Ny zava-misy eto Madagasikara...

1. Oay ( 20/05/2009 05:52)
Raha ny zavatra iainana andavanandro moa izany izao no jerena d ahoana ny fahitantsika anazy.
_Rehefa manaraka vaovao enao ka mampitovy d tsy misy mandeha!
Satria ny andaniny miteny fa tsy misy fifandinihana azo atao raha tsy tonga i Ravalomanana.
Ny ankilany indray d milaza fa na misy Ravalomanana na tsy misy d tsy maintsy mandeha ny fifampidinihana.

_Rehefa tsy manaraka vaovao kosa enao d otrany tsy misy ninn intsony fa d milamina ny eto Antananarivo satria:
Ny mpivarotra mivarotra ara-dalana.
Ny mpiantsena miantsena milamina.
Ny mpiasa d mandeha miasa.
Ny mpanao spéctacle d efa manomana fety isan-karazany izay feno hipoka hatrany!
Ny spéctacle gratuit an'i Thierra Bruno mandeha tsara na d en privé aza!
novalian'i xxx ny 21/05/2009 18:26
2. Bazily ( 20/05/2009 06:02)
Raha ny zavatra iainana andavanandro moa izany izao no jerena d ahoana ny fahitantsika anazy.
Satria ny andaniny miteny fa tsy misy fifandinihana azo atao raha tsy tonga i Ravalomanana.
Ny ankilany indray d milaza fa na misy Ravalomanana na tsy misy d tsy maintsy mandeha ny fifampidinihana.

Inona moa no manakana andra8 tsy hamonjy ilay fifampidinihana raha izay no mahatsara ny toe-draharaha, na koa manakana ny andaniny tsy hanasa na hiandry azy raha mahamety ny fiainampirenena izany. Fa saingy satrin-dry zareo ireo ny mahita ny mpiandàny aminy hivazavaza etsy sy eroa,
_Rehefa tsy manaraka vaovao kosa enao d otrany tsy misy ninn intsony fa d milamina ny eto Antananarivo satria:
Ny mpivarotra mivarotra ara-dalana.
Ny mpiantsena miantsena milamina.
Ny mpiasa d mandeha miasa.
Ny mpanao spéctacle d efa manomana fety isan-karazany izay feno hipoka hatrany!
Ny spéctacle gratuit an'i Thierra Bruno mandeha tsara na d en privé aza!

Izay aloha izao no hita taratra na aiza na aiza , ny toerana lavitra ny mpanao fihetsiketsehana toa kalma sady milamina, tsy ahenoana resaka firy momba ny politika sy ny ady seza. Ny marimarina koa angamba dia ny ankamaroan'ny vahoaka efa OLP daholo.
3. ndenn ( 20/05/2009 09:30)
Hadikao kely hoe ny hevitrao @ io OLP io Bazily azafady !
4. Oay ( 20/05/2009 09:38)
raha azoko atao d raha tsy diso za d :Olona Leo Politika!
Marina i kozy i Bazily io an!
Raha ny olona leo politika tokoa anie no sahy mirotsaka eny an-dalana tena lazaiko fa gaigy be é! Fa tsy misy mahavita manentsika satria na ny resaka syndicat aza eto politisé é!

io Resaka Syndicat io koa izao tena mila jerena @ fidirana @ ity repoblika vaovao ity an!
5. xxx ( 20/05/2009 09:39)
Ankilany dia milamina ozy Oay. Marina izany fa ny olona nge mitady izay hohaniny androany e! Tsy maintsy miasa izy ireo !

Ny hadinony Oay dia miaina ao anatiny survie tanteraka ireny olona ireny fa tsy milamina mihitsy. Tsy midika izany hoe nilamina ny taloha, fa vao maika mikorontana ny fiainanireny olona ireny amin izao fotoana izao satria na ireo zavatra amidiny aza nihena tanteraka satria ny sandany tsy nitovy intsony. Niakatra ny vidinjavatra , taorinanireny fandrobana barbare no-provoqué na ireny.

