Ravalo vs Baolina kitra

1. xxx ( 07/05/2009 06:10)
Alahelo tsy homby tratra, nanganohano, fiareta-tory tsy nisy voninkazo. Izany no nahazo alina. Eny, ekeko tokoa fa na dia ny fijalian-dramalagasy amin'izao vano-potoana izao aza dia adinoko tanteraka nadritra ny 92mn teo ho eo, nanomboka tamin'ny 93 ème minitra kosa dia ohatry nisy tsato-kantsy avy any aoriana any. Resy CHELSEA. Resy ny lehilahy. Resin'ireto espagnole ndoza ireto, BARCA zany no anaran-dry zareo. Resy ny lehilahy. Resy nohon'ity arbitre.

Baolina kitra ihany va hoy ianao ka aza tomany. Tsia, mitovy tahak'izany koa ny politika, rehefa tsy misy sy tsy mijoro amin'ny maha-izy azy ny olona tokony hampiatra ny lalàna dia lasa baranahiny ny tanàna.
novalian'i rhina ny 21/09/2009 05:40
2. rhina ( 21/09/2009 05:40)
mamangy ny fahoriana zany e
@ taona manaraka ndray manarina e!!!!
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3492