Misaotra an'i fijo @ fahasahiana milaza ny marina...

1. Oay ( 07/05/2009 04:53)
27. Mpandefa : fijo [ Valio ] 06-05-2009 23:23:28
Lohateny : Re : fijo
hoavliako tokoa ary dia sahy milaza aho eto,fa tena misy zavara marina ireo voalzan'i falyfenosoa ireo.

ny fanontaniana aloha hoe iza,no tena tomponandraikitra voalohany tamin'ireo fanangonana hazo marobe,dia tsoriko eto ,fa isany (tsy hilaza aho hoe izy no tomponandraikitra voalohany)fa izy dia niray tamin'ireo metisy sinoa nanangona ireo hazo ireo.ny filoha ravalo izany.

ny tsy arak'i faly fotsiny,dia i zoky no tsy nety nanao sonia ny famelana ny hanondranana ireo hazo ireo.na di anotambazana vola be tokoa aza.(amina miliara) no vola nanambazana azy hanovany sonia io famelana ny hazo hivoak aio,fa tsy nety nandray izy,ary efa nomeny ny bianco ny anaran'ireo olona ireo tamin'izany.fantratr'i zoky tsara koa fa i ravalo dia tafiditra tamin'io resak aio,fa efa nifanarahana fa matoa izy manaiky hiditra ao anaty governema dia tsy mila telefonia fanelanelanana.ary tsy sahy nanao io fanelanelanana io ravalo,satria fantany fa avy dia hiala i zoky raha manao an'io izy.

tsy fantar'i faly koa,fa ny tenanay dia notambazana vola be.(trano iray no nanambazana ahy)hanao fanelanelanana tamin'i zoky fa za tsy nety satria fantatro tsara fa tsy hanaiky izany mihintsy izy.ary tsy eken'ny saiko koa rah aahondran aantsokosoko ny haren'ny mada.

ny filazana hoe very fihinana i zahay na i zoky no diso eto,satria izy na izahay dia tsy nihinana teo.ary amin'izao fitondrana HAT izao,dia mbola namana akaiky roa no mbola namana ao.ka rah afihinana no resahina na izao aza hafaka mihinana izahay rah atianay izany,fa tsy voataiza tamin'izany izahay ka hialana tsiny.
rah amisy fanontanian ahafa alefaso,fa amiko tsy raisiko fanalan abaraka ahy rah azavatramarina no lazaina.


Mialatsiny @ antsika izay somary mifanditra @ i fijo raha toa ka maneho izao fisaorana an'i fijo toa izao i Oay.

Misaotra an'i fijo i Oay satria tsy niafina izy fa nasehony ny PS-ny d novaliany tokoa i falyfenosoa sy essera!

Mazava izao ny resaka satria efa ilay concerné no mamaly ary d'une manière très explicite.
novalian'i xxx ny 08/05/2009 22:13
2. falyfenosoa ( 07/05/2009 05:15)
Efa novaliako ihany ny fanazavan'i fijo ary isaorako azy manokana izany, satria tsy noraisiny ho fanalam-baraka araka ny fiheveran'ny sasany ny zavatra navoakako, ny tenako ihany koa tsy mpanely tsaho na hamorona ny tsy misy.

Raha izao zava-misy nolazain'ny fijo izao, ary amin'ny maha mpahay lalàna azy ihany koa dia tiako ny mametraka izao fanontaniana izao.
-Moa ve tsy fieritreretana hangalatra no nataon'i Ravalomanana sy ireo sinoa voalazan'i fijo ireo(tentative de vol), ary enjehin'ny lalàna manankery izany. Sa rehefa olona ambony dia tsy azo akarina fitsarana?
-Harem-pirenena ary manana ny sandany manokana ireo hazo ireo, ary matoa fijo nanaiky fa anisan'ny notambazana vola dia tsy ara-dalàna izany.
-Inona no antony mbola ilazan'ny sasany fa tsy marina ny fanodikodinana hazo nataon'ny mpitondra teto madagasikara satria dia anisan'ny mahalala tsara an'izany i fijo.
-Raha tany amin'ny firenen-kafa ireny toa an'i etazonia na frantsa dia efa nametra-pialana tamim-pahendrena ny filoham-pirenena raha izy no nanao azy, fa tsy andrasana haongana akory.
Noho izany, atsaharo ny filazana fa noforonina ireny teny Amboanjobe ireny, ireny tany sambaina ireny, ny tany Ankadikely sy izay mbola hiseho.

