Voadingana koa la frantsa fa tonga dia any guangzhou

21. falyfenosoa ( 29/04/2009 14:05)
Ho ahy manokana dia miasa @ orinasa Malagasy ary tsy menatra @ maha malagasy ahy.
22. falyfenosoa ( 29/04/2009 14:15)
Ny olana amintsika Malagasy dia tsotra, mora ny maka fahefana fa rehefa tonga eo dia mameno paosy daholo ny havana aman-tsakaiza.
Raha haintsika ny mifehy ny mpitondra antsika dia lasa lavitra isika, tsy misy mihitsy ny fepetra ahafahana mifehy ny mpitondra nifandimby fa izay tonga dia nameno paosy ary izay miana-kendry milaza ny tsy mety dia afindra toerana, anisan'ny niaina an'izany ny Dadako t@ andron'ny PSD,( tao anatin'ny herinandro dia in-droa nahazo famindran-toerana(Manalalondo-Arivonimamo dia avy eo nankany Ambohitrinibe-ivato) niaina izany ny zokiko t@ andron'ny Arema(nigadra tany Tsihombe 1989), niaina izany ny tenako t@ 2006-2008(niakatra fitsarana tao Anosy ary mbola mitohy hatramin'izao).
Marihako anefa fa dia samy manana ny toerany daholo izahay rehetra eo anatrehan'ny mpiara-miasa taminay, na ny mpiara-monina, izay nanao ratsy dia nahazo ny sazy t@ ilay Andriamanitra marina izay inoanay.

Amiko mbola hanohitra aho ary hanohitra hatrany ny tsy rariny mianjady @ Malagasy toa ahy raha mbola misy ny tsy rariny na iza na iza. Tsy ilana tambiny izany ary tsy ilana voninahitra.
Ho an'Andriamanitra irery ihany anie ny voninahitra.
23. Oay ( 29/04/2009 14:26)
tsiafoi1:


ITY KOSA ALOA TSY AZO LAVINA :

Le gasy teo alohan'ny 2002 sy le tsy niaina ny 2002 à 2008 teto Dago, no tsy te ho atao hoe malagasy, ka nisarangotra nitady nationalité tetsy sy teroa, nahavatra nividy ex-combatant na vazaha reraka tany @'ny sisin-tany mba nahazoana nationalité frantsay (jereo any @'ny fitsarana ny archivage ny demande de nationalité hoe t@'ny taona firy no betsaka indrindra vao mamoaka analyse). Fa ny gasy niaina tao anatin'ny 2002 ka hatreo @'ny 2008, de tena fière mihitsy hoe malagasy, ary indrindra ny VITA MALAGASY.

Matahotra ho very fihinana raFrantsa sy ny tariny, satria tsy ho ela de ho lasa lavitra toa an-dry kelimaso ramalagasy, ka de izao nohezahiny nopotehina aingana izao izany firehana izany. Ary haverina @'ny teny frantsay indray ny fampianarana, AIZA ARY IZANY SUITE LOGIQUE ny analyse ataon-dry falyfenosoa zany e???



Za aloha tsy afaka hiresaka momba an'io resaka nationalité frantsay io satria zavatra tsy aiko ary tsy ananako: Fa ity tsiafoi1 be kozy bobaka ity kosa d manankambara aminy za "RAHA TENA FIER AMIN'NY MAHAMALAGASY ANAZY I RAVALOMANANA SY NY TARANANY D TSY NAVELANY NANAMBADY AN'INY VAZAHA FOTSY BE OTRAN'NY ... iny ny ZANANY" raha misy hiteny hoe raciste i Oay d izao ny valiny LE RACISME consiste à hiérarchiser les races d tadidio fa i Oay tsy manaiky fa misy race ambony sy ambany satria ny olombelona no namorona an'izany fa tsy Andriamanitra, porofo d izao tadidio fa concours ny fahazahoandalana hiakatra eny @ volana ka izay mafy be ihany no mahazo ny place tadidio anefa fa efa niakatra teny daholo ny karazan'olona.
Fa i Oay satria izy dedaka @ mahamalagasy anazy ary indrindraindrindra dedaka @ fihaviany noho izany raha haka taranaka izy d ny mitovy aminazy ihany no alainy, ka aza miresaka fitiavantanindrazana raha toa ka ny razana niavianao aza ataonao valalan'amboa!

