Tsy maintsy tapahina ny lohany satria ...

21. xxx ( 30/04/2009 07:15)
azafady ry Essera fa tsy radio mada na fahazavana akory izahay manoratra io,ary matao izahay milaza hoe ZOKIBENAY IO dia marina izany,ka fahendrena ho anareo TGV iste sy ny firongony :dia ny famotsoranareo ireo ny ZOKIBENAY MANANDAFY RAKOTONIRINA tsy misy hatak'andro mazava angamba izay, tsy mpomba an-dra8 izahay,tsy mpanao fihetsiketsehana legaliste koa, ka aza atao anaty kitapo iray AZAFADY INDRINDRA TOMPOKO,
22. xxx ( 30/04/2009 07:19)
tsy resaka famaizany leity ny forum ry andrywui a,ary tsy misy fay na faizina eto fa samy mifanazava fa elah aza mba vendrana toy izao ,halloween e, katsaka é ,elah efa kobon'ny olona fa tsy tokony hiresaka sao marary fo eto
23. essera ( 30/04/2009 07:46)
19. Mpandefa : halloween [ Valio ] 30-04-2009 09:07:22
Lohateny : Re : Tsy maintsy tapahina ny lohany satria ...
slt essera , Oay , bazylou , manafay ato veeee !!!!

Salut les ra halloween. Tsy manafay fa mitafa fa mis be lou b s manakipy maso
24. xxx ( 30/04/2009 07:47)
Katsaka tsaramaso voanjobory hanina harivariva mampatory ! :@ ôdôy é !
Alefaso any @ zone rouge 'n iPikatti ny lohany sola iny rehefa misy fotoana ry akama !! :twisted:
25. ravatorano ( 30/04/2009 07:47)
mahagaga ahy ihany aloha ny fandehan\'ny toe-draharaha amin\'izao
Mbola manontany tena foana aho hatrmain\'izao hoe fa dia naninona loatra re na inona loatra re no natahoran\'ny fitondrana Ravalomanan tamin\'izy mbola teo amin\'ny toerana tsy nahasahy nisambotra ny TGV raha nanao fitokonanan sy nanangana gouvernement insurrectionnel izy teny amin\'ny 13 Mai :?:
Izany mantsy izao no miseho amin\'izao fotoana izao satria i Manandafy amin\'ny HAT dia tsy \"kôty\" fa mpanelingelina sy mpanakorotana ny fitondrany ary mikotrika fanonganana azy ireo araky ny fahitany azy ka tsy maintsy samborina izy sy izay miaraka aminy nefa dia ny iray amin\'ny mpikambana ao amin\'ny HAT ihany no milaza sy mahita fa \"olom-bitsy\" no manaraka azy.
Safidy politika ny an\'i Manadafy sy ireo mpitolona eny ambohijatovo izay navadika eny amin\'ny magro ankorondrano indray ka rariny izy ireo raha mitaky sy mitoratra manolaoana ny fisamborana nahazo ny mpitarika azy izay

marina ny voalazan\'i rasoabakobako fa varina mifanasa vangy tsika eto ary samy miaro mafy ny firehan-keviny amin\'ny fomba rehetra nefa ny fahitako azy dia toa tsy hitondra filaminana loatra ho an\'ny firenena izany fa vao maika aza mivoy koakkoa mankany amin\'ny fampisaraham-bazana ny samy malagasy !

Raha ho ory na hihahantra ny vahoaka malagasy dia avy amin\'ny mpanao politika rehetra tsisy ankanavaka ihany io satria samy be loha ireo,izay tonga eo babany avokoa ary samy manao izay hahafeno ny paosiny fotsiny ary raha mbola ireo no ho eo dia mbola ny taloha foana no miverina.
Hita koa fa tsy voafehy mihitsy ny miaramila ary mazava izany izao fa tena misy tokoa ny manamboninahitra ambony sahy miaraka amin\'ny andaniny \"ara-dalan\" ary santionany ireny tazana voasambotra teny amin\'ny Carlton ireny.
Tsy voafehy ny fomba fisamborana olona fa feno herisetra foana ary dia tsy misy fiafarany fa ny vita taloha tsisy fiovana fa mihamafy hatrany aza.Ny ompa variraraka moa dia toa milaza hoe \" miaramila \" ange ireo eh ka tsy maagaga izany nefa aza hadino fa manamboninahitra nivoaka tamin\'ny sekoly manokana momba izany ny lehibeny ! sa izay ilay tendri-po eo ampanaovana ny asa !

