fijo

1. falyfenosoa ( 06/05/2009 09:36)
Mba angatahanr'ise mba avoahy eto hoe iza no tena tompon'andraikitra tamin'ny fanangonana ireo hazo sarobidy tany amin'ny faritra avaratra? tsy dia te hitonona anarana ny tenako nefa na izany aza mba alefaso lavitra ny saina, nianatra lalàna ise fa aza dia minia mikimpy toy izao, satria ve very fihinana i razoky, tsy azo ampiasaina ihany koa nyy passport izay fampiasan'ny fianakavian'ny mpitondra teo aloha dia malahelo ianareo?
Mba jereo ihany Madagasikara fa aza diso tia tena loatra.
répondu par fijo le 07/05/2009 21:00
2. essera ( 06/05/2009 09:53)
Tratran kenda roroka fijo letié. Tonga ry se d valio phrase par phrase mihits d atambaro am le 600 milliard d'Ariary fa sasa miandry ny masikiny rehetra.
3. lemenakely ( 06/05/2009 10:11)
falyfenosoa:

Mba angatahanr'ise mba avoahy eto hoe iza no tena tompon'andraikitra tamin'ny fanangonana ireo hazo sarobidy tany amin'ny faritra avaratra? tsy dia te hitonona anarana ny tenako nefa na izany aza mba alefaso lavitra ny saina, nianatra lalàna ise fa aza dia minia mikimpy toy izao, satria ve very fihinana i razoky, tsy azo ampiasaina ihany koa nyy passport izay fampiasan'ny fianakavian'ny mpitondra teo aloha dia malahelo ianareo?
Mba jereo ihany Madagasikara fa aza diso tia tena loatra.



Tena tsy azoko mihintsy fa angaha fanalam-baraka olona toy izao no ilàna ity forum ity ? Asa aloha na marina io na tsia fa amiko tsy dia mendrika loatra ny toy izao ? Mbà mieritrereta :idea:
4. falyfenosoa ( 06/05/2009 10:49)
Tsy sanatria manala-baraka, fa moa ve mahazaka isika rehefa lazaina ny marina?
Aiza ilay atao hoe fahamarinana izay nireharehan'ingahy Ravalomanana tamin'izy vao niakatra teo amin'ny fitondrana tamin'ny taona 2002.
Anisan'ny nanantena fiovana tokoa ny tenako ary anisan'ny nanohana azy tamin'ny fifidianana ka nirotsahany ben'ny tanana, sy nirotsahany ho filohan'ny repoblika ny desambra 2001.
Saingy izay tokoa ve ilay atao hoe politika = Lainga sy fitaka ary famenoana paosy, dia avy eo minia mikipy eo anatrehan'ny tsy rariny, izany ve dia mbola ekena sy tohanana raha tena olona mivavaka ny mpitondra? Tsy mpitady seza ny tenako akory raha manakiana fa kosa milaza ny tena zava-misy izay tsy fantatry ny sarababem-bahoaka, ampy ahy ny vola miditra amiko fa raha mbola misy kosa ny tsy rariny na havako na namako dia tsy maintsy lazaiko ny marina.
Moa ve fanalam-baraka ny filazana ny marina sa dia hiray tsikombakomba amin'ny mpanao ratsy? sanatria tompoko
5. Oay ( 06/05/2009 11:19)
lemenakely:


Tena tsy azoko mihintsy fa angaha fanalam-baraka olona toy izao no ilàna ity forum ity ? Asa aloha na marina io na tsia fa amiko tsy dia mendrika loatra ny toy izao ? Mbà mieritrereta :idea:



Ka ilay izy ary tsy misy fanompana na fanononana anaran'olona ka aiza ary izay hoe manalabaraka!

Ny tsy mampiasa saina sy ny tsy maharaka tantara izao d fanina!




6. Mirananirina ( 06/05/2009 11:33)
mbola hatsikana dray re ry lanitrô :(
7. essera ( 06/05/2009 11:46)
Tena mody fanina ve ireto mpiondana ireto sa ahoana ry zalah. Inona ireny tratra teny Amboanjobe ireny ? Vatana sapin kosa angamba. Dia tsy azoko ilay tenin'ilay lemenakely hoe manalabaraka ahoana moa rangah ty, rehefa miteny ny olona dia lazainao manala baraka na efa naseho ombieny ombieny tamin'ny tv daholo aza ny karazan-kazo tratra (bois de rose, etc etc).

Dia mahagaga koa i Mirananirina izany tsy miteny tsy mivolana fa dia hatrin'ny narain'ny andro dia : "mbola hatsikana indray... wawa wa".

