Pierrot RAJAONARIVELO

1. xxx ( 15/05/2009 07:52)
Inona moa no olana raha izy no lasa filohantsika !!!
novalian'i xxx ny 15/05/2009 16:17
2. locl ( 15/05/2009 08:29)
Raha dinihiko toi ry xxx hatram'izay dia hay tena Pierrot Rajaonarivelo, zahay aloha dia tsy mila e. Tena tsy mila. aleo tsy misy toy izay izy.
3. naritsimba ( 15/05/2009 09:06)
Raha izay ve ny safidim-bahoaka, atao ahoana, fa saingy izahay manongana ihany no hainay rehefa tsy hampandroso an'i M/kara, ary inoako @ zay fotoana zay fa ireto TIM ireto no hilahatra voalohany rehefa hanongana an'i Pierrot raha lany eo tokoa izy, dia izy no tsy hanaja izay lalam-panorenana lany eo.
Fa zà aloha tsy sasatra ny manongana sy hilahatra raha mbola hameno paosy izay hitondra eo e!
4. xxx ( 15/05/2009 09:13)
locl : tsy hoe izaho no Pierrot , fa manokatra ady hevitra aho.
mba ezaho tsarovana ny tantara aloha e!
nanao carnage i Ratsiraka teny Mavoloha t@ 10 Mai, nakahala azy daholo ny rehetra nony avy teo hoe 16ans nanao izay nampahatra ny malagasy izy. tena marina izany. Fa niverina izy avy teo, nafana sy fihobiana ny fitsenana azy ten Ivato, ary lany indray izy. saika tsy niala izy t@ 2002 fa soa ihany fa nisy any Ra8 sy ny haza lambo.

Mety izay koa no hiverina @ Pierrot, satria ny malagasy dia mora manadino. Mety tsy nisy acte grave be hitampoko hitampirenena nataony fa ny tiako hisarihana ny saina dia hoe Présidentiable ve i Pierrot amizao ? Ka raha izy no filoha voafidy inona ny olana amintsika ?
Misokatra ny adihevitra !!!
5. locl ( 15/05/2009 10:14)
Ekeko fa tsy Pierrot toi, kanefa sarotra ihany ny hanadino ireny souffrance t@ 2002 ireny ary Pierrot tsy afa-miala hoe tsy nanana responsabilité tao.ary ny eto Tana izay be mpifidy tsy mila an'iny

Ny ady hevitra ange dia hoe ahoana aloha no hialana @ lecrizy fa tsy izay fifidianana. Amiko aloha mandeha tsikelikely ny resaka.

sorry raha ohatra ka tena tsy nahazo izay tian'i toi hanmpitaina aho ry xxx
6. xxx ( 15/05/2009 10:28)
locl:

sarotra ihany ny hanadino ireny souffrance t@ 2002 ireny ary Pierrot tsy afa-miala hoe tsy nanana responsabilité tao.ary ny eto Tana izay be mpifidy tsy mila an'iny

Ny ady hevitra ange dia hoe ahoana aloha no hialana @ lecrizy fa tsy izay fifidianana. Amiko aloha mandeha tsikelikely ny resaka.





Ny t@ 2002 raha ny fahazahoako azy dia Ingahy ratsiraka, Sophie, Ireo Governera toa andry Lahady Samuel, sns ... nampianireo Général sy Officiers toa andry Kotity, ry Balbine, ry Tsaranazy sns no tena isany atidoha sy nikotrika ireny fanampoahana tetezana sy fanaovana barazy ireny. Tsy nahare mihitsy aloha aho hoe i Pierrot nanome baiko anizao na izao e!

Ny momba ny ady hevitra hivoahana @ crise dia tsy tafavoaka io raha tsy misy fifanantonana satria efa lasa mifandrafy ny malagasy. tsy maintsy jereny ankolafy rehetra io tsy hijerena na avy atsy na avy aroa, satria efa zana tohatra iray sisa no tsy hidirany firenena @ guerre civile raha ny tension politique amin izao no dinihina. Tsy misy conflit teto amboniny tany tsy niafara t@ table ronde ankoatrany 1ère sy 2ème guerre mondiale.
Tsy maintsy izay no hiafaranio, hanaiky hifandinika ny ankolafy rehetra raha mbola misy ihany ny atao hoe fitiavan-tanindrazana any @ tsirairay any.