Izao zany ilay teny tamin\'ny 1972 indray no miverina hoe \"kapao kapao fa manimba ny tany\" !

26. essera ( 30/04/2009 07:57)
Salama Ravatorano,

Zavatra kely no tiako amaliana ny resaka teto. Rehefa navoaka amin'ny fomba ofisialy fa natsipin'ny Ravalo ny fitondrana dia efa tokony nangina ny mpiondana. Teo dia efa tokony régler ny afera rehetra fa ny tohiny :-@ :-@ .

Ny hadisoana lehibe tohizan'i Dada dia tsy mety manazava ny sain'ny olona taritiny izy hoe tsy aty amiko intsony ny baolina fa ny mifanohitra amin'izay no voiziny. Mba diniho ange izay teniko izay e...

Ho avy aho e, ho avy ny miaramila sadeky e, etc etc...

Na zah tsy eo am toeran'ny mpiondana aza dia miandry manantena hatrany aho raha tena mafana fo. Dia lasa miakatra avo dia avo ny degré an'ilay ady lahy
27. xxx ( 30/04/2009 07:59)
Tsotra leisy zany a, voalaza sy voatenin'ireo firenen-dehibe izy hoe zao no ahafantarana raha misy libérté ao @ nareo (satria mantsy ny affaires Pety ,Voninahitse sns de voampanga fa zay miteny dia voapepo)hay izy ty voafitaka fa nahazo bahana ny ahi-dratsy ,reny nanitaka reny ihany no nampian-trano nony saika nifarana ny TGV,
zao no niafarany fa ny mpamitaka indray zao no voafitaka, ary io tsy afa-bela fa ,fotoana kely sia no isaina
28. majakely ( 30/04/2009 08:11)
Za manokana aloha de mino fa misy raha ao!du coté de ra8 sy Tgv koa!!samy ts ymisy tsara ireo!!!sady tsy misy tia an'ireo ny gasy amizao fotoana izao satria bedebe ny neutre sy mahita fa be loatra ny maizina ao !!!asi jiro ee!¨De aza mba mifanasa vangy sy mandromotra olona eo fotsiny fa mba mifanajà !OK??? :lol:
29. xxx ( 30/04/2009 08:16)
i oay ! aza miseho ho nianatra sy manambany olona fa ianao ambany nohon'ny baàkiraro maimbo fromm beeeeeeeeeeeeeeeeeeeeeeeeee
30. essera ( 30/04/2009 08:24)
28. Mpandefa : xxx [ Valio ] 30-04-2009 10:16:34
Lohateny : Re : Tsy maintsy tapahina ny lohany satria ...
i oay ! aza miseho ho nianatra sy manambany olona fa ianao ambany nohon'ny baàkiraro maimbo fromm beeeeeeeeeeeeeeeeeeeeeeeeee

Zé olona miteny an zany no tena tsy ampy solaitra. Azo atao ny miteny ratsy tsy misy opa fa ny anao io izao efa le mively latabatra am kiraro no ataonao eo amin'ny fivoriana.
31. Oay ( 30/04/2009 08:42)
xxx:

i oay ! aza miseho ho nianatra sy manambany olona fa ianao ambany nohon'ny baàkiraro maimbo fromm beeeeeeeeeeeeeeeeeeeeeeeeee


