Tsy maintsy tapahina ny lohany satria ...

1. essera ( 30/04/2009 04:45)
1/ Raha mbola hamatsy cocktail molotov foana ianao dia tsy hisy filaminana eto am tanana.
2/ Raha mbola hizara vola foana hanangonana olona dia tsy hisy filaminana eto am tanana.
3/ Raha mbola hisy mandrangitra ady ho an'ny samy malagasy dia tsy hisy filaminana koa eto am tanàna.
4/ Raha mbola milaza ho tompony foana ianao hatramin'izao dia esory ao an-tsaina izay fa efa mivadika "souvenir" iny.
5/ Raha teo am toerana ianao nefa tsy voatazonao dia lasa alahelo toerana ilay izy fa aleo miandry ny fampisehoana manaraka.
6/ Rehefa ny lohany teo aloha aza tsy sahy nijoro fa ianareo fotsiny no ampandotsoiny sy ampahereziny lava ary omeny ny ho avy tsy ankiato dia mieritrereta ihany.

Tsy mety aloha hatreto ny veleso ny vy dien'ny mafana ho an'ny mpiondana, koa fahendrena ny manao RECUL kely mihitsy aloha. Sady toa ho azoazoko sary an-tsaina fa tapa-tenda daholo ny ankabeazan'ny mpamatsy vola ny ex-abonné Ambohijatovo. Mitandrema ihany ianareo raha ohatra hoe ao am Magro Akorondrano mba tsy hahitana vola zaraina hamafazana fanakorontanana indray fa efa maromaro ihany izay tratra ambodiomby izay.

novalian'i xxx ny 30/04/2009 13:09
2. xxx ( 30/04/2009 04:48)
va au diable essera
3. Oay ( 30/04/2009 04:53)
xxx:

va au diable essera



XXX a! na ny foza orana tsy nianatra aza wa tsy manao an'izao, fa rehefa tsy misy afisy apetaka d mangina d mandehana milalao any antokontany fa avelao ny lehibe hiresaka sy handalina mba ahafahana mijery izay vahaolana handaminana ny tanana!
4. Mandefitra ( 30/04/2009 04:54)
http://www.youtube.com/watch?v=DRwrDktRoDE

Mifalia ry zalahy ... "Ahy ny famaliana hoy Jehovah"
5. xxx ( 30/04/2009 04:59)
oay akombony ny vava fa tsy fantatrao hoe olona ohatra ny ahoana ny miresaka aminao tsy any @ cyber ohatra anao zah akory foza orana ny anandahidreninao
6. essera ( 30/04/2009 05:03)
1. Mpandefa : xxx [ Valio ] 30-04-2009 06:48:57
Lohateny : Re : Tsy maintsy tapahina ny lohany satria ...
va au diable essera

Tsy milay le misaro-tava na dia eken'ny fitsipika eto aza fa asehoy ny MAHA-IANAO ANAO aloha voalohany. PLUS ianao mamafy fikorontanana PLUS mihemotra ny fifidianana izay tadiavina sy katsahina maika izao. Rehefa raikitra izay dia ekena tanteraka izay vokany eo na TIM na AREMA na UNDD na TGV etc ... rehefa tena MADIO TSARA NY LALAM-PIFIDIANANA.
Fa raha mbola mieritreritra ny hamerina ny JADONA sy ny AMPIHIMAMBA eto dia hevero ho toy ny nofy2 ihany sisa fa tsy andron'ny fanjanahan-tany intsony isika izao.



