Ny "numero cachE" reefa manao appel

1. mmmhh ( 06/05/2009 14:26)
Ohatra ny mba lasa kely ny saiko @ ireny fampiasana ny numero cachE ireny,
Tsy fantatro aloha ny anareo any an-dafy e, nefa hinoako fa mety mitovy @ aty Dago ihany, ...asa ...
Ny eritreritro Dia tokony mba olona voatokana no afaka manafina numero fa tsy izao reetra te hanafina de manafina daholo,
Ohatra ny lasa fitaovana fi-menacer-na olona, na hanompana olona ilay fanafenana numero,
@ io tsy azonao fantarina ilay niantso, nanompa, nandrahona anao, na ho eny @ agence (Orange , Zain, Telma) aza ianao, na de ny ainao aza no ambivotra @ le izy, tsy azony hatao ny manome an'ilay laharana niantso anao, (Sata mifehy ny asany izany),
Tokony mba hasiana sanda manokana, na ampiakarina ny cout d'appel reefa manafina numero ilay olona fa ny ankamaroan'ny olona manafina numero dia ireo voalazako etsy ambony etsy ireo,

asa ahoana ny hevitrareo ???
novalian'i mmmhh ny 12/05/2009 06:47
2. Ralay ( 06/05/2009 15:43)
Torohevitra tsotra no azoko omena anao dia aza raisina ny appel-ny rehefa tsy miseho ny numero.
:lol:
3. ni81 ( 06/05/2009 15:54)
Torohevitra tsotra no azoko omena anao dia aza raisina ny appel-ny rehefa tsy miseho ny numero.
koa na dia tsy ho raisina aza ny appel ange afaka milaza izay tiany ho lazaina ao ihany ilay olona miantso e!Re eo foana ilay fandrahonana sns
4. Tazana ( 06/05/2009 17:39)
Miezaka mitandrina mafy hoe iza no omena ny numéro anao. Azo atao koa ny milaza hoe tsy hiseho anaty annuaire ny numéro anao. Azo atao sur ''do not call'' liste national (ohatra aty Canada io, pejy nataon'ny fanjakana ka tsy mahazo miantso anao ny télémarketer sy prospecteur). Ka @ farany olona fantatrao ihany no manana ny numéro anao. Raha tsy hoe iny no nanome olona hafa. Tsy hita fa zay ilay lafy ratsiny raha azo lazaina hoe lafy ratsy ny teknolojia sy fifandraisana. Mora ny ifandray fa mihasarotra kokoa ny mihazona ny fiainanao tsy voaenlingelina fa na dia efa lasa 18.000Km zao aza ianao mbola misy mahita foana na mahay hoe ahoana no hi-joigner-na anao...Tsy mahita solution loatra za fa dia zay choix mbola misy no atao aloha fa dia ny aza tratrany ihany no azo hirariana.
5. ari.malala ( 07/05/2009 06:26)
Miova numero d zay olona tena akaiky iany sisa no omena ilay vaovao!

Ni81, refa tsy raisina ilay appel am fomba ahoana akia no andrenesana ilay fandrahonana? sa maneno @ sonnerie hoe zao zao zaozao? :-D :-D
6. mmmhh ( 07/05/2009 10:28)
tazana:
Miezaka mitandrina mafy hoe iza no omena ny numéro anao.

Ny ahy aloha tsy ny olon-drehetra no manana ny numero - ko e, fa mety le olona manana ny numero-nao koa anie no manome an'le numero-nao @ olon-kafa e,

ari.malala:
Ni81, refa tsy raisina ilay appel am fomba ahoana akia no andrenesana ilay fandrahonana? sa maneno @ sonnerie hoe zao zao zaozao?