Ramose Oay a! manaova analyse objective leroa fa aza mianila fijery zavatra aa! Ilainao ihany io soso kevitro io any aoriana any fa ianao ihany no mana pakevitra.
6. Oay ( 20/05/2009 09:57)
xxx:


Ny hadinony Oay dia miaina ao anatiny survie tanteraka ireny olona ireny fa tsy milamina mihitsy. Tsy midika izany hoe nilamina ny taloha, fa vao maika mikorontana ny fiainanireny olona ireny amin izao fotoana izao satria na ireo zavatra amidiny aza nihena tanteraka satria ny sandany tsy nitovy intsony. Niakatra ny vidinjavatra , taorinanireny fandrobana barbare no-provoqué na ireny.

Ramose Oay a! manaova analyse objective leroa fa aza mianila fijery zavatra aa! Ilainao ihany io soso kevitro io any aoriana any fa ianao ihany no mana pakevitra.



Misaotra an'i XXX @ torohevitra satria zava-dehibe izany!

Ny tsy azoko d hoe aiza ho aiza no hahafahanao milaza fa tsy fanatro fa misy ampahan'ny Malagasy d tsy mi-vivre fa efa mi-survivre!

Efa nolazaiko teto ohatra fa ny mpanofatrano n'i dada sy neny izao efa tsy mahaloha hofan-trano satria very asa!

Efa nolazaiko teto ihany koa ny momba an'ireo olona eny an-dralanitra t@ izay moa za d niteny nanao hoe:"MAMPALAHELO fa mandalo matetika @ iny lalana iny i Ravalomanana rehefa ho any aminy kanefa inn no mba nataony hialan'ireny olona ireny tao @ ilay SURVIE"
Raha hiteny ianareo hanao hoe ka olona kamo ny eny d valiny ka maninn i Père PEDRO mahavita mamoka ny olona tao anaton'izany akamoana izany!

Ka d mamerina ny fisaorana an'i XXX d mahazo mahatoky i XXX fa ny JERIKIHINA ATAON'i Oay @ MPITONDRA D TSY AVERINY REHEFA TONGA NY TOUR-NY KA SITRAK'Andriamanitra ny mba handraisany anjara eo @ fanatsarana ny FIAINAN'NY Vahoaka Malagasy é!
NY tsy azoko hamerenena ny ratsy nataon'ny teo aloha d satria efa voalaza FA LOZA HO AN'IZAY MAHALALA KANEFA MINIA MADIKA SATRIA HO AVO ROA HENY NY FATRA NY VALINY IZAY NATAONY!


7. xxx ( 20/05/2009 12:35)
hoy oay

NY tsy azoko hamerenena ny ratsy nataon'ireo TGV aloha d satria efa voalaza FA LOZA HO AN'IZAY MAHALALA KANEFA MINIA MADIKA SATRIA HO AVO ROA HENY NY FATRA NY VALINY IZAY NATAONY!


Ka io anie ny tody tsy misy fa ny atao no miverina
8. Oay ( 20/05/2009 12:59)
xxx:


Ka io anie ny tody tsy misy fa ny atao no miverina



Marina ny an'i XXX fa ny tody tsy misy fa ny atao no miverina ary izay ILAY VALIN'NY NATAO,

Ny nanongampanjakana t@ 2002 d voahongana ny 2009!

D ny nangalarina t@ vahoaka d nangalarin'ny vahoaka

D ny AZO t@ Makarakara d mivoaka @ kiloadoaka, hany ka ny milliardaire d du jour au lendemain d lasa inn re ny hilazako anazy é!
Ny prézidà d du jour au lendemain d lasa réfugié politique!

Raha mbola Malagasy d tsy maintsy tratran'ireo zavatra ireo raha manao ratsy satria inconsciemment efa dans le subconscient ny Malagasy io na d tsy hinoany aza!


9. xxx ( 20/05/2009 13:24)
Mbola hazonay koa io tgvendrana io
10. Oay ( 20/05/2009 13:33)
xxx:


Mbola hazonay koa io tgvendrana io



Ka ny manatsaina aza tratra ka maika fa ny vendrana fa aiza ary zandry kely XXX zany!


11. xxx ( 20/05/2009 13:39)
Dakor @ lahy lesy zah raha izay ry oay ,hitako mintsy ny mahasamihafa anreo sy andrywui ary essera ,mba misy le analyses fa retsy sasany tena mandoto rano sy manatavy resaka fotsiny
12. Oay ( 20/05/2009 13:56)
xxx:


Dakor @ lahy lesy zah raha izay ry oay ,hitako mintsy ny mahasamihafa anreo sy andrywui ary essera ,mba misy le analyses fa retsy sasany tena mandoto rano sy manatavy resaka fotsiny



Ka nahoana koa moa less elah ry XXX no tsy ho d'accord ka jereo izao mahazo an'i Ravalomanana izao é! Valin'ny natao tsara rehefa d'accord elah satria @ zay tsy mamerina intsony!