7. xxx ( 30/04/2009 05:05)
zay tiko io na saro-tava na saron'inona;eo tsika mahita izy hoy jaojoby tsy omaly nisamborana any manandafy ihany ny andro mbola ela ny hiainana mahatantesa valiny
8. Oay ( 30/04/2009 05:12)
xxx:

zay tiko io na saro-tava na saron'inona;eo tsika mahita izy hoy jaojoby tsy omaly nisamborana any manandafy ihany ny andro mbola ela ny hiainana mahatantesa valiny



Mbola averiko fa Andriamanitra irery ihany aloha no mahalala ny rahampitso fa hatreto aloha d "MIZAKA NY VALIN'NY NATAO RY RAVALOMANANA SY NY TARINY"
9. essera ( 30/04/2009 05:16)
Mba manontany anao aho aloha. Raha resaka valifaty no apetraka ahoana no nataon'i Ravalo sy ny reservista tam fotoan'androny. Nekenao ilay izy tamin'ny fotoana fa androany lavinao ?
REHEFA MISY ZAVATRA TSY TIANAO ATAO AM TENANAO DIA AZA ATAO AMIN'OLONA.
10. essera ( 30/04/2009 05:20)
4. Mpandefa : xxx [ Valio ] 30-04-2009 06:59:11
Lohateny : Re : Tsy maintsy tapahina ny lohany satria ...
oay akombony ny vava fa tsy fantatrao hoe olona ohatra ny ahoana ny miresaka aminao tsy any @ cyber ohatra anao zah akory foza orana ny anandahidreninao


Aza mitsaratsara olona mba tsy ho tsaraina. :-D :-D :-D :-D

Ary angaha fantatrao ny anandahidrenin'ny ry Oay ?
11. Hinagasy ( 30/04/2009 05:22)
Na dia inona na inona ny tsy fitiavana ny hevitry ny olona iray, dia tsy ny fanaovana tsinontsinona ny olona tahaka izao, no ahatonga ny ankilany hijanona fa vao maika hampitroatra ny hatezerana, sa kosa tadiavina hitroatra ny olona? toy izay no fijeriko azy! TIANA ho tonga any amin'ny ady antrano ve dia amin'zay azy ny laka? satria na hiodi-kavia na havanana tsy ho lany démocratiquement mihitsy ireto CAPSAT, TGVistes mianakavy ireto. . Dia hitohy eto foana ny tantara.
Ny hatreto aloha dia habibiana foana no nasehon'ny CAPSAT ka na tsy tia Ravalomanana aza aho dia tsy afaka hi-cautionner ny zavatra ataon'ireto TGVistes ireto.
Mhatonga saina, mampanontany tena mihitsy indraindray hoe tena misaina ve ireo olona ireo, sy ny mpomba azy?
12. essera ( 30/04/2009 05:29)
Misy ekeko ny tenin'i Hinagasy aho fa mba fanontaniana iray apetrako ihany aloha : "Mety ve ny mamatsy fitaovam-piadiana sy mitifitra etsy sy eroa dia ny olona no endrikendrehana avy eo ?".
Ny HAT ange tsy honina eo amin'ny fitondrana fa hametraka sy hanadio ny rafitra tsy nety fotsiny ihany e.
13. Oay ( 30/04/2009 05:47)
Amafisiko izay voalazan'i essera:

1°Apetraho tsara ao anatin'ny lohantsika fa FANJAKANA TETEZAMITA IO HAT IO!

2°Tsy milamina ny tanana noho izany tsy maintsy averina ny filaminana (Jereo izay niseho any Thailande)

3°Tsy fantatra intsony hoe iza no mahatonga ny korontana noho izany d samborina aloha ny lohadohan'ny mpisorona!

