Tantely: Inona avy no ilaina azy,

1. niryna ( 15/05/2009 11:17)
Mety efa fantantsika ihany angamba fa maro no asan'ny tantely izay manampy amin'ny fahasalamana .
Raha mianjera ny tena ka mangana dia asiana tantely eo amin'ilay faritra ary asiana ttsy kely eo ambony fa dia veitvety dia miala teo ilay mangana.Amin'iny fotona kely iny no miala teo ilay mangana be fa ilay mangana dia toa ela be vao afaka ?
Raha may koa hoy ny olona dia osorana tantely ka raha toa ka miendaka ny hoditra dia miverina ilay izy,dia niverina tokoa fa toa mbola eo ihany ilay tasy maity,dia osorana foana,foana ce izany ilay faritra misy tasy ,dia afiriana vao afaka ilay tasy. Toa ela ihany vao afaka k'nou ?

Sa misy mahita zavatra hafa analana ilay tasy may hianareo ?
Dia miresaka tantely ihany isika ,inona avy no ilaina azy io ?
misaotra mialoha
(l) niryna
novalian'i niryna ny 20/05/2009 18:15
2. Tazana ( 15/05/2009 11:51)
niryna:

Amin'iny fotona kely iny no miala teo ilay mangana be fa ilay mangana dia toa ela be vao afaka ?

Tsy mbola nahare an'io aho fa ny fanaoko raha vao mianjera na voadona dia hosorana beurre ilay faritra iny. Hosorana dia raha mety fonosana mafana fa raha tsy azo atao dia hosorako beurre fotsiny fa zara raha mangana na tsy mangana mihitsy raha atao eo no eo.
niryna:

Raha may koa hoy ny olona dia osorana tantely ka raha toa ka miendaka ny hoditra dia miverina ilay izy,dia niverina tokoa fa toa mbola eo ihany ilay tasy maity,dia osorana foana,foana ce izany ilay faritra misy tasy ,dia afiriana vao afaka ilay tasy. Toa ela ihany vao afaka k'nou ?
Sa misy mahita zavatra hafa analana ilay tasy may hianareo ?

Io koa tsy mbola nataoko...Dia tsy vao mainka ve hiendaka ilay hoditra amin'ity tantely ry Ny? Ilay maintimainty iny raha may tsy lalina loatra 18 mois à 2 ans afaka fa miova indraindray ela kokoa ary arakaraka ny hihalehibeazana vao mainka sarotra. Misy moa tsy afaka, Misy crème ho an'ny famaizana any Frantsa mora be sady tsara (Biafine). Crème restauratrice. Aty io ampiasain-dreo @ olona main'ny chimiothérapie sy ny ohatra izany fa any France efa tazomin'ny olona ao an-trano raha vao misy may. Manao ilay izy aho fa ilay tasy aloha ilay kelikely may efa afaka fa ilay eo ho eo mbola tsy afaka ny tasy fa vao eo amin'ny 8 mois eo izay. Sady efa tsy nahavatra intsony fa efa lasa nekena isan'ny vatana fa karazana cicatrice fiheverako iny tasy iny.
[/quote]

niryna:

Dia miresaka tantely ihany isika ,inona avy no ilaina azy io ?

Fanadiovana tarehy koa ilay izy, ampiaraha amin'ny citron sy ronono dia mahavita exfoliant naturel. Matsiro koa raha alona amin'ny tantely sy jus de citron ny akoho dia avy eo zay vao hendasina na atao lafoaro. Tantely koa rehefa ilay maniry ny dent de sagesse dia hosorana an'iny ny akanjonify mi-calmer ilay inconfort fara-faharatsiny mandrapahita dokotera satria mety hoe misy infection na maniry mitsivalana ity nify. Efa nisy nanome ilay hodi-kohoka ary @ fahasalamana (tantely-citron-atody-sakamalao). Dia ankaotra izay raha hanao hazakazaka na ohatra zany dia rano 1L asiana tantely 1 sotro lehibe fa mamelombelona. Tena be dia be fa tsy tsaroako fa ohatra ny hoe rehefa mipoitra ilay situation vao tadidy fa reo aloha....


3. ni81 ( 15/05/2009 15:55)
Ho an'ireo olona misy cholestérol dia toy izao: tantely + cannelle
Rano 1 kôpy + 2 sotro tantely + 2 sotrokely cannelle vovony ary dia omena ny marary manana cholestérol ambony be. Voalaza fa mampidina azy 10% io ao anatin'ny adiny roa.