D mba manaova kozy misimisy fa manjary lasa mpanarandrenirano otran'ny fako entindriaka é!


13. xxx ( 20/05/2009 14:03)
hoy oay


Raha mbola Malagasy d tsy maintsy tratran'ireo zavatra ireo raha manao ratsy satria inconsciemment efa dans le subconscient ny Malagasy io na d tsy hinoany aza!


de hataon-dry zalahy minana koa zany io Andry io fa manao tsinon-tsinona ny Malagasy zay mintsy =D> =D> =D>
14. milamm ( 20/05/2009 14:30)
izao no maha tsisy saina an'elah ity olona mivarotra eny andalana sy spectacle an'i thierra Bruno ve no itsaran'elah ny fiainana ara-politika eto ??? tsy alehany lesy fa mieritrereta a =))
15. Oay ( 20/05/2009 15:01)
milamm:


izao no maha tsisy saina an'elah ity olona mivarotra eny andalana sy spectacle an'i thierra Bruno ve no itsaran'elah ny fiainana ara-politika eto ??? tsy alehany lesy fa mieritrereta a =))



Za anie efa niteny t@ elah ry zandrikely milamm hoe mba mahafinaritra raha mba mihaona raha eto Madagasikara elah d amizay mba tac au tac ilay fifanankalozan-kevitra é! fa toa tsy nasian'elah resaka moa ilay izy fa manao tsidimpahitra elah d tsy hita!

Fa eto @ tanana izao d milamina é!
Satria afaka manao spéctale gratuit eny @ MAGRO eny i Thierra Bruno hihihi...


16. xxx ( 20/05/2009 15:08)
Milamina ratsy io ry zandrikely oay
Mipoka tampoka io de zay elah vao taitra,efa tsisy mandeha @ laoniny ny loha masinina tgv fa nareo ve tena pahina
17. ravonjison ( 21/05/2009 09:10)
Oay:

Raha ny zavatra iainana andavanandro moa izany izao no jerena d ahoana ny fahitantsika anazy.
_Rehefa manaraka vaovao enao ka mampitovy d tsy misy mandeha!
Satria ny andaniny miteny fa tsy misy fifandinihana azo atao raha tsy tonga i Ravalomanana.
Ny ankilany indray d milaza fa na misy Ravalomanana na tsy misy d tsy maintsy mandeha ny fifampidinihana.

_Rehefa tsy manaraka vaovao kosa enao d otrany tsy misy ninn intsony fa d milamina ny eto Antananarivo satria:
Ny mpivarotra mivarotra ara-dalana.
Ny mpiantsena miantsena milamina.
Ny mpiasa d mandeha miasa.
Ny mpanao spéctacle d efa manomana fety isan-karazany izay feno hipoka hatrany!
Ny spéctacle gratuit an\'i Thierra Bruno mandeha tsara na d en privé aza!





Ianao kosa ry OAY toa somary jamba ihany. Nanome fanazavana lava dia lava ianao, miresaka Andriamanitra ianao, manatavy ny hevitrao ianao, kanefa ny zavatra voalazanao dia fanatavizana ny hevitrao fotsiny, fa tsy mifanaraka @ zavamisy . Toy ny mitoriteny ianao : \" ry zanak\' ondrin\' Andriamanitra, Jesosy Kristy dia maty noho ny otanareo, noho izany tsy maninona raha maty koa ianareo \" !
Afangaronao ny olana sasany .
Misy ireo hevitra hitovizantsika, misy kosa ireo tsy hitoizana. Misy hevitra telo tsy hitovizantsika ireo asehoko anao, hevitra tsotra fa saingy mbola ao anaty discussion:

1- Voalazanao : Milamina ny tanána.
Izao kosa milaza fa tsy milamina ny tanána. Ny vahoaka dia very hevitra, tsy maintsy miasa izy ireo mba hihinanany.Ny sasany manao concert, mety hoe fitadiavam-bola ,mety kosa fanalána sorisory ny vahoaka mba tsy hieitreritra olana na \"manifestation\".
Vao t@ herinandro lasa teo aho nandefa vola hoan\' i anabaviko, tsy miasa izy sy ny vadiny noho ny zava-misy, telo ny zanak\' izy ireo. Misavoritaka tanteraka ny sainy, ahoana no hamelomana ireto zaza. Izany anefa tsy hitanao eny andalam-be.
Tsy ny tsy fisian\' ny manifestation mihitsy no ilazanao fa milamina ny tanána sy ny vahoaka.

