Nanehoan'A/tra ny voninahiny ny VAHAO NY OLOKO

1. ARICO ( 11/05/2009 09:00)
Ny masoko no nahita ary resy lahatra aho tamin'ny Asabotsy teo fa be ny olona tonga teny Ambohijatovo no nihetsika devoly rehefa natao ny vavaka mahery vaika .Tena be ny olona novoafatotra ankehitriny ary mila fanafahana toy ireny, be no tsy nino ny fisian'ny fanahy ratsy fa tena lasa saina aho nahita maso ny fihetsehany teny tamin'ireo sokajin'olona maro izay tena tsy ampoizina hisy izany mihitsy fa dia tena olona mihaja be izao no nifampitolomana fa nivoaka tao aminy ry losifera sy ny forongony. Misimisia ny tahaka ireny fa tena ilain'ny malagasy ny fahafahana sy fanasitranana indrindra amin'izao fiainana efa sarotra izao . Tsy haiko hoe tsy fantatry ny ankamaroan'ny olona ve fa io fahantrana sy aretina tsy sitra-panafody manjo azy io dia asan'ny satana eo amin'ny fiainany sy vokatry ny zavatra ratsy nataony fahiny koa ka afatony izy dia ireny mivoaka ireny fa tsy mahazaka ny herin'A/tra? Ny mampalahelo dia izao: mbola maro ny malagasy no tratran'ny solomaso maintin'i satana ka tsy mahalala ny lalan-kizorany . HItako fa misy sit web koa ry zareo ka omeko ihany fa mahasoa: vahaonyoloko.ning.com
2. Mirananirina ( 11/05/2009 12:31)
zany ve,nefa anie ka misy devoly daholo isika e,sa tsy marina izany
3. xxx ( 11/05/2009 12:39)
Tena marina io voalazanao io, ary matahotra ny tenako aho ankehitriny,

zah tsy tany ambohijatovo fa tany ampiangonanay, izay marihiko eto fa tsy fifohazana, nihevitra aho taloha fa ny olona mpilalao ody gasy ihany no anjakain'ny devoly, satria zah tsy mba tia an'io,
Fa t@ alahady teo tao @ fiangonanay nisy fametrahan-tanana, nisy mpiandry tao, tsy misy an'zany akory isan'Alahady fa indray isaky ny roa na telo volana ihany, dia talohan'ny fametrahan-tanana @ zay te-hanantona hamatrahan-tanana ny mpiandry de nanao vavaka fahobe, nandroaka devoly tao @ le trano aloha, dia le mandroaka devoly masiaka be ireny,
Fa teo @ izy nitrerona "Mivoaha ry satana ato @ ity toerana ity ..." fa tonga dia ohatrany Fanina be no nanjavona be ny fijeriko, nony vita ny fandroahana dia niverina ny aiko, vita ny fivavahana dia tsy naninona zah,
dia ohatrany natahotra be zany aho, dia tsy nahasahy hamatrehan-tanana, fa sao de sanatria misy devoly dia mihetsika eo imasom-bahoaka eo, dia nandeha nody zah nony avy eo,
Misy devoly ve ato anatiko?
4. coopsal ( 11/05/2009 13:26)
ARICO:

Ny masoko no nahita ary resy lahatra aho tamin'ny Asabotsy teo fa be ny olona tonga teny Ambohijatovo no nihetsika devoly rehefa natao ny vavaka mahery vaika .Tena be ny olona novoafatotra ankehitriny ary mila fanafahana toy ireny, be no tsy nino ny fisian'ny fanahy ratsy fa tena lasa saina aho ...

==> Misy ihany no tsy mino ny fisian'ny fanahy ratsy, be lavitra ny manana ny toe-panahy araka an' Andriamanitra nefa mandà ny heriNy. Izay tsy mino an'i KRISTY no tsy ho voavonjy.

ARICO:

nahita maso ny fihetsehany teny tamin'ireo sokajin'olona maro izay tena tsy ampoizina hisy izany mihitsy fa dia tena olona mihaja be izao no nifampitolomana fa nivoaka tao aminy ry losifera sy ny forongony.