Mampimé ana enao ry XXX,
_mihomehy aho satria "Tsy mbola nilaza mihintsy i Oay fa nianatra noho ny hafa"
_mihomehy i Oay satria efa ela no nilazana fa foza orana é! vendrana é! fa ny marina d i Oay rehefa mamaly anareo d tsy fehezan-teny iray d ampy!
_mihomehy i Oay satria efa nolazainy fa i Oay d tsy manompa olona rehefa mandeha eto fa raha ohatra ka hifanompa d aleo mifanao fotoana d mba mifankahita d @ izay afaka mifanazava tsara!
_mihomehy i Oay satria mampalahelo fa @ izao andro izao d mbola misy mihafina rehefa maneho hevitra!
_mihomehy i Oay satria fony izy mbola kely tany ambanivohitra no nahitany farany an'izany olona matahotra maneho hevitra izany!
_mihomehy i Oay satria olona mba afaka miditra @ itony sehatra avo lenta intony d ompa sy fanambaniana olona no mba bala entina mandresy lahatra!
_mihomehy i Oay satria na ny foza orana izay tsy nahita fianarana aza d tsy manao fiatsihana sy mampirisika ny olona hifamono!
_mihomehy i Oay satria raha ry XXX itony no mahazo toerana d izy sy i Charles no mitovy samy ilay mpanao an'ilay sale boulot no anjarany!
_mihomehy i Oay satria tsy fantatr'i XXX fa ray aman-dreny ara-politika hany mba nananan'i Oay fahatokisana ka nalainy ho modely i Manandafy!
_mihomehy i Oay satria tsy mety mino i XXX fa i Oay tsy manohana TGV fa manohana ny fanonganana ny Jadona!
_mihomehy i Oay satria tsy fantatr'i XXX fa raha mbola mitohy ny fanankorotanana ataon'ny TIM d vaomaika manome vahana ny CAPSAT hanao ny asan'alikany izany!
_mihomehy i Oay satria tsy azon'i XXX fa ny atody tsy miady amabato ary ny tanapolo tsy maharesy olona mitana basy!
_mihomehy i Oay satria omena toky fitaka ry XXX d sasa miandry an'i Ravalomanana tsy hivalana.
Ka izao i Oay efa nilaza fa na traiténareo ho isan'ny foza orana aza izy d tsy mampihontsona anazy izany satria :" i Oay d foza orana mi-tenir téte anareo androrosy mpaka ny volan'ny mpitary posy"

32. xxx ( 30/04/2009 09:19)
mampiholehy koa i oay aminy fanohanana mafy akolaka ny TGV! :-D :-D :-D
33. essera ( 30/04/2009 09:32)
Ny position-n'i Oay efa fantatra fa aza disoina lery :

MIALA NY JADONA
MIALA RY AMPIHIMAMBA

Iny d samy d'accord zahay, sa aona ra-Oay.
Ny ambiny samy manana ny azy.
34. Oay ( 30/04/2009 09:43)
XXX a! Tsy natao hanohana olona aloha i Oay hatramin'izao satria tsy mbola fotonany izany izao!

Fa satria mbola tsy mipetraka tsara ilay rafitra hametrahana an'ilay repoblika vaovao d mbola tsy afaka mangina i Oay!

Noho izany raha mbola mitady hiverina ilay JADONA d tsy maintsy miteny i Oay!

D mbola averiko ry XXX fa tsy mampatahotra ana ny milaza fa tsy olona tokony hanao politika i Andry Rajoelina fa bizina no ainy noho izany d tsy olona toa an'i TGV no hotohanan'i Oay rehefa tonga ny fifidianana!

XXX a! raha tianao hofantatra d mpiondana MFM ny zokiko d izy nandresy lahatra anay fona hoe "i Manandafy sy Germain ihany no mpanao politika crédibles raha eto Madagasikara fa tsy takatrin'ny sarababebahoaka moa ny politikany" d i Oay raha hiresaka @ Oay mivantana enao indray andro any d aza gaga fa ny fomba firesak'i Oay d otran'ireny fomba firesak'i Manandafy ireny tena tsorina fa nangalatahaka an'i Manandafy ny bandy é, noho izany d malahelo za @ izao mahazo anazy izao fa averiko amin'i Manandafy anefa ilay teniny t@ 1991:"Tsy nisafidy ny hitondra ny vahoaka hovonoina eny Imavaoloha ny MFM satria tsy hisalasalana fa hitifitra i Ratsiraka ka tsy te hotompon'andraikitra amin'izany ny MFM" ompa ny navalin'ny hery velona anazy t@ izany nefa za nahita fa aradalana ilay resany zahay moa mbola kely t@ izany! Ka amiko nanao hadisoana i Manandafy mbola nihantsy ady t@ miaramila, mety voafitaka koa angamba izy ny tena marina satria i Ravalomanana moa io mampanantena io fa ho avy tsy hoela lava io!

Mbola amafisiko fa ny an'i Oay d ilay fandrodanana an'ilay Jadona no mahamaika anazy fa tsy fanohanana olona.
35. xxx ( 30/04/2009 10:38)
jadona ve hisy ohatrizao ataony TGV izao ry OAY?
36. essera ( 30/04/2009 11:16)
34. Mpandefa : xxx [ Valio ] 30-04-2009 12:38:50
Lohateny : Re : Tsy maintsy tapahina ny lohany satria ...
jadona ve hisy ohatrizao ataony TGV izao ry OAY?

