ny foko malagasy

1. sitlo ( 18/05/2009 18:52)
Somary nandinika aho dia mieritreritra hoe tsy tokony hofohanana ve ny foko amin'ny malagasy?
Izao mantsy: izaho izao betsileo 25%, tanala 25%, merina 50%. Dia tamin'izaho notsaraina miaramila dia hoe betsileo aho izany, fa satria hoe ny ray niteraka foana no mitondra an'io. Nefa ny dadan'ny dadanay aza tsy tena betsileo koa fa mbola misy hoe zafimaniry sy ny sisa. Dia ny mamany tanala. Dia raha miteraka aho izany dia betsileo koa no zanako na iza na iza no vadiko.
Farafaharatsiny, ny toerana nahalehibe no mitondra azy.
Misy namako izay mantsy ohatra ny rahalahiny nipetraka tany amin'ny dadatoany tany Mahajanga foana, dia lasa tsy mitovy mihitsy izy mitsam.
novalian'i Ratoa ny 28/08/2009 14:37
2. xxx ( 18/05/2009 20:55)
De lasa sakalava zany i andrywui fa lery lehibe tany jangil :-D :-D :-D
De salopard lasa marolambo foko vaovao io :-D :-D :-D
De oay lasa voay mpitanin'andro
De essera lasa sakafohy tsy mamokatra

Delasa ho vendrana marina ve reto tgv reto :-D :-D :-D
3. milamm ( 03/07/2009 12:32)
Malagasy zany no dikany fa fiaviana nifangaro,tsy nisy nisafidy ny RAR na 1 aza fa izay voafaritry ny ranomasimbe indiana ao M.kara dia sahala,izaho dia terak'i Ifohiloha ary nifangaro Tsimahafotsy sy Tsimiamboholahy ,zanak'i Merina ary Malagasy 100% na dia monina ivelany Nosy mena aza
4. milamm ( 06/07/2009 10:57)
raha ny tantara no jerena dia
Le problème de l’intégration des karana, sinoa, kiringa… des efforts ont été faits depuis Ranavalona I pour les intégrer. Mais ce sont ces gens méme qui ont refusé de s’intégrer en créant leurs propres communautés qui ne se mélangent pas avec les autres. N’est-ce pas Ranavalona I qui avait donné la nationalité malagasy aux yéménites/arabes sous le nom d’Antalaotra? N’est-ca pas Tsiranana qui avait invité et incité les karana de Besalampy/maintirano de se mélanger avec les malagasy pour ne pas étre en marge et persécuter par la société? La société malagasy n’est pas aussi fermée, en tout cas «n’était pas», que l’on croit, comment expliquer alors l’arrivée d’un Domenichinni (Ambohimalaza), de Djiva Kamal ( Ambohitromby et Anosibe Trimoloharano), etc. dans l’aristocratie malagasy?

La solution et la réponse de tous nos maux se trouvent dans notre propre histoire. Le problème qu’on a toujours eu et qu’on risque de troujours avoir ce sont les lunettes avec lesquelles on la lit et l’interprète.dans le sud qu’on croyait étre désherité ou cimétière de projet mais j’ai toujours dit que je ne quitte cette région que lorsque j’aurais l’occasion de quitter Mcar et c’est ce qui est arrivé. La population n’a jamais connu cette différence, elle ne demande que le respect, le savoir vivre et l’harmonie;
Allez rendre visite dans la région d’Androy et dites-moi si vous saviez faire la distinction entre un Merina et Antandroy sur certains individus qui n’ont pas eu l’occasion de ce qu’est Tana, ou bien demandez au Mahafaly ce qu’est un Merina Atsimo. Et dire qu’une XIXè éthnie verrait son jour naître…
Quand un magnat «Karana» (qui a su intégrer entièrement et ce, loin de sa terre natale)me disait un jour «TANY MISY TANINDRAZANA», je me demande pourquoi nous avons l’audace de poser ce thème comme origine du mal.

5. Lejoba ( 08/07/2009 11:11)
ilaina ihany ny ahafantarana izay nipoirana ahazoana mahatsapa ny kolontsaina sy ny toetoetry ny tsirairay. Ilaina koa io noho ny antony siantifika be dia be
6. mirabela ( 21/08/2009 16:27)
sitlo zanaka penina sy taratasy fa ts marina doly reo!

:lol: :lol: :lol:
7. Ratoa ( 28/08/2009 14:37)
Ilaina ny foko satria ny foko no mitahiry ny kolontsaina tsirairay misy ao aminy. Ary ny fitambaran'ireo foko ireo no mahamalagasy . Ny momba ny karana indray dia tarazo efa nolovainy avy any Inde ny fanavakavahana. Mbola ho ela io vao ho afaka. Ny tany rehetra sy ny mponina rehetra samy manana foko isan-karazany. Isika aza mba teny iray ihany no tenenintsika hatrany avaratra ka hatrany atsimo, sy avy andrefa ka hatrany atsinanana. Ny teny no tahiry voalohany iraketan'ny kolontsaina. Fa misy firenena maro sady manana foko betsaka no manana teny betsaka mifananakina amin'ny olona miteny azy. Na frantsay aza anie misy foko: ny bretons ohatra dia hafa noho ny olona akaiky an'i Bordeaux, ny Alsaciens sy Lorains koa dia efa samy hafa, anefa mifanakaiky ireo foko ireo.
Saingy indrisy fa isika dia nampiadin'ny fanjanahan-tany ka dia niraikitra mafy tao an-tsaintsika izany. Any Afrikana dia tsy oainina mihitsy raha miresaka foko. Raha any Alemaina ireharehana ny hoe izaho bavariana, izaho rhenan sns.
Nahoana re no hariana ny haren-tsika? Fahasamihafana mitahiry haren-tsaina tsy tambo hatakalo?
Ndeha ampiroboroboana fa tsy alevina satria harena fa ny fampisaraham-bazana nafantokin'ny fanjanahan-tany tao antsaintsika no ndeha ho fongarana! Samia mifidy ny ho zanaky ny foko tiany dia "mifankatiava ihany".
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.5362