2-Voalazanao : \" ny nanongana t@ 2002 no voahongana t@ 2009.
Afangaronao, tsy mitovy mihitsy ny t@ 2002 sy 2009. T@ 2002 nisy fifidianana.

3- Voalazanao : tsy tokony hiverina Ravalo satria tsy Andriamanitra izy ka izy ihany no afaka hampandroso ny tany.
Raha milaza aho fa tokony hiverina Ravalo ary tokony hilatsaka ho filoha ho fidina dia satria nesorina ankeriny izy ( n\'iza n\'iza), noho izany manana zo izy tokony ho tsarain\' ny vahoaka @ alalán\' ny fifidiananana. Fa tsy hoe tokony hiverina izy satria izy ihany no afaka hampandroso an\' i Dago na hoe izy ihany no atokisan\' ny investisseurs vahiny. Samy hafa mihitsy ireo hevitra roa ireo.Ny voalohany resaka demokrasie, ny faharoa \" culte de personalité\".

Ny demokrasie tsy miankina velively @ olona iray, fa kosa ny principes tsy maintsy ampiharina @ tsirairay.
18. Oay ( 21/05/2009 10:18)
ravonjison an! Enao aloha d anisan'ny olona mahafinaritra satria hita hoe matotra ny firesakao ny any angatahako aminao d ny mba hamakianao tsara ny zavatra lazaiko!

Faharoa misy zavatra efa nolazaiko tany aloha be tany d tsy averiko intsony ilay izay satria everiko ho toa ny acquis, enao hitako hoe olona nianatra ka mino aho fa fantatrao tsara fa rehefa miova chapitre d efa naman'ny hay izay voalaza rehetra teo aloha.

Marina mihintsy ilay hoe misy hitovizana ny hevitra d misy tsy hitovizana, zavatra tsara be izany satria izay no halehantsika eto HIFANANKALO HEVITRA ka ambarako anao fa rehefa mazava ny hevitrao d ekeko satria TSY MISY MARENINA MIHOATRA IZAY MINIA TSY MIHAINO noho izany d ny olon-kendry d manaiky rehefa DISO fa ny adala manesika ihany!

Hoy i ravonjison:

Andriamanitra ianao, manatavy ny hevitrao ianao, kanefa ny zavatra voalazanao dia fanatavizana ny hevitrao fotsiny, fa tsy mifanaraka @ zavamisy . Toy ny mitoriteny ianao : " ry zanak' ondrin' Andriamanitra, Jesosy Kristy dia maty noho ny otanareo, noho izany tsy maninona raha maty koa ianareo " !

Tsy d azoko loatra ny zavatra tianao lazaina fa RAHA MAHAKASIKA ny fandosiran'i Ravalomanana ilay izy d izao ny fanazavana:

Rariny sy hitsiny raha toa ka nitsoaka i Ravalomanana satria NY AINY NO NAFOINY raha tsy nanao izany izy, matoa izy mbola afaka nitsoaka d @ maha Kristianina an'i Oay d IZAY NO MBOLA SITRAK'Andriamanitra.
Ny zavatra tsy ekeko kosa anefa d rehefa tafatsoaka izy d TSY TOKONY HAMPIRISIKA NY VAHOAKANY HOVONOINA.
Raha teto Madagasikara izy ka nilahatra niaraka t@ vahoaka tsy nampaninona ana.
Ny Tsy hifanarahako @ ny zavatra ataon'i Ravalomanana ihany koa d ity "AMIKO D OLONA MINO an'Andriamanitra i Ravalomanana noho izany tokony HINO IZY FA MATOA IZAO REHETRA IZAO NO TONGA AMINY D SATRIA SITRAK'Andriamanitra SATRIA EFA VOALAZA FA TSY NY TSARA IHANY NO HORAISINA AVY @ ANDRIAMNITRA.
Tsy mety ilay ataony mamporisika satria MITARIKA FAMONOan'olona.

