Izay omeko sakafo ihany no mahery

1. niryna ( 12/05/2009 12:26)
Nanontany tena ity lehilahy iray fa misy hery roa ao anatiny,tezi-dava izy .Zavatra kely,tsy misy dikany dia mahatezitra azy.Dia hoy izy hoe misy hery roa ato amiko ato ka arakaraky ny hamahanako azy ireo no mampantajaka azy na tsia.Izay omeko sakafo betsaka ihany no tena mahery.White wolf sy black wolf no iantsoany azy.Ilay white wolf no tiako fahanana foana hoy izy kanefa tsy mahatohitra aho dia mamahana ilay black wolf.Andao ataontsika hoe alika fotsy sy maity ary ny anarany e,Isaky ny mamahana ilay alika maity aho dia tezitra lava ary tena mirongatra mihitsy izy ka izaho ihany no kakerina avy eo.Ilay alika fotsy anefa no tena tiako ho fahanana kanefa dia voasakantsakana foana aho satria rombahan'ilay alika maity ety an-tanako ny sakafo ,tsy mahatohitra ilay sakafo omeko an'ilay alika maity aho fa dia mamahana azy foana.
Misy lesona azontsika ho tsoahina ve amin'izany e raha ara-nofo sy ara-panahy no itondrana azy ?
(l) niryna
novalian'i niryna ny 13/05/2009 15:19
2. xxx ( 12/05/2009 13:25)
Zao ve tsy mitory fa mbola mitana ilay racism any US ry Nyrina??? ho ireo redneck white fox any aminareo hoe "white is better than black" dia iny koa ianao fa manaiky!
3. Mirananirina ( 12/05/2009 14:44)
marina izany aloha Nyrina a
4. niryna ( 13/05/2009 15:19)
xxx:

Zao ve tsy mitory fa mbola mitana ilay racism any US ry Nyrina??? ho ireo redneck white fox any aminareo hoe "white is better than black" dia iny koa ianao fa manaiky!


ny fanontaniana no mba valiana fa aza miafina ao moa e.Inona no hevitr'izany raha amin'ny maha filan'ny nofy sy fanahy azy ?
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0445