tsy hilatsaka Ingahy Andrinirina TGV

1. ravatorano ( 14/05/2009 06:33)
dia gaga indray aho omaly raha nahare tamin'ny fanehoan-kevitra nataon'olona iray mpikambana ao amin'ny HAt hoe " raha ny lalampanorenana manankery hozy dia tsy afaka milatsa Ingahy Andrinirina Rajoelina "
Fa angaha wa mbola manakery foana izany lalampanorenana izany? tsy efa nahantona ve ? fa tsy tokony ho lalampanorenana vaovao ve no ho entina amin'ireo fifidianana vaovao ireo araky ny fampanantenana nomena ny olona
Tokony mba hanana"presence d'esprit" ihany ny olona manana andraikitra ao ami'nny fitondrana mba tsy hampisavorovoro satria raha ny lalampanorenan'ny repoblika fhatelo io dia 40 taona marina vao afaka milatsaka ho fifiana filoham-pirenena nefa Ingahy Andrinirina Rajoelina bmola 36 amin'ny taona 2010 ka izany no ilazana fa tsy hahafahany milatsaka.
Fa diso izany satria efa nahantona io lalampanorenana taloha io !

2. tsiafoi1 ( 14/05/2009 06:47)

Iza no nanantona azy ry Zoky Ravato? Ary fahefana avy aiza no nampihantona azy?
3. ravatorano ( 14/05/2009 07:19)
raha tsy diso aho dia ny HAT no nampihantona io lalampanorenana io.Ny mahatonga ahy milaza izany dia izao raha mbola eo izany lalampanorenana izany dia mbola miasa zany ny antenimera anakiroa dia ny loholona sy ny solombavambahoaka !
Amizao nefa miasa ve izy ireo sa tsia :?:
raha lazaina indray fa mbola manakery io lalampanorenana io dia azo heverina ve fa afaka miasa ao anatin'io ny fitondrana HAT izay mitsipaka marindrano an'izay ary koa tsy mampino mihitsy raha hoe zavatra tsy ekenao no mbola ampiasainao hitondrana fanjakana !
Fahefana ?
raha tsy diso koa aho dia ny fitondrana HAT no mitondfra fanjakana amin'izao isika miresaka izao na dia misy aza ny manohitra izany .Efa io aloha no manana ny fahefana amin'izao na manao ny rariny izy na manao ny tsy rariny fa anjaran'ny tsirairay no mahita sy maneho hevitra momba izay.
Ny etsy amin'ny Magro aloha amizao za manoratra izao dia mbola mivavaka ary mihira mafy tokoa reko ato amin'ny biraoko ato..."ooooo sambatra aho re "...
4. tsiafoi1 ( 14/05/2009 07:29)


Ka le fahefan'ny HAT anie tsy ara-dàlana sady tsy manara-dàlana fa Fahefana nalaina an-keriny. Otran'ilay bandy mi-viol sipa ireny. Efa violée aloa le sipa, mitondra takaitra tokoa fa na mety ho faty, na mety simba, fa le bandy mpanao viol tsy maintsy ho voasazy rehefa tratra ary tsy maintsy ho gadraina

Io Zoky Ravato tsy maintsy miverina @'ny ara-dàlana na ho ela na ho aingana. 99j an'ny mpanota fa in-1 andro an'Andriamanitra. MINOA FOTSINY IHANY
5. ravalotgv ( 14/05/2009 07:31)
tokony tsy hirampivavahana no ataondry lerony fa le hiran i mahaleo le hoe

governemantako
tao antsekoly
i andry no gisitra
matetika faran ny lisitra
ny faniriny anefa
dia i ndefo ho minisitra

=)) =)) =)) =)) =)) =)) =))
6. tsiafoi1 ( 14/05/2009 07:36)
a! :D :) ;-)
MARINA leisy ny an'là Ravalotgv a!

