zaza be fandeferana loatra
1. ari.malala
(
06/05/2009 10:05)
Hono hoa, ahaona no anovàna ny toetran'ny zaza diso be fandeferana loatra? Ilay lahimatoako mantsy tsapako diso be fandeferana loatra, na zaza zandriny aza migafy anazy ts mba mamaly izy. Any am-pianarany any izao misy ankizy mitaky vola aminy foana hono fa tamzareo nandeha nilasy tany Tamatave t@ herintaona d nasain'ilay ankizy niambina ny kapany ny zanako, dia nanaiky izy fa hoe vetivety iany fa izy koa mba hilalao, ary rehefa nandeha nody dia tsy tadidin'ilay ankizy intsony izay nasiany sy nametrahany ny kapany ary ny zanako no tereny handoa 25000 aminy... Tsy sahy nandà ilay zanako ary mandoa ilay vola tsikelikely @ gouter sy ny frais ny angamba raha azoko tsara. (Efa hihaona @ mpampianatra azy sy ny prefet d'étide ary ny tonian'ny scout aho momba ilay fitakiana vola) fa ilay hanovàna ny toetran-janako diso mandefitra loatra ka manjary araraotin'ny olona no ilàko hevitra azafady. Misaotra mialoha.
novalian'i Djhamhal ny 05/06/2009 14:56
2. tafondro
(
06/05/2009 11:49)
Ny finiavana hanova ao anatinao aloha no voalohan- dàlana tsy maintsy hatomboka araka ny hevitro , dia ampianaro manavaka ny valeur 'ny zavatra manodidina azy izy fa ny tsy fahalalàny ny tokony ho fitondran- tena manoloana ireo namana manodidina azy dia isan' ny mitarika blocage mental rehefa ela ny ela raha tsy voaharaka eo amboalohany, izany dia adidy tsy maintsy iandraiketan' ny RAD rehetra . Tokony hamporisihina koa izy mba hanary dia @ lalao isankarazany iraisany @ ny ankizy hafa , mba hahatsapany fa mila mampiasa ny adrenaline ny ankizy andalam- pitomboana ,ary mila mifampikasoka sy mifanandrina @ ireo namany ,ka ahatsapany ny momba ny tenany ara- tsaina sy aram-pahaizana ary ara- nofo . Ilaina miaraka @ izany ny fitenenana azy mba tsy hihoam- pefy tsindraindray
3. ari.malala
(
07/05/2009 06:18)
tafondro, misaotra namaly. Azonao azavaina bebe kokoa ve azafady ny tianao tenenina?
4. soanja
(
07/05/2009 14:06)
ari.malala:
tamzareo nandeha nilasy tany Tamatave t@ herintaona d nasain'ilay ankizy niambina ny kapany ny zanako, dia nanaiky izy fa hoe vetivety iany fa izy koa mba hilalao.
Amin'ny fanabeazana izany dia misy kilasina fivoaran-jaza jerena foana mba hahatomombana ny fivoatrany araka izy azo atao.
Isan'ny kilasy iray ny antsoina hoe socio- emotional na fihetsem-po ara-piarahamonina. Ka io dia miantomboka lalandava amin'ny fianarana fahaleovan-tena dieny mbola kely zany hoe zaza 1 taona sy tapany izy dia efa zarina hahalala an'io ary dia mitondra amin'ny ny fahalalana ny fetra amin'ny tenanao sy ny fetra hifandraisanao amin'ny hafa.
Ireto avy no fomba hampianarana azy hivoatra amin'io.