24. fijo ( 29/04/2009 19:19)
fahadisoan'ny frantsa io,izao vola tokony hoazy lasan'ny sasany
25. rakaroka ( 29/04/2009 20:26)
[quote=falyfenosoa]
Maromaro izahay Malagasy aty Madagasikara no variana ihany @ ity fanenjehana frantsay ity

´zaho dia variana TANTERAKA @ "NAIVETEntsika Malagasy mandany andro manenjika ny Frantsay! Tsy hoe tia Frantsay toa inn aho fa tahaka ny ol rehetra ihany , misy ny soa sy ny lesoka rizareo.Ary tena marina fa "mpiady @ rizareo aho eto" , efa naharesy Frantsay @ tribunal ,sns.
Ny mapme amintsika dé ´zao " efa t@ 1960 anie isika rey olona no
nahazo ny fahaleovantenantsika e, dia h@ izao dia tsy misy zavatra mibahana ao an-tsaina raha tsy "Frantsay", ´za tsy mieritreritra an-drizareo fa ny ataoko no ataoko an, izany hoe miresaka isika dia voaresaka, sady izao, le strategientsika hifanandrina amindrizareo e, saina dorana ve :-D :-D :-D ; dia ireo mihevitra fa tsy tokony hianarana aza na ny teniny; dia anefa izao marina fa raha te hifanazava
hifanandrina @ aty ivelany ianareo fara-faharatsiny mila MAHAFOLAKA
ny fitenin-dry Moulin sy Shakespear hono fa AZA MIHANONA @ TENY GASY FTSN satria na ireo firenena rahavavy Afrikana aza tsy misy miteny gasy. Bon raha ohatra moa ´nareo efa mieritreritra ny tsy hihoatra ny kianja 13mai dia mijanona ao, dia tsy maninn fa holalaovin´ny mpanao politika mbo nahafolaka ny fifandraisana @ hafa ´nareo .
Ary raha miresaka izany aho hevero fa FITIAVAKO anareo indrindra MIHITSY! satria MBOLA BETSAKA @ ZAVATRA IAINATSIKA no an´ny vahiny. ohatra ny solosaina ity , ny piesy sns, mbola ilana fifaneraserana amindrizareo. Ka isika anie ka mbola misy lalana lavitra aleha vao mahadingana ny fahampian-tsakafo aza koa aza variana manenjika ny hafa sy mifandripaka an-toerana fa alao hery ny FANAJARIANA ny fiainana! Atreho ny fiainana sy izay hihoarana ny hafa @ izao mondialisation izao ary! Fa ny miolonolona aloha dia tsy ho lasa lavitra!
26. fijo ( 29/04/2009 20:29)
ekena fa efa tamin'ny taona 60 isika no tsy zanatany intsony,fa hatramin'izao,dia mbola ita taratra ny fanimbana sy ny hezaka ataon'ny frantsay hifehezana antsika,io dia tsy azony hafenina ary io no hiadivana,fa tsy dupont sy michel ary pierre akory
27. rakaroka ( 29/04/2009 20:43)
[quote=fijo]
ekena fa efa tamin'ny taona 60 isika no tsy zanatany intsony,fa hatramin'izao,dia mbola ita taratra ny fanimbana sy ny hezaka ataon'ny frantsay hifehezana antsika,

Ka tsy milaza ve izany hoe isika mihitsy no VENDRANA roll: :roll: :roll: :?:
Te hiala aminy anefa efa ampaha-taonjato iray manontolo tsy afaka ihany
: :roll: :roll: Ka le fomba fiadintsika koa aloha dia mbo maneho hoe tsy faly ftsn fa tsy dia mankaiza!hi!HI!HI Ary manaraka izany toa mila andrizareo ihany anie fa tsy mahavita tena akory! Dia maninn no mandany andro manenjika aza fa tsy ny atao no atao !
Izany hoe mbo manala fo izany hi!HI!HI mapme ihany!
Hoe tezitra anefa tsy mankaiza:!:




28. fijo ( 29/04/2009 21:15)
vendrana mihintsy isika,ekeko izany.in yizao i ravalo nihezaka niala izany figejana ataon'ny frantsay izany.vao nolangolangon'ny andry ny vahoaka dia iny fa roboka,aiza isika izao??????tena vendrana isika
29. rakaroka ( 29/04/2009 21:28)
fijo:

vendrana mihintsy isika,ekeko izany.in yizao i ravalo nihezaka niala izany figejana ataon'ny frantsay izany.vao nolangolangon'ny andry ny vahoaka dia iny fa roboka,aiza isika izao??????tena vendrana isika

Aza hadino fa Ravalo koa ka tonga nangataka teto Frantsa an! fa tsy nahazo dia lasa anti-Frantsay . Pour vous dire simplement fa misy zavatra fiandrandra angamba eto !