Saingy ambonin'ny zava-drehetra Andriamanitra

Minoa fotsiny ihany : 99j omeny ny mpanota, andrao mba mibebaka ihany izy ireny, fa in-1 andro an'Andriamanitra.
7. ravatorano ( 14/05/2009 07:55)
na tsy ara-dalana aza ilay fitondrana entin'ny tgv aminizao efa io aloha no misy eo ka izay no itenenako hoe izy no tompon'ny fahefana satria ireo olona mitaky ny ara-dalana tsy manana fahefana na dia kely akorinya za,ry zareo indray aza no samborina sy ampitahorina ka ataoko fa hanaiky ianao fa ny HAT entin'i Andrinirina Rajoelina aloha no eo amin'ny fitondrana amin'izao na aradalana io na tsia !
izay no nahafahany nampihantona ny "parlement" ka tsy nahafahan-dry depité sy ry senatera hivory !
8. xxx ( 14/05/2009 08:02)
Ny Lalam-panorenana no lalàna ambony indrindra @ ny antanan-tohatry ny lalàna misy ary izany dia tsy azo hahantona araka izay itiavan`ny vondron`olona etsy sy eroa azy , eny fa na dia ireo membre ao amin`ny HCC aza tsy manana fahefàna hanao an`izany . Izay no antony tsy maintsy hanaovana FIFIDIANANA MIVANTANA ( Referendum) isaky ny hanova Constitution . Midika izany fa i TGV tsy manana fahefana ny hanova na hampihantona Lalam-panorenana izay efa misy ary dia mbola manan-kery izany ny teo aloha . TSY AFAKA MILATSAKA D`OFFICE i TVG noho izany fa tsy hoe TSY TE-HILATSAKA araka ny Fanambarany , raha tsy hoe angaha misy referendum manova ny Lalam-panorenana mihitsy mialoha an`izay kanefa menatra ihany raha toa ka hoe caprice-de vengeance n`ny boakely tsy ampy taona te-hilatsaka ho fidina no andeha hanovàna ny Lalam-panorenana . Io izany no mba mody ataony CONDITION tsy hilatsahan`ireo zay efa Filoha teo aloha fa ny tena marina ny FILOHA RAVALOMANANA no TIANY TSY HILATSAKA INTSONY satria fantany tsara fa mbola ho SAVOLAINA izay Candidat hifanandrina @ ny FILOHA Ra8 eo ( na hotohanan`ny FRANTSAY VOLA MAMENO CAMION aza) na tiany na tsy tiany eny fa na mbola i TGV aza raha toa ka atao hoe feno aza ny fepetra hahafahan`ity farany milatsaka . Tsy ny olona MPANGALATRA FAHEFANA sy FITONDRANA PACOTILLE indray akory no tokony hametraka conditions izao sy izao . Ekena fa nisy fampivadiana ny raharaham- panjakana tamin`ny Affaires personnelles nataon-dRa8 , nisy ny fiteny jadona indraindray , izay inoako fa AZONY HAHITSY TSARA fa saingy DISO KOSA NY FILAZANA FA TSY NAHAVITA N`INN N`INN izy tao anatin`ny 7 taona raha oharina @ zava-bitan`ny Mpitondra talohany nandritry ny 24 taona . Raha nahatadidy ianareo , nisy ny fitarainan`ny Deputé mikasika ny hikarakarana ny \"FARI-PIAINAN`NY OLONA \" amin`izay satria saika nirona tany amin`ny FOTO-DRAFITR`ASA sy ny FANAMBOARANA IREO zavatra nosimbain-dry Pierrot Rajaonarivelo teo aloha ( TETEZANA NAPOAKA ..sns ) ny ezaka nataony voalohany . Ankehitriny dia teo am-panombohana ny FIJERENA NY ARA-TSOSIALY sy ny FARI-PIAINANA`NY VAHOAKA izy no tonga izao KORONTANA izao satria atahorana sao dia misy fivoaharana ny fiainam-bahoaka ka mety mbola ho lany indray izy amin`ny fifidianana manaraka . Hita fa mandroso any amin`ny tena fahaleovan-tena ara-toe-karena ny malagasy ka izay no tsy zakan`ny FRANTSAY ka nahatonga azy nanakarama an`ity TGV ity HAMOTIKA ny ZAVA-BITA fa tsy araka izay handraisan`ny TGV-iste azy ho toy ny Messie akory ary ny citoyens dia samy mahatakatra tsara an`izany daholo ka tsy ho azo ho rebirebena .
9. naritsimba ( 14/05/2009 08:28)
Ho ahy aloha dia mitsotra mazava fa tsy mankasitraka ary tsy hankasitraka ny nataon'ny Ravalomanana mihitsy. Hazavaiko ny antony:
1-Anisan'ny nisisika mafy izy mba hanana anjara tany ao @ faritra antsoina hoe Ambatomanoina izay misy ny fasandrazanay, miaraka @ an'dry Ramahatra sy Ratrimoarivony izay taranaky Ranavalona faha III. Tsy mpiray fasana akory izahay ireo fa mpiray tanindrazana, ary ananana porofo.
2-Ny vola nentina nanao propagandy t@ fifidianana deputé farany dia vola nalaina tato @ toeram-piasana misy anay.(Misy porofo mazava)
3-Ny vola devise nentina nividianana ny fiaran'ny TIKO sasany dia vola devise mbola an'ny orinasa iasanay.
4-Misy fandrebirebena io resaka fampandrosoana ny fiainam-bahoaka io, raha tena nanana an'izay izy maninona no natao monopole ny fandraharahana, tsy sanatria akory ory hava-manana raha miteny izany, fa ny zavatra rehetra mba natao dia voasakantsakana daholo fa tsy maintsy miera any aminy.
5-Ny mpitondra foibe FJKM dia nahalala soa aman-tsara ireo zavatra ireo saingy ninia nikipy nanoloana ny fitiavam-bola tafahoatra, mpino FJKM ny tenako, saingy indrisy fa dia nenjehina izay sahy niteny ny marina.