Isaorako manokana i fijo nanambara ny zava-misy marina.
3. xxx ( 07/05/2009 05:18)
Fa angaha moa elah ry oay mila maka 19 @ fijo raha hilaza ny tena mba hitanao tany é,
I fijo anie leity efa misy sariny ato é, fa elah be resaka tsy misy hazon-damosina ty mba iza?
elah mantsy milaza te hiditra gouvernemanta io no nilaza hoe hanao totondry ,toa mitovy loha @ reo capsat ihany ianao izany ry oay,tena ambany fisainana fa mila mandini-tena aloha
Ary raha resaka hazo io dia mitohy le kilalao ratsy ao fa misy tsy voalazanao ny tena marina na ninia tsy lazainao
4. falyfenosoa ( 07/05/2009 05:24)
Hatramin'izao aloha ireo hazo dia mbola eny Ambohibao, ary anisan'ny miandry ny fanaovana tolo-bidy an'io izahay, raha toa ka misy amin'ireo mpitondra HAT ireo mitady fomba hafahafa dia izaho no voalohany hamoaka izany.
5. xxx ( 07/05/2009 05:28)
oay=falyfenosoa kobo le marivo fisainana klé :-D :-D :-D :-D
Eto elah mandoka an'i fijo nefa ao ambany ao vao teo nivadika falyfenosoa de mody vendrana ,mitady hiteny rery koa ty bandy ty klé, sao ary tsy zakanareo le politika ry tsamy,
ny tiako lazaina lesy dia hialao koa ty fomba fihatsarambelatsihy ty fa ejah ihany no foteran'io
6. Oay ( 07/05/2009 05:43)
XXX a! Tsy mila maka 19 araka ny nolazan'elah @ fijo i Oay fa kosa tsy maintsy deraina izao zavatra ataony izao.

D jereo ny fomba hamalian'i Faly an'i Fijo feno fifanajana hita hoe olona nahazo fanabeazana t@ ray amandreniny.

Momba ny hoe mitovy @ CAPSAT tokony hofantatr'i XXX aloha fa officier superieur ireny olona ireny izany hoe manana ny mahaizy azy eo anivon'ny tafika.

Tsy laviko ary efa nolazaiko teto fa TSY TIAKO NY MIFANAMBANIMBANY sy ny MIFANOMPA satria tsy nobeazina t@ izany izahay, fa ny zavatra nomen'ny Ray amndreninay anay d izao :MIANARA d TSY MAINTSY MANAO ART MARTIAL iray satria TSY AMPY NY FAHAIZANA HIAROVANA NY TENA raha misy mamono tampoka.

Mialatsiny @nareo vevavy izay mamaky an'ity forum ity ny tenako raha milaza ity zavatra ity : IZAHAY RAHA VAO TRATRA MIFAMPANOMPA @ ankizy d VOAKAPOKA i dada satria toetrambavy ny mifanompa sy mifanambany araka ny voalazan'i dada fa ny lehilahy rehefa mifanazava ka tsy misy resy lahatra d na RAVANA ILAY DINIKA na MIfanao Totohondry fa tsy mifanasa vangy.