==> Izany ary nivoaka dia hitanao, fa misy faharatsiana maro ao anatin'ny fon'ny olona izay tsy mivoaka @ alalan'ny fametrahan-tanana na ny fanononana hoe "mivoaka amin'ny anaran'i Jesosy" : fitiavan-tena, fahatezerana, fialonana, fijangajangana, fitsiriritana, fangalarana, ... Ireo koa anefa dia hiseho ampahibemaso, ho hitan'ny rehetra rehetra amin'ny fitsaran ' Andriamanitra, fa "tsy misy nafenina izay tsy haseho", ary "izay nobitsihinareo dia hodradradradraina eny an-tampon-trano". Izay manan-tsofina hoenti-mihaino, aoka izy hihaino.

ARICO:

Misimisia ny tahaka ireny fa tena ilain'ny malagasy ny fahafahana sy fanasitranana indrindra amin'izao fiainana efa sarotra izao .

==> Toa tena efa mihabetsaka izao ny fandroahana devoly sy ny toby masina sy ny fitoriana sy ny fivavahana ka. Efa mihatsara ny fitafiana, tsy misy ny grevy rehefa Alahady ... fa ny fon'ny olona toa ny omaly tsy miova.

ARICO:

Tsy haiko hoe tsy fantatry ny ankamaroan'ny olona ve fa io fahantrana sy aretina tsy sitra-panafody manjo azy io dia asan'ny satana eo amin'ny fiainany sy vokatry ny zavatra ratsy nataony fahiny koa ka afatony izy dia ireny mivoaka ireny fa tsy mahazaka ny herin'A/tra?

==> Fantany ka, efa dradradradraina etsy sy eroa mihitsy ny asan'ny devoly. Ilay akamako iray izay izao efa ho 10 taona nanana aretina, nentina nositranina, nametrahan-tanana ... nampahafantarina azy fa asan'ny devoly ny aretiny, saingy hatrizao mbola tsy tena sitrana izy. Fantatra ihany fa asan'ny maizina ireny rehetra ireny, saingy ilay mazava mihitsy no mbola tsy miposaka ao am-pon'ny olona, ka toy ny fahafantarana ihany fa ny VIH no mahatonga ny SIDA saingy ilay fanafody no mbola tsisy e, na ny marina kokoa, misy ihany fa ny olona no tsy mety mahay na dia eo aza ny fikarohana marobe!
Tahaka izany ny aretina tsy mety sitrana, izay lazain'ny hiran'i Adéline.

ARICO:

Ny mampalahelo dia izao: mbola maro ny malagasy no tratran'ny solomaso maintin'i satana ka tsy mahalala ny lalan-kizorany . HItako fa misy sit web koa ry zareo ka omeko ihany fa mahasoa: vahaonyoloko.ning.com

==> Marina izany, fa esory aloha ny solomasonao.
5. coopsal ( 11/05/2009 13:34)
xxx:

Tena marina io voalazanao io, ary matahotra ny tenako aho ankehitriny,

zah tsy tany ambohijatovo fa tany ampiangonanay, izay marihiko eto fa tsy fifohazana, nihevitra aho taloha fa ny olona mpilalao ody gasy ihany no anjakain'ny devoly, satria zah tsy mba tia an'io,
Fa t@ alahady teo tao @ fiangonanay nisy fametrahan-tanana, nisy mpiandry tao, tsy misy an'zany akory isan'Alahady fa indray isaky ny roa na telo volana ihany, dia talohan'ny fametrahan-tanana @ zay te-hanantona hamatrahan-tanana ny mpiandry de nanao vavaka fahobe, nandroaka devoly tao @ le trano aloha, dia le mandroaka devoly masiaka be ireny,

==> Kay ilay trano no nandroahana anle devoly fa tsy le olona ko.
Fa azafady, te hametraka fanontaniana aho hoe ahoana no ahafantaranao fa devoly masiaka be ilay izy ? Sa ilay mpamoaka no nanao teny masiaka ?

xxx:

Fa teo @ izy nitrerona "Mivoaha ry satana ato @ ity toerana ity ..." fa tonga dia ohatrany Fanina be no nanjavona be ny fijeriko, nony vita ny fandroahana dia niverina ny aiko, vita ny fivavahana dia tsy naninona zah,
dia ohatrany natahotra be zany aho, dia tsy nahasahy hamatrehan-tanana, fa sao de sanatria misy devoly dia mihetsika eo imasom-bahoaka eo, dia nandeha nody zah nony avy eo,
Misy devoly ve ato anatiko?