izao kosa aloha ravonjison a! efa nazavaiko anao ny momba ny 2002:

Nisy conflit t@ iny satria tsy nanaiky ny valimpifidianana ny TIM, raha mijery ny constitution enao d rehefa tsy misy mahazo ny atsasamanila ny premier tour d atao ny deuxième tour, tsy nanaiky nanao an'izany ny TIM noho izany rehefa tsy nisy deuxième tour d ny constitution milaza fa mitohy mitondra ilay mpitondra mandrapahavitan'ny deuxième tour.
Enao mi s'entéter @ tsy maha fanonganampanjakana ny 2002 ka izao no fanontaniana MANINN NY AMERIKANINA NIANDRY MOIS DE JUILLET 2002 VAO NI-RECONNAÃŽTRE AN'i Ravalomanana alors que mois d'avril 2002 Ravalomanana no nanao ny sérment tetsy Imahamasina!

Momba ny tsy fiverenan'i Ravalomanana:

Aiza ho aiza ianao no mahita an'i Oay mivohy izany hevitra izany?
Amiko d tsy olana ny fiverenan'i Ravalomanana fa tokony hojerena ny zavatra haterany d ANAREO no MANDRAY AN'ILAY RESPONSABILITE après:

Efa nazavaiko any ananona any ihany izy ity fa averiko eto satria tsapako izao fa rehefa manoratra lohahevitra i Oay d vakinao tsara misaotra anao aho ny @ izany!

Izao ary ataoko angamba fa hitanao ireny démonstration nataon'ilay AREMA iny nandritra izay nahatongavany teto Madagasikara, raha ny analyse-ko d efa VONONKOFATY ILAY RANGAHY INY raha marina moa fa tratran'ny Cancer izy d vao maika za miteny hoe il n'a rien à perdre!
Ny zavatra tsapan'ny mpandalina izao d hita mibaribary hoe FA NY AREMA NO ARAHAN'NY MIARAMILA fa d miandry FOLAITRA ataon'ny HAT d vita!
NOho izany d raha sahy i Ravalomanana d asaivo miditra fa @ izay fotoana izay sahiko ny milaza fa rà mandriaka ny eto Madagasikara ary efa mivonona ny @ izany ry zareo.
Enao moa milaza hoe nandefa vola ho an'ny anambavinao noho izany tsy fantatro hoe aiza ny misy anao fa raha eto @ Madagsikara ianao d mba milatsaha any ambanivolo any fa hohitanao fa ireo AREMA mpisolelaka izay namadika palitao ho lasa TIM d efa niverina ho AREMA ary ny zava-doza d vohizina mafy @ izao fotoana izao any @ faritany ny hevitra fa "REHEFA NY AVY ANY ANINDRANA NO NANAO IZAY NANONGANANA AN'i RAvalomanana D TSY NANARAKA NY MERINA FA REHEFA MERIN-DAHY D NIHETSIKA Antananarivo noho izany d maimbo rà ny any ANINDRAN-TANY ka raha izao no raikitra ny ady an-trano d i Oay MANAHY FA HISI GENOCIDE eto ka raha ohatra ka mampety anareo izany d asaivo miverina miaraka @ miaramila i Ravalomanana d raiso ny résponsabilité!

Momba ilay fahasahiranana d vakio fa nanome ohatra personnel i Oay eo ambony eo, d ny tsy nahafahan'ny mpanofatrano n'i dada sy neny nandoha hofatrano intsony satria very asa!
ARY IZAY INDRINDRA NO MAHATONGA an'i Oay MITENY hoe aleo rangah hilamina ny tanana satria i RAvalomanana mbola mipetraka any andapa il mange à sa faim fa ny VAHOAKA ETO efa mihinana ny ....

Hiteny enao manao hoe maninn raha ny TGV no miala, ny TGV efa eto Madagasikara efa mamikitra be d sarotra ny manala anazy fa raha mora ny nanala anazy d tsy nisalasala i Oay ny teny hoe ALAO eo ireo TGV ireo RAHA IZAY NO HAMPILAMINA NY TANY. Mbola averiko fa i Oay tsy manohana an'iza n'iza eto fa MIIADY @ FAMETRAHANA DEMOKRASIA ary TSY Manaiky Jadona!