- fampianarana azy fa mahazaka tena izy fa tsy voatery miankin-doha amin'ny hafa na amin'ny lafin'ny zavatra ilainy ary ny famahana olana. Zany hoe raha misy ankizy miseho hibetrobetroka aminy na hampihatra hery na ara-tsandry na ara-tsaina aminy. Dia mila efa mahafantatra ny lalana rehetra izy hoe inona avy no atao. Toy ny hoe mitsangana mijoro tsara ary miteny hoe : " Tsy anjarako ny manao an'izany. Na tsy anao ity fa ahy!. Na tsy azonao amin'izany aho fa tsy tiako ny manao izany!" zany hoe tokony tsy hiaina ao anaty tahotra na hisalasala ny zaza fa mahalala hoe raha misy mi-forcer azy hanao an'izao dia reto avy no dingana manaraka. Mampilaza ny mpampianatra, mampilaza an'i Neny ary ireo dia manana fahafahana manampy ahy. Fa alohan'izay anefa dia ny TENY no tsy maintsy hijoroany ho matanjaka ara-tsaina izy manoloana zaza iray na olana iray. Mahatsapa hoe inona no anjara vitany ary inona no ilana fanampiana avy amin'ny hafa. Izay koa ilay lazaiko indray mandeha iry hoe mila hampianarina manaraka discipline izy toy ny scout dia tena efa mety fa tafiditra ao anatin'izany ny fanaovana martial art (toy ny karate, kung fu sns...) satria ilainy ny mahay self-defense raha sanatria ka misy manararaotra izy, indrindra izy lahikely. Mampiakatra ny fahaleovan-tena sy mahaizy ny zaza io ary manome azy hery hijery tsy amin-tahotra ny miara milalao aminy. Misy ny zaza manao an'io anefa dia tia herisetra saingy ny olana amin'izany dia tsy ilay zaza velively fa ny centre mampiofana sy mampianatra ny zaza no tsy ampy discipline hamehezana ny atao hoe "fiainana tan-dalana sy manara-penitry ny fiaraha-monina"
- Io koa anefa tsy mandeha irery fa mila ny fiarahan'ny rehetra miara mirohitra manangana izany avokoa. Mila mampianatra ilay zaza zandriny izany izy hoe na indry hoe " Mila miandry ianao fa mbola manao izao aho." na dia telo minitra fotsiny aza ny fiandrasana mba hianatra mahandry tantana izy kely ary mahalala mamehy ny fitiavany hahazo zavatra na fanampiana eo ho no eo. Ohatra hoe raha kilalao eny an-tanan;ny zoky no itomanizan'ny zandry dia mila mahalala ny tsirairay hoe an'iza ny kilalao ary iza no mitazona azy. Raha iraisana dia hoe "Efa aty an-tanako ity ary efa milalao aho fa miandry zany ianao! rehefa mahavita aho dia anjaranao indray!" ka na hitomany hivazavaza eo aza ilay raika kely dia tsy omena azy mihitsy nyy kilalao raha tsy mahavita ilay voalohany. Eo dia mianatra ny fetran'ny tenany ny manana kilalao sady mamahy olana miteny mazava , moa ny iray mianatra mahandry tantana sy toro ary faharetana. Mila atomboka dieny mbola kely tokoa io toetra faharetana io fa tsy andrasana efa lehibe vao tenenina sy atoro azy fa sarotra be ny hanaiky an'io ny olombelona rehefa zavatra mahazo eo no ho eo izay tadiaviny. Raha misy ny fimenomenomana dia tenenina mihitsy hoe " Ny fiainana dia faharetana avokoa no betsaka!" I Neny koa izany dia mila lalandava mampianatra hoe " Andraso vetivety aloha fa mbola manao an'.... i Neny" na dia zavatra efa vonona eo aza fa mody asaina miandry izy mba hahalalany hoe hay misy ny fiandrasana amin'ny fiainana fa tsy mandray vonona lava ary misy ny fiafiana. Ny hafa koa mila mahalala hoe tsy araraotin'ny hafa lava ny tenanao fa manana ny mahaizy ianao ianao ary afaka mijoro noho izany satria misy ny lalana afaka manampy anao manohana izany fahaleovan-tena izany raha sanatria misy ny manararaotra.
Tohizako amin'ny manaraka!
ps: tena marina tokoa ireo voalazan'i Tafondro ireo hoe manomboka lalandava ao anaty ilay izy vao misandrahaka amin'ny hafa.
5. lagrosse
(
07/05/2009 15:26)
ari.malala:
Hono hoa, ahaona no anovàna ny toetran'ny zaza diso be fandeferana loatra? Ilay lahimatoako mantsy tsapako diso be fandeferana loatra, na zaza zandriny aza migafy anazy ts mba mamaly izy. Any am-pianarany any izao misy ankizy mitaky vola aminy foana hono fa tamzareo nandeha nilasy tany Tamatave t@ herintaona d nasain'ilay ankizy niambina ny kapany ny zanako, dia nanaiky izy fa hoe vetivety iany fa izy koa mba hilalao, ary rehefa nandeha nody dia tsy tadidin'ilay ankizy intsony izay nasiany sy nametrahany ny kapany ary ny zanako no tereny handoa 25000 aminy... Tsy sahy nandà ilay zanako ary mandoa ilay vola tsikelikely @ gouter sy ny frais ny angamba raha azoko tsara. (Efa hihaona @ mpampianatra azy sy ny prefet d'étide ary ny tonian'ny scout aho momba ilay fitakiana vola) fa ilay hanovàna ny toetran-janako diso mandefitra loatra ka manjary araraotin'ny olona no ilàko hevitra azafady. Misaotra mialoha.