Ireo zavatra ireo dia tsy misy foronina akory sanatria na hoe tsy fitiavana olona, fa ny politika nataony dia politikan'ny fitiavan-tena, raha manao lalana izy dia ny tombotsoany no jereny, anisan'izany ny lalana mankany fort dauphin, izay tsy maintsy vitaina satria nanangana MAGRO tao @ tanin'ny Zandary izy, ary efa nitsinjo ireo vazaha miasa ao ho mpanjifany, efa nisy anefa orinasa nikasa ny hanangana Grande Surface tany an-toerana saingy dia nosakanany. Toy izany koa ny fananganana ireo Hotely maro izay fantatra fa ampiasany vola ary dia tsy maintsy tany ireo vahiny no mamantana raha raikitra ny fivorian'ny UA sy ny Francophonie.

Mety hisy ny alahelo saingy amiko lahatra avy amin'Andriamanitra no nanala azy teo noho ny ratsy nataony.
10. naritsimba ( 14/05/2009 08:43)
tsiafoy1: gaga ihany aho @ fomba fijerinao, aminao ve izany tena nanao zavatra tsara ho anao iny fitondrana teo aloha iny, ary tena nety daholo ny zavatra nataony? Ho ahy aloha dia nihevi-tena ho Andriamanitra Ravalomanana, ary efa voasoratra fa ny fitiavam-bola no fototry ny ratsy rehetra, ka dia ireny no vokany, tsy ho tafaverina eo mihitsy izy, ary mbola hisy sazy mafimafy kokoa hahazo azy avy @ Andriamanitra satria dia manamafy fo toa an'i Farao izy ka tsy maintsy ho kapohin'Andriamanitra mafy kokoa.
11. tsiafoi1 ( 14/05/2009 08:46)

Ny an'ise kosa Ra-Nary de resaka alahelon-tany. Ze tany hanototra ity avy ve leisy no entina hankahalana olona... Asa aloa e!!! Mbola malalaka leisy Gasikara a. Afaka mamangitra na lotissement iray aza, fa mahaiza mihetsika sy mikarakara. Zahay zao nanana an'hectare maro tany Antanifotsy. Lovabe @'ny maha taranak'i Razafindrahety anay io... Satria moa ny fianakaviana tsy avy any an-toerana fa avy ety Tana avaradrano ; de nanjakan'ny tompon-tany ny tany midadasika ao Antanifotsy ankehitriny...De handeha hitory ve??? Navelanay any izany, fa lasa nikarokaroka tany malalaka tany @'ny domaine, de nifindra lasy namangitra lotissement eny Ampahimanga Arivonimamo indray. Vao maika aza nahazo lemaka sy midadasika.

