é!

5. Noue ( 27/05/2009 07:37)
lavin'Oay indray ve io fahamarinana io ??
6. xxx ( 27/05/2009 07:37)
ampombo fihinan'ny rameva no saika hamidin'i arabie saoudite mora be teto @ tanana ,i essera an aza matahotra ela fa hifidy an'i tgv sy hat daholo ny mpokin raha vao misy election eo e :-D :-D :-D :-D :-D :-D :-D :-D :-D :-D
7. Noue ( 27/05/2009 07:39)
=)) =)) =)) =)) =))
8. ravalotgv ( 27/05/2009 07:43)
ka i nour resigné satria izao

PPN = Produit Pour Noue

sniff
tcroufff

:^) :^) :^) :^) :^) :^)
9. naritsimba ( 27/05/2009 07:46)
Tena efa midina aloha ny vidim-bary e, nidina ihany koa ny vidin'ny solika, ndao ho hitantsika eo eh! ny vola ariary efa niakatra koa ny sandany.
Ho avy tsy ho ela i dada(rabeosy)
10. Oay ( 27/05/2009 07:51)
Noue:


lavin'Oay indray ve io fahamarinana io ??



Ny fiakaran'ny vidim-piainana ve d mbola misy afaka handà,

Tadidio fa isika sady misy crise politique goavana
No mbola etsy andaniny ilay crise financière mondiale,
D tadidio fa 2010 mbola hogaigy be satria mbola misy an'ity crise climatique ity izay mahakasika ny vokatra d anjarano @ izay manao synthèse fa efa ireo ny zava-misy fa d peaufiner-ho ilay W-nao.

Fa ilay résignation an'i Noue ndray zavatra hafa efa ao anatin'i Noue ao fa tsapa rehefa mamaky an'i Noue ny mpamaky (Mila notion psychologique kelikely avao!)


11. ravalotgv ( 27/05/2009 07:53)
tsy tratran ny krizy aloha raha ny hat ee
manambola daholo ireo