==> Zah koa isaka ny mandre an'ireny tabataba be ireny hatrizay dia nangovitra tato anatiko foana, fa iza no olona tsy hangovitra sy ho taitra rehefa mahare trerona be, indrindra rehefa ao anatinao ilay tahotra hoe "aza hitako misy devoly aho". Zavatra tsapako tsy indray mandeha izany lazainao izany. Kanefa dia miteny aminao aho fa ny Fanahin' i KRISTY no ato amiko, ary izay itoeran'ny Fanahin'i Kristy tsy afaka hanjakàn'ny devoly. Fony tao @ nofo aman-drà aza Kristy, nandohalika teo anatrehany izay nanana ny fanahy ratsy, koa maika fa raha ny fanahin'i Kristy no ato anatiko nahoana no tsy handohalika sy hitsoaka ny fanahy ratsy ?
Tsy fantatro ianao raha misy devoly na tsia, fa fantatro kosa fa raha ao anatinao ny fanahin'i KRISTY dia tsy hisy devoly afaka hanao inona anao. Ka ataovy izay hanananao ny fanahin'i Kristy.
6. xxx ( 11/05/2009 14:16)
coopsal:
Fa azafady, te hametraka fanontaniana aho hoe ahoana no ahafantaranao fa devoly masiaka be ilay izy ? Sa ilay mpamoaka no nanao teny masiaka ?


an an an le mpiandry no nasiaka be ka,...

Eny e, mieritreritra ihany anie zah hoe rah nisy ve tato anatiko tsy efa nihidakidaka be teo imason\'olona teo zah,
nefa asa aloha,

coopsal:
Zah koa isaka ny mandre an\'ireny tabataba be ireny hatrizay dia nangovitra tato anatiko foana, fa iza no olona tsy hangovitra sy ho taitra rehefa mahare trerona be, indrindra rehefa ao anatinao ilay tahotra hoe \"aza hitako misy devoly aho\". Zavatra tsapako tsy indray mandeha izany lazainao izany.

tena marina zany isaky ny mandre ireny zah de mangovitra be,
7. coopsal ( 12/05/2009 07:03)
xxx >>> Ahoana ianao amin'ilay tenin'i Jesosy ao amin'ny [Matio 10:28] ?
8. ARICO ( 12/05/2009 07:26)
[[/quote]
Hamaly kely anao za ry xxx sy mirana fa misy tenin'ATra izay manao hoe :"Ringana ny oloko noho ny tsy fahalalana....." Tonga dia tsoriko fa tsy nahatanty ilay vavaka sy ny herin'Atra tao amin'ilay fiangonana nisy anao satana tao anatinao dia izay no fisehony , mbola tsy afaka izy fa mety tsy ho ampy fanoloran-tena tsara ianao. Izao no torohevitra omeko anao : AZa matahotra na menatra izany ianao hoe hihetsika eo imasom-bahoaka fa voafitaka ianao raha izay no ao an-tsainao , izay ilay fitaky satana sy ny laingany fa diniho tsara, tsy tiany ho afaka ianao ; efa te hivoaka ao anatinao izy fa tsy ampy tosika dia izay ianao hoatran'ny hafahafa izay .Hitanao fa vao vita ilay vavaka dia normal ianao!Ny mety aminao aza dia manolo-tena hametrahan-tanana mihitsy raha tianao ny ho afaka, inona moa ilay hoe afaka?Ny fahafahanao dia miseho amin'ny endrika maro ary n fiovan'ny toe-ponao sy ny toetranao no voalohany amin'izany : lasa miala ao anatinao ohatra ny avonavona na fitenenan-dratsy sns.....ary tonga aminao ny valim-bavaka sy ny fitahiana avy eo. Izao koa anefa: tsy voatery hiseho hoatran'ireny hafahafa ireny foana ny fivoakan'ny devoly ao anatin'ny olona iray fa ny fahenoana toriteny na vavaka fotsiny dia mety hampiala azy porofon'izany rehefa avy mivavaka ianao ka tena tafiditra tsara dia toa tsy te hanao ratsy izany intsony ; sa tsy izany???Ny olona rehetra izany ry mirana raha mbola ao aminy ny toetra ratsy dia misy devoly izy izay . Izaho manokana aloha lehiretsy dia andeha hamonjy any Andrefanambohijanahary amle vavaka VAHAO NY OLOKO fa te ho afaka aho. Izay fa mahereza an!

