Fetin’ny 1 Mey

1. Noue ( 29/04/2009 07:48)
ahoana zao ny fandehan'io??? ozy manko ny gazety oe

Tsy hisy ny hetsika hitambarana hankalazana ny fetin’ny 1 mey amin’ity. Hizara roa ny mpiasa amin’io ka hisy ny ho eny Ambohijatovo na ny Kianjan’ny 13 mey. Hisy kosa ireo hijanonana any anaty efitrano. Ireo mpiasa mitonona ho «manohana ny ara-dalàna», izay hotarihin’ny KMTM (Komity Miaro ny Tombontsoan’ny Mpiasam-panjakana) dia hiainga eo amin’ny Instat eo Anosy, na eny Mahamasina ary hilahatra ho eny Ambohijatovo, hoy Atoa Rabeony Sylvain. Raha tsy azo Ambohijatovo dia ho eny amin’ny kianjan’ny 13 mey izy ireo. Tsy ny mpiasam-panjakana ihany fa nasaina handray anjara amin’io koa ny mpiasan’ny orinasa afaka haba sy amin’ny sehatra tsy miankina, hoy ihany izy. Ny faharoa, ireo mpiasa miaraka amin’ny sendikà Fisema kosa dia hivory ao amin’ny efitrano malalaky ny Tranombokim-pirenena eny Ampefiloha, ny tolakandron’io zoma io, hoy ny Sekretera Jeneraliny Randrianasolo José. Samy hanao hetsika ho azy mitovitovy amin’izay koa ny sendikà hafa toy ny Sekrima sy ny Fisemare, araka ny fahafantaran’ity Sekretera jeneralin’ny Fisema ity azy.

dia ho sahy handrara ny filaharana ve ny tgv ? hamarinina etoana fa tsy natokana ho an'ny tgv ny fetin'ny 1 Mey
novalian'i tsiafoi1 ny 29/04/2009 13:43
2. xxx ( 29/04/2009 13:22)
tsisy an'zany mandrara zany eo ary na misy aza zany ny tolona tsy maintsy mandroso,ny tgVENDRANA efa fsisy te-halala ntsony ,voaroaka tany Addis Abebas ry Hasina fa mitondra GRIPATGVENDRANA :twisted: :twisted: :twisted:
3. tsiafoi1 ( 29/04/2009 13:43)

Rehefa tsy avela ho eo @'ny 13mai de mandendeha miodidina ny tanàna. Manentana sy mampahalala vaovao ny faritra manodidina, mitondra banderolle. Vao maika aza atout ho an'ny mpiasa mpandala ny ara-dàlana izany. Atao ambiance be, mivimbina sakafo maivana de mijanona isaky ny faritra lalovana. Raha misy ny ho enti-manana de manao asa-soa eny amin'izay faritra lalovana.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0685