Omeo izay hevitrao fa vonona izahay hanampy anao raha ohatra misy azo ifanampiana a. Marin zan a
8. xxx ( 06/05/2009 12:07)
avohay ny porofo hiaraha mahita ny fahamarinany e! samy mahay mamorona mantsy raha ny fanendrikendrehana fotsiny :-D :-D :-D
9. Oay ( 06/05/2009 12:48)
Mirananirina:


mbola hatsikana dray re ry lanitrô :(



Ranabavy Mirana a! Tsy hatsikana izany io fa zava-doza ary i Oay manokana aloha d miteny fona hoe "AOKA TSY HANONONA ANARANA" an! Tandremo sao entim-po eo i falyfenosoa ka hanonona anaran'olona eto, fa eto tsy TRANO FITSARANA ka hoe hitsangana hovavolombelona fa any Atsimo Antsinanana any ho any ilay trano fitsarana.

Ô ra-Essera ka ilay sinoa tery avarabaratr'Antananarivo tery ary efa nibaradaka fa aiza ary no arahan'ny mpiondana an'izany!

Ny mpiondana raha vao vaovao mampatahotra anazy ny vaovao d tonga d zappé-ny avy hatrany, ny sasany indray moa d miverina ho zazakely "ILAY MANAKIPY MASO" rehefa TSY TEHAHITA!

Aiza ve ka ny Mpiondana eto raha vao resahanao hoe MADAGATE tonga d miondin-doha kanefa ny olona tena liam-baovao tsy matahotra fa tonga d mandeha mitrandraka ny vaovao any @ TOP Mada na Sobika voire site TIM fa ilay présentation an'ilay site Tim kosa aloha d tsy à la hauteur ny notoriété n'ilay Tarika Iraisan'ny Mpangalatra é! hihihi.... aleo hisy tsiky kely.


10. patrick2002 ( 06/05/2009 12:50)
ny ahy ny mampalahelo an`ireto Ravalomananiste rehetra ireto ,fantany tsara izao fa mpangalatra i Ravalomanana ,fa teneniny hoe aleo hafa ny halatry ny Ravalomanana noho ny t@ Ratsirakas :{ :{ :{ :{
11. essera ( 06/05/2009 12:52)
xxx:

avohay ny porofo hiaraha mahita ny fahamarinany e! samy mahay mamorona mantsy raha ny fanendrikendrehana fotsiny :-D :-D :-D


Ô rangah ty a, omeko santionany iray inao, ny zanaky Ra8 no nanofa trano tao amin'ilay olona teny Amboanjobe nanaovany magasin de dépôt an'ilay hazo rehetra nangoniny. Ny tompon'ny trano no milaza ary izy tsy hita izay nalehany. Porofo efa mitohoka eo amin'ny tenda izany fa tsy mila hamarinina intsony. Ny tompo-trano mihitsy koa no nilaza hoe naman'ny zanako ny zanaky Ra8, izay no nahatonga azy nanofa an'ilay trano fa lery ts mpetraka ao.

Mbola mila ve ???? Vao iray mantsy io fa raha mitady ianao d omena koa
12. xxx ( 06/05/2009 12:59)
ahoana moa no hinoanao ny tompotrano avy hatrany? ka raha TGV ve izy tsy ho vitany ny hitantara habobo aminao? mba hoento eny aminy fitsarana(tsy mitongilana) izany porofonao izany raha tsy hihomehezany fotsiny. raha tena marina izany tsy maintsy nisy taratasy(fifanarahana) misy soniany tompotrano sy ny mpanofa trano, ka avohay raha misy fa aza manao ankamatara foana ahatrany OAY eo! :-D :-D
13. falyfenosoa ( 06/05/2009 13:02)
Raha hanonona anaran'olona aloha dia ezahiko tsy atao kanefa kosa ananako porofo, satria mpanao trano daholo ny asanay mirahalahy avy, ary raha hanonona anarana Nosy iray aho any akaikin'ny Analalava sy Nosy-be atao hoe: NOSY SABA dia efa misy hotely be mihitsy ary misy volan'ny Ravalomanana miasa ao, fantatro tsara ny tantaran'io Nosy io saingy aleo ho hita eo ny tohiny rehefa vita tanteraka ny fanadihadiana.
Ao Nosy-be hell-ville ihany koa dia misy tany 35ha nalain'ingahy Ravalomanana hananganana Hotel kintana5.
Tamin'ny desambra no niala tany ireo mpiasa rehetra tany ary tokony niverina tamin'ny 15 janvier 2009, saingy tsy tafaverina izy ireo satria notapahin'ny FMI ny famatsiam-bola noho ilay Force One 2 ka dia niato ny asa, niampy ny fialan-dravalomanana teo amin'ny fitondrana Ravalomanana dia tapaka tanteraka ny famitana io Hotely any Nosy SABA io.
Ireo hazo nagonina tsy ara-dalana dia saika hanaovana ireo hotely no sady haondrana an-tsokosoko.
14. Oay ( 06/05/2009 13:09)
xxx:


ahoana moa no hinoanao ny tompotrano avy hatrany? ka raha TGV ve izy tsy ho vitany ny hitantara habobo aminao? mba hoento eny aminy fitsarana(tsy mitongilana) izany porofonao izany raha tsy hihomehezany fotsiny. raha tena marina izany tsy maintsy nisy taratasy(fifanarahana) misy soniany tompotrano sy ny mpanofa trano, ka avohay raha misy fa aza manao ankamatara foana ahatrany OAY eo! :-D :-D



Ô ra-essera efa miteny an'i essara za fa ny mpiondana wa raha vao vaovao manahirana ny sofiny ny vaovao lazain'ny fampalalambaovao d tonga d zappé-ny d izay no manahirana,

Eto indray izao d manahirana be ny miresaka @ ANGATRA satria ny feony ihany no ré ilay feo anefa miketsonketsona sady tsy lava satria misy mampiasa détecteur de voix eto ka matahotra ny hotratra ny ANGATRA, d ny tena loza d @ alina fona ny ANGATRA vao miseho satria matahotra mazava.

