Ravalomanana: Izao sisa no niafarany...

1. kidoropamba ( 26/05/2009 11:25)
Toa nofinofy re sisa ny amin'izany Ravalomanana notompoinay mafy tao Iavoloha tao izanyt. Olona natahorana mihitsy satria maimbo vava be no sady mizahozaho. Raha vola ihany no maha rangahy dia tsy afaka teo à fitondrana mihitsy ity Ravalomanana ity satria maro ny halatra nataony izay miaraka t@ fanaovana vola sandoka.

Io izao ny niafarany: Mirediredy eran'ny vazan-tany, very fananana, very zo, very sata, very haja.
Ny olona rehefa tratrin'ny voina dia mba mandinin-tena ary mihezaka ny hibaboka ny heloka vitany. Tsy izany anefa ny an-dRavalomanana fa mbola mitady hanaikitra ihany, hamono vahoaka ihany, hanompa malagasy ihany, ka tsy misalasala mihitsy miantso miaramila vahiny hamono betsaka indrindra ny malagasy.

Azo lazaina hoe misy mpamahana lalitra izy ity. Saingy kosa mibahabahaka fa tena mamahana lalitra tena samy irery izy noho ny fitiavan-tena, ny fankahalàna diso tafahaotra ny vahoaka malagasy.

Ho tonga izao ny asabotsy ka hilaza indray izy hoe: "Hiverina tsy ho ela". Io ilay hira noventseiny efa 2 volana izay.

Androany indray dia ny frantsay no voahompa. Ny malagasy no halikainy. Mampalahelo e.
Io angamba ilay "choc mental" nahazo azy ka lasa mirediredy be lery.

Na ry zareo TIM aza dia efa leo aminy. Maro @ TIM ao no mihandrahandra ity negociation ity mba hirosoana amin'ny fampandrosoana an'i Madagasikara amin'izay. Tsy izany ny an-dravalo fa mitady ny handany iny vola nangalariny iny izy ka dia MAMAHANA LALITRA TENA io.

Izany no mba niafaran-dRavalomanana Marc.

Manahy mafy aho fa raha tsy tafaverina eo @ fitondrana izy ato anatin'ny iray volana dia hajedak'ireo MAFIA nanome vola azy izy.

Mampalahelo e.
2. xxx ( 26/05/2009 11:44)
zao sisa no hiafaran'i ra kidoro. Ariana anaty fako sisa no sahazy azy

indro ity ny tenin'ny Filoha mamintsika

Hafatry ny Filoha Marc Ravalomanana ho an’ny vahoaka malagasy
26 MEY 2009


Ry vahoaka malagasy tia tanindrazana, izay maro an’isa, ary mitolona tsy mitsahatra, tsy manaiky lembenana, miarahaba anareo aho.

ankehitriny i madagasikara dia entin’antokon-jiolahy manana tetika maizina miafina, tarihan’i Andry Rajoelina ary tohanan’ny frantsay.

Ny tanjon’izy ireo dia ny hanjanaka indray an’i Madagasikara, ary ny hanandevo ny Vahoaka malagasy. Ny tetika fitaka vaovao hitan’ny frantsay ialana amin’io savorovoro naterany io, dia ny fampiharana ny fifanarahana vaovao nataony tamin’i Andry Rajoelina sy ireo jiolahy manohana azy. Ny zavatra kendren’izy ireo dia ny hisian’ny adim-poko eto Madagasikara.

Ny mpitondra an’i madagasikara ankehitriny dia saribakolin’ny frantsay. Miara-miasa akaiky amin’ny frantsay izy ireo, ka ampiasainy ny fomba rehetra - tafiditra ao anatin’izany ny fanenjehana, ny famonoana, ny fanagadrana, ary ny fampihorohorona ny vahoaka malagasy, izay hita fa tena mahery fo ; tsy manaiky lembenana, fa mijoro amin’ny fitakiana ny ara-dalàna sy famerenana ny lalampanorenana.

Hahafahan’izy ireo mifikitra eo amin’ny fitondrana izay tarihiny io, dia mampiasa hery izy. Mihevitra izy ireo fa izany fahefana izany no manome zo azy handika lalàna. Tsy izany velively anefa ny safidin’ny Vahoaka malagasy.

Tsy tian’ny frantsay handroso mihintsy i madagasikara. Izy ihany no tiany hahazo tombontsoa. Avelany hanapotika ny fotodrafitrasa ireo olona baikony sy karamainy ireo mba tsy hampandrosoana an’I madagasikara sy hampivaotra ny farim-piainan’ny Vahoaka malagasy.

Ireo andian-jiolahy tarihan’I rajoelina dia tsy manam-pikasana hafa, afa tsy ny hanapotika ny fandrosoan’ny toe-karena Malagasy. Amin’izay dia mahantra sy mijaly ny Vahoaka Malagasy.