Mino aho fa mba olona cultivé i XXX ary manaraka vaovao d manaova recherche google d jereo ilay vidéo an'i Sarkozy miantso an'ilay tatsambo hihidina hanao totohondry iny! Tadidio fa olombelona ny mpanao politika fa tsy extraterrestre ka rehefa mihoatra ny loha ny fanambaniana sy ny ompa atao anazy d mahateny hoe izy: CASSE-TOI POV CON!
7. xxx ( 07/05/2009 05:50)
Tsy Sarkozy akory ny réference ry oay ary tsy ny Capsat ihany koa fa raha oay ianao mamaly dia tsy nolaviko fa marina saingy mivadika falyfenosoa ianao refa mody be marenina ka maninona moa raha oay ihany tsisy mahamenatra izany fa tsy mody hoe mialatsiny @ essera é, sy ny vehivahy é, inona moa no dinikao @ zany é, dia ialao tsiny koa zay olona omaly nilanao ady zany ho haingana
8. ari.malala ( 07/05/2009 05:55)
Momba ny hoe mitovy @ CAPSAT tokony hofantatr'i XXX aloha fa officier superieur ireny olona ireny izany hoe manana ny mahaizy azy eo anivon'ny tafika.
Uh???? officier supérieur manao fomba barbarianina ts manaja ray aman-dreny? n'inon'inona mety hadisoana vitan'ny olona iray, ilay taona efa mandroso sy ny volofotsy no tokony jerana! Reny toetran cdt Charles reny v d mba mety? tena hoe manao hazalambo... amizay tsy izy irery! jereo kely any anaty gazety sy blog n'ny namana rehetra any fa misy vavan'ireo capsat ndoza arovanao ireo hoe refa zareo no mihetsika tsis manome ordre ary tsy misy mahafehy na d i tgv aza! zany d in no mahaizy azy amizany? tsy manaja hierarchie? pfff mba alefa lavitra ny saina fa tsy otran soavaly k mitampimaso d ny eo antendron'orona iany no hita ramose a!
9. xxx ( 07/05/2009 06:18)
Tsy miana eto an-toerana le oay ty ,ve sa tsy hitanareo ve reny toetran'ny miaramila bekitana nefa ny vatatay aza mbola tsy manao an'zany fomba izany akory!!!
Marina tanteraka ny zavatra voalazanao io ry ari-malala,
Efa betsaka ny vaovao notaterina teto izay fa raha mba mpandinika ianao ry oay dia tsy sahy hiteniteny foana toa izao
Raha mba nihaino ireo zoky olona tao @ HAT i Andry dia efa niakatra fitsarana miaramila daholo ireo "manam-boninahitra" @ oay ireo,indrisy mantsy fa lasa tampohina le mahazo seza tsy zaka
Alefaso ny fifidianana mba tsy haharitra ty famoretana ty
10. Oay ( 07/05/2009 06:24)
ari.malala:


soavaly k mitampimaso d ny eo antendron'orona iany no hita ramose a!



ari.malala a! mandehana mba jereo kely izay nolazaiko t@ andro nisamborana an'i Manandafy d ho fantatrao ny eritreritro momba an'i Cdt Charles.

Elah lesy ry XXX d mampimé jereo n'elah :
06:53:59 za mametraka lohahevitra noho izany d bloqué aloha ny IP-ko, mandritra ny adiny iray angamba izy izay raha tsy diso za, tsy afaka mampiditra hevitra vaovao!
07:29:58 i falyfenosoa mampiditra hevitra vaovao raha mitovy izany i Oay sy Falyfenosoa d tsy tokony hi-passer ilay hevitra nalefan'i falyfenosoa satria tsy ampy adin'iray ilay fotoana nandefasako hevitra sy ilay nandefasany ny azy!


