FPVM sy TGV

1. Rafahafahana ( 09/05/2009 05:08)
Ahoana ny hevitrareo mikasika ny FPVM sy ny TGV. Mety hiaraka ve ny fivavahana sy ny politika?
répondu par nofinofy le 24/05/2009 12:43
2. RavakaN ( 09/05/2009 06:29)
Slt! amk manokana ts tokon iark mits ny fivavaana sy ny politik,mato miark ry zareo dia sarin-tsarimpivavaana no ataon.angamb mis bizn ao @tgv d las miark ry zareo.
3. aikon ( 09/05/2009 07:09)
miarahaba ny rehetra ary mirary sioa ihiany koa
ny zavatra tsara ho fantarina sy ho faritana alohan'ny hamaliana ny fanontaniana mandeha eto dia tsara raha fantariana aloha ny dikan'ny teny hoe politika sy ny teny hoe finoana
ny atao hoe politika dia rindra sy lamina izay hoentina anatanterahana ny fotokevitra iray na fiananan'ny mpiarabelona ihiany koa. izay izany raha bangoina tokana
ny fivavahana
ny fivavahana dia hevitra na fandresendahatra ho amin'ny fahatsapana ny maha olombelona sy n y zavatra ilain'ny maha olombelona ohatra ny olombelona dia voajanahary ho miara-monina, mifampiankina kanoho ireo ohatra roa ireo dia tsy maintsy mitady vahaolana ny olombelona mba afahany miara miaina sy mifanampy ka noho izany dia namorona lalana izy ireo mba afahana mifamehy sy mandrindra araka ny filan'ny tsirairay .
raha dinihina tsara ireo voalaza eo ambany ireo dia toa mifamoiankina izy roa ireo
ka noho izany tena afaka miaraka sy tokony hiaraka mihintsy ny politika sy ny fivavahana satria samby vaholana ho any'ny fiainan'ny zanak'olombelona no votoatin'ny tanjon'izy ireo
fanamarihana
ny politika akory tsy midika hooe fanambakana araka ny fieveran'ny sasany
tahaka ny nataon'ny mpitondra teo aloha mody hoe mpiandry nefa zavatra hafa no ao ambadika ao ohatra ny fanidiana fiangonana izay andry sy fototra
amin'ny fanabeazana ny tanora sy ny firenena izy ireny ka ammiko nainona antony dia tsy tokony ho akatona ny fiangonana fa avelao ny olona hisafidy izay fiangonana sy fivavahana tiany atao fany olombelona dia mila an'Atra
4. xxx ( 09/05/2009 08:11)
Fa satria ve averina nisokafan'ny HAT ny FPVM izay nakaton'ny fitondrana nisy teo aloha dia midika ve fa miaraka izany?
:x

Tsy ny filoha teo aloha ve no tena manafangaro ny resaka fivavahana @ politika? :x :x :x
5. locl ( 09/05/2009 08:16)
Rehefa tsy mahita hatao ny TGV dia tokony hipetra, io ihany no nazahoan'ny mpitondra teo aloha critique dia ioihany no averina....s fomba azaoana kil???ary mba mitonantonana koa ny FPVM raha miditra amin'izany
6. sapele ( 09/05/2009 09:24)
Ny FPVM{Fiangonana Protestanta Vaovao eto Madagasikara}de tao @ FJKM no nivoaka nohon'ny fitoriana samy manana ny azy,ary efa neken'ny fiobe protestanta era-tany ny fiorenany, nefa de nakatony mpitondra teo aloha izy io.Mba napalahelo ihany ny nahita ireo vahoaka maro tsy nahazo nivavaka tao @ fiangonana izay nahoriny nadritra ny taona maro,Angamba hitanareo ny hafalian'izy ireo teny @ kianjabe Mahamasina,tsy hiafanomezan-tsiny ny tsirairay ra samy mamaonjy ny fiangonana tiany ary fantany fa mahasoa ny fanahiny,Ny FPVM de manao FITORIANA fa TSY MANAO POLITIKA,ary raha misokatra ny FPVM ankehitriny de izay no sitrapon'ATRA,ary na iza naiza Filoha eo de tiany sy entiny am-bavaka foana.ka raha hitanao mivavaka eny @ FPVM ny TGV de tadidio fa izay no safidiny ara-panahy ary fantany fa mila entina am-bavaka izy matoa tonga eny.
7. xxx ( 09/05/2009 10:30)
Fanasana no nandehanan'i HAT teny fa tsy @ maha-FPVM azy,
sady na hivavaka any moa izy maninona e, nga tsy azon'ny mpanao politika atao ny mivavaka e? any no mba tiany hivavahana ary koa, any no hitany fa mety ahitany sakafom-panahiny
Sa reefa manao politika de tokony tsy hivavaka??