Ny momba ny hoe vola nentina nanaovana propagandy, nividianana fiaran'ny TIko sns..., raha manana porofo r'ise dia ento eny @'ny fitsarana a! Moa raha tiana ho hitan'ny besinimaro ka tena mandresy lahatra sy mitombina ; Ataovy scan de asehoy eto hiaraha-mitsara....
12. xxx ( 14/05/2009 09:01)
DISO KOSA NY FILAZANA FA TSY NAHAVITA N`INN N`INN izy tao anatin`ny 7 taona raha oharina @ zava-bitan`ny Mpitondra talohany nandritry ny 24 taona


Ilay angle hijerevantsika ilay fampandorosoana mihitsy no tsy mitovy izany e!
Na iRa8 na i RaDidy dia samy nahavita zavatra ary nanao zavatra. Nefa koa dia samy nihinana sy nandroba ihany koa. Raha atao izany kaonty dia fanakonana maso ny vahoaka Malagasy ireny zavatra nataon'ireo mpitondra ireo. Porofo iray izay tsy azo ialana dia ity.

2001 raha mbola Radidy no mpitondra, ny average income ny Malagasy dia $2/ jour/famille
2008 raha Ra8 no mpitondra, dia mbola $2/jour/famille ihany ilay isa

Aiza ilay fandrosoana???nandroso ve???
Tsy ny hoe fahitana ny lalana na tanana navaozina no hitsara fa nahavita na tsia fa ny fari-piainana ankapobeny isan-tokatranon' ny Malagasy tsy 1/1.
Mety nisy maro no nahita tombotsoa t@ Ra8 nefa aza odiana tsy hita fa maro koa no nitondra faisana.
Tsy misy ilay classe moyen, izay mandroso ny firenena.
13. endrika01 ( 14/05/2009 09:33)
Zay ihany no tsy mba hidirako ampengonana,aleo tsy mivavaka toy izay hanaratsy namana,na mpiara-mivavaka.Zay mahalala fa tsy mety ny ataony namana iray,de mampiantso azy mangingina,manome toro-hevitra,mandresy lahatra,fa refa minia tsy handray zay toro-hevitra TSARA omenao izy,dia mampiatsoa mpiara-mivavaka iray hafa miaraka aminao,omeo fotoana izy handinihany,fa mety mahasarika azy iany lay resaka manokana.Tena mila diplomatie sy tacte ,satry le sujet delicat.Fa raha enao no tonga de ivazavaza ho ren-tany,ren-danitra de ianao iany no hifoterany rambony.Tsy moramora anie zany mitondra firenena izany,ary tsy ASA IRAY NO ATAONY ,eritrereto fotsiny ary we,ny fianakaviana iray aza,mimenomenona isanandro,mila ho lasa adala,am famelona olona 10 ohatra,ka vao maika fa we ny FILOHA ? Antapitrisa maro no hiasany loha,ka raha misy zvt tsy mety de le FANOMEZAN-TSINY FOANA,NO TONGA ALOHA,FA NY FINIAVANA HANAMPY MBA HAHATOMOMBANA NY TANJONA HAMPANDROSO NY FIRENENA TOA TSY MISY,zany we fiaraha-miasa am filoha zay nesorina teo! Zah aloha tsy manome tsiny ny TGV raha toa ka we,ho fanampiana ny Filoha Ravalomanana no nanolony ny membre sasatsasany zay hitany,fa hanoro hevitra ratsy ny filoha mba tsy hampandroso ny firenena,de refa vita izany,de miverina ny filoha na tsy asiana Fifidianana aza,hi hi hi .Zao no ataovy ao an-doha! Aza mihary harena ety an-tany,zay mora simba sy ho laniny kalalao,...Any anaty baiboly any zany. Miady SEZA ABY :-D:-D :-D
14. xxx ( 14/05/2009 09:55)
Androany ENY, rahampitso TSIA
Androany A, rahampitso B

