Mampalahelo: nijanona tanteraka ny fanampiana amerikana

21. Oay ( 20/05/2009 08:39)
bozyboleta:


Efa nolazaiko t@ post hafa tany. I Bozy tsy very fihinana na iza na iza hitondra eo satria tsy miandry fanjakana hanome ahy fa efa zatra nihinana ny hatsembohan'ny tavako.
Saingy,
Betsaka ny manodidina ahy izay efa nahita maminy t@ asa nateraky ny fanjakan-dRavalomanana noho ny fahatokisan'ny mpamatsy vola azy sy noho ny naha-mari-toerana ny fanjakany ka nahafahan'ny mpampiasa vola maro nanorina orinasa teto kanefa dia very asa izao vokatry ny fandrodananareo ny jadona.
Tsisy izay tsy potika ny seha-pihariana rehetra: fizahantany, tetikasa fampandrosoana ambanivohitra indrindra indrindra, ny asa madinika sns...
Jereo daholo ireo voasoratra teo aloha ireo. Misy namana izay nilaza fa very asa ka tsy haiko hoe very fihinana t@ Ravalomanana koa ve izy izany!



Ny mampalahelo ana ry Bozy d ny filazana fa Andriamanitra i Ravalomanana satria nanao miracle nahatonga ny olona nitondra vola teto Madagasikara!

Ary io hevitra io mihintsy no tiako hidinihana mivantana aminao!

Amiko d azo atao ny mahatonga vahiny hitondra vola rehefa milamina ny tany!

Ry Ratsiraka anie tena ny tsy hisokafan'i Madagasikara t@ any ivelany mihintsy no tanjony é!

D Ravalomanana ndray tena tehahazo vola loatra d saika hivarotra an'i Madagasikara mihintsy!

Tsy miady hevitra za fa nisy ny asa fa mba jereo anie ny fanalikana sy ny fanandevozana any antin'ireny orinasa ireny é!
Zany akory tsy midika fa hofoana ireny an! fa mba jerena ny azo atao mba ho aradrariny ny exploitation mahazo ny Malagasy!