Mampalahelo be ny ankizy tahakin'ny zanak'i Arimalala izany ary sarotra ny solution. Mora ny manao théorie fa ny manao azy no mazana be. Azavao azy fa tokony hilaza ny zavatra mitranga aminao izy, mora anefa ny miteny an'io fa sarotra aminy ny manao azy, otran'ny tsy mi-existe mihintsy enao fa mora influencé-n'ilay namany izy, izany hoe tsy dia manana personnalité. Miova izy rehefa lehibe. Betsaka ny zaza manao an'izany fa araho maso daholo ny namany. Tazano lavitra. Raha vao misy fihetsiny miova satria somary miova kely ny fihetsiny ao antrano raha vao misy zavatra hafahafa any de mba mailo ary ataovy izay ahafantaranao ny zavatra nitranga. Tokony ho fantatrao tsara izany ny zanakao fa raha vao hafahafa izy dia ao raha. Ataovy fantatrin'ny namany rehetra @ presence-nao fa eo foana ianao, tonga de any ianao no mihetsika aloha. ny olana mantsy dia tandrohany koa ilay zaza tsy hilaza aminao.
Mazoto
6. ari.malala
(
11/05/2009 05:41)
Misaotra betsaka nanoro sy nanampy.
lagrosse, fantatro tsara ny zanako ka :) izany aza no nahatonga ahy nanontany azy hoe fa misy problème angaha t@ ilay izy nipipy ampandriana... Ny momba ilay resaka tandrotandroka sy fitakiana vola aloha efa niravina, satria efa tafaresaka t@ mpampianatra azy aho, tafaresaka t@ mpampianatra ilay ankizy mitaky vola aminy, tafaresaka iany koa t@ cheftaine nitondra an-dry zareo tany an-dasy t@ herintaona, ary efa voateny lay zalahy. Ny hanovàna ny toetran'ilay zanako @ tsy hatahotahotra sy tsy ho be fandeferana loatra itnsony indray izany izao no tanjona manaraka. Misaotra hatrany, ary miandry ilay tohin'ny fanazavan'i Soanja ;)

7. tywa68
(
11/05/2009 06:19)
Marina dhl ireo voalazan'ny namana ireo : fa ianao reniny koa no mila mampiseho azy ny fihetsika hiatrehana ny manodidina, satria rhf tsy mety d tsy mety ho an'ny rehetra fa tsy hoe ny zanako mody tsy jereko, nefa manondrana.
Ilay zaza zany ny ray amandreniny no modely hitany voalohany aloha, ary matoa izy manao toetra ohatran'io d mety hitany teo aminareo zany, na tsy avy hamaly izy fa tsy tia polémique, na tsy te hitory @ olondehibe, satria efa lasa aloha ny menace... mitombo miaraka @ fahamatorany ny toetrany e !rhf leo ny tsindry tsy mendrika d mitroatra ny farany. Jerena akaiky zay manadala azy, sady mody atao hoe zaza saina koa anie iny e :wink:

8. soanja
(
12/05/2009 01:50)
Misy dingana (ady sy avotra) ny fiainan'olombelona rehetra mandeha amin'ny taona ka ny azy dia amin'ity no iasany mafy.
Manaraka ireto no hitako azo ampiharina mandrapahalalako ny zanakao tsara.
Fanantanterahana zavatra / fahavitrihana mahavokatra vs Fahatsiarovan-tena ho ambany mihoatra amin’ny hafa. Anelanelan-taona 8-11 taona na zaza amin’ny EPP faramparany. Mianatra manao zavatra araka izay izy/mety ilay zaza na vita tsara mifanandrina (vs) amin’ny zavatra hitany any amin’ny namany/hafa. Eto zany ny zaza mavitrika amin’ny fifaninanana.
Ny tiana hahatongavana:
• Mahafantatra sy mampandefitra ny tahotra ao anaty ary marisika hatrany na izany aza satria manana tanjona ary mahalala ny lalana mifehy ny fiaraha-monina amin'ny iainany.