Ny manafangaro politika @ fivavahana tahaka ny nataon'ny mpitondra teo aloha no tsy mety,
Efa politika no toerana nosafidianao, tsy hitonatonana hitady toerana any @ resaka fivavahana ianao, fa tsy midika akory izany hoe tokony tsy hivavaka izy,

8. deric ( 11/05/2009 06:13)
Tsy hitako ny hanamarinana fa niditra amin'ny politika ny fivavahana na ny fivavahana no miditra amin'ny politika.
Raha nakaton'ny fanjakana teo aloha ny FPVM, izany angmba no mety hisy tantara hanamarinana fa resaka politika no nanakatonana azy, satria firenena lahika isika ary tsy mandrara ny fiorenan'ny karam-piangonana, nefa dia iny moa no zava-nitranga.
KA raha mampihatra ny ao amn'ny lalam-panorenana ny HAT dia inona no hilazana azy ho mampifangaro ny politika sy ny fivavahana. Amiko dia fanajana ny ao amin'ny lalam-panorenana izany ary fanajana koa ny fahasamihafana.
Sao dia mba fialonana ny FPVM kosa no mahatonga izao tsanga-kevitra eto izao.
Tsy FPVM aho akory, tsy HAT koa fa heveriko fa rariny ho an'ny HAT ny mamela mamalaka ny fivavahana izy.
Ny mamhavoa antsika gasy anie dia samy midedaka ho Kristiana daholo nefa mpanenjika sy mpanaratsy ny hafa e!
9. coopsal ( 11/05/2009 08:51)
Rafahafahana:

Ahoana ny hevitrareo mikasika ny FPVM sy ny TGV. Mety hiaraka ve ny fivavahana sy ny politika?

==> Raha ny fiainan'ny Malagasy, na dia araka ny tantara hita aza dia toa niaraka foana izany fivavahana sy politika izany raha tsy diso aho, ilay fomba fivavahana sy izay nivavahana no tena tsy nitovy.
Raha manontany indray ianao hoe, sitrak' Andriamanitra ve izany ? Ny tenin'i Kristy tadidiko izao dia izay nolazaiNy fony izy teo anatrehan'i Pilato hoe "tsy eto amin'izao tontolo izao ny fanjakàko". Fa tadidiko koa ilay nangalana fanahy an'i Jesosy hoe "Ary nasehon'ny Devoly Azy ny fanjakàna rehetra eran'izao tontolo izao, ary hoy izy hoe `ahy daholo ireo rehetra ireo` ...".
10. coopsal ( 11/05/2009 09:02)
aikon:

raha dinihina tsara ireo voalaza eo ambany ireo dia toa mifamoiankina izy roa ireo ka noho izany tena afaka miaraka sy tokony hiaraka mihintsy ny politika sy ny fivavahana satria samby vaholana ho any'ny fiainan'ny zanak'olombelona no votoatin'ny tanjon'izy ireo

==> Raha samy ilaina sy miaraka ireo, moa ve mitovy lanja sy toerana sa inona no tokony havesa-danja kokoa ? Haka ohatra aho, ao @ fanamboarana trano iray, samy ilaina na ny biriky na ny ciment, na ny vato na ny hazo na fitaratra. Kanefa ireo rehetra ireo tsy ary hitovy toerana sy importance avokoa, ary tsy mitovy isa (tsy tahaka ny pâtisserie ka misy hoe 4 quart).
Ohatra metimety kokoa angamba, ny architete sy ny ingénieur sy ny manoeuvre dia samy ilaina ao @ fanaovan-trano, fa iza no important kokoa ?

