Poly sy Volera ...

1. Fanhaiky ( 25/04/2009 08:01)
Nisy mpilaza vaovao iray ao amin'ny haino aman-jery iray nilaza fa toy ny RABOKA no hilalaovan'ny mpanao politika malagasy ity firenena ity amin'izao fotoana izao, manaiky izany tokoa satria toa lasa kilalaon-jaza ny fitadiavan-toerana eto amin-tsika ka ny vahoaka madinika no mizaka izany kilalao mahery vaika lalaovin'izy ireo izany,
Anjaran'ny TGV no miady ny ho tonga teo amin'ny toerana teo aloha namoizana aina, fahapotehana foto-drafitrasa maro isan-karazany, izany hoe ny Mpandala ny ara-dalàna no boka mpanenjika teo aloha amin'izao fotoana kosa anjaran'ny TGV sy ny HAT kosa izany ka izay tratra manefa.
Ny hany mahalasa saina dia ireto vahoaka miady mafy eny sahy mahafoy ny ainy mihitsy aza angamba ny sasany, entina hiarovana izany toeran'ny Mpitarika azy izany ka ny maha lasa saina dia hoe ho tsaroan'ireo Lohandohany ve izy ireo rehefa tratrany tanjona, tsy haiko fa anjaranao no mamaly sy mandinika, sao kosa dia tsy fitiavan-tanindrazana intsony fa fitiavan-tenan'ireo efa zatra nahazo hatramin'izay koa eto na TGV na TIM izy dia samy tompon'andraikitra daolo satria matoa misy ny zava-mitranga toy ny amin'izao fotoana izao dia misy tsy milamina ao
koa samia mandinika sy mieritreritra ny ho avin'ity firenena sy ireo taranaka ao afara, ary alohan'ny hidirana amin'ireny raharaha toy ireny ry namako mpitolona isany dia jereo sy diniho tsara raha mahasoa anao ny tokony hidiranao amin'ny kizo toy izany...

Ampitiavana be foana
2. ravalotgv ( 25/04/2009 08:06)
iza ndray zao no boka manaraka

sao de ery ambony hazo ery ,o mihanika de miafina no sady mi

sniff
tchrouff
:@ :@ :@ :@ :@ :@ :@ :@
3. Oay ( 25/04/2009 08:20)
Salama aloa i Fanhaiky!
Nareo kosa mandainga raha d hoe tsy mitendry ilay gitara beso é! Jereo ilay hoe Ampitiavana be fa d Olombelo Ricky an! Ka i Fanaiky d mpitendry gitara beso ny Olombelo Ricky! iny ilay safary kely ny ela tsy nihaona é!
Fa d mahafinaritra rahalahy fa ianareo tsy d mandalo matetika fa d madio sy mahintsy ny zavatra entinareo rehefa tonga ka d saotra é!
Mila mandinika tokoa isika ary mila mahafantatra ny ataontsika mba tsy hanenina @ izay natao! Tsy mety ny mihinana amabolony ozy ilay fitenenana izay!
Ny mampalahelo anefa ry Fanhaiky d jereo fa ny dinika toa izao ataonao izao d zara raha misy mamaly, fa raha vao dinika miharo fihantsina sy feno fanompana sy fanambaniana d mihazakazaka daholo ny bobaka be!
Ary izay no mahatonga ana manentana ny olona toa anareo izao, olona feno fahendrena, entanina ianareo mba hampiely ny hevitra mitory fitiavana sy mandala ny fihavanana satria izay no tsy ampy amintsika ka lasa manaonao foana ny ankamaroan'ny olona ka tonga hatramin'ny fahavononana hamoy ny ainy, raha mba mandinika kely fotsiny anefa d ahatsapa fa ny mpitarika anie raha vao itany fa hiafara @ fahafatesana ny zavatra d mipitsika tsy moramora izy! Eto izao d misy, eny tsy maro fa vitsy anisa, eto @ serasera d mihantsy ady mandrangitra, manompa fa d manana adidy @ tanindrazana d mila mahazaka an'ireny! Ka amaranako azy d mba mandalondalova matetika mitory ilay fahendrena é!

Ampitiavana! Fanahy miantso fanahy ary Olombelona feno Fitiavana sy fihavanana!
4. ravalotgv ( 25/04/2009 08:56)
mivoaka ny sujet anie ra oay zany e sao de nitifitra be loatraniaraka t@ r ny olombelo ricky omeo kely any aloha na vaoniny aza

sniff
tchrouff

:@ :@ :@ :@ :@ :@ :@ :@
5. ravatorano ( 25/04/2009 09:54)
ny voalazan i Fanhaiky teo dia tsisy madilana ho tettenina intsony fa zava iny
ny amin'ny hoe raha vao resaka misy fiantsiana dia feno mpandray anjara marina koa iny satria tia mifampihantsy ny akama sy namana tonga eto satria tsy mùitovy hevitra ka eo no mahabe ny mpandray anjara !
iny vao tena poly sy volera tokoa :-D :-D
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0403