9. coopsal ( 12/05/2009 08:06)
ARICO >>>
1- Efa novalianao ihany kanefa tsy mazava ny fahafahana amin'ny san-devoly maro : fitiavan-tena, fijangajangana, fitenenan-dratsy, tsy fanajana zava-masina, faniratsirana, .... Ampy ve ny fametrahan-tanana ? Isaka ny Alahady faha 4 mantsy ao am-piangonanay misy an'ireny asa ireny, ary tsy ao ihany fa marobe na aiza na aiza e! Kanefa mbola vicieux foana ny olona (ireo nametrhan-tanana sy niasana), mbola tia tena, mbola mitsiriritra, mbola impudique, ary mbola tena mpanompo sampy beeee mihitsy. Tsy resaka joro na famadihana na toy izany no sampy lazaiko anao an! Fa ny sampy teneniko eto dia izay rehetra iantorahana eo anatrehan'ny fahoriana na alahelo na fahasorenana : mozika, zava-maniry, biby, dihy, fijangajangana, fisotroana, vady, zanaka, namana, dokotera, pasitera, mpiandry, mpametra-tanana, ....

2- Niresaka ny amin'ny hoe "fitaky Satana" ianao. Ahoana no anananao porofo fa tena ilay avy amin' Andriamanitra ny fitoriana hitanao sy ny fampianarana maharesy lahatra anao, fa tsy isan'ny fitaka ? Inona no porofonao mihoatra sy hafa noho ny ataon'ireo mpitory hafa sy mpampianatra hafa izay milaza toa anao koa ?

3- Raha nanazava ianao teo dia nilaza fa na dia fihainoana toriteny sy vavaka aza dia maha afaka. Nanome porofo ianao hoe rehefa eo am-pivavahana ny olona raha tena ao tsara dia ao anatiny izay faniriana tsy te hanao ratsy intsony izay.
Izaho efa nahatsapa an'izany imbe dia be koa. Fa ny zava-mitranga anefa, mbola manana filàn-dratsy ihany aho rehefa mahita vehivavy sexy (ohatra io), indraindray aza le mpitory ny filazantsara @ rindran-kira etsy no tena mampihetsika anaty ny filàko hijangajanga, na ilay pasitera mitoriteny hitako tena netinety mihitsy ny fitafiny sy ny fihaingony ... somary tazako kely ny ..., niezaka aho fa eeee! Nivavaka aho hoe "esory amiko Tompo izany filàna izany" fa eee, tena tao anatiko foana ny filàna. Indraindray koa izaho ilay avy any am-piangonana, avy nandray iny, tena mahatsiaro tena ho masina be, no misy olona mahatezitra dia lasa tezitra aho, miteny hoe "mampiditra devoly nefa ny tena vao avy nanamasin-tena" ... ohatra. Indraindray aza eo am-pivavahana no sorena aho satria nisy zazakely nikotaba ohatra tsy nisy nihainoana toriteny, na mahita an'le razoky mivoaka mifoka sigara d tezitra aho hoe "io koa ampiasain'ny devoly".
Ianao ve tsy mbola sendra toy izany ?
Ianao ve izany efa tsy manana fanirian-dratsy intsony ao anatinao ?
Raha eny, ahoana ny amin'ireo fanirian-dratsinao sy faharatsiana efa taloha notanterahinao ? Mbola tsaroanao ve ireny sa efa voadio (izany hoe tsy misy trace intsony ny fahatsiarovanao ireny) ?