XXX a! ilay ankamantatra lazain'i Oay d atao satria amizay ny ANGATRA na AVELO mba mandinika ao anatin'ny maizina misy anazy ao!


15. xxx ( 06/05/2009 13:19)
aza manao resa jaza ra OAY a zoany tsi11 ny manao XXX matoa nasiana izany, ka raha mangataka porofo kosa ve izy de lazaina fa mpiondana?
16. Oay ( 06/05/2009 13:29)
xxx:


aza manao resa jaza ra OAY a zoany tsi11 ny manao XXX matoa nasiana izany, ka raha mangataka porofo kosa ve izy de lazaina fa mpiondana?



Tsy mbola ni-remettre en cause ny fanaovana XXX i Oay satria tsy an'i Oay ny serasera.org noho izany aza avadika ny resaka!

Raha aty Madagascar ireny ANGATRA tsy sahy miseho mazava ireny d na any anatin'ny ireny trano vato ireny aza izy no mipetraka d TOKONY NANDRE ny momba ireny resaka bois de rose nafenina teny Amboanjobe ireny ka amiko d tsy tokony hitady porofo intsony!

Manaraka izany raha ohatra ka ilay porofo @ alalan'ny FAMETAHANA AFISY INDRAY no tadidiavinareo d mbola lany andro mikaroka vaovao ireo mpametaka afisy satria tratra ilay raika lahy tetsy Isotry hihihi...


17. xxx ( 06/05/2009 13:32)
Ary mba avohay eto ary ny sarin'ny fianakavian'i oay mbajerena sao ANGATRA :-D :-D :-D :-D
18. xxx ( 06/05/2009 13:38)
i oay a raha hendrikendrehako ho mpifoka rongony ianao izao, de sakanako de asaiko mitodika any aminy rindrina ianao, avy eo savaiko ny pôsinao aminio efa misy rongony anatiny tanako nefa tsy hitanao, dia hasitriko ao ampaosinao, havoakako avy eo miaraka aminilay rongony efa nomaniko, de avoakako aminy gazety fa nahatratrarana rongony tany ampaosiny OAY ary hiantsoko panao gazety mihitsy haka sary anao ilay nosavaina sy ilay rongony efa nomaniko handetehana anao, de ahoana hoy ianao?
19. sapele ( 06/05/2009 13:41)
zay ary fa nivoaka koa ny resaka bois de rose,,,,efa mivoaka tsikelikely eto daholo ny fanararaotam-pahefana vita reetra,tsy any atimo iany no nisy an'zany fa tany ambatondrazaka koa e!efa saika lasany avokoa ny busn reetra vao tonga saina ny sasany, izay tsy mino,mahazo tsy mino fa zay efa nahita kosa de mahafantatra azy tsara,ny vahiny aza aza ataony mahita reefa tsy miray busn aminy koa maika fa ianao malagasy vao misondrotra io..ndry,,!! Mahereza E!
20. Oay ( 06/05/2009 13:55)
xxx:


Ary mba avohay eto ary ny sarin'ny fianakavian'i oay mbajerena sao ANGATRA :-D :-D :-D :-D



Ka i Oay ary io miresaka mivazavaza io fa tsy miketsiketsona ny feony, sady miseho @ andro mazava be fa tsy miandry ny milentika masoandro vao avo vava eto knou!

Momba ilay resaka hoe FORONIN'NY POLISY NY POROFO d tsy misy resaka azo atao fa ny fantatray aloha d fomba fiady izany ary tsy azo lavina, fa ny sasany aza efa tratra ambody omby araka ilay fitenenana mbola mandà maika moa fa olona afaka nitsoaka ka amiko tsy hitako izay hanohizana iny ady hevitra iny satria lasa ady hevitrin'ny moana sy marenina.

Ny tsy azo iadiana hevitra d ny hoe "Efa maro ihany izay Asabotsy lasa izay ozy ilay tsy mahay manisa fa tsy mbola tonga ihany i Ravalomanana" izany zao ohatra tsy azo iadiana hevitra!

Tsy azo iadiana hevitra koa ny hoe hatreto d ny HAT sy ny CAPSAT no mampiodina ny masinina eto @ tanana!

Ny HAT izao no mandray karama!

i Andry Rajoelina no manana garde très rapproché,....SNS Tsy hovoatanisa sady manjary mamparary fo ny TIM.


© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.6729