... hita mihintsy hoe TGV taizan'i RATSIRAHONANA !!!!
15. naritsimba ( 14/05/2009 12:05)
tsiafoi1> raha hampiova hevitra anao ny famoahako azy eto dia azoko avoaka, saingy ny tsapako dia tsy maintsy hisy hilaza fa noforonina izany.
Momba ny hoe tany hanototra ve dia iadivana, tsy nankahala azy mihitsy aho raha teny tampoketsa izy no namaritra ho azy, fa nahoana moa no tany efa misoratra aminay no alaina? aleo ary fa ho faritako ny taninao dia aza malahelo fa tany hanototra io, dia mifindrà indray toeran-kafa eh! dia ho hitantsika eo hoe tsy himenomenona i tsiafoi1
16. xxx ( 14/05/2009 12:17)
y. Ze tany hanototra ity avy ve leisy no entina hankahalana olona


Odrriiiiii ianareo no mahita fangalana terrain domaniale tany @ le8 ko ny kely hanananay indray ve mbola homena azy,

SEZA HIPETRAHANA AVY NY AN'I LE8 DIA HITA HIADIVANA SY HANKALA OLONA
17. nancy ( 14/05/2009 16:42)
Fa ianareo ve dia mahatsiaro sambatra amizao fitondran'i tgv izao e?
Vao 2 volana izay dia jereo ny halatra bevava nataony e. Ianareo ve de mahatoky fa hijanona eo ny halatra ataony io? tsy hangalatra io raha mijanonjanona eo?

xxx:

DISO KOSA NY FILAZANA FA TSY NAHAVITA N`INN N`INN izy tao anatin`ny 7 taona raha oharina @ zava-bitan`ny Mpitondra talohany nandritry ny 24 taona


Ilay angle hijerevantsika ilay fampandorosoana mihitsy no tsy mitovy izany e!
Na iRa8 na i RaDidy dia samy nahavita zavatra ary nanao zavatra. Nefa koa dia samy nihinana sy nandroba ihany koa. Raha atao izany kaonty dia fanakonana maso ny vahoaka Malagasy ireny zavatra nataon'ireo mpitondra ireo. Porofo iray izay tsy azo ialana dia ity.

2001 raha mbola Radidy no mpitondra, ny average income ny Malagasy dia $2/ jour/famille
2008 raha Ra8 no mpitondra, dia mbola $2/jour/famille ihany ilay isa

Aiza ilay fandrosoana???nandroso ve???
Tsy ny hoe fahitana ny lalana na tanana navaozina no hitsara fa nahavita na tsia fa ny fari-piainana ankapobeny isan-tokatranon' ny Malagasy tsy 1/1.
Mety nisy maro no nahita tombotsoa t@ Ra8 nefa aza odiana tsy hita fa maro koa no nitondra faisana.
Tsy misy ilay classe moyen, izay mandroso ny firenena.



18. fijo ( 14/05/2009 21:34)
mitombona tanteraka ny resak'i ravato rah any lalana no resahina,ny zavatra tsy hay intsony nefa dia izao.io lalana io,indraindray dradraina indraindray hitsahina,ka izay no tsy ahaizana intsony izay tena izy ao.
raha hiresaka fifidianana ry zalahy,dia tokony hanova lalam pifidianana sy lalampnanorenana aloha.fa raha io lalampnanorenana io no mbola hoampiasaina,dia tsy misy azo raisina ny (acte rehetra nataon'ny fitondrana HAT)
nefa ry zareo nanatona ilay lalampanorenana tamin'ny fampiantonana ny solombavambahoaka sy ny loholona,noho izany tsy tokony hampiasa io lalampanorenana io intsony izy
19. ravatorano ( 15/05/2009 06:31)
raha hanao ny fanitsiana ny loi des finances 2009 izao ny HAT dia par voie d'ordonnance no anaovany azy izany hoe tsy arak'ilay lalampanorenana farany teo izany satria tsisy ny parlement hanao ny fifidianana sy handany io loi des finances rectificatives io ary tena marina ny voalzan'i fijo fa tsy maintsny ny lalampanorenana aloha no ho kitihina izay vao afaka manomana ny fifidianana
Ny antsika malagasay mantsy toa ilay seza hipetrahana indray ity no mahamaika fa tsy ilay zava dehibe hifotoran'ny andrimpanjakana misy dia ny lalampanorenana izany.Amiko dia tokony ho "amendements" no atao fa tsy hoe izy rehetra manontolo mihitsy no ovaina tanteraka satria handany fotoana elabe eo amin'ny fanamboarana sy fanomanana an'io indray isika !
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.502