resaka interim

1. xxx ( 13/05/2009 14:45)
Ahoana kay ny lalanan'ny interim. Izany hoe nisy mpiasa niala nefa tsy nosoloina fa ny mpiasa tavela tao ihany no nampanaovina ny asany. Inona no zon'ilay interim? Misaotra mialoha
novalian'i rhina ny 24/09/2009 16:12
2. Lejoba ( 18/05/2009 11:44)
raha mpiasa ao anatiny ilay antsoinao hoe interim dia tsy interim izy @ izay. Changement d'affectation fotsiny io ka mety ho temporaire na définitif, misolo olona nandeha niteraka ohatra.

Raha lasa définitivement ilay soloina dia anjaran'ilay manao ny asany no manontany ny mpampiasa izay tena eritreriny hoe lasany ve ny poste sa ahoana. Matetika any M/kara dia tsy manana zo firy io mpisolo io satria vonjimaika fotsiny, koa ny karamany sy izay mety ho traitement t@ poste nisy azy teo aloha ihany no raisiny na dia miampy aza ny takiana aminy.

Tsy fantatro indray raha misy fe-potoana voalazan'ny lalàna momba io fanoloana io na tsia hoe raha maharitra hafiriana ao dia lasany ilay poste.

Tsy mitovy koa ny fipetraky ny lalàna eran-tany koa mila fantatra hoe aiza no misy ilay zavatra.
3. xxx ( 19/05/2009 05:56)
Eto Madagasikara no misy ahy. Ny zava-misy dia izao:
nametra-pialana ny mpiasa iray tao aminay. Tsy naka olona hafa anefa ny mpampiasa fa izaho izay manana andraikitra hafa no nampanaovina ilay asa. Mitombo be ny asako nefa ny karama tsy mihetsika. Efa hatramin'ny volana janoary no niandraiketako io asa io. ka izany no mahatonga ahy manontany hoe inona no zo sy andraikitry ny interim raha eto Madagasikara. Misaotra mialoha amin'ny fanampianareo
4. vaninna ( 20/05/2009 16:20)
Raha ny lalàna gasy dia 6 volana raha tsy diso ny fitadidiako ny fetrany interim ho an'ny cadre ;
Rehefa dila ny 6 volana dia mila mifanaraka ianareo hoe ahoana ny ifanarahana vaovao
Matetika ny reglement intérieur no manoritra azy io:ohatra hoe miampy 50% ny karama nandritra ilay fotoana nanaovana interim sns... na hoe miova mihitsy ny asa dia miova koa ny poste , dia mitombo ny avantage na tonga dia mahazo promotion interne ianao ; mila miady ny zonao izany ianao raha hitanao fa mitombina ny zonao; ny mpampiasa matetika dia mody fanina ka ny provisoire lasa eternelle raha vao tsy miady ny zonao ianao

Izao mantsy:ny mpampiasa matetika dia manararaotra ny lalàna
Ohatra :milaza ny lalana fa tsy mahazo karamaina latsaky ny XXXX Ariary ny olona mitana andraikitra toy izao sy toy izao
Rehefa manao interim ny mpiasa anakiray , ka mikarama =aminy ilay karama ferany lalàna, dia azony mpampiasa atao ny mandà ny fangatahana fisondrotana
Izany hoe
Raha X mikarama 70 000 ariary araka ny lalana
Niala i X ka i Y no manao interim
Ny karamany Y dia 70 000 ariary
Raha mangataka fisondrotankarama i Y noho io interim io dia azony mpampiasa atao ny mandà ny fampisondrotana satria tsy mandika lalàna izy na tsy mampisondrotra aza, satria efa ao anatiny ilay fetra voasoratra ao anaty lalana ny karama omeny ilay mpanao interim
Ka izay ve ny toedraharahanao??
5. xxx ( 08/06/2009 08:09)
Izay mihitsy ilay izy.
Misy lalàna miaro ahy ve raha mandà tsy hanao intsony aho satria efa dila ilay enimbolana eken'ny lalàna
6. rhina ( 24/09/2009 16:12)
tokony fa aleo mintsy lo enao manontany eny @ OMEF ngamba raha tsy diso za
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1643