sniff
tcroufff
=)) =)) =)) =)) =)) =))
12. naritsimba ( 27/05/2009 08:04)
Ho ahy dia mino fa lalana voasoratra avy @ Ilay Andrimanitra marina sy Jesoa zanany izao zava-mitranga izao ka hampisehoany fa mahay ny zavatra rehetra izy, ho hitanareo fa tsy ho mafy izany ny fiainana ho an'izay tsy mimonomonona, fa milamina sy mandeha ho azy io rehefa raisina amim-pifaliana.
Efa resy ilay maizina fa efa tonga ilay mazava:
ISAIA 60
1 Mitsangàna, mihazavà, fa tonga ny fahazavanao, ary ny voninahitr'i Jehovah efa miposaka aminao.
2 Fa, indro, ny aizina manarona ny tany, ary ny aizim-pito manarona ny firenena; fa aminao kosa no iposahan'i Jehovah, ary aminao no isehoan'ny voninahiny.
3 Ary ny firenena manatona ny fahazavanao, ary ny mpanjaka mankeo amin'ny famirapiratan'ny fiposahanao.
4 Atopazy manodidina ny masonao ka jereo! Izy rehetra dia mivory ka mankaty aminao; Ny zanakao-lahy dia avy lavitra, ny zanakao-vavy dia sakelehina.
5 Ary hahita izany ianao ka ho miramirana, dia hiemponempona sady hohalehibiazina ny fonao; fa ho entina ho anao ny haren'ny ranomasina, ary hafindra ho anao ny fananan'ny firenena.
6 Ho feno ny rameva betsaka ao aminao, dia ny rameva tanora avy any Midiana sy Efaha, samy avy any Sheba izy rehetra; volamena sy ditin-kazo mani-pofona no ho entiny, ary ny fiderana an'i Jehovah no teny mahafaly hambarany.
7 Ny ondry aman'osy rehetra any kedara dia hangonina ho ao aminao, ary ny ondrilahin'i Nebaiota hanompo anao; hiakatra amin'ny fankasitrahana ho eo ambonin'ny alitarako ireo, ary hataoko be voninahitra ny tranon'ny voninahitro.
8 Iza moa ireto manidina tahaka ny rahona ary tahaka ny voromailala ho amin'ny varavarankeliny?
9 Fa Izaho no andrasan'ny nosy, ary ny sambon'i Tarsisy ho loha-lalana, Hitondra ny zanakao avy lavitra mbamin'ny volafotsiny sy ny volamenany, ho an'ny anaran'i Jehovah Andriamanitrao sy ho an'ny Iray Masin'ny Isiraely, Satria efa nanome voninahitra anao Izy.
10 Ary ny hafa firenena no hanangana ny mandanao, ary ny mpanjakany hanompo anao; fa tamin'ny fahatezerako no namelezako anao. Ary amin'ny fitiavako kosa no amindrako fo aminao,
11 Ary hidanadana mandrakariva ny vavahadinao, tsy hirindrina izy na andro na alina, hampidirana ny haren'ny firenena sy ny mpanjakany izay efa voababo ho ao aminao.
12 Fa ho levona izay firenena sy fanjakana tsy hanompo anao; eny, ireny firenena ireny hofongorana tokoa.
13 Ny voninahitr'i Libanona ho tonga aminao, ny hazo kypreso sy ny pina ary ny bokso koa handravahana ny fitoerako masina, ary hasiako voninahitra ny fitoeran-tongotro.
14 Ny zanak'izay nampahory anao dia handeha hiondrika eo anatrehanao, ary hiankohoka amin'ny faladianao izay rehetra nanamavo anao; ary izy hanao anao hoe Tanànan'i Jehovah, Zionan'ny Iray Masin'ny Isiraely.
15 Ho solon'ny nahafoizana anao sy ny nankahalana anao ary ny tsy nandehanan'olona namaky anao, dia hasandratro ho rehareha mandrakizay ianao, eny, ho fifaliana hatramin'ny taranaka fara mandimby.
16 Ary hinono amin'ny jentilisa hianao sady hinono amin'ny mpanjaka; ka dia ho fantatrao fa Izaho Jehovah no Mpamonjy anao, ary Ilay Maherin'i Jakoba no Mpanavotra anao.
17 Hahatonga volamena Aho ho solom-barahina, ary hahatonga volafotsy ho solom-by, ary varahina ho solon-kazo, ary vy ho solom-bato; ny fiadanana no hataoko fanapahana anao, ary ny fahamarinana no ho mpampiasa anao*.[Na: Hataoko fiadanana ny fanapahana anao ary fahamarinana ny mpampiasa anao]
18 Ny fampahoriana tsy ho re eo amin'ny taninao intsony, na ny fandravana sy ny fandringanana ao anatin'ny fari-taninao; ny mandanao dia hataonao hoe Famonjena, ary ny vavahadinao hataonao hoe Fiderana.
19 Tsy ny masoandro intsony no ho fanazavana anao nony andro; ary tsy ny fangarangaran'ny volana no hanazava anao; fa Jehovah no ho fanazavana anao mandrakizay, ary Andriamanitrao no ho voninahitrao.
20 Tsy hilentika intsony ny masoandronao, ary ny volanao tsy hisoka; fa Jehovah no ho fanazavana anao mandrakizay, ary ho tapitra ny andro fahalahelovanao.
21 Ary ny olonao rehetra ho marina avokoa; hanana ny tany ho mandrakizay izy, eny, ho voly maitso eo amin'ny sahako. Asan'ny tanako ho fampisehoam-boninahitra.
22 Ny kely ho tonga arivo, ary ny malemy ho tonga firenena mahery; Izaho Jehovah no hanafaingana izany amin'ny fotoany.

Hisy hilaza indray izao fa mampifangaro politika sy fivavahana aho, ny politikan'Andriamanitra tompoko dia politika mahasoa ny olon-drehetra fa tsy ho an'olon-tokana, ary izay no itiavako manao ny politikan'Andriamanitra.
13. Oay ( 27/05/2009 08:12)
Hita mihintsy hoe mpiasan'ny Radio Fanazavana i naritsimba!