4- Maninona no tsy maintsy any Andrefan' Ambohijanahary ao @ Vahao ny Olako ianao no handeha, fa tsy ampy ve ny vavaka ataonao mangina, na Fiangonana hafa eo akaikinao, na toriteny heno @ radio ?

Maniry indrindra ny valiny, Misaotra.
10. xxx ( 12/05/2009 14:16)


Ny TGV teny @ 13 mai koa ve nisy devoly sa dia te hiteny ianao hoe Ra8 sy ny mpanaraka azy ihany no misy devoly
11. ARICO ( 13/05/2009 13:14)
[quote=xxx]
Raha vao ao anatin'ny sain'ny olona ny sain-dratsy dia ao raha izay, kanefa aza miteny ianao hoe ahoana ary ny nataon'Atra tamin'i Joba, izay Izy mihitsy no naniraka an'i satana hamely azy, tsarovy fa ny Azy fisedrana no nataony.


12. ARICO ( 13/05/2009 13:32)
[quote=coopsal]

Tsy ampy ny fametrahan-tanana fa mila fanapahan-kevitra avy ao anatinao mihitsy ny hanompo ary izay anefa dia hitan'Atra, ny curiosité aloha dia fandaniana andro fa ilay fonao mihitsy no ataovy fantatr'Atra fa te ho afaka ianao sady izao koa; mila fahamasinana be avy amin'ilay mpmetra-tanana io fa raha tsy izany tsy hisy n'inon'inona hitranga eo , hitanao fa ny an'i JK aza anie ka teny indraimbava dia efa nampitsahatra tafiotraé!Ny finoana no zava-dehibe fa efa voavela heloka ianao ka n'inon'inona ratsy vitanao dia hinoy fa voadio izany , izay ange ilay hoe mandray an'i JK ho Tompo sy Mpamonjy é! ary ny hoe tsy maintsy ao Andref/janahary no mivavaka dia izao : tsy hilaza zavatra betsaka eto za fantatro hatramin'ny niandohany io Fiangonana io .
Mahereza.

13. niryna ( 13/05/2009 15:49)
ARICO:

Ny masoko no nahita ary resy lahatra aho tamin'ny Asabotsy teo fa be ny olona tonga teny Ambohijatovo no nihetsika devoly rehefa natao ny vavaka mahery vaika .Tena be ny olona novoafatotra ankehitriny ary mila fanafahana toy ireny, be no tsy nino ny fisian'ny fanahy ratsy fa tena lasa saina aho nahita maso ny fihetsehany teny tamin'ireo sokajin'olona maro izay tena tsy ampoizina hisy izany mihitsy fa dia tena olona mihaja be izao no nifampitolomana fa nivoaka tao aminy ry losifera sy ny forongony.
misaotra anao aloha nitantara ny zava-misy izay itanao e.
Tsara ho fantatra fa ny nofintsika dia tsy miady amin'ny olona fa miady amin'ny fanahy ratsy .izany no antony tsy ijerena na itsarana hoe ity olona ity dia manankarena na mihaingo be na hoe mahantra
Rehefa maloto ny fontsika,rehefa tsy mametraka ny fiainantsika amin'ilay Atra velona isika na dia tsy hita taratra sy mivandravandra aza fa tsy manana ny fanahin'Atra isika dia efa nolazain'ny soratra masina izany.na isika miaraka amin'Atra na isika tsy miaraka amiNy.
Dia ahoana no alahalalanao fa losifera no tao? io anie no lehibeny e,ny miaramilany no alefany andrimpaka sy anakana ny olona tsy hino an'ilay Kristy mahery kanefa dia vitany tokoa izany amin'ny zavatra maro tokoa izay hiainantsika ankehitriny(ny fandaniana andro amin'ny zavatra tsy ahitana ny fahazoavan'Atra sy ny voninahiny.Ataony variana amin'ny zavatra hafa isika dia tsy mahatsiaro na dia hivavaka aza,matory isika rehefa mamaky baiboly ohatra kanefa afaka mijery TV adin'ny telo ,ohatra iray io an)