19. ravonjison ( 21/05/2009 11:49)
Ok. mazava ny voalazanao. Mbola misy fotoana kely aho ka dia tohizako.


1-Voalazanao : \"Rariny sy hitsiny raha toa ka nitsoaka i Ravalomanana satria NY AINY NO NAFOINY raha tsy nanao izany izy, matoa izy mbola afaka nitsoaka d @ maha Kristianina an\'i Oay d IZAY NO MBOLA SITRAK\'Andriamanitra.
Ny zavatra tsy ekeko kosa anefa d rehefa tafatsoaka izy d TSY TOKONY HAMPIRISIKA NY VAHOAKANY HOVONOINA. \"

Mazava izany fa azonao io fihetsika nataony io : mba tsy hamoy ny ainy izy matoa nitsoaka. Izay anefa dia tsy midika fa kanosa izy, na nanipy gants izy, araka ny filazan\' ny sasany. Nisy situation urenge tsy maintsy novahany teo, dia novahany. Tsy midika koa izany fa tsy hiverina izy rehefa voavaha ny olana.
Manarak\' izany, mikasika ny hoe : tsy tokony hampirisika ny vahoakany ho vonoina. Izao aloha tsy nahita porofo fa nampirisika izy na tsia fa ny tiako ho lazaina dia izao: adinontsika foana fa voafidy izy, ka ireo olona nifidy azy ireo dia nahatsiaro voafitaka satria nahongana Ravalo. Noho izany tsy voatery nampirisika Ravalo, fa ireo olona nifidy azy ireo no tonga saina ka nanao fihetsehana, tsy tapa-kazo izy ireo fa olona misaina tsotra izao. noho izany tsy tokony nampiasana herisetra nireo olona ireo fa tokony nohenoina izay tiany ho lazaina.


2- Voalazanao : \"Nisy conflit t@ iny satria tsy nanaiky ny valimpifidianana ny TIM, raha mijery ny constitution enao d rehefa tsy misy mahazo ny atsasamanila ny premier tour d atao ny deuxième tour, tsy nanaiky nanao an\'izany ny TIM noho izany rehefa tsy nisy deuxième tour d ny constitution milaza fa mitohy mitondra ilay mpitondra mandrapahavitan\'ny deuxième tour.
Enao mi s\'entéter @ tsy maha fanonganampanjakana ny 2002 ka izao no fanontaniana MANINN NY AMERIKANINA NIANDRY MOIS DE JUILLET 2002 VAO NI-RECONNAÃŽTRE AN\'i Ravalomanana alors que mois d\'avril 2002 Ravalomanana no nanao ny sérment tetsy Imahamasina\"

Ka izay voalazanao izay mihitsy no mahasamihafa ilay situation : t@ 2002 ny fifidianana, avy eo dia nisy adihevitra nandritra izany ( tsy miankina @ detail ). Normal iny.
Fa t@ 2009 izao, tonga dia nisy fanonganana, tsy nisy ilay fifidianana na referendum. Izay mihitsy no tsy mety.


3- Voalazanao : \"Ny Tsy hifanarahako @ ny zavatra ataon\'i Ravalomanana ihany koa d ity \"AMIKO D OLONA MINO an\'Andriamanitra i Ravalomanana noho izany tokony HINO IZY FA MATOA IZAO REHETRA IZAO NO TONGA AMINY D SATRIA SITRAK\'Andriamanitra SATRIA EFA VOALAZA FA TSY NY TSARA IHANY NO HORAISINA AVY @ ANDRIAMNITRA.\"