Hahatongavany amin’izany dia notafihany ireo fananam-panjakana sy fananan’olon-tsotra. Ao koa ny fangalany vola tao amin’ny Banky Foibe sy ireo fikambanana, toy ny «Assurances», izay fananan’ny firenena Malagasy.

Amin’izao fotoana izao dia miezaka i Andry Rajoelina, ampian’ny frantsay, handresy lahatra ny firenena miteny frantsay rehetra. Ny tanjon’izy ireo dia hahazony ny fankatoavana sy ny fanohanan’ny fianakaviambe iraisam-pirenena, amin’ny fandikan-dalàna sy ny fampiasana herisetra rehetra izay ataony.

Ry vahoaka malagasy tia tanindrazana, mijoro, mitaky ny ara-dalàna,

Hanao izay tratry ny heriko aho aho, ary hampiasa fahaizako sy ny fahefako, handrodanana haingana io fanjakan’ny baro tarihin’I Andry Rajoelina io, ary hamerina ny ara-dalàna sy ny hisian’ny fanarahana ny Lalampanorenana eto amin’ny tany sy ny Fanjakana.

Hahatongavana amin’izany dia nitety firenena maro aho. Nanaiky daholo ireo firenena ireo, izay hanampy antsika. Ho hambarako aminareo atsy ho atsy ny mikasika izany.

Koa ambarao amin’ny Malagasy rehetra mpiray tanindrazana izao resaka lazaiko aminareo izao. Ary mahereza fa mahatsiaro anareo mandrakariva am-bavaka aho.

Aza matahotra fa homba antsika mandrakariva Andriamanitra!
3. 08051972 ( 26/05/2009 11:49)
Inona no tian'i xxx hambara @ io fa tsy azoko? :?:
4. xxx ( 26/05/2009 11:56)
inn mbola tsy azon'elah

raha mila fanazavana fanampiny dia antsovy ny 08051972

sniff tchroufff
5. 08051972 ( 26/05/2009 12:06)
:-D :-D :-D :-D :-D :-D K'efa woe nantsoiko fa latsaka msgrie!!! :-D :-D :-D :-D
6. xxx ( 26/05/2009 12:33)
Ra Charles koa toa nampalahelo be ny niafarany an , ontsa ery aho :-o :-o ;-)
7. andrywui ( 26/05/2009 12:47)
Ra Charles koa toa nampalahelo be ny niafarany an , ontsa ery aho

resaka laisoa io fa tsy marina fa bolao nalefan'i noue sy ravalotgv fotsiny iny!!mbola ao amin'ny tanana ao lery !!

--ny niafaran'i Ravalo letsy ry kidoro eo ihany fa lery hono anie zao ka tsy te halala ny TIM zany tsony fa mpivadika palitao daholo ony ny TIM ka maharikoriko azy daholo !! otran'izao ataon'ny penguin ato zao zany e!!
--ka ny commando sy ny merc de efa nahangona 500lahy mayanjaka zany lery ho entina eto M/car hamotika an'i Gasikara no tena tanjona !!
miandry TOP avy amlé mpamotika karamainy sisa izy de ho avy handripaka eto M/car !!
---maty aho ry NOSY mamiko fa ho viravirain'ny amboadia izany ianao sy ny olonao !! ha ha ha !!

--nefa aleo ho avy fa miandry azy isika e !!
--hiverina kely any M/car daholo ko ze miaramila nahazo 1 na 2 na 3taona rehetra ! hiaro ny Tanindrazana
8. 08051972 ( 26/05/2009 13:22)
F'angà woa enao io tsy mba MALAGASY e ? Tô tena mahafinaritr'anao mihintsy ny mijery ny fahapotehn'ny firenenao ary ny mampahagaga ahy aza de mampiomehy anao mihintsy ! Tsy azoko ! Sa ve enao tezitra @ ra8 de ozenao ny firenena? Aza afangaro ny hoe ra8 sy Andry ary ny FIRENENA MALAGSY ! Fa sady tsy an'i le8 no tsy an'Andry iDAGO fa an'i MALAGASY ! Mba ome ny hevitrao hampandrosoina an'i MADAGASIKARA ! HOY RADO : HITAKO T@ LAMBA ROVITRO ; FA MAINTY AHO ARY MAINTY NY HODITRO ! Rà Mainty ny fihodiranao na fotsy na zarazara ary n'inin'inona nianjady t@ nao teo @firenena de tadidio fa " NY HITODIHANA NY LASA HIBANJINANA NY HO AVY "
:idea: :idea: :idea: :idea:
9. andrywui ( 26/05/2009 14:03)

08051972 a ! tsotra be ny hevitro !! aleo hiditra izy hamotika an'i M/car zany ho hita !! fa lehilahy izy raha ho tafavoaka velona eo !!
miaramila zahay ry 05081972 ka tsy miala vava ady a !! natao hiaro izahay fa ts hamporisika !!! izay kou ny teny fanevanay hoe "Tandroka aron'ny vozona "
--nefa aleo ho avy fa miandry azy isika e !!
--hiverina kely any M/car daholo ko ze miaramila nahazo 1 na 2 na 3taona rehetra ! hiaro ny Tanindrazana
10. accolade ( 26/05/2009 15:00)
indro ny tenin'ny Filoha mamintsika