• Mahalala ny tsy fitoviana amin’ny nofinofy sy ny zavamisy ary miatrika ny zavamisy.
• Mametraka tanjona ary manangana petra-dalana arahina sy rindran-daharam-pahamehana mafonja.
• Mandinika ny tetikasa amin’ny ho avy ka mahalala fa ny safidy androany dia misy fiantraikany amin’ny ho avy.
• Manavaka sy maka safidy ny fanarahana tsy tapaka ny tanjona sy ny soatoavina.
• Manisy fetra sy fefy ny fiainana na amin’ny tian’ny saina atao na ny hafa mifandanja amin’ny tanjona.
• Miteny tsy misy ahotrahotra izay tiana hitranga aminao sy ny fanirianao.
• Miezaka mahatoky tena sy manana fijery anao manokana ny zavamisy.
Ireo ambony ireo ny tanjona tiana hahatongavana vao hijoro hampiseho ny momba azy ny zaza iray ka tsy hanaiky hararaotin’ny hafa.
IRETO AVY NY FOMBA ENTINA HAMITANA AZY IREO:
NY TENY DIA MANAN-DANJA ARY MAHERY VAIKA REHEFA MIARAKA AMIN’NY HETSIKA SY TSANGANANA MIATRIKA TSARA.
- Ampianarina foana izy hijery tsara ny maso roa hoan’izay miresaka aminy. Mitsangana tsara fa tsy miolanolana na mivilivily ny maso ary mahateny izay tiany havoaka vao mahazo miala amin’ny resaka vetivety na elaela. Anontaniana mihitsy hoe mbola misy tianao tenenina ve ? Afapo ianao amin’ny valin-teny na resaka?? Raha tsy afa-po izy dia hoe aleo rehefa malalaka indray manohy? Oviana, aiza?
Resahina amin’ny mpanabe azy ny toetrany any an-trano ary omena ny mpampianatra ny stratejia iatrehany izany amim-pitoniana any ampianarana
- izay tsy inona fa ny fanomezana ny zaza fotoana handray fitenenana sy hiatrika ny mason’ny namany tsy amin-tahotra. Manala tahotra izany no atao. Io dia tsara raha ao anaty asa par ekipa no anaovana azy. Amin’ny voalohany anefa dia somary tononina fotsiny ny anarany fa tsy tonga dia ampandraisana anjara fitenenanana fa rehefa elaela ao amin’ny groupy dia izy mihitsy no mandray azy hizara amin’ny hafa ny asa natao sy ny vokany. Atao somary par tour ilay fandraisana fitenenanana dia mitohy hatrany mandrapaha zatra.
- Tokony hamorona na manana kilalao na lalao misy fifaninana fahavitrihana sy misy vainga mamokatra isan-karazany ao ampianarana amin’ny samy ekipa nefa izay resy tsy akoraina ary ny mandresy tsy hobiana. Fa ny ezahina dia mifanoro ny ankizy ary mianatra mandray anjara avy ao anatiny fa tsy ny mpampianatra no manendry.
- Isaky ny zavatra atao dia ezahina ny mpampianatra mba hanoro hoe nahoana no ilaina ny hetsika toy izao. Zany hoe misy dikany ara-tsaina ny zavatra natao ary ny tiana hahatongavana amin’izany no tsara hazavaina ho azon’ny ankizy: fahavitrihana ara-tsaina, vatana, faharisihana, fahatsapan-tena fa mahavita, fijoroana amin’ny hevitra, fandraisana anjara isam-batanolona ary indrindra fifandraisana amin’ny hafa sy ny fifankazahoana na tsy mitovy aza ny toetran’ny tsirairay. Omena laharam-pahamehana izany ny fahaizan’ny rehetra mamoaka ny ao anatiny izay tsy inona fa ny heviny. Ohatra raha miteny izy hoe zah tsy handray anjara- dia mila manazava izy amin’ny namany hoe nahoana no tsy mazoto handray anjara izy? Dia ny ahafahan’ilay zaza milaza ny ao ampony hifampizarana no zava-dehibe.
