Peta-toko ny HAT

21. mihitsy ( 11/05/2009 06:36)
[quote=hery]

ka ny mahatonga an'io be loatra ny mpamingana ny hat de ze manome solution tonga de noraiketina
maninona nareo zao raha mba nanome solution fa tsy critique sy tsy fankasitrahana no nataonareo, fantatra zao ra8 fa tsy hotafaverina instony de mbola izy ihany no arovanareo? fantatra zao fa nanao zava-dratsy teto am firenena izy de mbola harovana sy lazaina ho olombelona mandia tany?, satria misy tombo-tsoanareo ve taminy?
de zao M/skara no mihinana ny fatiny!, ny malagasy no mijaly noho ny fitiavan-tena diso tafahoatra
isika rehetrra no hiara-hizaka ny vokany
zahay moa e, nareo ve any an-dafy hafa ny zavatra iainanareo any!
22. ravonjison ( 11/05/2009 09:45)
Noue:

izay no nahatonga an\'ity eee
http://forum.serasera.org/?rub=dinika/message&msgid=m4a02f0a136a12

@ fomba ahoana moa no azo hilazanzareo oe hamisy latsaky ny 40% ny kilao ny vary nefa ny varinzareo aza mahatratra 8250 Ariary ny kilao ?? Ka raha 1500 Ariary ve ny vidim-bary 1 kilao dia mbola ho sahiny ny mivarotra azy à moins de 40% de leur valeur actuelle. ????






Mazava ihany ilay resaka vary saingy ny sasany no mampisavorovoro ilay izy.
Hoezahiko atolotra ny hevitro:
- 8250 A ny kilaon\' ny vary ao Arabie saoudite.
- Ry zareo Arabo mampanantena fa ho mora á 40 % ny vidiny eto amintsika, izany hoe 4950 A.

I Arabie saoudite tsy mamboly vary , noho izany possibilité telo no mety ahazoana io vidiny mora io :

1- manondrana vary i Arabie Saoudite, ka io vary aondrany io no alefany atý.Rehefa esorina ny frais de tranport sy douane dia mety miheny marina ny vidi \'ilay vary.

2- tsy maintsy misy subvention ao fa raha tsy izany tsy afaka midina ilay pris.

3- mety vary eto dago ihany no ezahiny ho varotana eto. Izany hoe tsy misy ny frais de transport sy douane.

4- ampiarahina ny tranga 1 sy 2

Comentaire:
- tranga faha 3 : izay angamba tsy ho possible satria nahoana no olona avy any ivelany no hivarotra ny vary eto antoerana, tsy aleo ve tonga dia ny gasy ihany no vivarotra izany @ gasy.
- tranga faha 2 : iza no hanome ilay subvention ( vola avy aiza ?). Raha ry zareo arabo no hanome ilay vola dia inona no antony ? Mazava izany fa tsy maintsy misy takalony ao .Ary inona ilay takalony ? Mety vola maloto no ampiasaina ao.

Tranga faha 3 : possible hihena ny vidin\' ny vary saingy ny olana dia izao : maninona no tsy isika no mividy ilay vary directe ohatra avy any Chine, fa maninona no vidian\' i Arabie Saoudite izay vao ho vidintsika ?
Ity tranga fahat 3 itý dia mampiseho fa noana , kentrina sy adala ny malagasy ka azo adalaina toy izay ( araraotin\' ireo anabo izany) ,tsy misy saina sy hazon-damosina hanaovana lalam-barotra ky ny arabo no hikarakara izany.

Noho ireo voalazako ireo dia hita zavatra ratsy sy tsy marimpototra io resaka varyio. Tsy adala akory ry zareo arabo ka hanome vola ho antsika tsy misy antony, misy zavatra maizina ao !!!!
Isika gasy indray dia mahantra sy noana ka araraotin\' ireo arabo izany. Aiza ve dia ry zareo no hividy ilay vary dia avy eo varotany amintsika indray. Tena fanalikána olona izany. Azontsika ny mifampiraharara direct @ Chine,ohatra.
Ankoatr\' izany dia ilay orin\' asa tsy dia mazava ny momba azy . Raha orin\' asa ara-dalána izy dia tsy maintsy misy papier mazava ary tsy maintsy manome ny mikasika azy @ inernet. Raha tsy izany dia resaka maizina koa io ( betsaka ny orin\' asa mpisoloky aran-tany).

Raha izao aloha no tonpon\' andraikitra @ izany dia tsy miditra @ io resaka vary io mihitsy aho. Matoa i HAT miditra @ io dia misy antony tsy mazava koa izany. Midika izany fa tokony hitaky fanazavana ny vahoaka ka tokony ho lazaina marina : inona marina moa no tian\' ireo olona ireo hatao ? ( ny HAT sy ny arabo).
23. reeves ( 11/05/2009 10:53)
Mazava ho azy fa tsy maintsy peta-toko ny zavatra ataon`ity HAT ity . Tsy misy Firenena hafa mety hifampiraharaha aminy tsinn dia voatery manao ireny fihetsika ireny mba ho entina milaza hoe misy ihany antokon`olona manaiky hifampiraharaha aminy , izany hoe PUBLICITE ohatran`ny mahazatra . Ankoatran`ilay resaka mety ho fanodinana vola maloto avy amin`ny drogue ( Reseau Afghanistan) dia karazana fiantsiana ataon`ny HAT amin`ny Communauté International ( indrindra fa i Etats Unis) ny fiarahana miasa amin`ireo Reseau maloto mikarakara ny terrorisme-Trafic d`armes - Drogue , izay miara-dalana foana matetika . Eo no tiako hisarihana ny sain`i Patrick2002 satria hoy ianao hoe \" ka raha vola hahasoa ny gasy , maninona moa na vola maloto aza \" . Loza mitatao ho antsika ny fiarahana ombon`antoka amin`ny reseau Drogue - terroriste satria i Madagasikara dia anisan`ireo Firenena vitsy tsy nahitana izany h@ zao aloha ka tsara dieny mbola tsy misy fifanarahana dia atsahatra haingana izany . I Madagascar dia destination touristique nety tsara saingy betsaka ny concurrent mitady hanimba an`izany ( ohatra i Maurice ) aty amin`ny Ocean Indien . Mba fantatrao moa fa manana URANIUM isika malagasy . Raha tonga eny am-pelatanan`ireo Mpanao Trafika maloto ireo izany dia inona no mety ho voka-dratsiny ? Na ianao ihany aza d`efa afaka mamaly an`izany satria ataoko fa fantatrao tsara ny event 11 septembre . Zay aloha fa lava loatra !
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2527