22. xxx ( 20/05/2009 08:52)
le fanampiana ve no tapaka de ny anaran-dravalo no voatonona? Sa ilay Ra8 niteniteny kely anglisy iny de hoe amerikanina nedala?
Tsy mila ady hevitra be fa rehefa izay no tapaky ny bekitana de ajanony any ny azy fa volany iny.Fa isika ilay sarotra ampiana no tena mahagaga. Raha mba niandry kely fifidianana fotsiny izao dia efa mba lasalasa lavitra ihany fa @ izao de isak'izay vao mandeha kely de adaboka.
23. ndenn ( 20/05/2009 08:59)
Mbola hita misongadina foana ny toe-tsaina miakin- doha eo @ mpiray tanindazana sasany @ izao fotoana izao , tsy kivy tsy ketraka anefa fa dia mandray izany @ maha malagasy ny tena izahay @ izao fotoana sarotra tsy maintsy lalovana izao .
Ny olana mahatonga ny krizy ao madagasikara dia ny fifampitaingenan\' ny famantsian\' akora an\' ireo firenena lazaina ho matanjaka ( USA ,EUROPE ,sy ireo FUTURES DRAGONS D\'ASIE [chine ,japon , corée du sud ] )mbola haveriko ihany , ary hitarin\' ireo tomponandraikitr\' ireo firenena mpamatsy akora ireo ireny situation ireny mba hampisy \"une soit disante\" stabilité ekonomika (izay fantatry ny sainy fa mety sy arakaraky ny fijeriny io) .
Dia eo no mipetraka ny olana satria , maro ireny operateurs economiques \' ny firenena mpanondrana akora ireny no tsy afa- manotra noho ny tsy fahalalana fa ireny firenena vahiny mpanafatra akora ireny anie ka tsy maintsy miankin- doha @ ireo mpamokatra izany akora izany mandrakizay !Ny antony dia mazava tokoa ( raiso ohatra ; tsy hisy velively izany japon , na frantsa hanana petrole izany raha tsy manafatra ,ohatra iray io )
Ambonin\' izany dia ireo fifanaraha teo @ sehatra Bretton woods izay tokony havaozina tanteraka fa tsy mifanaraka @ izao fotoana izao intsony .Raha nahatadidy ny sasany dia efa nisy projet izay nohezahina nametraka taona vitsy lasa izay ny momba ilay NEPAD ,fifanarahana @ ireo firenena mpanafatra akora sy ireo mpanondrana , ary anisan\' ny niarahako niasa t@ ireo mpamolavola ny drafitra hapetraka .Ny nampalahelo anefa dia ny fitiavantenan\' ireo goaika te hisalovana ny asa efa vita filamatra tao @ ireo fikambanana maro nanangana io rafitra NEPAD io ,izay marihiko fa misy ONG europeen ,americain ,africain ,asiatique ,ary firenena vitsivitsy ao moyen orient .Anisan\' ireo mpisalovana tsy te ho very finanana ohatra i Abdoulaye ouade, Ravalomanana, Ratsiraka ,koffi annan, ... ireo mpitondra nandova fotsiny fitondram- panjakana avy ao @ ireo firenena mpanondrana akora ireo , izay efa tsy maharaka ny dynamisme sy réal politic intsony noho antony tsy ho voatani sa eto .
Ankoatr\' ireo dia tiako ho marihina ihany koa ny toe-tsain\' ny vahoaka ao @ ireny firenena mpanondrana akora ireny , izay efa voavolavola sy voasasa ankolaka ny sainy mba hambaboana ny fiaraha- miasan\' izy ireny eo @ interdépendance misy @ firenena maro atsimo sy avaratra , andrefana sy antsinanana .Io no zavatra tsy tokony omena lanja araka ny hevitro satria dia tena mahatonga fahantrana sy fijaliana be dia be tokoa eran\' izao tontolo izao , manjary mampisy déformations conceptuelles economiques sy dépendances psychologiques sociales ireny fomba fiasa ireny , ary ny tena ahatahorana aza dia ny fitomboan \'ny famine sy fahantrana eran\' izao tontolo izao .Maro ny loza sy atambo efa hita sy voasongadinay tao anatin\' izany ; crises identitaires, economiques ,sociales ,....
Ny @ resaka famatsiana ara- bola an\' i madagasikara dia tokony ho fantatry ny malagasy fa nisy tokoa ireo fahadisoana maro vitan\' ireo mpitondra teo aloha , ary anjaran\' ny gasy ts11 no manarina izany @ fomba rehetra , tsy hoe hitsikera an\' i Rakoto na Rasoa foana no vahaolana @ izy io fa tsy maintsy jerena ampahatorana tokoa ,satria iankinan\' ny ho avin\' ny taranaka ny fametrahana rafitra mitsinjo ny tombotsoan\' ny vahoaka malagasy tsy ankanavaka .Tsy maintsy hisy ny famatsiana ara- bola an\' i mada , ary tsy tokony hirohoroho saina ny @ izany hevitra diso be momba ny fahatapahan\' izany famatsiana izany akory aza i Ravatorano sy i Bozyboleta .Ny vola fitady , fa aza hadino koa fa tsy maintsy manao fampiasana vola ny mpanana izany ahazahoany vola amboniny . Tsy sakafo azo arapaka akory ny vola ka atao mankarary saina sy loha .
Mbola hotohizana @ manaraka arakaraky ny hetahetan\' ny rehetra ny fanazavana fa lava loatra ka ndrao dia tsy vakian\' ny sasany .





:oops: :oops:
24. essera ( 20/05/2009 09:03)
Raha mba niandry kely fifidianana fotsiny izao dia efa mba lasalasa lavitra ihany fa @ izao de isak'izay vao mandeha kely de adaboka.

D hatramin'ny biby fiompy rehetra efa voasoratra any amin'ny lisi-pifidianana. Ny résultat izany amin'io d : 112% Ravalomanana.
25. bozyboleta ( 20/05/2009 09:10)
i Oay d mino ary mahatoky fa tsy lany olomanga i Madagasikara noho izany d mahatoky izy fa misy olona any ambadika any tena VONONA ny HANOMPO SY HANAO IZAY HAMPADROSOANA AN'i Madagasikara!