Hafatry ny Filoha Marc Ravalomanana ho an’ny vahoaka malagasy
26 MEY 2009
....
ankehitriny i madagasikara dia entin’antokon-jiolahy manana tetika maizina miafina
....
Ny mpitondra an’i madagasikara ankehitriny dia saribakolin’ny frantsay
.....
Hahafahan’izy ireo mifikitra eo amin’ny fitondrana izay tarihiny io, dia mampiasa hery izy. Mihevitra izy ireo fa izany fahefana izany no manome zo azy handika lalàna. Tsy izany velively anefa ny safidin’ny Vahoaka malagasy.
.....
Hahatongavana amin’izany dia nitety firenena maro aho. Nanaiky daholo ireo firenena ireo, izay hanampy antsika. Ho hambarako aminareo atsy ho atsy ny mikasika izany.
( efa ela ihany no nandrenesako an'Ambatobevohoka izay an !!! )

--> Tokony mba hisy lojika faran'izay tsotra mba tsy hamahan-dalitra ... !
11. nancy ( 26/05/2009 15:13)
Ny an'ny olona sasany toa an-dry kidoro midegonfle itony dia tsy mba izay hoaviny no jereny fa ny hanenjika sy hanaratsy ny olona efa tsy eo foana. Maninona raha mba ny hoavinao izay lalaovin'ity hat ity no eritreretina. Efa ataony tsy mahita kaly mihitsy dia mbola tsy tonga saina ihany. Ravalomanana anie efa lasa any e, tsy hitako izay mbola hiroritana ny momba azy eto ihany, ny hoavinao jerena e.

kidoropamba:

Toa nofinofy re sisa ny amin'izany Ravalomanana notompoinay mafy tao Iavoloha tao izanyt. Olona natahorana mihitsy satria maimbo vava be no sady mizahozaho. Raha vola ihany no maha rangahy dia tsy afaka teo à fitondrana mihitsy ity Ravalomanana ity satria maro ny halatra nataony izay miaraka t@ fanaovana vola sandoka.

Io izao ny niafarany: Mirediredy eran'ny vazan-tany, very fananana, very zo, very sata, very haja.
Ny olona rehefa tratrin'ny voina dia mba mandinin-tena ary mihezaka ny hibaboka ny heloka vitany. Tsy izany anefa ny an-dRavalomanana fa mbola mitady hanaikitra ihany, hamono vahoaka ihany, hanompa malagasy ihany, ka tsy misalasala mihitsy miantso miaramila vahiny hamono betsaka indrindra ny malagasy.

Azo lazaina hoe misy mpamahana lalitra izy ity. Saingy kosa mibahabahaka fa tena mamahana lalitra tena samy irery izy noho ny fitiavan-tena, ny fankahalàna diso tafahaotra ny vahoaka malagasy.

Ho tonga izao ny asabotsy ka hilaza indray izy hoe: "Hiverina tsy ho ela". Io ilay hira noventseiny efa 2 volana izay.

Androany indray dia ny frantsay no voahompa. Ny malagasy no halikainy. Mampalahelo e.
Io angamba ilay "choc mental" nahazo azy ka lasa mirediredy be lery.

Na ry zareo TIM aza dia efa leo aminy. Maro @ TIM ao no mihandrahandra ity negociation ity mba hirosoana amin'ny fampandrosoana an'i Madagasikara amin'izay. Tsy izany ny an-dravalo fa mitady ny handany iny vola nangalariny iny izy ka dia MAMAHANA LALITRA TENA io.

Izany no mba niafaran-dRavalomanana Marc.

Manahy mafy aho fa raha tsy tafaverina eo @ fitondrana izy ato anatin'ny iray volana dia hajedak'ireo MAFIA nanome vola azy izy.

Mampalahelo e.



12. xxx ( 26/05/2009 21:05)
Hoy Nancy

Ny an'ny olona sasany toa an-dry kidoro midegonfle itony dia tsy mba izay hoaviny no jereny fa ny hanenjika sy hanaratsy ny olona efa tsy eo foana. Maninona raha mba ny hoavinao izay lalaovin'ity hat ity no eritreretina


K ai kidoro anie efa tsisy avenir de io manao toetra lomorina io ,tianay ho clochard hotr'azy daholo ny tgvendrana
13. kidoropamba ( 27/05/2009 11:50)
hin!hin!hin!hin! tsy midegonfle izany ny anay ra-nancy fa mbola henjana tsara. Tandremo fa tena tsy mivavaka ange izahay e. Rehefa hamely dia any dia any fa tsy misy sentiment izany mihitsy. Tandremo ary.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0418