Tena ho tafalatsaka anaty fandrika lalina ny Firenena

1. vaotonga ( 04/05/2009 15:14)
Henoko t@ RDB vao t@ 4ora teo fa hamatsy vola ny HAT ny SAODIANA(Saoudi Arabie).Ny mahagaga dia ny Firenena rehetra maneran-tany dia manapaka ny fanampiana ara-bola an\'i M/car fa ity Firenena izay voalaza etsy ambony no dia toa hafahafa.Tsy hifanomezan-tsiny anefa fa kosa tokony handinika tsara aloha isika M/Y indrindra ny mpitondra vao mividy kisoa bory rambo hoy ny fitenenana.Ny Firenena hafa mako dia tsy hanampy foana fahatany fotsiny @zao eo na hanome zavatra anao maimaim-poana fa matoa manao izany izy dia ao raha.Manana petrole isika ao BEMOLANGA sy TSIMIRORO ary Saoudi A rabie dia isan\'ny mpamokatra petrole malaza indrindra maneran-tany ka sao lahy dia io no kandranin\'ireo SAODIANA ireo aty amintsika hanampy izay efa hananany,ny Firenena rehetra mako dia manao izay hisondrotany fa tsy mba tahaka antsika very @ ady seza sy ny maro hafa isan-karazany.Ny ahiahy tompoko dia tsy hihavanana ka aleo apoitra mba tsy hananan-tsiny sy fondro any aoriana.Ny HAT dia tsy fantatra izay aharetan\'ny fitondrany na dia lazaina fa 2taona aza ny fetra hipetrahany eo @ fitondrana,ka ny fanaovana CONTRAT @ Firenena hafa dia ilam-pandinihana akaiky sao mambotry sy hampidi-doza ny Firenena.I Saoudi Arabie dia Firenena Silamo ary ialako tsiny fa na ao aza ireo mpino sasany malemy fanahy ao @\'io Finoana io dia ao no ipoiran\'ny\"TERRORISTES\" izay mampihorohoro ny Firenena maneran-tany.Ka raha tsy azon\'ny Saoudi Arabie izay nokandraniny teto @tsika,dia heverinareo ve fa hanaikinaiky @zao io Firenena io?Sa ve efa mazava sy azon-toky fa ianareo mpitondra(HAT) @zao fotoana izao no ho lany hitondra sy hanapaka ny Firenentsika mandritra ny fotoana maro?Nefa na izany aza,aoka lahy!!! Aza mandray ny zavatra tsy azo antoka tompoko na heverina fa hisy fandrika.Ianareo no afaka mandositra raha sedran\'izay ho loza sy patsa iray tsy omby vava fa mba ho aiza kosa ny valala be mandry.Sao dia hambom-po sy famaizana volo tratra @ tsy fisian\'ny famantsiam-bola avy @ Firenena maneran-tany ka hanao ny tsy fanao.\"Atsipy ny tady atandroky ny omby ary atsipy ny teny ao am-pon\'ny mahalala\"ka\"Am-bava homana am-po mieritreritra\"tompoko.
répondu par tsiafoi1 le 05/05/2009 08:49
2. xxx ( 04/05/2009 15:19)
Zay tsara ry tgvendrana tohizo ny é
F a ho ratsy fiafara hoa io boykely io fa eto aho milaza @nareo marimarina
3. diamondra27 ( 04/05/2009 15:42)
izaho koa naheno io
izay izany vao confirmE ny teniko hoe: atsy ho atsy dia lasa tsy teny frantsay na amerikana no ampiasaina any am primaire fa teny silamo hoy aho
Nisy dinika efa nolazaiko izany tany ho any. Somary humour ihany no nanaovako azy tamin'izany

Raha marina tokoa io ry vaotonga dia tena asa aloha izay hiafaran'ny firenena fa dia ifandrohitan'ny vahiny i dago
4. ndenn ( 04/05/2009 15:59)
Ka ny ressources naturelles ihany anie no tena tian- dry zareo ny mba hahazahoana azy .Mba mila bojibojiny @ Malagasy ry lerony satria firenena hatanjaka be mantsy isika rehefa atsy ho atsy . :oops: :oops:
5. mazavajery ( 04/05/2009 16:25)
tsy haiko aloha fa raha eo fototry ny fomba fisainana dia azoko antoka fa sarotra amintsika malagasy ny hiray petsapetsa amizany saoudiana izany .karana aza eto efa manahirana ny lohantsika ny ataony na dia efa ho zato taona aza no nahatongavany teto , maika fa ireny manao saindoha hafahafa mitovy amin i arrafat sy ry ben laden ireny,, mahatsiaro ny taona 1991 aho ami ilay hoe 2millards de dollar , tadidinao ve ilay tompon ny hevitra ,fa izao hanokatra lohateny vaovao aho mikasika constitution code elektoral ny 4eme republika fa mitetika ny mitady hibodo toerana ny ekipan i tgv sy roindefo ary andriamanjato richards sy ny capsat
6. ravalotgv ( 04/05/2009 16:32)
aleo rangaha averina ko i daewoo aaa mety lafo ihany i madagasikara raha izao no mitohy
sniff
tcroufff

:@ :@ :@ :@ :@
7. tsiafoi1 ( 05/05/2009 08:49)

De efa mihomana izany fa hodarofan'ny sasany otran'ny Irak atsy ho atsy, mety handeha be ny bizna cercueil aloa atsy ho atsy, moa ny tany koa mbola midadasika hanaovana fasana, satria tsy mba misy architècte spécialiste @'ny bunker sous-terrain otran'ny any @'ny tany arabo sy afghanistan eto amintsika.

Loooza, aza hitako... fa sendra ny kely loha valasira ny firenena.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.2029