4°Marina ny an'i Hinagasy fa mety hitarika zavatra hafa izao sary izao satria ny MALAGASY OLON'NY FO ka rehefa mahita olona mihosondrà d na inn nataon'iny olona iny na inn d tsy maintsy hitsetra ny fony ka hanameloka an'ireo nilako an'ilay maratra eny fa na d nanolanjaza sy nangalatra aza ohatra ilay olona ka izay no namonoan'ny olona anazy!
Tsy midika akory izany fa mi-cautionner na mi-justifier ny ataon'ny CAPSAT i Oay, tsy afaka mi-cautionner ny acte toa izao i Oay satria i Oay d tsy tia fampiasana herisetra raha toa ka politika no lalaovina!
Na izany aza anefa d mihezaka mi-comprendre an'ilay izy i Oay satria:
_Raha izao korontana izao no hitohy d
1° ianareo any andafy aloha tsy haninona satria tsy miaina an'ialy fijaliana aty ianareo, ny havanareo koa azonareo andefasana vola!
2°i Oay koa tsy haninona satria matoa i Oay afaka misera eto d satria mbola misy vola miditra!
3°Fa ireo vahoaka mandinika kosa d mijaly ka hihinana fako atsy ho atsy!
_D hiteny ianareo hoe "zavatra notadiavina" mety ho marina fa na izany aza d efa voahongana kosa i Ravalomanana ary efa lasa nitsoaka ka raha hendry izy ka tena tia ny Malagasy d tokony hipetraka amin'izay NA raha tena mafy tokoa izy fa tsy be kozy bobaka d asaivo alefany ny SADC d haripaho any ireo TGV sy CAPSAT ireo mba hiverenan'ny fandriampahalemana!
FA REHEFA tsy mahavita an'izany d izao ny atody tsy miady amabato noho izany d mila ankobony ny vavany fa tsy handrangitra ny vahoaka hifamono ka ny firenena tsy milamina d ny Malagasy no hijaly, ary mbola averiko fa asan'ny devoly ny fampiadiana ny samy Malagasy!
14. penguin ( 30/04/2009 06:16)
Mila mahafantatra ny baolina matin'ny olona isiaka mpanohana ny ara-dàlana na izany aza. Mamono hatrany ny olona ary tsy hitrahatra izahay hoy ny tgvendrana. Ny antso an'Andriamanitra aloha dia tsy tavahoaka raha tsy any amin'ny andro farany ary aza adino fa mangirifiry mandrampahatongavana izany andro farany izany. Ny sain'olom-belona no midona ary ny tanjaka no miseho mivantana eto an-tany ka rehefa tsy manana ireo isiaka mpanohana ny ara-dàlana dia eo ny tranon-tsiaka fa manesy manapa-doha tokoa ny MATANJAKA sy TOMPON'NY HERY TGVENDRANA.
15. xxx ( 30/04/2009 06:36)
ity hafatra ity dia ho an'i essera sy ny TGV iste rehetra, tonga dia resehonao sy ianareo lahatra faingana ny filou-nareo sy ny miaramilanareo hamoaka tsy misy hatak'andro ary tsy hikasika na dia singam-bolo iray aza ny zokibenay MANANDAFY RAKOTONIRINA, ary izao ataonareo izao sy ireo resabe nareo ireo dia tsy hampilamina na oviana na oviana io firenena io,ary tsy ho voafehinareo intsony io korontana io fa ho hitanareo fa tsy mpandainga sy mpamahan-dalitra akory izahay milaza izany.
16. rasobakobako ( 30/04/2009 06:40)
Tsy efa leo ve ianareo ry reto mifanasa vangy eo a!
- izay mbola malahelo an'i Ra 8 ve mahazo tombotsoa izao ? mino aho fa tsy fantany akory nareo hoe miaro azy sy miady ho azy ato amin'ny forum,
- ianareo izay tena pour ny capsat sy ny tgv, ahazo place ve nareo, sa ahazo tombotsoa, fantany ve nareo hoe miady aman'olona mihitsy amin'ny fiarovana azy ?

Tsy aleo ve ry reto samy manao izay adidy sy andraikitra tandrify ny tena fotsiny, @ izay hitany fa mahatsara ity firenena ity. Na dia zavatra heverina fa kely aza ange dia efa porofon'ny fitiavana ny firenena e !

ohatra : tsy manary odin'akondro eny andalana sns ...

Aza mihomehy ianareo a! fa tsy aleo ve zavatra mampandroso amin'izay no resahana e! ny fitondrana izay eo efa tsy antenaina intsony, tsy aleo ve ny tsirairay no miezaka e! dioviko ny manodidina sy ny tranoko, ohatra izany a!

