grippe porcine

1. diamondra27 ( 01/05/2009 16:50)
somary romotra ihany aho naheno an'io satria mampalahelo ilay fandehany. Tampoka teo dia nisy an'izany avy eo indray dia hoe hidina daholo ny école sy resto sy lieu publique any mexique ary koa ny métro raha toa ka.

Iny koa dia aty eropa de oe tsy hividy sakafo avy any mexique nefa raha tena misy izany efa elaela ihany no tratra ny olona nihinana sakafo avy any mexique fa tsy vao 2 ,3 jours akory hoe hitandrina dia tsy voa.

Manaraka izany dia désinfecte-na isaky ny 30mn ny wc any USA , lasa mitombo indray izany ny emploi fa lasa Mpamafa aéroport ny mpiasa

ahoana ny hevitrareo momban'io?
novalian'i Ratoa ny 27/06/2009 21:00
2. yonikafopl ( 02/05/2009 04:07)
efa akaiky ny farany fa mivavaha Diams a hihihihihihih
3. diamondra27 ( 02/05/2009 07:00)
yonikafopl: sady le kisoa koa efa ela no nolazaina fa tsy dia tsara ny mihinana azy
4. Tazana ( 03/05/2009 23:38)
Efa nisy fotoana asa 1979 izay zay no namakiako azy, efa nisy io gripa io. Ilay izy na mihinana kisoa aza anie tsy maninona raha ohatra ka vita masaka tsara ilay izy (fa marina ny hoe tsy manana ny enzymes mandevina io hena io ny vatan'ny olombelona raha ny marina). Fa tamin'ny fotoana nisian'ilay izy (toy ilay grippe aviaire koa) dia lany vola be ny fanjakana nividy fanafody sy nanao zavatra hafa. Dia hoy ilay minisitra taamin'izany fotoana: sarotra ihany satria raha kely loatra ny atao mety hanenina satria mety hirongatra ilay izy dia tsy ho voafehy. Maka dispositions be dia be nefa mi-risquer handany vola mihoatra no tokony ho izy. T@ zany fotoana ohatra toa 15 millions de dollars (mila tadiaviko ilay gazety fa tsy eto an-tanako) , io no vola very satria nolanina nefa tsy nahatratra ilay ampleur noheverina...ka io ve tsy ilay tenin'ny Baiboly hoe tsy an'olombelona ny lalana alehany...Raha mbola olombelona sarotra ny hamaha olona fa toa betsaka ihany izay olona mifandimby eran-tany fa tsy hitako fa na olana vaovao no miseho na ilay olana mihasarotra...Mba zavatra voamarika fotsiny ny ahy...
5. xxx ( 04/05/2009 00:16)
Akino @ A/tra fotsiny ihany fa aza manao na inona na inona
6. ndotofetsy ( 26/06/2009 18:33)
tsy mahazo mihinana henankisoa fa voan ny grippe porcine
tsy mahazo mihinana henomby fa voan ny vache folle
tsy mahazo mihinana akoho fa voan ny grippe aviaire
tsy mahazo mihinana sira fa voa ny albumine
tsy mahazo mihinana siramamy fa voan ny diabète
tsy mahazo mihinanana menaka fa voan ny cholésterole
tsy mahazo mihinana anana fa mahavoan ny typhoide
tsy mahazo mihinana voankazo fa mahavoan ny typhoide
tsy mahazo misotro bex fa manjary déshydraté

inona sisa izany no azo hanina
vary tsihifina ny ranony
7. Ratoa ( 27/06/2009 21:00)
Rivotra hihihi!
Dia mandehana matory
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0951