Na dia tsy Oay aza a d mba afaka mamaly ihany hoe : "Tsy maninona ny maneho hevitra, fa tsy ekena ny mi-commanditer acte de terrorisme". Efa hita mivoaka tsi-1-1 ireny ange ny porofo fa tsy we vao amarinina eto e.
Apetraka ilay antso ara-dalàna nefa VILAM-BAVA BE AVY EO.
Izay no nahatapitra ny teo Ambohijatovo izay adikan'ny sasany vilana aty aoriana.
37. Oay ( 30/04/2009 12:04)
xxx:

jadona ve hisy ohatrizao ataony TGV izao ry OAY?


XXX a! enao aloha ve mieritreritra ny hanao politika sa ahoana é?

Efa mikiakiaka fona i Oay fa fitondrana tetezamita izao misy antsika izao noho izany tsy maintsy atao izay hilaminan'ny tany satria raha mitarazoka izao korontana izao d hitarazoka ilay tetezamita, d milentika ihany ny firenena satria ny tetezamita d tsy crédible sur le plan international ka mba ahafahantsika miditra haingana @ repoblika vaovao d tsy maintsy atao ny fomba handaminana ny tany!

henoy wa izay nolazain'i Rabetsitonta manao hoe "avelao hiasa ny HAT mba hahafohy ny tetezamita fa raha tsy izany d hofaty eto isika mianakavy, d mbola averiko fa i Rabetsitonta d sénateur notendren'i Ravalomanana, mila midina ety ambonin'ny tany isika fa tsy manonofy é (IL faut regarder la réalité en face é!)

D raha fomba fijery ny mpanao politika d mety ny fisamborana ny lohan'ny mpanao fihetsiketsehana satria izay ny fomba tsara indrindra mba hahakely ny isan'ny maty!

Fa raha miresaka droit de l'homme moa ianao d izay ndray zavatra hafa!

Fa mbola averiko fa tany tsy milamina isika ka tsy maintsy alamina ka mbola averiko foana hoe jereo izay miseho ao Thailande mba hanome hevitra antsika fa aza varian mijery ny eo antokonana é!

38. jeanpierre ( 30/04/2009 12:08)
essera:

28. Mpandefa : xxx [ Valio ] 30-04-2009 10:16:34
Lohateny : Re : Tsy maintsy tapahina ny lohany satria ...
i oay ! aza miseho ho nianatra sy manambany olona fa ianao ambany nohon'ny baàkiraro maimbo fromm beeeeeeeeeeeeeeeeeeeeeeeeee

Zé olona miteny an zany no tena tsy ampy solaitra. Azo atao ny miteny ratsy tsy misy opa fa ny anao io izao efa le mively latabatra am kiraro no ataonao eo amin'ny fivoriana.



Fa ny ompa nataon'i Printsy Sarla ireny ve dia mety ? Ahoana hoy i Zanakolona izao amin'ireny sa manaiky matoa tsy miteny
39. essera ( 30/04/2009 12:16)
Fa ny ompa nataon'i Printsy Sarla ireny ve dia mety ? Ahoana hoy i Zanakolona izao amin'ireny sa manaiky matoa tsy miteny


Tsy tafita ilay hafatra. Sehatra iray ifanakalozantsika mpisera ity. Iza no présents ato amin'ny site serasera.org. Izaho, ianao, ny olona te hamaky (ireo no miantrano ato izao).

Izaho sy ianao aloha izany no mila mifanaja miresaka ato. Minimum de politesse aloha izay ho antsika fa ny andraikitry Sarla an'azy any.

Ho tezitra ihany angamba ny tompon'ny site raha ny mpisera ato no hanisy opa reny anabavy sy ny sisa... izay fahita any amin'ny site sasantsasany. Any no tiako ahatongavana ra-jean pierre.



40. xxx ( 30/04/2009 13:09)
Tsy tokony enao no hanomé lesona ho an'ny mpisera ry essera ,satria;

-mpanopa olona mpisera enao
-manao tsinontsinona zay dinika apetrakin'ny hafa
-miantsy ny herisetra sy ny fifamonoina ny mpiray tanindrazana aminao


diniho ireo zay enao vao mahazo miteny olona
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.1706