Koa iza ary no important kokoa, ny politika sa ny fivavahana ?
11. xxx ( 11/05/2009 12:43)
DINIKA MANDRERAKA BE ...................
12. coopsal ( 11/05/2009 13:05)
xxx:

Fa satria ve averina nisokafan'ny HAT ny FPVM izay nakaton'ny fitondrana nisy teo aloha dia midika ve fa miaraka izany?
:x

Tsy ny filoha teo aloha ve no tena manafangaro ny resaka fivavahana @ politika? :x :x :x

++> Nampahatsiaro ahy anle dadabenay FPVM izay ity. Hoy izy hoe "afaka tamin'ny fangejan-dRavalomanana izahay".
Hoy aho hoe "Ravalomanana na mety ho nangeja aza tsy ho mandrakizay".
Nahatsikaritra zavatra vitsivitsy aho:
1- Tsy voagejan-dra8 izany zareo, ny trano be no nakatona, ny anarana noravana ara-panjakana, fa ny fivondronam-bavaka afaka nataony, ary vao mainka nampitatra izany satria au lieu de niangona tao @ trano mitokana, lasa nisy manerana ny rehetra!
2- Ravalomanana nofo aman-drà, ary raha mpianatr'i KRISTY dia "tsy mitolona amin'ny nofo aman-drà, fa amin'ny fanahy ratsy miely eny amin'ny rivotra". Maro no faly satria afaka t@ gejan-dRavalomanana, fa maro koa no mbola voagejan'ny fitiavan-tena, fijangajangana, fifampiandaniana, ... sns. Ravalomanana eto an-tany ihany fa tsy maharitra mandrakizay, fa ireny toetra ratsy ireny kosa dia miteraka loza mandrakizay.
13. coopsal ( 11/05/2009 13:15)
sapele:

Ny FPVM{Fiangonana Protestanta Vaovao eto Madagasikara}de tao @ FJKM no nivoaka nohon'ny fitoriana samy manana ny azy,ary efa neken'ny fiobe protestanta era-tany ny fiorenany, nefa de nakatony mpitondra teo aloha izy io.

==> Dia rehefa ao an-danitra ve mety hiara-monina ny FPVM sy ny FJKM sa tsia, raha tsy nahay niara-nonina izy teo fa samy naka ho azy ?

sapele:

Mba napalahelo ihany ny nahita ireo vahoaka maro tsy nahazo nivavaka tao @ fiangonana izay nahoriny nadritra ny taona maro,

==> Mampalahelo kokoa ny mahita olona tsy afaka mivavaka raha tsy ao amin'ny antokom-pinoana na trano na toerana iray voatokana ... nefa Andriamanitra manerana izao rehetra izao.

sapele:

Angamba hitanareo ny hafalian'izy ireo teny @ kianjabe Mahamasina,tsy hiafanomezan-tsiny ny tsirairay ra samy mamaonjy ny fiangonana tiany ary fantany fa mahasoa ny fanahiny,

==> Tsy hitako ny tao Mahamasina, tsy afaka hanome tsiny aho satria arakaraka ny itsarako no hitsarana ahy koa.
Raha toa ka ny anarana na ny fombam-piangonana no mety hahasoa ny fanahiny fa tsy ilay Namorona ny fanahy, izy ihany no ho menatra ka tsy hahajoro eo anoloan'ilay Mpamorona ny fanahy.

sapele:

Ny FPVM de manao FITORIANA fa TSY MANAO POLITIKA, ary raha misokatra ny FPVM ankehitriny de izay no sitrapon'ATRA, ary na iza naiza Filoha eo de tiany sy entiny am-bavaka foana.

