Tsy aiko intsony na eto @ resaka politika na aiza no tokony hanoratako fa dia tena habibiana tsotra izao ny nahazo ilay mpivaro-boky teny Ambohijatovo! Dia asa hoe tsy mba henjehan'ny eritreriny ve izay nahavita izao? Tsy misy idiran'ny proX na proY intsony izao fa d fifamonoan'ny Malagasy et de la manière la plus sauvage!
:cry: :cry: :cry:
Raha mbola misy fitaovam-piadiana miparitaka any ho any, ary raha mbola vonona ny tsy hanaiky izay zava-misy sy ny toerana misy azy ny andaniny sy ny ankilany.
Ary raha tsy mety mihavana ny Malagasy, hanaiky hiara hanorina Madagasikara vaovao dia hitohy ny habibiana .
Kanefa tian'Andriamanitra ny tanintsika ka tsy havelany hanjaka hatramin'ny farany ny ratsy
Mivavaha raha hitady vahoolana e!