Izaho koa mino fa misy dia misy ny vonona ary tsy lany olo-manga araka ny teninao i Madagasikara nefa mila miseho ho fantatry ny olona. Hatreto aloha dia mbola tsy mahita tava azy izahay.
Mialoha izay anefa dia mila fanamboarana GOAVANA BE ny tontolo politika eto Madagasikara fa na iza na iza hitondra eo, rehefa mbola fitadiavan-tseza sy tombotsoa manokana no mibaiko ny 99% ny mpanao politika dia tsy hisy fanjakana mari-toerana eo fa izay tsy mahazo na very seza dia handrodana.
Otran'ny manonofy ihany aho milaza an'io nefa izay no zava-misy.
Fanontaniako an'i oay. Olona toa inona no tokony hitondra fanjakana eto Madagasikara?
Mpanao politika ve?
Sa teknisiana ?
Sa mpandraharaha toa an-dRavalomanana?
Sa....?
Ny mampalahelo ana ry Bozy d ny filazana fa Andriamanitra i Ravalomanana satria nanao miracle nahatonga ny olona nitondra vola teto Madagasikara!

Iza no nilaza an'izany? Ravalomanana ange olombelona e! Tsy ho Andriamanitra izany mihitsy na oviana na oviana. Eto aho dia mahatsiaro ny teninao taloha elabe tany t@ resaka culte de personnalité. Mahagaga ahy ihany fa toa miverimberina ilay izy ary raha ny hitako @ hevitrao sasany eto dia ianao mihitsy le manao culte de personnalité.
26. xxx ( 20/05/2009 09:29)
Hery a! Rehefa tsy misy vola ve tsy hamidy ny ombiny Roindefo any atsimo hanamboarandalana na hanaovana sekoly sns e.....

Mbola marobe koa ange ny mpanambola toa andry Andriwu, ry Oay, ry Essera ... maro tsy hita isa afaka manao manao tsipaipaika hanangonana vola hampandehanana io firenentsika io e!!!
Aza matahotra isika fa manana andry zareo ireo fa ireo no bailleurs izao, mandria ivohony vato atsika jiaby!
27. Oay ( 20/05/2009 09:34)
ndenn:


Mbola hita misongadina foana ny toe-tsaina miakin- doha eo @ mpiray tanindazana sasany @ izao fotoana izao , tsy kivy tsy ketraka anefa fa dia mandray izany @ maha malagasy ny tena izahay @ izao fotoana sarotra tsy maintsy lalovana izao .

:oops: :oops:


Mazava tsara amiko ny resak'i ndenn, tsy hitako hoe aiza no holesohana fa Kabary tsy valiana maharary!

Momba ilay interdépendance économique anefa d misy tiako horesahana kely!

Anisan'ny zavatra efa niadihako hevitra mafy t@ mpandraharaha Malagsy io zavatra io, ny azo lazaina d tena nampidirina ao anatin'ny lavaka lalina ny Malagasy.
Izany zavatra izany d asa nataon'ny mpanambola vahiny izay tsy nisy Malagasy afaka nifanandrina taminy! satria ireo noheverina fa lohany d mpiandry omby vola vita manoloana ny mpamatsy vola vahiny ka mpamerin-doha fa tsy Tompony!
Noho izany d mila EKIPA AFAKA MIFANANDRINA @ IREO MPAMATSY VOLA IREO ISIKA! hatreto aloha d tsy nisy nahavita nifanandrina taminy ny mpitondra teto amintsika!
Ny antony d tsotra "NY MPITONDRA NIFANDIMBY D BEVAVA REHEFA MANOLOANA MALAGASY MITOVY AMINY FA MANAO BENI-OUI-OUI REHEFA MANOLOANA VAHINY"
D rehefa mahatsapa ry zareo fa tsy afaka mifampitady @ ireo vahiny mpamatsy vola d kivy ka ny any sisa ataony d mameno posy sy mangalatra, d rehefa manao an'izany izy d manararaotra ny vahiny!
D tadidio fa ny instinct animal c'est l'étre humain ilay prédominance noho izany ny vahiny mpamatsy vola d mitady hatrany olona faible mba ahafahany manao izay tiany ary io hevitra io no nahasarika ny mpamatsy vola t@ i Ravalomanana satria Ravalomanana mpanao bizina d nihevitra ny vahiny fa moramora ny mitsetsitra ny harena ny Malagasy en le soudoyant.
Avy eo anefa ry zareo nahatsapa fa very ny volan'ny fanjakany satria nafangaron'i Ravalomanana ny volampanjakana sy ny volan'ny TIKO!