- Amin’ity stratejia rehetra ity dia mila tia zaza / ankizy ny mpanabe ary vonona hanampy amin’ny fihoaran’ny zaza fa tsy karama fotsiny. (mila passion ny fanabeazana mantsy fa tsy lazonady amin’ny fiainana)
- Any an-trano indray dia isaky misakafo hariva dia tsara raha mba eo ianareo mianakavy dia sady miresaka no misakafo. Alaina tsiraidray ny mpianakavy: Rehefa hivavaka dia ovana ny mpivavaka fa tsy I Neny foana ohatra fa I Bozy kely koa mba manao isaky ny 4 andro. Dia miodina ny toro. Rehefa eo ampisakafoanana dia anontaniana tsiraidray ny andron’ny tsirairay: Nanao ahoana ny andron’I Ikoto androany? Teneno anay ny zavatra nisy tany? Dia mila mitantara izy. Raha tsy mahay izy dia taritina kely fa avela izy hamoaka hevitra? Nahoana hono??? Sy ny hoe dia ahoana ny hevitrao amin’izany? Ahoana ny fahitanao azy??? Na dia mahateny kely fotsiny aza dia efa tsara.
- Ny zaza be fandeferana LOATRA dia na izy tia mangoraka LOATRA na tsy te hiady ny zony. Koa noho izany dia ilaina lalandava ny mampatsiahy azy fa manan-jo toy ny hafa izy ary afaka malalaka mizaka izany zo izany na kely ny eo na lehibe ilay olona atrehana amin’ny firaharahana. Ny fangorahana dia midika hoe misy zavatra tsapany tsy mandeha dia mahita izy fa tsy fidiny ny zavamisy. Eo dia misy resaka fianakaviana sy ny manodidina izay mety mahatonga izany olana izany, dia satriny izy hameno izany amin’izay olona angorahany raha ao anaty fianakaviana io. Fa raha kosa tsy fangorahana dia io henatra na fanekena resy sahady na tsy fahatsapana hoe mila miady io amin’ny fiainana no tsy ampy aminy dia io izany no ezahina ampitaina aminy hoe ady ny fiainana ary mila matanjaka vao tafita. Ny saina mandinika no voalohany amin’izany ary avy eo ny fampiasana teny mafonja miaraka amin’ny vatana mijoro/ maso maranitra miatrika izay misy.
- Any an-trano dia omena andraikitra foana izy hanantanteraka zavatra ka raha vao mahavita tsara izy dia deraina na omena fampaherezana hoe tsara ny zava-bitanao; ireto avy no tena mahatonga izany ho tsara: dia tanisaina mihitsy ilay effort nataony ho nazahoana vokatra toy izany. Mila mpandinika/ matsilo maso ny manampy ny zaza fa tsy olona maika lava ka tsy hahatsikaritra detail. Raha tsy mahavita kosa izy dia omena fampaherezana ihany fa atao sandwich zany hoe dera iray, fitombohana avy eo toerana iezahana iray na ilay diso tsy vitany ary ny fahatelo dia dera famaranana fampaherezana. Tsy asiana fotoana mihitsy ny hanambaniana/ pepoana ny zaza hoe io ve de tsy vitanao sns… fa efa misy fihezahana ka! Tsy mora ny manao zavatra fa rehefa vonona dia efa tsara…. Raha manohy foana Ise dia…. , mila ezaka kely dia ao tsara sns sns…. Raha nahavita izy dia anontaniana hoe faly ve izy fa nahavita an’io na mifampitsiky ianareo hoe misy hafaliana/ fanantenana iraisana tsapany na tsy arahin-teny aza. Io koa dia mila lazaina amin’ny mpampianany hataondry zareo fahazarana ny mampiasa azy. Eto izany dia na zaza tahaky ny ahoana dia MAHAVITA AZY daholo fa tsy misy zaza atao hoe vendrana izany na hoe dondondrona izany na doma fa izy tsy tiana raha tenenina izany. Ny zaza tiana dia ampiakarina moraly foana hoe vitanao io indray andro any rehefa arahinTSIKA ezaka! Hanampy anao aho hamita izany…… Ny zaza heverina fa dondrona dia tsy tenenina izany fa hoe manana olana amin’ny fandraisana fanazavana na fahalalana. Manana olana amin’ny fianarana. Afaka miteny aho izao hoe manana olana aho amin’ny fianarana Math na fizika sns…. Mila lazaina aminy hoe aiza ny olany mba hianarany sy izehany fa tsy tonga dia mbambaray hoe voa be ianao zany!. Misy tokoa mantsy ny RAD manao izany satria tiany hahay ny zanany nefa tsy afaka amin’ny itiavany azy dia omeny an’io hampiakatra moral hono nefa indrisy fa manapepo aza io ary mahatonga fankahalana anaty . Ny RAD manao izany dia mitarika foana ny zaza hanana olona ara-piarahamonina sy fifandraisana amin’ny hafa satria lasa vao may misitrika ilay zaza tsy tazana intsony ny hatsarana any aminy.