Ary tsy mpitondra tia tanindrazana koa izany mpitondra tsy afaka hifandinika izany mihitsy.
7. naritsimba ( 15/05/2009 10:31)
Aleo hisafidy ny olona izay tiany ho fidiana, firy @ mponin'Antananarivo moa no milaza ho tia an-drapierrot sy ny tsy tia azy? firy ny mbola tia an'i ra8, dia iza koa ny hafa mbola hilatsaka, raha pierrot sy ra8 aloha dia ahiko tsy de tian'ny oll loatra.
Ny Krizy zany aloha amiko efa milamina eh, tsy betsaka noho ny t@ 2002 ny tsy an'asa, t@ 2002 nikatona 90% ny zone franche ary naharitra 7 volana, t@ ity sady tsy nikatona ny zone franche no 2 volana dia resy ravalomanana, ko inona ny krizy eo? Fa angaha ny mpiasan'ny TIKO rehefa tsy miasa dia hoe krizy fa rehefa ny hafa t@ 2002 odiana tsy hita. Fanelingelenana io fa tsy krizy dia @ zay aseho hoe tsy milamina fa oà oà oà oà
Kanjo ko izao milamina tsara
Izany no vokany rehefa zatra mandainga loatra ny mpitarika, ka hoe hody aho ry zanako isany, hoy dada(rabe)
8. xxx ( 15/05/2009 10:39)
Pierrot Jocelyn Rajaonarivelo est né en 1946 dans l'île de Sainte-Marie et a été une des grandes figures politiques malgaches surtout durant la période où Didier Ratsiraka a été président de la République.

Pierrot Rajaonarivelo a notamment été vice-premier ministre dans le gouvernement lors du quatrième mandat de l’Amiral. Avant cela, il occupa le poste d'ambassadeur de la République de Madagascar aux Etats-Unis et cela de 1989 à 1997. C 'est également en 1997 qu'il fût nommé secrétaire national de l'AREMA, le parti fondé par Didier Ratsiraka. Pierrot Rajaonarivelo devient en février 2007 ministre du budget et de la décentralisation.

Ny andraikitra efa nosahaniny :

- Directeur ny société SICE tany Toamasina izy tamin’ny voalohany
- Président ny conseil d’administration ny SOMACODIS
- Président ny conseil d’administration ny BFV tamin’ny fotoan’androny
- Directeur commerce extérieur tao amin’ny Ministère-ny commerce
- Directeur Général ny Ministère-ny commerce
- Ambassadeur …

Diplôme ny :

- Administrateur civil en chef : toujours major dans la promotion
- Major dans le concours d’entrée pour Inspecteur d’Impôts
- Licencié en droit
- Maîtrise en Gestion Université d’Antananarivo
- Diplômé de l’IAE (Institut d’Administration d’Entreprise) Paris
- Diplômé de l’université de Sorbonne : DSSC (équivalent DEA) finances publiques

Dia ireo no momba azy raha ny traikefany dia be tokoa fa ny hoe hanaja ny zo maha olona sy ny lalampanorenana , dia antsika no mandinika izy.
9. kidoropamba ( 15/05/2009 10:47)
Tsy tian'olona intsony le sola Pierrot Rajaonarivelo, AVELAO IZY HILATSAKA
Tsy tian'olona intsony ravalo-ndoza, AVELAO IZY MILATSAKA (raha tsy izy no mikarakara ny fifidianana dia izay) ka ho kandida tsotra (TSY OLANA IO)
Tsy tian'olona satro-bory, AVELAO IZY HILATSAKA fa hifidy azy zahay.
tsy tian'olona ZAFY, AVELAO izy HILATSAKA.

Sa aleo ny merina ihany no asaina miletsaka @ izay tsy miverina amin-dry zalahy intsony ilay fahefana.
10. naritsimba ( 15/05/2009 10:47)
xxx> misaotra nizara, fa kosa raha be diploma tsy manam-pahendrena sy tsy hitsinjo ny malagasy dia mitovy @ Ravalomanana ihany ka hameno paosy, nefa moa raha izy no lanin'ny vahoaka atao akory, fa izahay dia hanongana foana rehefa tsy hampandroso firenena fa hameno paosy toy ny teo aloha, indrindra ka hoe mbola handohalika @ vahiny(tandrefana sy ny forongony) ihany.
11. kidoropamba ( 15/05/2009 10:49)
Aleo hoa merina ihany hoy izahay e. Ravalo, andry, ratsirahonana...ny zon'ireo tanindrana ireo ange tsy raharahanay e.

Merina ihany e. Raha milatsaka eo Pierrot iny sao dia lany prezidé ka aleo sakanana dieny izao.
12. xxx ( 15/05/2009 10:52)
kidoropamba:

Sa aleo ny merina ihany no asaina miletsaka @ izay tsy miverina amin-dry zalahy intsony ilay fahefana.



Tsy mitsongoloka teny aho, fa maninona raha tsy asina resaka merina sns zany intsony e!