==> Nino izany ny FPVM fa matoa nikatona izy teo dia izay no sitrapon' Andriamanitra, tahaka ilay hisokafany indray izao. Ary nitondra am-bavaka ny Filoha Ravalomanana ny FPVM, tahaka ny itondrany am-bavaka ny Filoha Rajoelina ankehitriny.
14. diamondra27 ( 13/05/2009 08:17)
f'angah tsy nisy sary

alefaso ny lien e
15. rina1982 ( 13/05/2009 08:55)
Bjr daoul ry reto a!
Zao alou e!Na TIM io na TGV ze mety heritreretin'ny maro fa izao i TGV tsy niteny t@ io fotoana io,fa juste oe manankaja ambony nasain-dry zareo FPVM.Raha marihiko tsara ny taloha de isaky ny mande na sendra asaina ny filoha teo aloha de tsy maintsy mikabary foana izy.Ny loza de le aimpanahin'oul no simbany satria betsaka ny tetika oeti-miadin-njy zareo mpanao politika @ren oul ren e!Mba sitrany hahay manatombo isa ny vato refa hisy fifdianana ndray;
Moa tsy ataony fitaovana ve am'zany ny fiangonana?????
Saingy TGV alo hatreto tsy nanao izany,nandray ny fanasana izy ary tsy nanda fanasana zay no maha-kristianina e!!!!!! :lol:
Fa raha niteny reny ny Pasteur tao de zay no itany am maha ouln'Atra azy.
16. rasobakobako ( 14/05/2009 06:32)
Ny dikan'ny politika efa voalaza etsy ambony, fa ny fivavahana dia fifandraisana amin'Andriamanitra, fanankinana aminy ny fiainana, fanaovana Azy ho loha laharana, fametrahana Azy amin'ny avo indrindra @ fiainana, ao anatin'ny fo.

Noho izany, amiko dia mety ary tokony ampiarahana ny politika sy ny fivavahana, satria raha mivavaka marina ny mpanao politika dia hatahotra an'Andriamanitra izy ka tsy hamafy lainga (toy ny ataon'ny mpanao politika malagasy rehetra tsy ankanavaka, tim, tgv, arema, sns... tsy misy milaza ny marina na dia iray aza)

amin'izay fotoana izay dia mba mety tsy hi-sonner mal @ sofitsika intsony ny teny hoe "politika"

Momba fivavahana indray dia tsy tokony hifampitsaratsara ny fiangonana rehefa tonga any an-danitra tsisy fanontaniana hoe FPVM io sa FJKM sa katolika sa sns ...

Izaho tsy hilaza hoe miangona aiza fa ny important amiko dia ny finoako fa Jesoa Kristy no Tompoko sy Mpamonjiko ary mino ny Ray Zanaka Fanahy masina aho.

Andao avela any ny fifanomezantsiny fa andao isika hifampivavaka, sy hifamela e!

17. nofinofy ( 24/05/2009 12:43)
deric:

Tsy hitako ny hanamarinana fa niditra amin'ny politika ny fivavahana na ny fivavahana no miditra amin'ny politika.
Raha nakaton'ny fanjakana teo aloha ny FPVM, izany angmba no mety hisy tantara hanamarinana fa resaka politika no nanakatonana azy, satria firenena lahika isika ary tsy mandrara ny fiorenan'ny karam-piangonana, nefa dia iny moa no zava-nitranga.
KA raha mampihatra ny ao amn'ny lalam-panorenana ny HAT dia inona no hilazana azy ho mampifangaro ny politika sy ny fivavahana. Amiko dia fanajana ny ao amin'ny lalam-panorenana izany ary fanajana koa ny fahasamihafana.
Sao dia mba fialonana ny FPVM kosa no mahatonga izao tsanga-kevitra eto izao.
Tsy FPVM aho akory, tsy HAT koa fa heveriko fa rariny ho an'ny HAT ny mamela mamalaka ny fivavahana izy.
Ny mamhavoa antsika gasy anie dia samy midedaka ho Kristiana daholo nefa mpanenjika sy mpanaratsy ny hafa e!

Io mazava:
Nailika(nampihorohoron ary noroahina avy eo) ny filoha dy ny filoha mpanampy FJKM PT Lala sy Ravalomanana
Natoro'i Odon hevitra i Andry hanokatra amin'ny fomba manetriketrika ny FPVM mba hidestabilisena ny FJKM
Nodorana ny fiangonana FJKM sasany any amin'ny faritany
Mivoy mafy ny tetezamita ny radio katolika rehetra eran'ny Madagasikara
anjaranao ny manohy azy
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0634