28. xxx ( 20/05/2009 09:35)
ho avy ny arabo hitondra vola fa inona ary no mampitahotra anareo rankizy a, sady olon-tsaina no lalimanga anie ny HAT e (oadray lalitsaina dia olomanga mantsy e)

29. halloween ( 20/05/2009 10:08)
Mbola faminaniana ve io resak'i Hery io sa tena réel !! ny anareo mantsy mifangaro eto ny resaka faminaniana sy ny vaovao marina de tsy hay intsony ze marina !! a ity toro hevitra kely e!! rehefa Faminaniana le soratanao de asio :arrow: le izy moa raha tena réel de asio :?: de amzay mazava tsara ny resaka
30. xxx ( 20/05/2009 10:13)
xxx:

ho avy ny arabo hitondra vola fa inona ary no mampitahotra anareo rankizy a, sady olon-tsaina no lalimanga anie ny HAT e (oadray lalitsaina dia olomanga mantsy e)



maagaga ny tary otran' ty


:twisted: :twisted:
31. Oay ( 20/05/2009 10:24)
bozyboleta:


Iza no nilaza an'izany? Ravalomanana ange olombelona e! Tsy ho Andriamanitra izany mihitsy na oviana na oviana. Eto aho dia mahatsiaro ny teninao taloha elabe tany t@ resaka culte de personnalité. Mahagaga ahy ihany fa toa miverimberina ilay izy ary raha ny hitako @ hevitrao sasany eto dia ianao mihitsy le manao culte de personnalité.




Bozy a! za tsy nilaza fa ianao no manao culte de personnalité loin de là!
Fa ny nolazaiko d interprétation an'ilay hoe tsy misy mandeha eto raha tsy miverina i Ravalomanana, amiko ny filazana ohatra fa "TSY MISY MANDEHA ETO RAHA TSY MIVERINA I Ravalomanana" d tsy midika ve izany fa efa fanompoana olona ilay resaka fa tsy fanohanana hevitra intsony? satria fa iza i Ravalomanana no afaka hilaza fa tsy mandeha ny fiainan'ny Malagasy raha tsy izy no mitondra!
Otran'izany koa ny filazana fa Ratsiraka mafy be? d tezitra moa i milamm rehefa nilazako hoe nareo no manompo (dans le sens hoe matahotra an! Ny akoho rehefa resy d lasa manompo masira ohatra) an'i Ratsiraka fa tsy izahay!

Amiko rangahy d olombelona otrantsika ireny fa niangaran'ny vitana d mba lasa prézidà fa tsy midika izany fa ambanin'ireny isika a!

Bozy misy zavatra ambarako anao ary tiako raha lazaina anao face à face raha sitrakao, fa mandrampiandry ny valiteninao d izao "MANDRAMPAHATAPITRA NY FOFON'AIKO D ZA TSY MANAIKY FANOMPOANA OLONA @ FILAZANA FA TSY MISY MAHASOLO NY OLONA IRAY"
Asa raha hitanao fa teto anie nisy niteny hoe i Oay mety manapaka lalandrà olona satria mety miova hevitra tampoka, ENY TOMPOKO REHEFA HITAKO FA TSY MIFANARAKA @ HEVITRO na HEVITR'IZA NA HEVITR'IZA D TSIPAHIKO ary lazaiko anao fa na ny Ray aman-dreniko niteraka ana aza d mahalala an'izany!
AMIKO ny hany HINOAKO ARY TSY MAINTSY HIHAKOHOFAKO D Andriamanitra irery ihany fa raha mbola olona TSIA satria aleo azava fa aleo maty toa izay hanaiky resy manana ny marina satria tsy MISY VELONA MANDRAKIZAY ary TSY MISY Mahalala ny andro ahafatesana noho izany d tsy tokony hanana tahotra ny zanak'olombelona.