Eto no anazavako aminao ilay resaka Andriamanitra, satria averimberinao.
Misy ohatra ara-tantara itý : t@ 1896 dia nanafika an\' i Dago ny frantsay.Efa ela ny frantsay no te hiditra fa t@ 1896 vao tena nivoatra ilay ady. Ny tafika gasy anefa dia efa natanjaka satria efa t@ andron\' i Radama no nampiofana ny tafika gasy ny Anglisy ( ny fanaovana vanja sns...), noho izany somary sahirana ireo tafika frantsay. Ny olana anefa dia nisy ny tsy fifankahazoana teo @ fanjakana hova sy ny fanjakana tanindrana sasany ( teo ambanin\' ny fanjakana hova), noho izany nisy ireo tanidrana sasany namadika. Rehefa namadika ny sasany dia tafiditra soamantsara ny tafika frantsay tany anidrana ( Tamatave: Farafaty...). Izay no nanomboka naharesy ny tafika gasy ka nampiongana ny fanjakana hova.
Dia hoy ireo mpamadika : tsara sy ekena ny nahazo ny fanjakana hova, satria efa izay no sitrak\' Andriamanitra, tsy ny tsara ihany no azo avy aminy.
Izaho anefa milaza fa tsy nisy resaka sitrak\' Andriamanitra izany t@ izany, fa ny frantsay no efa he hanjanaka an\' i Dago efa ela, ka nataony izay fomba rehetra hahatanterahina izany. Anisan\'izany ny fanararaotana ny tsy fifankahazoan \' ny samy gasy ka fitarihana ireo gasy sasany hamadika tanindrazana.
Ny tiako lazaina : ataonao hoe izay no sitrak\' Andriamanitra rehefa izay no mifanaraka @ tombotsoanao na ny hevitrao. Kanefa tsy misy hidiran\' Andramanitra @ izany mihitsy, ny fanararaotana sy ny fitadiavan-tseza no hita taratra eto.

NB: miangavy @ mpamaky mba tsy hihevitra fandrangitana adim-poko , exemple fotsiny ihany io.
20. Oay ( 21/05/2009 13:37)
ravonjison a!

Fa sao heverinao fa irony mpanompo olona irony ary i Oay ka tsy hahatsapa fa raha mbola azo atao ny manavotra aina d andeha hamono tena.
Za mi-comprendre ny FANAVOTANY NY AINY Nataon'i Ravalomanana sy ny Taranany satria ASA enao raha efa namaky ilay nosoratako momba an'ilay OLONA NANOME TSINY an'Andriamanitra satria tsy nanavotra anazy Andriamanitra rehefa latsaka tao anaty rano ilay olona!

Mbola averiko indray fa ny tsy azonao d ny hoe TANT QUE LE RESULTAT DE LA NOUVELLE ELECTION N'EST PAS PROMOLUGUE d mijanona eo @ FITONDRANA ILAY MPITONDRA KA na INN na INN d rehefa tsy MIandry izay lazain'ny Haute Cour Constitutionnelle hi-affirmer na hi-désaffirmer an'ilay vokampifidianana NY MPIFANANDRINA d RAHA VAO MAKA FANJAKANA ENAO D MANAO COUP D'ETAT NO DIKANY, D MBA TSY HIADIANA HEVITRA ELA BE @ iny D AZAVAO ARY hoe MANINN NO NIANDRY 04 JUILLET 2002 NY Amerikanina VAO NI-RECONNAITRE an'ilay régime.

D VAliko ianao @ ilay hoe NISY FIFIDIANANA:
Aux yeux de la loi d sans ne rien veut dire FA NY TSY MAINTSY TOKONY NATAO D NA:

-Niandry izay nolazain'ny HCC d namela ilay mpitondra nitondra mandrampahatonga ny valiny!

_Na nanao second tour
.
Fa ny mifanohatra @ ireo d COUP D'ETAT d mitovy @ nataon'ny TGV!

Ary enao aza matahotra fa tsy any @ tany communiste isika fa eto Madagasikara ka ny ankamaroan'ny Malagasy d mino an'Andriamanitra ary mino fa MIVALY NY NATAO, d io ny valin'ny nataon'i Ravalomanana na inn lazaina na inn!

(Enao moa raha tsy diso za toa hoe nanao fianarana tany @ TCHECOSLOVAQUIE an!)

Momba ny Finoana an'Andriamanitra d mialatsiny aho raha DISO NY FIJERIKO fa ny fahatsapako d TSY MINO AN'Andriamanitra ianao, Tsy manome tsiny anao ny @ izany i Oay ary tsy anjarany ny mitsara anao fa kosa mbola averiko fa MATOA I Oay miresaka Andriamanitra rehefa miresaka momba an'i Ravalomanana d satria i Ravalomanana KRISTIANINA TOA an'i Oay, KRISTIANINA I Ravalomanana satria Filoha lefitrin'ny Fiangonan'i JESOSY KRISTY eto Madagasikara noho izany d afaka miresaka finoana an'Andriamanitra amin'i Ravalomanana i Oay.