- Ohatra tsara iray azo ampanaovina zaza amin’ny taona io dia ny mitantam-bola na manangana banky kely. Isaky ny mahavita asa goavana maromaro ao an-trano dia omena vola asa 5000 fmg ohatra. De anontaniana hoe tsara ny manangom-bola, inona avy no ampiasainao azy? Ohatrinona no tianao havory?? Dia hita eo izay heviny. De isaky ny roa volana ohatra dia manao tatitra amin’I Neny hoe inona avy no nandaniana ny vola sy nahoana no nolaniana tamin’izany? Inona no tanjona tian’ilay zaza hatao? Mila planina ny zava-drehetra noho izany dia ilaina ny fandaharam-potoana arahina amin’ny asa hatao sy vita ary ny vola niditra sns… omena lanja izany ny fotoana, ny ezaka ary ny vokatra. Mila hitany mibaribary ireo rehetra ireo fa mifandray ary mandaitra! Raha misy hadisoana vitany dia tokony hisy fiantraikany natoraly izany zany hoe na izy tsy mahazo n’inona n’inona na mihena ny vola azo arakarany. Mila lazaina aminy hoe naka fanapahan-kevitra aho fa ianao dia tsy hahazo fa …. Sns sns… dia izy mahalala fa tsy maintsy misy ambony sy ambany ny resaka fiainana fa ny ady hahatafita amin’ny ezaka no hahasamihafa ny rehetra raha tsy hoe misy ny tsara vintana. TENENINA AMINY KOA NY FISIAN’IO VINTANA IO izay iray ao anatin’ny anarivony ohatra nefa mety mitranga tokoa raha mahay mitsarika maika ny zavamisy ary amin’ny fotoana tsy ampoizina sy lavirary. Amin’ity taona ity zany ny zaza dia hahatsikaritra ny tsy fitoviana misy eo amin’ny fiainana ary milentika any anatiny izany ary misy fiantraikany aminy ny fahitany ny tsy fitoviana, fa saingy hahalala kosa izy hoe inona no tanjona ary aiza no aleha satria nomen’Andriamanitra fitaovana avy isika dia ny safidy sy ny fampiasan-tsaina ary indrindra ny fikojana ny vatana ho salama hamita izany.
Mazotoa. Raha misy fanontaniana hafa dia alefaso any amin’ny mail-ko fa tsy ho eto elaela indray aho. Misaotra Soanja.

11. ikaretsaka
(
20/05/2009 14:20)
tsy maninona ny mandefitra... fda ilay manaiky zanahina fotsiny @ zao no tsy mety..
raha nohon'ny ny rensponsabilite tsy noraisiny no nanariany ny kapan'olona dia amiko tsy maninona iznay fa mila ampianarina izy hoe izay ny kaonty an.. vita ny vint'sa dia samy afaka
fa raha tsy marim-pototra kosa tsary manaiky ahako hoe ho lasa foana ny gouter sy ny frais sns...
tsara ny tsotra fa ratsy ny vesa

12. ari.malala
(
27/05/2009 12:41)
ika, ilay izy tsy hoe irresponsabilité an-janako, fa samy ankizy te hilalao ko maninona ny zanako no ataony mpiandry ny kapany? sady efa nifampiresahana t@ mpampianatra, hatrany @ cheftaine dia tsy nahazo nanome intsony izy ka!
13. Djhamhal
(
05/06/2009 14:56)
matoa tantarainy aminao zay manjo azy dia midika zay fa tokony handray responsabilité mifanandrify @ zany enao ! satria enao zany no tokony heveriny fa hamaha ny olany ! ary zaranao aza izy mitantara an'zany fa tsy nafeniny sy nozakainy rery tany ka ny torohevitra omeko de izao : anantony le zaza manindritsindry azy dia teneno sy anaro eo imasony ary somary ampihorohoroy kely mihitsy satria tsy maintsy asehonao eo anatrehany fa vonona ny hiaro azy ianao ary izay fihetsikao zay no alainy tahaka ! ary ny tsara de tsy ampiarahina @ iny zaza iny tsony ny zanakao ! fa manjary manimba ny sainy !