32. ndenn ( 20/05/2009 11:01)
Hoy Oay :
Amiko rangahy d olombelona otrantsika ireny fa niangaran'ny vitana d mba lasa prézidà fa tsy midika izany fa ambanin'ireny isika a!

Bozy misy zavatra ambarako anao ary tiako raha lazaina anao face à face raha sitrakao, fa mandrampiandry ny valiteninao d izao "MANDRAMPAHATAPITRA NY FOFON'AIKO D ZA TSY MANAIKY FANOMPOANA OLONA @ FILAZANA FA TSY MISY MAHASOLO NY OLONA IRAY"
Asa raha hitanao fa teto anie nisy niteny hoe i Oay mety manapaka lalandrà olona satria mety miova hevitra tampoka, ENY TOMPOKO REHEFA HITAKO FA TSY MIFANARAKA @ HEVITRO na HEVITR'IZA NA HEVITR'IZA D TSIPAHIKO ary lazaiko anao fa na ny Ray aman-dreniko niteraka ana aza d mahalala an'izany!
AMIKO ny hany HINOAKO ARY TSY MAINTSY HIHAKOHOFAKO D Andriamanitra irery ihany fa raha mbola olona TSIA satria aleo azava fa aleo maty toa izay hanaiky resy manana ny marina satria tsy MISY VELONA MANDRAKIZAY ary TSY MISY Mahalala ny andro ahafatesana noho izany d tsy tokony hanana tahotra ny zanak'olombelona.

Henjana ianao Oay an !
33. patrick2002 ( 20/05/2009 12:39)
kja anìza ny tsiny raha nijanona ny fanampiany amerikanina , ho an`i mpanakorontana sa ny voakorontana ,maninona i Ravalo no tsy manaiky resy fa mbola mizizo ihany ,haveriko ny teniny ,TSAPAO ALOHA NY HERINAREO FA MIFANANDRINA @ MPITONDRA.
Zaho very asa Ravatorano dia haninona izany handeha eny @ auditorium MAGRO ve hanatevin-daharana , mazotoa eh!
34. Oay ( 20/05/2009 12:43)
ndenn:


Henjana ianao Oay an !



ndenn a! Tsy henjana izany i Oay fa kosa ny olombelona d tokony hametraka principe à ne pas franchir d ny an'i Oay io TSY FIAKOHOFANA AMAN'OLONA IO NO NORAISINY!

Noraisiko ho TSY AZO DIKAINA IZY io satria nahoana, mialatsiny @ nareo izay tsy Kristianina fa manaja anareo i Oay fa ho antsika Kristianina kosa d samy mahalala isika fa nalain'ny devoly fanahy i Kristy ka nampanantena anazy ny devoly fa hanome anazy an'izao tontolo izao raha toa ka mihakohohoka aminy i Kristy namaly i Kristy niteny hoe "EFA VOALAZA FA AZA MIHAKOHOHOKA HAFA TSY @ Andriamanitra RAY" noho izany d mivavaka sy mangataka @ Andriamanitra hatrany i Oay ny mba hiarovan'Andriamanitra anazy ka tsy hihakohofany @ olona!

Izany akory tsy midika fa tsy manaiky hevitr'olona i Oay fa kosa apetrak'i Oay fa ny fahendrena Malagasy d milaza fa aleo halan'andriana toa izay halam-bahoaka ary efa volaza ihany koa fa Vox populi vox Die ka rehefa hita fa ny vahoaka no efa mijaly sy mizaka ilay fanakorontanana d tokony mba hijanona @ izay ilay mpanakorontana.

