Mpanao gazety

1. benasy ( 19/05/2009 08:25)
Tsara, mety, azo ilazàna ny fihetsiky ny mpanao gazety malagasy nitaky fahalalahana !

Koa mahereza ianareo, amin'ny fahalalahana efa tokony ho anareo rahateo.
Mahereza mifofotra amin'ny fitaizàna sy fanabeazana, ka tsy ho ny mpanao gazety indray no hanoro vohony ny TARANAKA Malagasy, ka hilaza ny zavatra tsy marina.

Tsy mahasoa antsika akory ny hasaro-padin'ny asanareo sy ny fahlalahany raha izany, aza variana fotsiny amin'ny manaitaitra, fa mikeleza aina amin'ny fitaizana indrindra indrindra, ka haroroka tsara erÿ ny fahalalàna rantovin'ny zanatsika samy isika ao anaty gazety !
Na an-tsoratra io, na am-bava, indrindra fa ny an-tsary... !
novalian'i milamm ny 04/06/2009 22:10
2. lolabe ( 19/05/2009 09:51)
Somary variana ihany ny tenanay, maro ny mpanao gazety teto t@ andron'i Ra-8 no nogadraina sy nahiditra amponja ra tsy hilaza afatsy i Francis Rasoamaharo, naninona t@ izany andro izany no tsy nanao an'izao ny mpanao gazety? Fa satria ve @ andron'ny tetezamita de hoe atao daholo zao handotoana azy zao? Naninona no tsy nisy sahy nitsangana na dia iray aza taloha ra nogadraina ny lehiben'ny la gazette de la grande ile, tsy nisy na iray aza, fa ny mpanao gazety ve zany afaka miteniteny foana ao @ radio-ny ao? fa naninona no tsy nisy nitsangana t@ Viva nankatona fa vokatry ny vaovao nalefany no nanakatonana azy? Aza mba mitongilana re e, rehefa nanao ny tsy mety de tokony mizaka ny nataony fa tsy hoe vao voakitikitika ny mpanao gazety de lazaina fa voantohintohina ny fahalalahan'ny fanaovana gazety, za zao no naheno an'io Evariste io tena mamporisika olona hanao ny tsy mety de aminareo ve mety ny nataony? Samia mandinika sy miheritreritra
3. xxx ( 25/05/2009 08:16)
Marina loatra io voalazanao io. Nahoana no voizina mfy ny hoe "manohana ny ara-dalàna" mba hanindroana ireo mpankafy ny folha teo aloha ra8...??? Fahadisoana mihoapampana ve ny filazana hoe "mpanara-dia ny filoha teo aloha"??? Asa anefa... Asan'ny mpanao gazety MPITAIZA ny zanatsika izany... fa amiko koa, ny HAT izao no ara-dalana, na tiako na tsy tiako... Izay no MARINA ary TENA MARINA...!!!!!!
4. sakaymena ( 30/05/2009 11:36)
Raha ny zava misy ngeh no tena dinihintsik de tsy mbola nisy na misy panaopolitika na pitondra fanjakana afaka nanao sonia marina ka hoe hahafaka antsika am fahatrana fa resabe fotsiny hatram izao e; ka amiko tsy misy ara-dalana zany eo e.
Zao ny fijeriko manokana raha misy 1 ka mba mahavita ny vitan pere pedro io ny pitondra eo de hidera azy ny malagasy.ny antsika ny lalana hasina ny tongotra no diovina aloha; nahafaka fahantrana ve izany hatizay? toa ze tonga eo dia mamboatra lalana ; lalana mankaiza nefa ? MAKANY AM FAHANTRANA IHANY.
Amiko ny fiainan'ny vahoaka aloaha fa na tany mena no lalana eo ka miadana ny vahoaka vita zany lalana izany e.
JEREO NGE NY MIONERA KATOLIKA REHAFA MANAMBOTRA IRENY TOBIN DRY ZAREO RENY E TRANO BE LALATANY ALOH FA REFA VITA VO LALANA TSARA.sombiny io
tsy afaka hanome tsiny ny pitondra nefa aho fa na izaho na ianao no tam toerany dia toy zay ataony ko ngamba no natao
NY PAOSIKO ALOHA VAO NY PAOSINAO
5. endrika01 ( 31/05/2009 07:32)
Sakaymena>marina ny voalazanao.Fa kosa tena ilaina ny lalana an,indrindra ny any Ambanivohitra any,ohatra fotsiny we tsisy toeram-pitsaboana na lavitra toeram-pianarana,sns de refa ratsy ny lalana tsy hisy mba handeha any mintsy, de manomboka eo koa lay fahantrana! Na aretina tokony ho sitrany piqure 1 aza,lasa hamonjena Dadarabe na mpitaiza am ravina,de ny vola tangosana iany,ny biby fiompy anaovana izao karazana joro sa inn,tsy haiko loatra ny milaza azy!De fongana lay fananana kely de lasa tonga tsy fidiny lay fahantrana! Lavitra toeram-pitsaboana de zara raha misy mpitsabo tonga mba hampianatra ny fandrindram-piterahana,na lay atao we FANABEAZANA HAIZANA .Dia mazava hoazy fa da ny hiteraka hiteraka foana no fantany! Ka refa tsy ampy intsony zay mba fotom-pivelomany,de mirongatra manantona tanan-dehibe mirehitra jiro,satry miadana ny olona eny,manana fiara,afaka mijery TV .....Kinanjo lasa matory eny an-dalambe sy mangataka mitsindroka sisa no iafarany! Ka amiko dia mifameno ny lalana sy ny fiainam-bahoaka! Ka raha izaho endrika01 no mitady vahaolana hialana amzao fahantrana izao dia mamoaka Didy aho we FERANA HO 3 NY ISANY ZAZA ATERAKA MANOMBOKA IZAO,FA IREO MANANA FAHAFAHANA KOSA DIA AFAKA MANANGANA ZAZA FANAMPINY :P!
6. xxx ( 02/06/2009 14:20)
Dia ahoana ny hevitrareo izany ? Avelao hanao izay fantany fa mety ny mpanao gazety e ?! Satria izay no asany! Mampahalala vaovao, dia izay, ary izay ihany !!! Tsy ilaina izay fanabeazana firenena any !! tsy misy hivaky loha amin'izay fanabeazana izany. Aza manahy fa afaka folo taona dia ho firenena vanona ny firenentsika MALAGASY satria mahay loatra ny asany ny mpanao gazetintsika ! ary tapi-pahaizana loatra aza ka milaza ny tsy anontaniana !
7. milamm ( 04/06/2009 22:10)
zo malalaka tsy azo asorina @ izy ireo izany raha tany tan-dalàna sy mivoy ny demokrasia no resahina ary fitaovana lehibe tena mikasika sy manohitohina ny fitondrana eo anivony fanjakana izany,izay no antony nanakatonany mpitondra nifandimby azy ireny ny tena tsy mety nefa raha hita fa ratsy izany nataony ireo teo aloha dia maninona no mbola averina ihany ??? io fanotaniana io dia an'i andry sy ireo governemantany nifidy tena ho filoha no hitondra fiovana satria izy izao no eo fa tsy antsika hitanisa ny nataony izay efa tsy eo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.4583