30. Oay ( 30/04/2009 06:12)
Izao ny zavatra tsaroako t@ tenin'i Rabemanjara "Ny any hafa feheziko fa ny an'ny tenako andrianiko"

Marina mihintsy ny tenin'i rakaroka ary io moa d anisan'ny zavatra hiadiako hevitra @ ireny zokibe ireny matetika mbola averiko fa:

_Ny dadabeanay ohatra d nandeha niala kilometatra anjatony nandeha nitady d nanangona ny nalehany tany fa rehefa azony izay tsy ampy taminy d niverina atanindrazana izy! d ny zavatra nolazainy taminay d ny fanejehana nataon'ny olona anazy tany @ ilay tany nalehany satria nolazaindry zareo fa fetsifetsy é! mpangoronkarena é! d izao no navalin'i dadabeanay andri zareo :"MATOA AHO NANDAO NY VADY AMNJANAKO NANDEHA ATY LAVITRA ATY D SATRIA HITADY VOLA NOHO IZANY TSY MAINTSY MAXIMISER-KO NY TOMBONY TOKONY HOHAZOKO fa ANAREO NY MITADY HEVITRA MBA TSY HAHAFATIANTOKA ANAREO. ny tiako lazaina d hoe kilometatra anarivony ny nataon'ny frantsay vao tonga eto Madagsikara noho izany rehefa tonga eto izy d tsy maintsy mitady fika hitsetsefana antsika fa anjarantsika ny mametraka rafitra matipaika mba hahazahoantsika tombony @ izay zavatra hifanaovana aminy!
Ny zava-misy anefa d tsy izay satria ny mpitondra gasy d tsy tia tanindrazana fa maika hameno posy ohatra: Ny Hasina nametraka ireny cabine téléphonique ireny, zavatra notsipinina teny @ zoridira ireny tany frantsa tany d mbola novidian'i Ny Hasina satria nahazo ilay 20% no nahamaika anazy!
D nalaza be tokoa moa fa nahavita be i Ny Hasina tamin'izany ny marina anefa d satria Ratsiraka sy ny tariny tsy nanao ninn d mba nanao zavatra kely i Ny Hasina d otrany hoe nanao miracle!
D otran'izay koa ity Ravalomanana ity satria ny teo aloha tsy nanao ninn d mba nanao zavatra kely d otrany hoe nanao lalana hiakarana any andanitra!

Ny tiako lazaina d hoe na inn na inn lazaintsika d tsy maintsy miaramiasa @ olonkafa isika ka io na Sinoa io na Amerikanina na Afrikanina d matoa izy tonga eto d satria hitady tombony ho an'ny taniny, noho izany d mila mpitondra isika afaka mifandahatra amin'ireny vahiny mpanambola ireny!

Fa tsy hoe roahina ny frantsay d varotana @ Koreana ny tanindrazana! io ny nataon'i Ravalomanana.

Roahina ny frantsay d soloina sovietika sy sinoa io no nataon'i Ratsiraka.

Mbola amafisiko fa matoa ny olona mandao ny tanondrazany hitady vola noho izany d tsy maintsy tendakanina izy satria maika ny hiverina any aminy!
31. falyfenosoa ( 30/04/2009 08:56)
Ny fiaraha-miasa @ firenen-kafa dia azo atao fa kosa anjarantsika no mametraka mialoha ny fifanarahana.
Manana namana aho mpamboly sady mpiompy any @ faritry Toamasina, t@ Avril 2008 izy no nidina nipetraka tany @ io toerana atao hoe Ambodiriana io, any akaikin'ny Ivoloina(13km miala ny pont Ivoloina), omby vavy be ronono 3 no netiny nankany ary nanofana fiara(1000000ar) manokana miaraka @ entan'izy mianakavy. Manofa tany @ tompon-tany no ataony mba hiompiana omby, nanaovana dobo trondro, ary nisy ny natao tanimbary.
Ny zava-nitranga t@ octobre 2008 dia nisy ireo vahiny (kelimaso) tonga namaritra tany teo anelanelan'ny Ivoloina sy Mahavelona(foulpointe).
Nidina tany an-toerana ny Filoha t@ izany izay Ravalomanana ka nanome zanaka letchis maimaim-poana ireo mponina manodidina ary ny tena loza dia ilay tany kely notrandrahan'ilay namana io dia anisan'ireo tafiditra tao anatin'io faritra ho trandrahan'ireo vahiny izay marihana fa dia tsy hay na sinoa na inona fa kelimaso no ilazan-drizareo azy.
Eto Antananarivo izao io namana io ary dia nampiseho ny hafaliany satria dia tafaverina taminy ireo tany izay saika lasan'ny vahiny, tsy maharaka ny ronono hoy izy @ izao fotoana ary miakatra ny vidiny ary faly ny mpiompy ao Toamasina izay mpiavy no akamaroany. Efa niomana ny hody izahay mianakavy t@ faran'ny taona satria dia efa saika nafoy ny tany noho ny fahazoan'ireo vahiny izany.