Momba ny politika sy ny fivavahana indray d raha mbola miresaka an'ilay Filoha Lefitrin'ny Fiangonan'i Jesosy Kristy eto Madagasikara isika d tsy maintsy miditra ny resaka fivavahana satria henoy fa rehefa mamarana ny kabariny i Ravalomanana d mametraka hatrany an'ialy hoe: "Momba antsika mandrakariva Andriamanitra!" noho izany d azontsika atao tsara ny mamaly anazy @ alalan'ny Fivavahana sy ny tenin'Andriamanitra ka tokony ahazaka an'izany isika mpiserasera eto fa tsy ho-choqué.
14. xxx ( 27/05/2009 08:17)
Oay:

Noue:


lavin'Oay indray ve io fahamarinana io ??



Ny fiakaran'ny vidim-piainana ve d mbola misy afaka handà,

Tadidio fa isika sady misy crise politique goavana
No mbola etsy andaniny ilay crise financière mondiale,
D tadidio fa 2010 mbola hogaigy be satria mbola misy an'ity crise climatique ity izay mahakasika ny vokatra d anjarano @ izay manao synthèse fa efa ireo ny zava-misy fa d peaufiner-ho ilay W-nao.

Fa ilay résignation an'i Noue ndray zavatra hafa efa ao anatin'i Noue ao fa tsapa rehefa mamaky an'i Noue ny mpamaky (Mila notion psychologique kelikely avao!)




ialahy miseho ho olon kendry sy mahay indrindra eto @ serasera ,raha fanataratr'ialahy fa emeute anie no niseho teto dago fa fa ialahy isany no niprofité namadika an'iny ho politika izao no vokany ,aza be taraina hoe crise financiere et ect...)
ny anay fandrosoana rapide promesse teny @ 13mai sy democratie nolazaina foana ireny ,aleo hisy election dia ho hita eo .
15. Oay ( 27/05/2009 08:26)
xxx:


ialahy miseho ho olon kendry sy mahay indrindra eto @ serasera ,raha fanataratr'ialahy fa emeute anie no niseho teto dago fa fa ialahy isany no niprofité namadika an'iny ho politika izao no vokany ,aza be taraina hoe crise financiere et ect...)
ny anay fandrosoana rapide promesse teny @ 13mai sy democratie nolazaina foana ireny ,aleo hisy election dia ho hita eo .



XXX a! mbola averiko fona fa SANATRIA AN'i Oay NY HANAMBAKA NAMANA FA MATOA TONGA ETO ZAZA SAHALA!

D momba an'ilay promesse indray d:

_Paradisa sosialista nanjavona niaraka t@ Boky Mena (BM).
_4L isan-tokatrano nilevina niaraka t@ MAP (Menaces Arrestations Prisons)
_Fampandrosoana rapide no ATAO REHEFA TAFATSANGANA ilay REPOBLIKA VAOVAO!


16. xxx ( 27/05/2009 08:31)
ny zavatra hitanay aloha dia mazava e ,mifanohatra t@ izay nolazainy teny @ 13mai daholo ny zavatra misy ataon'io HAT io,ny resaka MAP mbola resaka hafa izany e.Election ihany no solution dia mahazo milatsaka fa tsy i alain ramarosahona no mibaiko izay te hilatsaka nefa izy en personne aza tsy mety lany mihitsy isaky ny misy election eto tana
17. andrywui ( 27/05/2009 08:38)
lasa mora be ny PPN nanomboka androany