Misimisia ny tahaka ireny fa tena ilain'ny malagasy ny fahafahana sy fanasitranana indrindra amin'izao fiainana efa sarotra izao . Tsy haiko hoe tsy fantatry ny ankamaroan'ny olona ve fa io fahantrana sy aretina tsy sitra-panafody manjo azy io dia asan'ny satana eo amin'ny fiainany sy vokatry ny zavatra ratsy nataony fahiny koa ka afatony izy dia ireny mivoaka ireny fa tsy mahazaka ny herin'A/tra?
aiza ao amin'ny baiboly no miresaka an'izany.Hoy hianao hoe tsy fantatry ny olona ,aleo ary ho ampifantarintsika fa tsy ny aretina rehetra akory dia vokatry ny fahotana avokoa .Ny fahafatesana no tambin'ny ota hoy ny soratra masina,izay tsy mamonjy ny fanahiny izany dia ho very.Fa raha marary ny olona iray dia mety fahanterana,mety tsy fananjana ny zavatra tokony atao sy tsia,toy ny sakafo,tsy fifehezantena fa dia mihinana ihany dia marary dia ny devoly kosa ve no omena loza e.
Mbola tsy nanomboka ny ady teo dago dia efa nametraka hafatra aho hoe raha ny oloko no mibebaka ka miantso ahy dia ho sitraniko ny taniny.Lasa nalaza moa io satria marina tokoa izany,raha mbola misy foana ny fanakambanana an'Atra amin'ny karazana sampy dia tsy ho sitrana ny tanintsika.Matoa koa ny zavatra rehetra no mitranga dia misy zavatra ao,ny antony dia tsy fantantsika fa Izy no mahalala izany.
Raha isika tsirairay avy no ivadika ka anatona an'ilay Atra mahery ary tena hino azy dia hihaino Izy,kanefa toa mbola lavitry ny afo ny kitay.

Ny mampalahelo dia izao: mbola maro ny malagasy no tratran'ny solomaso maintin'i satana ka tsy mahalala ny lalan-kizorany . HItako fa misy sit web koa ry zareo ka omeko ihany fa mahasoa: vahaonyoloko.ning.com
tsara izany site nomenao izany raha mampianatra antsika ny amaha ny fatorana amin'ny satana.Mbola maro hoe ? raha sitrapon'ny rehetra dia miala amin'ny fanangejanm'i satana isika ,raha mbola mafy ny fo kosa dia tsy ho tonga izany.Miantso antsika Atra ,nomeny antsika ny zanany,moa ve isika mino izany famonjena izany ? Mangataha aminy mba omeny fo adio sy hino azy ,mamgataha aminy mba ho tonga ao am-pontsika ny fanahy masina.Miaina amin'ity toerana feno ny fanahy maloto ity isika,manalavitra izany no tadiavin'Atra antsika hiainana,tsy mora fa mila mitolona isika,tsy mora fa mila manohitra ny fanahy ratsy isika,tsy mora satria mila ilay ampinga avy amin'Atra isika.Ny tsy fananana fitaovam-piadiana kosa anefa dia tsy afaka ny hiady isika.
Mahereza fa ny olona izay manana ny fanahy dia mahalala ny fanahy izay mairaka aminy,ny olona izay tsy manana ny fanahy kosa dia tsy fantany izany ary heveriny fa ho fahadalan'izay mino izany izy.

14. xxx ( 14/05/2009 08:04)
coopsal:
xxx >>> Ahoana ianao amin'ilay tenin'i Jesosy ao amin'ny [Matio 10:28] ?


Io ilay Matio 10 : 28 Ary aza matahotra izay mamono ny tena, nefa tsy mahay mamono ny fanahy; fa aleo matahotra Izay mahay mahavery ny fanahy sy ny tena ao amin'ny helo.