Fa i ravonjison izao raha ny fahitako izay mbola hialakao tsiny raha diso d olona tsy mino ilay atao hoe LAHATRA AVY @ Andriamanitra d amiko tsy afaka hiresaka Finoana Kristianina amin'i ravonjison i Oay ny antony d tsotra TSY MITOVY ILAY REGISTRE HIRESAHANA d i Oay anefa il se veut étre un démocrate républicain noho izany d manaja ny antsoina hoe lâïcité i Oay ka d mananja ny fomba fijerin'ny olona sy manaja olona izy!

Ka momba ilay tantara n'i Madagasikara d lazaiko anao fa TSY AZO LAVINA FA NISY NY NAMADIKA D IZAY NO FANAZAVANA PLAUSIBLE AZO omena mahakasika ilay faharesena d izay ilay atao hoe EXCUSE VALABLE ho an'ireo CARTéSIEN,
Fa ho anay mino ny fandaharan'Andriamanitra d apetrakay tsotra hoe izay no sitrak'Andriamanitra fa tsy hihezaka foana izahay hitady raison,
D avec le SI on peut réconstruire le monde. Ny tiako lazaina d raha hiteny isika hoe :"RAHA TSY NAMADIKA NY..."

Momba ilay hoe NY VAHOAKA NO MISISIKA HIARO SY HITAKY NY FIVERENANY,
ETo aho d mangataka an'i ravonjison manao hoe: "mettez vous dans la peau de Ravalomanana" satria @ izao zavatra izao no olana, mbola averiko fa i Ravalomanana d olona mino an'Andriamanitra ka noho izany maha olon'Andriamanitra anazy izany d tokony hahatsapa tena izy ka hijery fa ny fitakian'ny MPIASAN'NY TIKO sy IREO Orin'asa isankarazany tao antin'ilay EMPIRE TIKO no FINGANA manelingelina ny FAndehanan'ilay HAT noho izany amiko raha tena TIa an'ny Malagasy Ravalomanana d tokony hiteny manao hoe "Za Ravalomanana d na tsy hiasa intsony aza mandrampahafatiko d hiadana anaty lapa noho izany d miangavy anareo mpanaraka ana za milamina ianareo fa indray andro any raha mbola sitrakin'ny Ray ao ambony d mbola hiverina miaraka aminareo aho, fa @ izao aloha d simba ny firenentsika satria efa nahazo toerana ireo HAT ireo ary efa mivonona @ ady an-trano ka mba tsy hisian'izany d hipetraka aho, ary tadidio fa TSy RESY akory ny olomangina"

Mbola averiko fa tsy mety @ Cartésien io proposition io fa zavatra azon'ny olona mino an'Andriamanitra atao.
Raha manao an'io fanambarana io i Ravalomanana d hilamina ny tanana d hovita aingana ny fametrahana ilay repoblika d hiverina hiasa ny havan'i ravonjison, d hiverina hahaloha hofatrano ny mpanofatranon'i dada sy neny n'i Oay, d azo heverina sy azo atao ny manao négociation @ izay mitondra eo ny @ TOKONY HIVERENAN'i Ravalomanana TSY MISY rà mandriaka.

D ity mba misy zavatra nolazaiko d mba vakio ravonjison a!http://forum.serasera.org/?rub=dinika/message&msgid=m4a139180a5009#m4a141548dca4e

D misaotra anao @ ilay fifanajana @ ady hevitra, d tsarovy fa faly aho miady hevitra aminao satria NY HEVITRA TSY AZO RAHA TSY @ OLOMBELONA.
ARy i Oay mbola averiny fa mba maniry izy indray andro any raha sitrakin'ny ao ambony mba hitondra izay anjara birikiny hanatsarana an'ity nosindrazantsika ity izay manankarena fa nezahana natao izay hampahantra anazy!
NY faniriana tsy arahana asa anefa zava-poana, ary Andriamanitra tsy manampy izay tsy manampy ny tenany ka d mahazo mahatoky i ravonjison fa efa misy ny asa atao @ izao fotoana izao, anisan'izany izao fifanankalozakevitra @ kitsi-po atao aminao izao!
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.5413