Mitoera ao amiko, ary Izaho hitoetra ao aminareo.

1. tywa68 ( 10/05/2009 10:28)
Zany no hafatra ho antsika androany, ahoana no hatao mba hitoerana ao Aminy ?

novalian'i tywa68 ny 22/05/2009 12:39
2. ni81 ( 10/05/2009 11:04)
Zany no hafatra ho antsika androany, ahoana no hatao mba hitoerana ao Aminy ?
manaraka izay toro-heviny!
3. bor2lais ( 10/05/2009 17:17)
tywa68:

Zany no hafatra ho antsika androany, ahoana no hatao mba hitoerana ao Aminy ?


Mety ho ity angamba :
http://www.baiboly.org/toko.asp?boky=IJAONA&toko=3&andininy=18-24&dika=
indrindra ny andininy 23 (sy 24)
4. tywa68 ( 11/05/2009 04:53)
Misaotra anareo namaly ny fanontaniako :wink:
Ty no vakiteny natao omaly, ary io no antony nametrahako ny dinika :
http://www.baiboly.org/toko.asp?boky=JAONA&toko=15&andininy=1-8&dika=



5. coopsal ( 11/05/2009 07:54)
BOR2LAIS>> Raha araka an'i Jesoa Kristy dia ireo mihitsy, le andininy 23-24.

tywa68 >> "Raha miray amiko hianareo, ka mitoetra ao anatinareo ny teniko". fa raha vakiana mitohy kely fotsiny io dia tonga amin'itsy nampitain'i bor2lais itsy.
"Raha mitandrina ny didiko hianareo, dia hitoetra amin'ny fitiavako, tahaka ny nitandremako ny didian'ny Raiko sy ny itoerako amin'ny fitiavany." [Jaona 15:10].

Afaka manontany ve aho ? Raha tsia dia aleo hijanona eo ny fanontaniako. Raha eny, dia samia mitondra ny fahafantarany :
"Izany no ankalazana ny Raiko, mba hamoazanareo be ka ho tonga mpianatro hianareo."[and. 8]
Fa tsy efa ireo mpianany ve ireo niresahany ireo, koa nahoana no mbola hoe "ka ho tonga mpianatro ianareo" ?
6. tywa68 ( 11/05/2009 08:31)
Coopsal : inn moa no olana mametraka fanontaniana ! taoko mitady ny marina dhl isika : jereo fotsiny fa na samy mamaky sy maheno ilay toko sy andininy aza d mbola hafa ny fandraisana an'ilay hafatra :lol:
Ny Fanahy ao amintsika no ahafantarana antsika hoe mpianatr'i Kristy zany, ka d mahereza @ fitadiavana ny tena Fanahy Masina : ny fankatoavana ny didy napetrany sy ny fitiavana ny hafa no anombohana an'izany. :wink:
7. bor2lais ( 11/05/2009 11:49)
coopsal:

"Izany no ankalazana ny Raiko, mba hamoazanareo be ka ho tonga mpianatro hianareo."[and. 8]
Fa tsy efa ireo mpianany ve ireo niresahany ireo, koa nahoana no mbola hoe "ka ho tonga mpianatro ianareo" ?

---
Raha ny fandraisako azy dia misy "voa" hamantarana ny mpianatry ny Tompo :
http://www.baiboly.org/toko.asp?boky=JAONA&toko=13&andininy=34-35&dika=
8. Mirananirina ( 11/05/2009 12:34)
ahoana no hatao mba hitoerana ao Aminy

rehefa tonga ny fahafatesana
9. coopsal ( 11/05/2009 13:38)
Mirananirina >>> Par expérience ve no ilazanao an'io sa hevitrao manokana sa tenin'iza ? Azo antoka ve ny source ? Raha eny, inona no antoka ho anao fa izay no marina ?
10. bor2lais ( 12/05/2009 12:27)
Ary ahoana ny fandraisantsika ilay andininy faha-2 :

"ny sampany rehetra eo amiko izay tsy mamoa dia esoriny; fa ny sampany rehetra izay mamoa kosa dia amboariny [dioviny], mba hamoa bebe kokoa."

