Gateau cuite a la vapeur (tsy mila four)

1. mmmhh ( 16/05/2009 05:47)
Ity misy recette na gateau masahana @ entona tsy mandany fotoana, rah tsy manam-potoana be hikarakarana gateau ianao, de mba zaraiko sao mahasoa anao, efa nanandrana zah fa tsara be, ny sinoa ireny no tena tia manao azy ity :
Atody 08, Lafarinina 250g, Siramamy mitovy fatra @ atody, (izany hoe vakio anaty baolina ny atody, de ampitovio @ habetsahan'iny ny fatran'ny siramamy), dobera
Kapohina miaraka ny atody sy lafarinina, araraka tsikelikely ny siramamy mandrapahazoana pate madity malamalama,
Hosorama dobera ny anatin'ny pot asiana azy (Mba tsy hampiraikitra azy reefa masaka) dia zarazaraina anaty pot / moule kely ilay izy,
Alahatra anaty rano mangotraka, (na anaty cuisseur a vapeur) mandritra ny 20 hatramin'ny 30mn (arakaraky ny halalin'ny pot-nao : tsara rah pot/moule kely tsy dia lalina loatra no asiana azy) dia izay.
Dia mazotoa homana, malefaka be no mora atelina ilay izy,

:-*
novalian'i mibalika ny 16/05/2009 19:23
2. rova30 ( 16/05/2009 08:24)

Tsy mila asiana karibonetra ve izany ry mmmhh ?
Mety tsy hitombo mantsy ilay izy!

Ohatran'ny mofo masa- kevoka izany raha ny fahazahoako ny fanazavanao.
3. mmmhh ( 16/05/2009 08:51)
Asio levure iray na roa tsongo,
4. fahamarinana ( 16/05/2009 11:23)
:arrow: misaotra e ! tena mmmhh mihintsy zao ny tsiron'io o ! :-* (l)
5. mibalika ( 16/05/2009 19:23)
misaotra am ny hevitra , afaka ataonao masira koa anie d lasa sakafo fa tsy tsindriny intsony,manao lasopy sy salade miaraka aminy!
mazotoa e
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 1.1221