Ny tiana marihana dia mazava: tsy voatery hiampita ranomasina vao ho velona, ary ny hevitro dia manana ny ampy madagasikara na sakafo, na fitafiana teo aloha saingy nampalahelo t@ andron'iza no nahafaty ny Orinasa SOTEMA, COTONA, PAPMAD, SNS ny antony dia noho ny fahalafosan'ny vidin-jiro teto Madagasikara, tsy nisy ny fitsinjovana ireo orinasa malagasy ankoatran'ny TIKO, ireo orinasa mpanao SIRAMAMY moa dia natao fitaovana politika fotsiny ihany, tsy ho tanisaiko eto ny zavatra maro.

Anisan'ny mba manana namana ihany koa ny tena any @ faritry Vakinakaratra izay mamokatra fromage, nitombo avo telo heny ankehitriny ny vokatra novokariny satria betsaka ny ronono ary malalaka ny tsena.

Eo @ resaka vary dia manana ny ampy i Madagasikara fa saingy mbola maro ireo manao fitaovana politika azy io.

Asa rahoviana re vao hiova ny toe-tsaintsika Malagasy ka tena hankafy ny maha-malagasy antsika?

Mila miala @ fitiavan-tena ny tsirairay.
32. diamondra27 ( 30/04/2009 10:33)
Oay: tena iombonako hevitra ianao amin'iny
33. diamondra27 ( 30/04/2009 10:43)
falyfenosoa:

Ny hevitro aloha dia tsotra, aleo tsy mifampiraharaha @ n'iza na iza aloha, aleo amboarina ny eto an-toerana, inona moano tombotsoa azoko raha nitrosa an-tapitrisany t@ tandrefana na tatsinana izay mpitondra nifandimby teo? na nifandray t@ tany iza na iza mba nahazo tombotsoa ve ny vahoaka madinika? nefa dia t@ anaran'ny firenena malagasy no nitrosana nanomboa t@ repoblika 1 ka hatramin'ny repoblika faha-3, dia ho sanatria ve dia hitrosa indray koa ny HAT?
Ho ahy dia rehefa misy ny zava-bita mivaingana eto madagasikara @ herin'ny tena dia tsy misy antony hindramana vola any ivelany fa manantona ho azy eto ireo firenena miseho azy ho mpanam-bola ireo ka manambitamby.
Jereo tsara Maroc, tsy ao anatin'ny union Africain izy nefa dia tafavoaka soa aman-tsara ary milamina sy tafita ny mponina, marina mihitsy ny fanazavana nomen'ilay ray aman-dreny efa lehibe atao hoe Rainijaonary izay tsy tapaka nanazava ny fomba fifandraisana @ ireo firenena tandrefana rehetra izay antsoina hoe "Communauté International", jereo Irak, afganistan, sns.
Antsika no mieritreritra? Dia ho sanatria ve dia ho lasa fitaovana hamelona ny firenena miseho azy ho lehibe sy manankarena i Madagasikara izay manana ny tahirin-tsolitany anisan'ny goavana indrindra @ izao fotoana? manana ny harena ambanin'ny tany be indrindra ihany koa?

Raha ny zava-misy dia averiko foana ny hevitro ary tsy mahakivy ahy dia ny: Mino aho fa lalana voasoratr'Andrimanitra izao ho an'i Madagasikara, ho an'izay mitovy hevitra amiko dia mivavaha mandrakariva fa Andriamanitra sy Jesoa Kristy zanany momba sy mitahy antsika mandrakariva.

_______________________________

marina fa izany no tokony hatao saingy kosa raha ny fahalalako azy raha izao zavatra potika izao tena tsy hahavita tena ny malagasy

Niresaka Maroc ianao , miala tsiny raha mi- contre dire fa vao haingana mihintsy izao no nahita reportage momban'ni maroc, ary ny naseho tamin'izany dia ny fijalian'ny mponina any ary misy hitovizana amin'ny fijaliana gasy ihany , dia samy mifamono ihany koa fa ny any aza ny securité tena vao may loza

Manaraka izany afa-tsy ny tourisme fa raha hoe : hivahiny amin'ny havana izany ianao dia sarotra be @olona ny manaiky anao satria eo amin'ny sécurité tena sarotra be