Franchement, tena tsy azoko ny tiany hambara, afaka hazavainao misimisy kokoa ve???

Misaotra an'i Arico @ fanazavana,
NDEHA HAMETRAHAN-TANANA AHO, DIA LAZAIKO ANAREO HOE NIHETSIKA SA TSIA, NISY TAO SA TSY NISY,

MISAOTRA E,

AN'ANDRIAMANITRA IRERY IHANY NY VONINAHITRA
15. fyty ( 15/05/2009 08:52)
Mahaliana be ahy ilay discussion fa ny tenako izao d olona faran`izay nanenjika fiangonana. rehefa ankoatry ny ctholique sy protestanta ny ahy dia lazaiko fa secte. nefa tena ratsy be fa ny atao hoe secte dia tsy mino an`i Jesosy Kristy. Efa nifona tamin`Atra aho fa narary mafy ny raiko ary efa nentina etsy sy ery fa tsy sitrana raha tsy tam alalan`ny vavaka, ary fiangonana autre que le voalazako ireo satria izy ireo tsy manao izany fanasitranana amin`ny anaran`i JK izany raha tsy diso aho. Sitrana soa amantsara ilay dada malalako ary nanomboka tamin`izay aho dia liana am ty resaka fivavahana ity fa tena mbola afaka maneho fahagagana am fiaiananao Andriamanitra rehefa vonona ny hikatsaka azy am fonao manontolo ianao. Tamin`ny fotoan`09 mai teo ambohijatovo koa aho dia mba anisan`ny nasaina hanatrika dia tonga, ary tena voamarina ny lohatenin`ity forum ntsika ity fa nahatsapa aho hoe misy herin`ny fanahy masina mahery be nanatrika teo ambohijatovo tamin`io fotoana io. Nahita olona maro nitsipatsipaka aho, ary olona nitondra tehina niditra tao fa avy eo NITSANGANA soamantsara. Ny alitara mitodika nankany ambanidia iny nefa nisy olona nobataina avy any am zaridaina ambadika be tany, tsy hay refesina izany io herin`Andriamanitra io. Te hamakafaka ny momba io antokom pivavahana io aho mba tsy hitsarako azy be fahatany fotsiny toy ny efa nataoko taloha ka ny fanontaniako dia izao: misy amintsika ireto ve mahafantatra hoe aiza ireo vahao ny oloko ireo no manao fotoam pivavahana, ary isaky ny inona?
16. ARICO ( 15/05/2009 10:14)
Hoy i niryna hoe : "Ny devoly foana no omena loza " Aza manindraindra devoly ianao fa mbola tsy nisy zavatra tsara nataon'ny devoly teto an-tany fa izy dia tahaka ny liona mierona mitady izay arapany tokoa araka ny voasoratra ka aleo ailika any aminy ny ratsy rehetra sa avy aiza indray ary hoy ianao;ekeko fa tsy ny tsara ihany no avy amin'Atra fa ny ratsy koa kanefa tamin'ny voalohany anie ny programany dia ny tonga lafatra é! jereo ny fonenan'i Adama sy Eva , fa satana tafatsofoka sy nivadika tamin'Atra no fototr'izao faharatsiana izao , ka raha marary ny olona iray noho ny fahanterana na sakafo araka ny voalazanao dia izay ilay ozona nahazo ny zanak'olombelona tany am-boalohany noho ny nataon'i satana .
17. ARICO ( 15/05/2009 10:44)
xxx:

[quote=coopsal]xxx >>> Ahoana ianao amin'ilay tenin'i Jesosy ao amin'ny [Matio 10:28] ?