Mbola averiko fa raha tena TIA TANINDRAZANA i Ravalomanana d avelany hilamina ARA-POLITIKA aloha ny eto an-tanana satria ny TSY FILAMINANA io no mahatonga ny RAHARAHA TSY MANDROSO d Manjary voakitika ny fitadiavan'ny olona sasany kanefa IZY Ravalomanana migalabona any an-dapa ary araka ny voalazan'ny sasany d na tsy hiasa intsony aza izy d tsy hisy zava-maha ory anazy!

D raha hiresaka an'ilay Vox populi vox Die isika d jereo eo @ échiquier politique fa efa isolé tanteraka anie i Ravalomanana é!
Za tsy miresaka ilay vahoaka fa ilay MPANAO POLITIKA iza sisa no manaraka anazy, na i Rabetsitonta izay notendreny ho sénateur aza efa miteny fa aleo handeha ny HAT hidirana aingana any @ repoblika vao², na i Rafalimanana le candidat malheureux t@ fifidianana maire teto Antananarivo aza d efa nilaza fa tsy tokony hipetraka intsony ny condition hoe rehefa tsy miverina i Ravalomanana d tsy misy fifampidinihana.
Izao moa d efa niteny daholo ny bandy fa tsy misy miandry Ravalomanana izany eo! fa raha tehotonga d tongava d hita eo ny hanaovana anazy!
Fa ny valin'ny natao tsy maintsy honjinjaina é!
Ny Mpanangadra kanefa minia manao ny tsy marina d tsy maintsy hovoangadra satria mbola averiko fa i Ravalomanana d Kristianina toa an'i Oay satria i Ravalomanana d filoha lefitrin'ny Fiangonan'i Jesosy Kristy eto Madagasikara noho izany d mahatoky i Oay fa tsy maintsy handalo ny FITSARAN'Andriamanitra i Ravalomanana satria na aiza alehany na inn nataony d Andriamanitra sy Ravalomanana irery ihany no mahalala izany!

35. xxx ( 20/05/2009 12:59)
Misy resaka fivavahana lesy atsy ambadika atsy raha hitory teny elah ry oay a,
ny benkintana tsy manomé saosy no resaka eto fa aza avadika ,fa nahoana
36. Oay ( 20/05/2009 13:06)
xxx:


Misy resaka fivavahana lesy atsy ambadika atsy raha hitory teny elah ry oay a,
ny benkintana tsy manomé saosy no resaka eto fa aza avadika ,fa nahoana



Ny mahatonga ny bekintana niala less ry zandry XXX d satria mbola mitohy ny concert privé an'i Thierra Bruno etsy Andraharo a!
D ilay tompon'io toerana fanaovandry lerony spéctale io less ry zandrikely XXX d Filoha ny Fiangonan'i Jesosy Kristy eto Madagasikara no sady mpanao politika noho izany d eto sady azo hitoriana teny no hanaovana politika a!


37. xxx ( 20/05/2009 13:23)
Sauvez wiwi koa ty lesy xxx :-D :-D :-D
38. Oay ( 20/05/2009 14:06)
xxx:


Sauvez wiwi koa ty lesy xxx :-D :-D :-D



Ka i wiwi aza efa tezitra be d lasa nijery an'ilay olona nanely tsaho teto fa vao nahita an'i wiwi ilay mpanely tsaho tonga d nanao hoe "sauve qui peut" hihihi..


39. rakaroka ( 20/05/2009 14:22)
Le "atrehina" raha ny marina tsy Ra-8 na i TGV ´zay ifandanian´ny maro amdro eto, fa ny "manaraka" aorian-drizareo hipetraka "tsara", ary maika ny tokony hiheverana izany vao hifampiraharaha ny tany mandroso fa raha tsy inn kosa rizareo koa ho afafiny @ izao ftsn ny fanampiany ! anefa mipetraka mazava ny fizotran´ny raharaham- pirenentsika!
40. xxx ( 20/05/2009 14:35)
Mila miala eo eo haingana io tgvendrana io zay UN POINT C TOUT!!!
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.6396