Fantatra amin'ny voany ny hazo hoy ny fitenenana, araka ny fandraisantsika azy, inona io voa mahafaly ka tadiavin'ny Ray amintsika io ?
11. tywa68 ( 12/05/2009 15:41)
Mirananirina:

ahoana no hatao mba hitoerana ao Aminy

rehefa tonga ny fahafatesana

Miandry sisa an'ilay fahafatesana zany fa tsy manao n'inn :lol:
12. tywa68 ( 12/05/2009 15:46)
bor2lais:

Ary ahoana ny fandraisantsika ilay andininy faha-2 :

"ny sampany rehetra eo amiko izay tsy mamoa dia esoriny; fa ny sampany rehetra izay mamoa kosa dia amboariny [dioviny], mba hamoa bebe kokoa."

Fantatra amin'ny voany ny hazo hoy ny fitenenana, araka ny fandraisantsika azy, inona io voa mahafaly ka tadiavin'ny Ray amintsika io ?


Ny fandraisako azy d tsy ho very zay mahalala manantona Azy fa raisiny foana na d nanondrana sy tokony nariany aza, ary "hamoa bebe kokoa satria dioviny", zany hoe hihatsara sy ho mendrika an'ilay antsoina hoe mpianatr'i Kristy, satria mahay mitondra tena sy teny arak'ireo didy napetrany :lol:
13. booboo ( 12/05/2009 20:36)
Tywa68 > efa nihantona Izy f'aza ahantona intsony ! hihihihihihihi.
14. tywa68 ( 13/05/2009 04:51)
:-D :-D zah ngah no mieritreritra hoe omboy =)) =))
15. coopsal ( 15/05/2009 08:20)
tywa68:
ahoana no hatao mba hitoerana ao Aminy ?

==> "Izay mihinana ny nofoko sy misotro ny rako no mitoetra ao amiko, ary Izaho kosa ao aminy." [Jaona 6:56]
16. coopsal ( 15/05/2009 09:08)
tywa68:
ahoana no hatao mba hitoerana ao Aminy ?

==> "Izay mihinana ny nofoko sy misotro ny rako no mitoetra ao amiko, ary Izaho kosa ao aminy." [Jaona 6:56]
17. bor2lais ( 15/05/2009 12:14)
coopsal:

tywa68:
ahoana no hatao mba hitoerana ao Aminy ?

==> "Izay mihinana ny nofoko sy misotro ny rako no mitoetra ao amiko, ary Izaho kosa ao aminy." [Jaona 6:56]

----
Dia tohizantsika hatrany ary :
"Dia ahoana indray ary no hihinanana ny nofoNY sy hisotroana ny raNY ?"


18. ikaretsaka ( 16/05/2009 23:10)
KOmonio zanako ... komonio!
19. bor2lais ( 19/05/2009 12:13)
ikaretsaka:

KOmonio zanako ... komonio!


--> Toa mistery loatra izy izany mompera an ! ...
20. coopsal ( 19/05/2009 14:30)
tywa68:
ahoana no hatao mba hitoerana ao Aminy ?

coopsal:

"Izay mihinana ny nofoko sy misotro ny rako no mitoetra ao amiko, ary Izaho kosa ao aminy." [Jaona 6:56]

bor2lais:
"Dia ahoana indray ary no hihinanana ny nofoNY sy hisotroana ny raNY ?"

==> "34 Ary hoy ireo taminy: Tompo ô, omeo anay mandrakariva izany mofo izany.
35 Hoy Jesosy taminy: Izaho no mofon'aina; izay manatona Ahy tsy mba ho noana, ary izay mino Ahy tsy mba hangetaheta intsony.
"
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0724