Tsy nahomby indray ny HAT

1. hery ( 19/05/2009 15:02)
Tsy fahombiazana hafa koa no hita tamin'ny HAT fa tsy nisy nanaiky ny baiko ny ireo ambassadeurs gasy nesoriny teo amin'ny toerany. Vao nahazo toerana mantsy ry zalahy dia hoe esorina daholo ny ambassadeurs tany Pretoria, tany Frantsa, tany New York sns... tany Afrique du Sud moa dia nitontonan'ny CAPSAT mihitsy http://concerned-mada.weebly.com/ fa tsy nanaiky mihitsy izy. Saika hoe hametrahana ireo izay mbola tsy nahazo toerana angamba.

Amin'izao anefa dia nolazaina handray ny asany daholo indray ireo ambasadaoro malagasy ireo :-) Na ny marimarina kokoa avela hanohy ny asany fa tsy tafala teo @ toerany.

Inona no antony hoy ianao?
- Tsy ampy ny saosy hampodiana ny mpiasa rehetra sy hametrahana ny vaovao
- Tsy manaiky ny firenena mampiantrano satria tsy fitondrana ankatoavina iraisam-pirenena ny HAT

Dia mbola haharitra ihany ve?
novalian'i fijo ny 20/05/2009 20:13
2. hery ( 19/05/2009 15:04)
http://madagascar-tribune.com/Les-ambassadeurs-reprennent-du,11954.html
3. locl ( 19/05/2009 15:05)
Bis Bis eee! Marary loha eo reo androany eee!
Le sôsy lany zaraina fa efa mahafantatra fa tsy hijanona ela eo. Ny vahoaka no mampalahelo
4. gasmlay ( 19/05/2009 15:08)
io ko lazain'laisany miafina ny mpaminany! :-D :-D
5. locl ( 19/05/2009 15:09)
mpaminany inona??? 8O
6. essera ( 19/05/2009 15:10)
A Rahery mpanara-baovao. Ianao mihitsy izao no tadiaviko fa misy zavatra manitikitika ny saiko izay rangah ty fa http://forum.serasera.org/?rub=dinika/message&msgid=m4a12bd7c19b06 .

Ny momba ilay ambasady gasy ireny d efa nikôzy efa ela ry lerony wé izay tsy hanaraka ny politikan'ny hat fa mbola hanonofy an'i Dada d miverina mody. Efa ela be io resaka io no nataon'i Hasina nandritra ny passation tam Ranjeva maréchal. hi hiiiiiiiiiiiiiiii
7. Oay ( 19/05/2009 15:16)
hery:


Dia mbola haharitra ihany ve?



Mbola haharitra hafiriana aloha é!

Efa ao tsara ve ilay litanie maraina hariva atoandro é!

Hozonona ho faty io vao maika ela velona é!

Fa tsy maintsy rava io REHEFA TAFATSANGANA NY REPOBLIKA VAO² fa aza maika ra-hery a!

Momba ny ara-bola indray d izahay eto Madagasikara aloha izao d milamina ny fiainana satria hatramin'izao ny mpiasampanjakana mandray karamany daholo!

Marina fa mampalahelo ireo doméstique ny TIM satria lasa nitsoaka ny patron-ny d tsy mandray karama ry zareo! fa vitsy anisa moa ry zareo d otrany tsy d hita loatra!

Momba ireo any ivelany indray d AZONAREO AMIDY ALOHA NY FANAKA ao anatin'ny ambasady ao raha sanatria ka TAPAKA TSY NAMANA ianareo!

Sady misy moa ireo tsy mankatoha ny HAT ka inn ary no asa ampanaovina anareo eo é! Toute peine mérite salaire ka rehefa tsy manaiky ny mpampiasa anareo nareo d tsy mandray karama!


8. xxx ( 19/05/2009 15:17)
masaka be Rahery a,zay vao repotra ny làlana , tapina ny domy klé :-D :-D :-D
9. locl ( 19/05/2009 15:24)
Ka le mpampiasa anie ry Oay ka tsy fantatra hoe iza? Tsy misy mahafantatra azy ny olona ka iza no handray baiko amin'izay fantôme.