Lalana roa ihany no velarina eo anoloan'ny olombelona dia ilay lalana tery sy lalana migodàna , an'ny olona ny safidy fa ny tompon'ireo lalana roa ireo dia Atra sy satana dia samy miezaka hamabo ny fontsika daholo ho any aminy , izay no zava-misy;aoka anefa ho tsaroantsika fa an'Atra ny teny farany amin'ny andro fitsarana ka na ianao very na ianao voavonjy , Izy izany no mandefa ny olona ho any amin'ny helo na any amin'ny fanjakan'ny lanitra amin'ny alalan'i JK ka raha ny fahalalàko ity tenin'Atra ity dia izao ; ny fanahin'ny olona dia tsy ho faty miaraka aminy rehefa maty izy , satana ilay mahay mamono ny tena fa tsy mahay mamono ny fanahy nefa aza matahotra azy fa aleo matahotra an'Atra izay mahay mamono ireo roa ireo miaraka satria azy ny fahefana fa ny devoly izany dia tsy manana fahefana amin'ny fanahin'ny olona izany .Izay no azo ambara fa mahereza
18. ARICO ( 15/05/2009 10:59)
[quote=fyty]
Izay fantatro no havaliko anao ry h fyty fa za moa efa naniry koa araka ny voalazako ny ho any ka ao Andrefanambohijanahary (3 frères) amin'ilay hotel restaurant ngezabe io no misy fotoam-bavaka isan'andro amin'ny 12h30 hatramin'ny 14h30 sy ny asabotsy tontolo andro manomboka amin'ny 9h ary ao amin'ny radio 104.2 dia misy fandaharana toriteny mahavariana foana isanandro amin'ny 6h maraina dia averiny ny hariva amin'ny 19h .Izay fa tongava soa ianao fa ny tenin'Atra dia miafina amin'izay ho very.
19. fyty ( 18/05/2009 09:02)
Misaotra an`i ARICO fa afaka namonjy fotoambavaka ny fiangonana vahao ny oloko aho ny sabotsy teo, tena nahita zava baovao aho tany, rihana 2 feno olona fa tsy omby ny 1. Tena mivavaka am fony zareo ao, aiza no misy mivavaka maraina am 9 hatram 4Hariva, lava be fa ny nahafinaritra na tsy zatra anzany ary aho maivana be aho nivoaka tao, tsy tsaroako akory ny andro sy ny ora. Fa vao nivoaka tao kosa aho loa d nataoko mahamay le gastro pizza teo soanierana Hi Hi. Tsy misy hoe pause sakafo zany tany mantsy. Misy mifady hanina mintsy ary zareo ao tam io. Ary nambaran`ilay Pasteur Hery Tiana lehiben`izy ireo mintsy ary fa tsy clientelisme no ataony fa ny hamonjy olona mila fanafahana. Tsy hitaona anao hiala am fiangonanao aho hoy izy fa afaka mankany ianao am fotoana izay tianao, tsy misy teritery izany, hizara aminao ny sitrapon`Andriamanitra sy ny fitiavany no ataoko eto, sao d misy mametraka fanontaniana hoe raha sitrana ato zay zany d tsy maintsy mivavaka ato? zay no azoko nozaraina tany fa refa afaka mankany aho d manatrika indray. Misy sujet de priere foana hataon zareo ao isan-kerin`andro. Ny am sabotsy ho avy izao momba ny telephone portable, satria misy olona hono tsy maneno io telephone io raha tsy olona hilaza loza na hitaky trosa, zavatra ratsy foana. Azo atao tsara ny manapaka izany amin`ny alalan`ny vavaka.
20. fyty ( 18/05/2009 09:10)
Misy vavaka fanasitranana foana ao amindry zareo ary maro ny olona nositranin`ny Tompo nijoro vavolombelona tamin`io andro io. Nisy toe javatra 1 nampihomehy ahy holazaiko: nisy olona 1 refa mandeha izy dia mandroso mihemotra ohatra ny foza orana niditra tao fa vita ny fotoampivavahana hariva dia tsy nihemotra intsony izy fa mandroso mora foana. Ifonako fa tsy ny aretina no nampihomehy ahy fa ilay nijery azy. Misaotra ny Tompo fa mahay manasitrana izy. raha izaho manokana manentana antsika aho mba ahita ny fivavaky ny olona hafa vao mitsara fa aza manaiky ataon`ny devoly fitaovana hanaratsy nefa tsy nahita akory. izy no azoko zaraina taminìny sabotsy 1 iny fa d mahereza daholo manaradia an`i Jesosy.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0082