Jereo ny any andafy (Frantsa ohatra), tsy afaka ny hiteny anizany mihitsy satria ny discrimination dia enjehiny lalàna. TSY MAMPANDROSO ZANY KAMA A!!! ze mahavita de mitondra na iza na iza, na avy any beraketa, na avy any Bezaha, na avy any Bekapaika....
13. kidoropamba ( 15/05/2009 10:56)
Ka io no mahamay an-dry bofy hamerina an-dravalo. mety tsy ho lany hono Andry, raha milatsaka eo io le sola pierrot nareo io.
Tsy ho lany koa Ratsirahonana raha toa ka mbola le sola Pierrot nareo koa no hilatsaka eo.
Hany ka Levalo sisa mety afaka mandresy an'i le sola pierrot nareo. Nefa mety tsy azo antoka izany satria namono olona ravalo.
Vaha olana: Ataonay resaka samy merina io dia vita ny kaozy e.
14. naritsimba ( 15/05/2009 11:02)
Raha milatsaka RAjemison RAkotomaharo dia iny no heveriko fa afaka tsara hampandroso.
15. xxx ( 15/05/2009 11:06)
naritsimba:

mbola handohalika @ vahiny(tandrefana sy ny forongony) ihany.



Izay ny olana aty @ tany mahantra kanefa manana ressources naturelles betsaka. Ny vahiny no mitetika hitavana ny harena rehetra, ohatra ny pétrole, tsy azotsika hoe ho taomina @ siny na daba io fa tsy maintsy misy compagnie vahiny hitrandraka azy. Dia eo no mipetraka ny cercle vicieux satria ny firenena manana ny technique afaka hiasa amizany dia hiezaka ny hanana olona mpitondra eo @ilay firenena, ny frantsay, ny amerikanina sns ... Ny mpitondra no tokony handanjalanja tsara mba hisy ny tombotsoa mivantana ho any firenena.

Marina ny teninao fa tsy misy olona tia mpitondra mpangalatra sy mangotry vahoaka izany. Izay mety ihany no antsika.
16. Mandefitra ( 15/05/2009 11:14)
Ny t@ 2002 raha ny fahazahoako azy dia Ingahy ratsiraka, Sophie, Ireo Governera toa andry Lahady Samuel, sns ... nampianireo Général sy Officiers toa andry Kotity, ry Balbine, ry Tsaranazy sns no tena isany atidoha sy nikotrika ireny fanampoahana tetezana sy fanaovana barazy ireny.


Ka rehefa eo moa Pierrot, tsy hiverina ho azy ny akamany?

Fa refa za moa no nanapotehina ny firenena toy izao tsy koi fa zakaina e.
17. kidoropamba ( 15/05/2009 11:45)
Ny resaka Pierrot hoa dia tsotra: Very ny fahefana Merina raha milatsaka le sola Pierrot satria mazana be iny bandy iny any Anindran-tany any.

Aleo Roland Ratsiraka, voninahitsy, pety, lahiniriko no côtier halatsaka fa raha ity le sola Pierrot dia afaka 100 taona indray vao tafaverina amintsika merina ny fitondrana.

Tsy misy resaka akamany izany eo (iza ary no akama bonne: Sylla? Ratsirahonana? namana Ranjeva?), fa raha le sola Pierrot Dia vitan'ny lery ny baolina ka tandremo.

Merina ihany aloha no mampitovy anay (HAT) sy GTT (Ra8) amin'io resaka pierrot io.

Mahazo mandohalika ny tanindrana fa tsy azo avela milatsaka ity le sola Pierrot ity fa tay be. Ho lany eo io fa tandremo.
18. xxx ( 15/05/2009 12:01)
tsy mety ny mitsara ny lasa fa raha navelan dRatsiraka nilatsaka i Pierrot t@ 2001, tsy tonga amizao mahazo azy izao ny firenena. Satria nomontsaniny mora foana i ra8 tamizany raha nilatsaka izy.
19. kidoropamba ( 15/05/2009 12:21)
Mety marina izany ary mety ho diso.
Fa izao fotsiny hoa: Izahay tsy hemala an'i le sola hilatsaka eo sao dia lasany eo ny amboara e. Hafa indray raha mba milamina ny resaka @ Andry sy Ravalo. Mifanohana ireo. Izay indray dia hafa ny fandehany satria tena ho montsaninay eo io tanindnrana le sola io.
20. patrick2002 ( 15/05/2009 13:24)
fa ny tiako hisarihana ny saina dia hoe Présidentiable ve i Pierrot amizao ? Ka raha izy no filoha voafidy inona ny olana amintsika ?

Iza moa ny olona tsy ho presidentiable ao madagasikara .
Fa ny ahy ny fitsarako an`i Pierrot raha ny lafitsarany ,dia olona tsy tia setrasetra rangahy iny rassembleur ,
Fa ny lafiratsiny kosa dia mampianta akama rangahy iny ka rehefa olona manana lanjany eo @ politika dia harovana na dia mangalatra sy mitsetsitra ny haren`i madagasikara aza ,io no mety hahalasa filoha azy nefa izaho tonga dia miteny fa raha i Pierrot no ho filoha ,hitombo indray ny trafic ao madagasikara ao, hangalatra daholo izay olona manodidina azy ary dia hiahaantra ny firenena ,ary dia ho eny @ 13 mai indray isika ny 2015, hanongana azy.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.1068