Efa hatrin'ny omaly aho no lasa saina !!!

1. essera ( 23/04/2009 09:46)
Nisy fanontaniana napetrako omaly hoe : "naninona no nangingina ny ara-dalàna". Raha ny fijeriko manokana dia mino aho fa samy hiara-hanongilan-tsofina amin'ilay "Ampamoaka rahampitso angamba".

Ny tena faniriana moa amiko dia hotanisaina tsirairay ilay zavatra tsy mety rehetra ary avoaka an-gazety (hikaroka vao2 aza moa atao koa maika fa tolorana). Ary tena mba asio porofo sy taratasy mazava ilay izy ry zalah fa izay no efa idradradradran'ny mpiondana ato lava (raha izay no ampagiana azy).

Ny tena tsara koa moa izany dia asio antontan'isa milay tsara ilay izy fa tsy hoe bla bla bla fotsiny. Fantatro ireo fa hainareo daholo fa mba fampatsiahivana ny ahy.

Farany, misy tsirin-kevitra, misy tany malalaka be ireny ry zalah mpiondana (le nototofana ra8) azonareo anehoana hevitra tsara mihitsy ka tsy mila manao fangatahana akory ianareo dia efa mahazo sady amin'ireny tsy misy zavatra dia hopotehinareo raha tsy hoe "TANIMENA MIREHITRA" angamba ka tsy mifaka a.

Zay fa dia soava-tsara daholo eeeeeeee.
novalian'i majakely ny 24/04/2009 12:03
2. saranga ( 23/04/2009 09:54)
Fa zao nama, ny an-dRavalo 7 taona no ho lazaina ny ankamoaka fa ny an'ity boay kely ratsy nify ity 1 volana nefa de loza
3. essera ( 23/04/2009 10:01)
Fa zao nama, ny an-dRavalo 7 taona no ho lazaina ny ankamoaka

Ka mbola tadiavin'ny hotohizana ilay revy dia miantso an'izao rehetra izao sy mamafy tsaho ary manakorontana. Efa tapaka ny lohan'ilay biby ity fa ny tongony ireto mitsipatsipaka be ireto.


fa ny an'ity boay kely ratsy nify ity 1 volana nefa de loza

Asaina mipetraka tsara ry zanaky i Dada dia mandeha milamina ny fifidianana. Défi nénio fa tsy te hamerina ilay resaka lava be a moa fa bedin'Ifiona. Esorina mihitsy aloha ny fakan'i Dada (Président fokontany, commune, faritra distrika, ministera etc etc izay mbola misy azy...). Raha tsy izany dia tsy misy dikany ilay tolona ry ngah.
Raha nihaino kely an'i Roindefo ianareo omaly dia hoy izy hoe :
"Tsy maninona mihitsy na androany aza no atao ny fifidianana fa raha mbola tsy vita tsara kosa ny fizarana ny karapanondro ny fandaminana ny lalam-pifidianana vao2 sns, dia mbola hiverina ihany ny hala-bato.
Ny sasany ange efa expert amin'io ka aleo miharitra kely toy izay very maina fotsiny dia hihomehy dada8 avy eo. hi hi hiiiiiiiiiiiiiiiiiiii


4. Mirananirina ( 23/04/2009 10:47)
dia mbola hiverina ihany ny hala-bato.

Ry zareo izao no eo,ka ry zareo izany no mangalabato :) :) :) ,Raha vao tsy 1 aloha ny adversaire-ndra8 ,dia miomana fa lasandra8 daholo.Io izao manko le hilatsaka daholo ny rehetra dia mandresy Ra8 e :lol:
5. rabaradaka ( 23/04/2009 10:50)
Tsotra dadatoa a, ilazao Ratsirahonana hoe asaivo mitsoaka any an-dafy amin'izay TGV fa hahita loza eto. De lazao indray Ratsiahonana hoe mandehana koa enao mankany an-dafy mitsoaka sao mahita loza eto. Zay ihany dadatoa no hafatra.Fa zao : rabaradaka tsy mpanamboatra na mpivarotra na mpanely tsaho, nareo no tsy manana izay ho lazaina ka manely tsaho
6. halloween ( 23/04/2009 12:06)
Ho roahana taneraka eo Ambohijatoo zany ny TIM le manakorotana be eo io de omena toerana any Alakamisy -Ambohidratrimo any ry zareo ! any koa izy sady mba manao pic-nic no manohitra Fanjakana
7. xxx ( 23/04/2009 12:33)
Ry zareo izao no eo,ka ry zareo izany no mangalabato ,Raha vao tsy 1 aloha ny adversaire-ndra8 ,dia miomana fa lasandra8 daholo.Io izao manko le hilatsaka daholo ny rehetra dia mandresy Ra8 e


fomban'ny dadanareo io mangala-bato io, isak'izao fifidianana rehetra izao, loooooooooooza, Maire, depute, presidentiel, referendum, tous

Tsy mila mpangala-bato intsony zahay
8. essera ( 23/04/2009 12:44)
5. Mpandefa : halloween [ Valio ] 23-04-2009 14:06:37
Lohateny : Re : Efa hatrin'ny omaly aho no lasa saina !!!
Ho roahana taneraka eo Ambohijatoo zany ny TIM le manakorotana be eo io de omena toerana any Alakamisy -Ambohidratrimo any ry zareo ! any koa izy sady mba manao pic-nic no manohitra Fanjakan


Sao d lavitra loatra eny ry halloween fa aleo na ao ambadiky magro ery antsimondrano, na koa eny andohatapenaka eny amd digue.
Afaka ny adalany am zay.
9. fijo ( 23/04/2009 20:42)
raha manana porofo amiko dia avelao hoavoak any tsy nety.fa rah aresaka atsipy toa ny teny aminn'y 13 mai ampirimi fa lainga afafy
10. majakely ( 24/04/2009 12:03)
rabaradaka:

Tsotra dadatoa a, ilazao Ratsirahonana hoe asaivo mitsoaka any an-dafy amin'izay TGV fa hahita loza eto. De lazao indray Ratsiahonana hoe mandehana koa enao mankany an-dafy mitsoaka sao mahita loza eto. Zay ihany dadatoa no hafatra.Fa zao : rabaradaka tsy mpanamboatra na mpivarotra na mpanely tsaho, nareo no tsy manana izay ho lazaina ka manely tsaho



Tsy hay tsony e!!samy tsy misy tiako na ra8 na Tgv....saingy ra8 nifidy ho azy aho satria izy no hitako hoe mba azoazo noho ireo goaika antitra sasany ireo ,saingy ny mampalahelo ahy de tsy nifidy tgv mihitsy aho nefa izy tenany milaza fa choix- ako zah vahoaka!!Donky c'est injuste satria na izah samy zah amin'ny tenako samirery aza mahita hoe ahoana no hataoko mba hanekeko hoe :c'est mon choix io TGV io?????Et je doit assumer quoi au juste??? toy ny amerikanina tam BUSH ,satria tsy nifidy an'i TGV aho tompoko,fa olona 20.000 eo ho eo ao Tanà hono no nisolo anah sy ny vahoaka malagasy rehetra mario anîsa???!!Dommage!
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0761