Aleo Andriamanitra no hitondra firenena fa aza sahirana miady eo nareo!
17. xxx ( 30/04/2009 06:56)
Miala tsiny izahay rasobakobako fa diso hevitra ianao,ary tsy hitovy hevitra aminao izahay,fa ny anay sady tsy mpomba an'ny le 8 izahay no tsy mpomba tgv ,fa aleo tsorina ny resaka,tsy ekena tsotra izao ny fampiasan-kery ary ny hevitra tsy itoviana tsy hanalana baraka sy isamboran'olona toa jiolahy,ka raha resaka fampandosoana no tadiavinao,dia tsy hisy izany mihitsy ao anaty korontana,sy fampiasan-kery dia manonofy ianao ary,fa ny metimety ho anao dia tokony hitoka monina amin'izay tsy misy mpanelingelina ianareo mianakavy,tsy resaka fampandrosoana aloha izao no misy fa fanapotehana sy fihemorana ho an'i Firenena ataonareo TGV iste,ka ny tanjona aloha dia hialan'izao fitondran-jiolahy izao amin'ny izay mety rehetra.
18. essera ( 30/04/2009 07:00)
ity hafatra ity dia ho an'i essera sy ny TGV iste rehetra, tonga dia resehonao sy ianareo lahatra faingana ny filou-nareo sy ny miaramilanareo hamoaka tsy misy hatak'andro ary tsy hikasika na dia singam-bolo iray aza ny zokibenay MANANDAFY RAKOTONIRINA,

I Manandafy ve sady efa ray aman-dreny dia tsy mahafantatra tamin'ny nametrahan'ny filoha teo aloha hoe seza tsy matotra intsony ilay ipetrahany fa efa nafindra tamin'ny hafa. Ny olana goavana mbola tokony ialàna efa hatry ny ela dia ny vahoaka no atao antsojay amin'ny fizarana vola sy ny fanakaramana amin'ny tsy nahim-pony. Tsy mandatsa aho fa mba miteny ihany hoe maninona Mr Manandafy raha nofehezina ihany aloha ilay tolona raha tena itazona an'ilay ara-dalàna ARA-BAKITENY fa avela mi-déborde. Any ange ilay zavatra e !!!

ary izao ataonareo izao sy ireo resabe nareo ireo dia tsy hampilamina na oviana na oviana io firenena io,ary tsy ho voafehinareo intsony io korontana io fa ho hitanareo fa tsy mpandainga sy mpamahan-dalitra akory izahay milaza izany.

Maninona ny radio mada no mandranitra olona hamotika mihitsy fa tsy hoe fanentanana ara-kevitra fotsiny (Ady masina no atao heviny amin'izay e ?). Rehefa ianao no mandainga dia langa masina fa rehefa ny olona no miteny dia devoly. Mba fakafakao ihany aloha ny tena fond fa aza tonga dia mijery amin'ny hatezerana.

19. coucou2 ( 30/04/2009 07:01)
Oay:

xxx:

zay tiko io na saro-tava na saron'inona;eo tsika mahita izy hoy jaojoby tsy omaly nisamborana any manandafy ihany ny andro mbola ela ny hiainana mahatantesa valiny



Mbola averiko fa Andriamanitra irery ihany aloha no mahalala ny rahampitso fa hatreto aloha d "MIZAKA NY VALIN'NY NATAO RY RAVALOMANANA SY NY TARINY"


Tsy mitsahatra miteny aho fa tsy maitsy ho valian'A/tra ny ratsy rehetra ataon'i TGV. Aleo tsy mifamaly fa miandry ny fahefan'A/tra isika zay tsy maitsy hiseho.

20. halloween ( 30/04/2009 07:07)
slt essera , Oay , bazylou , manafay ato veeee !!!!
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0877