Rah Orange sy Telma (Aty Dago no resahiko) de tsy manana choix enao fa renvoyer automatique any @ messagerie vocal ny appel reefa tsy raisina, rah tsy hoe angaha desactiver-na le izy, nefa ndraindray misy ilainao ny msg vocale nao,

Ny mahagaga ahy taloha, t@ mbola Madacom (Zain taloha), mandoha vola manokana ny olona iray reefa hisafidy ny hanafina numero, sady misy renseignement maromaro alaina vao afaka manao izany izy, no mi-signer engagement izy, hoe tsy hampiasa ny fanaovana numero cacher @ tsy tokony hampiasana azy sns....
Tokony mba haverina @ zay le izy ...
7. imeva ( 07/05/2009 14:01)
Ny hitsikitsika hono tsy mandihy foana. Tsy aleonao ve mahafantatra fa misy olona mila anao ho faty ahafahana mametraka fitarainana any amin'ny polisy voaloha?
Matory retsy misy manopa na misy mandrahona izany dia nisy tsy nety nataonao a.
8. ni81 ( 07/05/2009 16:55)
Ni81, refa tsy raisina ilay appel am fomba ahoana akia no andrenesana ilay fandrahonana? sa maneno @ sonnerie hoe zao zao zaozao?
ka na dia tsy raisin-dry aza ange akia ny telefaonina dia afaka mametraka message ao foana ilay olona raha toa ka te hametraka e! . :)
9. ari.malala ( 08/05/2009 05:37)
ni81 hihih hay marina mou @ alalan messagerie vocale! nenà mants ts transferé afats maty zay ny tel na occupé d mi sonner libre eo zan refa ts raisina, d ts niserana tao antsaiko le hoe mametraka message :)
10. mmmhh ( 08/05/2009 12:42)
imeva:
Matory retsy misy manopa na misy mandrahona izany dia nisy tsy nety nataonao a.

marina zany fa ndraindray koa misy olona "pour le plaisir" fotsiny ny hanaovany azy,
Zah aloha mbola tsy misy nanao an'zany hatram'zao , fa ny olona manodidina ahy no efa nisy e, fa mandreraka le izy ka,
Hayyyyyy efa nisy ka, fa mety namako misary adala ihany le izy fa ry zareo tsy te - hiteny, fa le izy tsy nandrahona fa mananihany mandreraka be,

Nisy ramatoa izay ndray mandeh tao @ agence zain, nitalaho mafy nitomany fa tsy nomen-dry zareo mintsy le numero niantso an'le olona e,

Ny tiakoo tenenina dia tokony mba hasiana fepetra le izy, na olona voatokana no tokony hampiasa azy,

11. Mirananirina ( 10/05/2009 11:20)
eritreritro Dia tokony mba olona voatokana no afaka manafina numero fa tsy izao reetra te hanafina de manafina daholo,
Ohatra ny lasa fitaovana fi-menacer-na olona, na hanompana olona ilay fanafenana numero,
@ io tsy azonao fantarina ilay niantso, nanompa, nandrahona anao, na ho eny @ agence (Orange , Zain, Telma) aza ianao, na de ny ainao aza no ambivotra @ le izy, tsy azony hatao ny manome an'ilay laharana niantso anao, (Sata mifehy ny asany izany),
Tokony mba hasiana sanda manokana, na ampiakarina ny cout d'appel reefa manafina numero ilay olona fa ny ankamaroan'ny olona manafina numero dia ireo voalazako etsy ambony etsy ireo,

asa ahoana ny hevitrareo ???

amin'izao fotoan izao efa misy ny tél tsy mandray n°privé.
raha manao ratsy izy ,afaka teneninao ny opérateur-nao hijery sy hanome anao hoe:iza io
12. ni81 ( 10/05/2009 11:26)
amin'izao fotoan izao efa misy ny tél tsy mandray n°privé.
raha manao ratsy izy ,afaka teneninao ny opérateur-nao hijery sy hanome anao hoe:iza io
ny fixe eto frantsa dia betsaka no tsy mandray n° privé.
13. mmmhh ( 12/05/2009 06:47)
mirananirina:
amin'izao fotoan izao efa misy ny tél tsy mandray n°privé.

zany zao tsara be, rah mba tonga aty Dago zany de mba jerena rah takatry ny tsenanay,

mirananirina:
raha manao ratsy izy ,afaka teneninao ny opérateur-nao hijery sy hanome anao hoe:iza io

Tsy aty Madagasikara izany, Mety ho azonao ilay numero, fa mbola tantara be manaraka ny arabe,
Na dia ianao tompon'le numero nantsoin'le privee aza no mankany tsy homeny zany e, fa rah tsy hoe manao plainte any @ polisy na zandary enao, dia ry zareo no mankany @ le operateur, na manome ttasy manokana avy any aminy hangataka an'le numero cachE vao mahazo ianao, nefa ela vao azo an,
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.4266