4. diamondra27 ( 17/05/2009 18:39)
http://diamondra27.skyrock.com/3.html
5. kotobekibo ( 18/05/2009 21:13)
* Nisy reportege t@ Tv vao haingana momba ny hopitaly .
Nisy ol nodidiana teo @ kibo tao ary tsy nety sitrana ilay fery , lany haiky ilay radoko .
Farany d hoy ilay radoko mantsy an'ilay infirmiere hoe mandehana màka tantely , d gaga io fa nahosotr'ilay radoko t@ ilay fery ilay tantely ,
3 andro taorian'izay d efa nanomboka nihatakona ilay fery ary tena sitrana vetivety .

* fanafody mampahia koa izy io
sotroina isa-maraina :
vinaigre de cidre 1 sotro fisakafoanana ( plastika na hazo fa tsy azo akasika vy ) + eau de source 1 vera + tantely 1 sotro fisakafoanana
( misy namako nanao an'io fa tena very 7kg tao anatin'ny 2 volana . )

*ref avy manao fety koa d very ny feo , na alohan'ny ihirana d mila mihinana tantely fa tena fanafody milay b io .
6. ni81 ( 19/05/2009 05:26)
*ref avy manao fety koa d very ny feo , na alohan'ny ihirana d mila mihinana tantely fa tena fanafody milay b io .

Mahatsara feo tokoa ny tantely. Zahay taloha isaky ny hanao concert dia miteny foana ilay chef chorale hoe mazotoa misotro rano mafana asiana tantely rankizy isak'alina a!
7. niryna ( 19/05/2009 19:17)
ni81:

*ref avy manao fety koa d very ny feo , na alohan'ny ihirana d mila mihinana tantely fa tena fanafody milay b io .

Mahatsara feo tokoa ny tantely. Zahay taloha isaky ny hanao concert dia miteny foana ilay chef chorale hoe mazotoa misotro rano mafana asiana tantely rankizy isak'alina a!

misaotra ni a :-* :-*
mmm.andraso andramako ary.Raha miresaka chorale ihany koa dia mianatra mamoaka fofon'aina sy mampiditra fofon'aina ary mitazona fofon'aina,mety daholo na ao an-trano na eny an-dalana fa tena mahatakatra feo avobe mihitsy rehefa zatra manao an'io
:D
8. ni81 ( 19/05/2009 19:23)
misaotra ni a
mmm.andraso andramako ary.Raha miresaka chorale ihany koa dia mianatra mamoaka fofon'aina sy mampiditra fofon'aina ary mitazona fofon'aina,mety daholo na ao an-trano na eny an-dalana fa tena mahatakatra feo avobe mihitsy rehefa zatra manao an'io
tsisy fisaorana e! fa ny mihinana voanjo hono no tsy tsara alohan'ny hihirana fa manimba feo ilay menaka hihi
9. ari.malala ( 20/05/2009 06:04)
hoan'izay te hanena kibo, ahosotra eo @ ilay faritra tiana hahena ny tantely dia saromana ravina laisoa, ary fonisina @ papier film, d mihetsiketsika manao zavatra (manao raharaha na manao sport) fa ilay hatsembohana mamoaka sy mandevona graisse ary mampihena ilay kibo (fa mila manao abdominaux rehefa avy eo fa toa mivaroraka ilay kibo raha ts vatra ilay abdom ;))
10. niryna ( 20/05/2009 18:15)
ari.malala:

hoan'izay te hanena kibo, ahosotra eo @ ilay faritra tiana hahena ny tantely dia saromana ravina laisoa, ary fonisina @ papier film, d mihetsiketsika manao zavatra (manao raharaha na manao sport) fa ilay hatsembohana mamoaka sy mandevona graisse ary mampihena ilay kibo (fa mila manao abdominaux rehefa avy eo fa toa mivaroraka ilay kibo raha ts vatra ilay abdom ;))
hay ve e,misaotra aky ari a
raha te hanadio ny vatana koa dia rano mafanafana miaraka ny voasarimankirana ary tantely kely no sotroina vao maraina,sady mampihena koa ny fisotroana rano miaraka ny voasarimankirana io

ilay voadona ka mangana no tena nahavariana be ahy satria vao nosorana tantely fotsiny dia nasiana ttsy kely teo fa madity ilay faritra fa tsy misy toa inona dia nisinda avokoa ilay mangana be teo


:D
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1153