Sambatra ny tsy mahita kanefa mino"Doubt Thomas"

1. niryna ( 29/04/2009 11:47)
[b]Ary rehefa nilaza izany Izy, dia nasehony azy ny tànany sy ny lanivoany. Dia faly ny mpianatra, raha nahita ny Tompo.

21 Ary hoy indray Jesosy taminy: Fiadanana ho anareo; tahaka ny nanirahan'ny Ray Ahy no anirahako anareo kosa.

22 Ary rehefa nilaza izany Izy, dia nanisy fofonaina, ka hoy Izy taminy: Raiso ny Fanahy Masina;

23 na helok'iza na helok'iza no avelanareo, dia voavela izany; ary na an'iza na an'iza kosa no tsy avelanareo, dia tsy voavela izany.

24 Fa Tomasy, anankiray tamin'ny roa ambin'ny folo lahy, ilay atao hoe Didymo, dia tsy mba teo aminy raha tonga Jesosy.

26 Ary nony afaka havaloana, dia tafangona teo indray ny mpianany, ary teo koa Tomasy. Dia tonga Jesosy, rehefa voarindrina ny varavarana, ka nitsangana teo afovoany, dia nanao hoe: Fiadanana ho anareo.

27 Ary hoy Izy tamin'i Tomasy: Atehefo eto ny rantsan-tànanao, ka jereo ny tànako; ary atehefo eto koa ny tànanao, ka ataovy amin'ny lanivoako; ary aza ho isan'izay tsy mino, fa minoa.
28 Dia namaly Tomasy ka nanao taminy hoe: Tompoko sy Andriamantro
29 Hoy Jesosy taminy: Satria nahita Ahy hianao, dia nino; sambatra kosa izay tsy nahita, nefa nino.


novalian'i niryna ny 05/05/2009 16:02
2. niryna ( 29/04/2009 11:52)
Hoy Jesosy taminy:Satria nahita Ahy hianao dia mino;[color=blue]sambatra kosa izay tsy nahita ,nefa mino Jaona 20 :29
Doubt Thomas no ilazana ny olona tsy mino maty raha tsy avy mandevina.Dia ampiasaina koa izany amin'ny finoana izay iainantsika,Raha misy tokoa izao Atra izao ,maninona no ........ dia tonga daholo ireo fanahiana,tsy fahatokisana,tsy finoana ny asa vitany..
Zaraiko fotsiiny ity an,rehefa misy mahazo antsika amin'ny fiainana dia mitenena anakam-po hoe hiezaka aho tsy anao toy i Tomasy :D
(l) niryna
3. ikaretsaka ( 29/04/2009 16:09)
tandremo koa hono ny minomino foana sy fahatany fotsiny..
"fantatro ilay nametrahako ny fitokiako"
4. niryna ( 05/05/2009 16:02)
ikaretsaka:

tandremo koa hono ny minomino foana sy fahatany fotsiny..
"fantatro ilay nametrahako ny fitokiako"


mitranga io fa anjaran'ny tsirairay no mandray izay mety
amin'ny fiainany .anjarantsika fotsiny no mamafy,ny hafa hoy aho no anondraka ary Atra no ampiroborobo ny finoany ,raha manamafy ny fony moa izy dia omeny azy koa izany.
Tsy afaka mamonjy fanahin'olona isika fa mizara ny fahasoavana nomeNy antsika fotsiny,tsy afaka ny iteny hoe ny ahy ihany no marina na ny ahy ihany no izy,mila fantariny ny an'ny hafa ,fa tazomy izay fantatra fa marina amin'ny finoanao .Akoatr'izay dia mivavaka mafy amin'Atra mba ampianatra antsika ahalala ny marina sy ny fahamarinana fa Izy ihany no ampahiratra ny masontsika rehefa mangetaheta Azy tokoa isika :D
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0462