Tapina tanteraka io e! Tsy misy haleha intsony ny HAT
10. diamondra27 ( 19/05/2009 15:33)
mila manamboatra lalana tahaka ny mpanaradia andravalo ny tgviste zany koa
11. xxx ( 19/05/2009 15:40)
Efa hita zao anie io ry zalahy fa tsy tafa de mbola manao bondogeriny ihany ,
Efa lazaina fa mila manao latabatra boribory miaraka @ i Ravalomanana io fa tsisy mandeha ila zany ny firenenena
12. kidoropamba ( 19/05/2009 15:42)
hin!hin!hin!KAY TENA matahotra ny ho VERY SEZA mihitsy ry zalahy GTT e. Io no hiantsoiny an'i Dadany io.

Mbola mitohy ny tantara e.
13. Oay ( 19/05/2009 15:52)
locl:


Ka le mpampiasa anie ry Oay ka tsy fantatra hoe iza? Tsy misy mahafantatra azy ny olona ka iza no handray baiko amin'izay fantôme.

Tapina tanteraka io e! Tsy misy haleha intsony ny HAT



i Oay aloha d miteny anareo fona hoe "AZA MANONOFY FA MIDINA ETY AMBONIN4NY TANY é"

Raha milaza ianareo tapina ny domy d tsotra ny valiny izany:
_Efa nitsoaka any Swaziland ve ny HAT?
_Efa Tafaverina eto Madagasikara ve Ravalomanana?
_Asehoy anay eto fa NISY NANASA HIARAKA HIKALY i Ravalomanana:
Momba ity fiarahana nisakafo ity d nananihany i Oay t@ maraina fa eto kosa d ataoko mazava ny resaka, efa nolazaiko fa @ ilay antsoina hoe language diplomatique d midika zavatra lehibe izany hoe miaraka misakafo izany satria izay no mahasamihafa ohatra an'ilay atao hoe VISITE d'Etat ataon'ny président anankiray en viste dans un autre pays.
Raha ohatra somary alalinina kely d izao : président en exercice ny UA i Kadhafi.
Ny zavatra noresahana d ny momba ilay régime de transition noho izany d noporofona tamin'ny UA par le biais du président en exercice fa ara-dalana ny famindrampahefana nifandimby nahatonga izao HAT izao!

Raha somary jerena kely ny tena rôle noraisin'i Khadafi t@ ity indray mitoraka ity d mandray roa:

1°En tant que président en exercice ny UA:

Nalefany ny avion naka an'i Andry Rajoelina, d mametraha fanontaniana ianao mamaky io hoe :Raha tsy manandanja aminao ve ny zavatra horesahanao @ ilay olona d andefa ny fiaranao haka an'ilay olona ianao?
Misy antony lehibe iny ary hohitantsika eo ny tohiny.

2° c'est un médiateur international:

Samy mahalala izay mpanaraka politika fa na inn holazaina na inn d manana ny maha izy anazy i Khadafi na d très controversé aza ny momba anazy!
Jereo ny nahafahany namelatra ny lapany tany frantsa tany!
D io no andraikitra noraisiny satria afaka manelanelana tsara mihintsy izy!
Ka hohitantsika atoato ny valiny é!

Ka amiko d aza maika fa ny fanaovana politika mitaky faharetana é!
14. Belami ( 19/05/2009 16:19)
Oay:


1°En tant que président en exercice ny UA:

Nalefany ny avion naka an'i Andry Rajoelina, d mametraha fanontaniana ianao mamaky io hoe :Raha tsy manandanja aminao ve ny zavatra horesahanao @ ilay olona d andefa ny fiaranao haka an'ilay olona ianao?
Misy antony lehibe iny ary hohitantsika eo ny tohiny.