11. xxx ( 07/05/2009 06:31)
Tsisy handany andro hijery zay voasorat'elah zany lesy eo ,aza kamo betenda eo fa avereno eo zay voasoratra any ,mba manaova toa ny olona rehetra,tsisy mahamenatra izany

Fa aza mody adala eo elah leisy a,
elah nampiditra dinika

faly fenosoa mamaly hevitra
tsy misy bloqué zany fa elah aza mivarotra saka beloh
12. xxx ( 07/05/2009 06:40)
Ary tadidio fa raha mpiova ps elah dia olona maramara saina izay

raha samy ps hafa no entin-drangahy hanokafana hevitra dia tsisy bloqué io
ny iray oay ny faharoa falyfenosoa ny fahatelo essera
kobo koa lety le paiso lahy ty klé
oay=essera=falyfenosoa

mbola manao lohana tgvendrana ihany efa tsisy ntsony ny manohana an'io mantsy dia manao ps manabetsaka tena ato fotsiny ry le paiso lahy reto
13. essera ( 07/05/2009 06:52)
Aza mitaptap ry xxx. Zah mpetraka tsara aty no ampidirinao amin'ny resakareo.
1/- Ny hampitovizanao anay telo ireo angamba dia samy tsy MANKASITRAKA AN-DRA8.
2/- Tsy mitovy velively ny fomba fanoratanay sy Oay fa ny azy + analyse e manadala, ny ahy mahitsy kokoa ary tsy dia mitady zavatra lavitra.
3/- falyfenosoa manana hevitra milay dia tsy revenao satria resiny ianao rehefa miresaka.
4/- Ianao xxx io mihitsy no tena xxx = xxx = xxx
:@ = :@ = :@ . zany hoe esory alou le sarotava koa alohan'ny hanitrikitrihinao olona fa manendrikendrika nefa tsy sahy miseho na dia ps fotsiny aza.
14. xxx ( 07/05/2009 06:56)
Hay ve ato ndray essera ary lasa manopa be tsy hitran-ny taloha
Ny dinika leity resahana fa elah ty diso sujet foana
15. falyfenosoa ( 07/05/2009 08:47)
Sanatria izany hiovaova anarana izany.
Ny tenako efa nandalo izany miaramila izany zandary no marimarina kokoa.
Mahalala ny zavatra tsy eriteretinareo ho fantatra akory aho raha ny resaka mikasika ny fitondrana Ravalomanana. Efa niaina ny tamin'ny 1972 na mbola zaza aza, niaina ny 1991 sady zandary rahateo, niaina ny 2002, ary mbola niaina ny 2009.
Anisan'ny tsy nanaiky izay fitondrana nijoro teto ka nanao tsinontsinona ny vahoaka fa nameno paosy fotsiny na dia mbola teo am-perin'asa aza tamin'ny naha zandary ny tena. Ny iderako an'i fijo dia ny fahasahiany nilaza fa marina izay nosoratako.
Hoy fijo:
raha misy fanontaniana hafa alefaso,fa amiko tsy raisiko fanalana baraka ahy raha zavatramarina no lazaina

Izay fanekena ny marina izay no tsy nisy teo amin'ny mpitondra malagasy, tsy manaiky diso, tsy mihaino izay fanakianana atao azy, ary ny tena loza dia tsy manaiky fanakianana. Izany no niainana tamin'ny andron'ny Ravalomanana, nefa izany no antony nampirodana izay mpitondra nifandimby teto nanomboka ny 1972.
16. zoky ( 07/05/2009 09:42)
Oay: za ve zany tsy nety nanao sonia ra Oay? :)
17. razily1 ( 07/05/2009 10:05)
izao no tokony hamaranana azy

Tsy azo atao intsony ny miresaka tim sy tgv fa samborin ny capsat. tokony ampiakarina ny vidin entana satria ny vahoaka no nametraka an i tgv teo ary ny vahoaka ihany no tsimaintsy iharan ny fiakarambidy donky aza mimenomenona. Izay tsy faly ndana manao fitarainana any amin ny capsat ary raha vao vita ny fitarainana dia hosamborina ianao. Ry zoky tony koa moa miredirediredy sa maninona fa angaha misy olana raha manao sonia i Oay. I falyfenosoa aza mba efa mitonotena toy ny kisoa dia mbola tsy faly ihany ny tim, odiany mahay tantara eo nefa manao copier coller no betsaka. Tsara koa ilay fiantsiana satria raha tsy misy izay dia manjary tsy misy adihevitra. Ny ahy aloha efa nahazo seza izao ka dia tsy raharahako intsony izay hifamonoan ny malagasy eto.