marina zany naritsimba a !! nidina ary hidina ary mbola midina io fa aza mikorapaka be ee!!
18. reeves ( 27/05/2009 08:53)
Io fiakaran`ny vidim-piainana io dia efa fantatra mialoha teny am-panombohan`ny krizy ka tsy atao mahagaga ary miombon-kevitra amin`i Oay aho amin`izay lafiny izay . Ny zavatra tsara ho fantatry ny olona fotsiny dia mbola vao fanombohana io fa tsy hitsahatra ny hiakatra izany ary mbola ho mafimafy kokoa ny fiantraikany atsy ho atsy indrindra raha toa ka tsy misy vahaolana eo amin`ny fihaonana satria izay no lojika . Ny mampalahelo dia ireo olona tena sahirana avy eny amin`ny faritra iva , tsy mahafantatra akory izay mety ho voka-dratsin`iny Coup d`Etat iny kanefa dia nanaiky natao fitaovana tamin`izany no tena hizaka be be kokoa ny fangirifiriana ary mandeha izao ny feo fa mety ho izy ireo ihany no hanala ny HAT amin`ny toerany atsy ho atsy raha izao no mitohy satria tsy hoe isan`andro ny fetin`ny boka amin`ilay vary 500ar/kg sy ilay menaka mandry 12500 fmg/l . Ny famehezana ny vidim-piainana anie tsy hoe famerana fahatany ny prix amin`ny vidiny ambany be dia hoe vita eo e ! Ny lalanan`ny tolotra sy ny tinady no mibaiko an`izany ka fahotana mahafaty ho an`ny toe-karena ireny nataon`i TGV ireny . Ireny ilay antsoina hoe DOKAM-BAROTRA sy FISEHOSEHOANA ivelany fotsiny . Ny fivoahana faobe any ivelany ataon`ireo mambran`ny governemanta tetezamita am`izao fotoana izao , indrindra fa i Benja Razafimahaleo dia efa fambara fa misy olana teknika tsy voavaha intsony ao ka hilana famonjena haingana any Frantsa . Tsy ampy ny vola ka midika izany fa hiampy ny krizy ekonomika ary hanomboka ho voakasika koa ny mpiasam-panjakana . Eo anatrehan`izany dia mbola sahy miteny ihany ry Alain Ramaroson fa tsy misy ilana ny Communauté internationale ! Tsy afaka mihetsika moa ny vahoaka satria voafehin`ireo 200 lahy monja ao amin`ny CAPSAT ka afaka ny haninona eo fa dia samia mahatanty ny vokany izany kou !!! Sady lazain-dry zalahy hoe ny MALAGASY MARO AN`ISA NO EFA NAMETRAKA AN`IO HAT IO teo dia izay zany ! Amiko aloha dia ao amin`ny TAFIKA no tena misy ny FOTOTRY OLANA NA AHOANA NA AHOANA KA MILA SAHY MAMAHA AN` IZAY NY REHETRA raha tiana ny hilaminan`io .
19. Oay ( 27/05/2009 09:27)
reeves:


Amiko aloha dia ao amin`ny TAFIKA no tena misy ny FOTOTRY OLANA NA AHOANA NA AHOANA KA MILA SAHY MAMAHA AN` IZAY NY REHETRA raha tiana ny hilaminan`io .



Ny Tafika d io nanomboka mivory io!

Hatreto aloha d tsy ny TAFIKA intsony ny olana satria na misy aza ny tsy fitovizan-kevitra d tsy hita @ fiainana an-danandro izany satria hatramin'izao ohatra tsy misy miaramila maneho mivantana ny fitakian'ny fiverenan'i Ravalomanana na ny famotsoran'ny helok'i Ratsiraka.
Ny manao izany d ny mpanao politika! Noho izany amiko ny vahaolana d vahaolana politika!

Amiko ohatra d tsy tokony @ izao fotoana izao no hitakian'i Ratsiraka ny famelan-keloka faobe fa tokony hiandry ny repoblika vaovao izy d atao ampilaminana ny FITSARANA izany!

Torak'izany koa ny momba an'i Ravalomanana maninn raha miandry ny repoblika vaovao d ENTINA eo anatrehan'ny fitsarana ny raharaha.

Ny mampalahelo d ny fiheveran'ireo olona roa ireo FA DONDRONA SY BADO daholo ny Malagasy ka tsy mahavita zavatra raha tsy eo ry zareo.



20. penguin ( 27/05/2009 09:36)
Olona mitapy sy mijapy "Train" ny tgvendrana. Fotoana fiakaran'ny vary izao fa tsy namboly vary nandritra ny tolon'adalany akory ny tgvendrana.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3191