:-D :-D :-D aza matsikaiky leroa a! tena nihevitra tokoa i Kadhaffi hoe à la hauteur i TGV , bandy kely azo resahina tsara sns ... Fa tsy izay anefa ny valiny fihaonana satria zara aza mba tsy navelany Kadhaffi hande tongotra mody aza ry TGV mianakavy.
15. tafondro ( 19/05/2009 16:31)
Ny ahy ny ahiako dia ny hanaovan' iKhadafi toy ny t@ andron-dRatsiraka .Famonoana olona ambadika sy famotehana tanteraka ny mpanohatra .Ratsy saina ange iny rangahy iny ry zareo é , Tsy nisy firenena tsy nandehanan' iKhadafi ka tsy nahitana ady be taoriana!!
16. Oay ( 19/05/2009 16:34)
Belami:


:-D :-D :-D aza matsikaiky leroa a! tena nihevitra tokoa i Kadhaffi hoe à la hauteur i TGV , bandy kely azo resahina tsara sns ... Fa tsy izay anefa ny valiny fihaonana satria zara aza mba tsy navelany Kadhaffi hande tongotra mody aza ry TGV mianakavy.



Belami a! Malahelo aho milaza aminao fa TAFAVERINA SOA AMAN-TSARA ETO MADAGASIKARA NANDEHA FIARAMANIDINA i Andry Niriana Rajoelina!

D tohizo ny nofin'i Belami manao hoe "INY Andry Rajoelina fa mandeha tongotra fa mampety anao tsara izay"


17. Belami ( 19/05/2009 16:39)
Oay : Tsy nofiko izany fa ohampitenenana izany raha tsy azonao tsara. Tsy arakilay voalazany TGV teny Ivato talohany handeha tsinona ny zava nitranga.
18. Oay ( 19/05/2009 16:43)
Belami:


Oay : Tsy nofiko izany fa ohampitenenana izany raha tsy azonao tsara. Tsy arakilay voalazany TGV teny Ivato talohany handeha tsinona ny zava nitranga.



Ny zavatra nisy alou d tonga nandeha avion i Andry Rajoelina fa tsy nandeha an-tongotra é!

Ny ambiny d hohitantsika eo satria araka ny feo mandeha d voahasa hikaly ihany koa i Ravalomanana.

Ary efa mihomana ny mpametaka afisy hitondra sary @ izany fihaonana izany!


19. Noue ( 19/05/2009 17:18)
Oay:

Fa tsy maintsy rava io REHEFA TAFATSANGANA NY REPOBLIKA VAO² fa aza maika ra-hery a!
dia rahoviana hono zany ry Oay ?? satria manko toa tena mijafajafa ny vahoaka ! ny asa potika daholo, firifiry no tsy an'asa zao??? Hatsangana ny repoblika vaovao saingy tsisy firenena manaiky??? mitombona ve zany ??


20. Oay ( 19/05/2009 17:29)
Noue:


dia rahoviana hono zany ry Oay ?? satria manko toa tena mijafajafa ny vahoaka ! ny asa potika daholo, firifiry no tsy an'asa zao??? Hatsangana ny repoblika vaovao saingy tsisy firenena manaiky??? mitombona ve zany ??




Noue a!
Ka i Khadafi ary vao nikozy t@ Andry Rajoelina nanao hoe:"Ataovy ny asanareo d ny FIKARAKARANA ILAY FIDIRANA @ Repoblika vaovao araka izay haingana indrindra"
Noho izany ny tsy maintsy atao d:
_Ilay fikaonan-doham-pirenena hamolavolana ilay LALAMPANORENANA VAOVAO.
_Atao ny référendum rehefa vita izany!
D mitohy ny fametrahana ny andrimpanjakana isantsokajiny d TSY MAHAZO MIHOATRA NY 24 Volana izay fempotoana izay.

Noho izany d hamafisiko fa raha tiantsika ny hivoaka aingana @ izao krizy izao d TAIRO NY ADY HEVITRA ENY AMBONY LATABATRA!


© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1581