- Tokony hovonoina i manandafy atao exemple ho an ny capsat satria misy element incontrolable ao.
- Ampidinina ny gradin ireo jeneraly sy colonel tsy mandray andraikitra sy manao politika
- Gadraina izay tsy manaiky ny hevitrin ny hat
- Hilamina ny tanana rehefa mivoaka daholo ny miaramila afaka mandroba
- alefa exil i roindefo sao mikomy ny tandroy avy any antsimo
- alefa ao la reunion i rajoelina sao de vonoin ilay miaramila mafy be iny rehefa tsy mahazo vola izy
- handefasana mercenaire hampijaly an dra8 fa tsy hamono (terroriste arabo no tsra)
- tsondromina insuline i ratsiraka mba ho overdose
- amidy i tananrivo fa maloto be loatra
- amidy i nosy be sy sainte marie satria efa vahiny sisa no any fa mpiasabe ny gasy kely sisa hita any

Ho hitanareo fa ho tanteraka ireo fa aza maika. Ny miaramila no matanjaka satria azy irzeo ny fitaovampiadiana.
Rehefa ho fantatr izy ireo ny dikan ny hoe ''pouvoir'' dia tsy asiana fifidianana eto madagasikara
aleo aloha mihinambola sy mangataka budget d'aide amin ny firenena hafa mba ahafahana mampitombo ny harenan olombitsy
Rahonana ireo vahoaka izay miseho miteny

Ho velona kely imadagasikara


:* :* :* :* :* :*
18. fijo ( 07/05/2009 20:21)
ny fanontaniana hoe tsy nangalatra ve ny filoha raha nanao izany resaka hazo izany.amiko dia tena trafika izany ary isan'ny zavatra tsy nekeko tamin'ny fitondran'i ravalo.
ianareo eto mantsy manafangaro foan any hoe "mpomba ny aradalana,sy ny tiom"ny tenako di amomba ny aradalana tompoko fa tsy tim.
ny tenako dia tsy momba be fahatany izay rehetra nataon'i ravalo.fa ny tsy ekeko dia ny fomba nanesorana azy.
amiko ny tokony natao ,di anandrasana hisy ny fifidianana dia teo vao natao izay naharesena azy,ary di anotsaraina izy tamin'izay tsy nety nataony.fa tsy izao fomba misy ankehitriny izao.

faly,ireo hazo noresahin'ise efa tafavoakandry zalahy at yivelany va otonga teo n yHAT ,fa efa hazo hafa ireo ao ambohibao ireo.
19. ari.malala ( 08/05/2009 06:18)
amiko ny tokony natao ,di anandrasana hisy ny fifidianana dia teo vao natao izay naharesena azy,ary di anotsaraina izy tamin'izay tsy nety nataony.fa tsy izao fomba misy ankehitriny izao
marina sy mitombina! efa maro ny olona no mimenomenona @ ts mety ataony, k noho izany sur à 100% fa t sho lany intsony iz na hahay hangala-bato toy ny in aza!
20. fijo ( 08/05/2009 22:03)
izay mantsy,ny fifidianana maire teo dia efa nahitana fandravan'ny fitsarana ny halabato maro nataon'ny TIM,ka izay no tokony nandrasana.ary rah aniandry an'izay ireo fa tsy maimaika toa izao,maro no nomba azy.izao lasa ny mpomba an dravalo no miha mahazo vahana,ary rah amisy fifidianana eo dia ravalo sy pierrot no tena matanjaka,ka inona moa izany fa tsy ny efa zatra le zavatra no hifandimby eo????
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0373