Resaka économie angaha dia hoe mandeha tsara ny resaka fivarotana rongony any amindry zalahy ary manana tany be de be amin'izany ireo marocain ireo

_________________________
hoy rakaroka:
Ity zava-misy ity dia manamafy fa tsy I Frantsa IRERY anie wa ny firenena IFAMPIRAHARAHAN' ny gasy ka asakareo mbola bloqué voazanaka ara-tsaina mis'acharne toa mamo midelire Frantsa ! Frantsa lava ts'isy farany isak'izay misy zava-miseho , na lalitra manidina aza..., izao ho any NY i Andry , dia misokatra koa ity , dia mbola lazaivo koa fa noho i la Frantsa aby izany


ka aty frantsa kosa akia tena misy gasy mpanao bizna a!na taloha na am zao fotoana ary depuis le sarkozy manakana ny immigration de somary nihena ny mpanao bizna aty fa aleon'ny olona makany italy sy chine sy honk-kong sady mora no tsy misy bleme

Fa mampime koa aloha le filazandry am le oe lalitra e! hiiii
Fa tena marina koa ny lazaindry fa tsy la frantsa doly no fototra fa samy manana ny responsabilité-ny daholo ny olona


34. diamondra27 ( 30/04/2009 10:56)
momban'ny esaka fanjanahana kosa aloha dia izay nozanahan'i fratnsa tsy tafa e fa jereo ange ny fanjanahan'ny amerikana e, tsy misy resaka wawawa fa mandroso hatrany ny toekarena


lazaiko anareo fa aiza ireny jean ireny no atao finition , any dago , ny mpiasa malagasy no ampiasaina fa zany hoe asiana marque vahiny fotsiny le izy rehefa vita , tena fanambakàna be mihintsy

mba efa faly ery ny tena amin'ilay vita malagasy satria efa mihanaka ireny harona gasy ireny izao

mahay ny gasy saingy tsy manana capital de araraotin'ny investisseurs de zay


jereo ihany koa fa mihamaro ny vahiny tonga any dago satria resaka huiles essentiels @izao tena mandeha sady lafo vidy nefa dia karama vary masaka no azon'ny gasy amin'izany

Ny tokony hatao an-tsaina dia izao hoe: marina fa voazanaky ny frantsay isika ka raha toa misy azo atao ny mba hinanana azy dia atao izany
Aiza ny afrkana tsy hialokaloka aty frantsa sady hitany daholo izao teknika rejhetra izao nefa izy migalabona tsara any an-tranony . Mody hoe RMI sns sy chomeurs nefa aller voir fa tetika doly izany
35. rakaroka ( 30/04/2009 20:51)
Tena miombon-kevitra @ Oay aloha aho e , fa ô rey ol a 'za 'zao anie ka tsy lavitra anareo izao ...mbo marina maaaafy raha nieritreritra ny hahita an'i LaFrantsa izany akory ny tenako! Tena lé mpitrongy vao homana ireny koa tany, ary nihosina nifotetaka teny an-tsenan'Analakely koa...Ary tany am-pianarana koa aza tsy dia noraharahiako akory ny teny Frantsay , fa nisongadina t@ teny malagasy ...fa nasesiky ny vintana ftsn aho dia lasa aty...
dia eo @ izay aza lé olna e : "hiatrika 'reto vozongo aza ianao" , 'ngaha moa rizareo mahazo teny gasy , ianao anefa manana eritreritra zato amby arivo, na ny iadivanao ny zonao, na ny hametrahanao ny "hevitrao sns" dia tsy tafa lé izy raha tsy mahafehy ny teniny ! dia anefa raha tara vao mianatra "langues" henjana ihany an :oops: :oops: :oops: Voambolana firy isan'andro sy fitsipi-pitenenana no ho enjehina ?...
tsy hoe tsy tia ny tanindrazana angamba ny gasy maaaro fa misy fitenenana hoe "ny fitadiavana mahazaka maniraka , ka raha nahavita tokoa ny tany tsy ho niampita e ! Tssss fiteny sy fomban'ny gasy ny miafiafy mandefindefitra mora mionona fa raha ny marina ny fivoarana ara-materialy maaaaro dia mahavoatery handalina ny hafa na ny teniny fara-faharatsiny satria tsy mbola tonga @ izany ny "fahalalàna" misy any : boky sns .
Raha ohatra moa mianina @ fambolena sy ny varobarotra madinika , dia tsy maninn fa raha hiady seza politika koa , tsara ihany raha mianatra satria jeren'ny olona ny CV avy eo dia tsy tafa indraindray ! Hi!hi!hi
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.3626