Msy fetrany ve??

1. Djhamhal ( 22/04/2009 15:01)
Misy fetrany ve ny fankatoavan'ny zanaka ny ray amandreny ra eo @ lafiny fitiavana ?? raha misy dia farito !!
novalian'i Djhamhal ny 28/05/2009 13:01
2. fahamarinana ( 22/04/2009 16:12)
:arrow: tsy azoko tsara be ilay fanontaniana fa aleo aloha hiandry ny hafa dia hiverenako indrya avy eo ! (l)
3. ni81 ( 22/04/2009 16:19)
Misy fetrany ve ny fankatoavan'ny zanaka ny ray amandreny ra eo @ lafiny fitiavana ?? raha misy dia farito !!
mba afaka manome ohatra ve i Djhamhal hoe tahatahaka ny ahoana ilay nitranga?
4. diamondra27 ( 23/04/2009 08:26)
ka nareo nge ry ni81 sy faha tena mpankato RAD de tsy mahakobo le izy e, hiiii

normalement ny zanaka de tokony hankato ny RAD foana , ok ve zay aloha
de nefa refa lebe le ankizy de misy ny tsy azo anoharana de mahatonga ny RAD tsy mankasitraka ny fanambadian-janany am le futur vinanto de lasa tsy mankato intsony le zanany
De noho izany manontany i Djam oe misy fetrany ve le fankatoavana de farito?

====> io aloha arakaraka le olona sy le fitiavanjareo ihany e! raha tena fitiavana tokoa de tsy voararan'ny RAD saingy misy antony ao matoa ny RAD manera anao tsy hiaraka am le olona ka dia anjaranao ny manontany azy am le RAD-nao
misy ny sasany oe mety efa tsy nifankazatra intsony ny RAD 2 tonta fa mpifahavalo de tsy tiany ny zanany hiaraka am le zanaky ny fahavalony

misy oe: mpihavana ianareo fa tsy afaka mivady
misy hoe:: samy hafa firazanana ianareo (vahiny manambady gasy , na samy gasy fa hafa firazanana)
misy oe tsy mitovy saranga
misy ihany koa fitiavatena tsotra izao , mbola tsy foin'ilay RAD-ny le zanany de tsy avelany hiaraka aminao

sns...

ny fetrany zany amiko ry Djham de oe:raha tena misy olana satria lova tsy mifindra na mpihavana ianareo no tokony tsy asiana fitiavana fa ireny no mahatonga ireny olona sembana ireny indraindray, dia aleo tsy miditra na dia tianao aza le olona
5. ni81 ( 23/04/2009 12:13)
ka nareo nge ry ni81 sy faha tena mpankato RAD de tsy mahakobo le izy e, hiiii
tsy dia izany loatra ry diams a! Fa mba tiako hanome ohatra izy ahazoana manazava, satria mety nahita toe-javatra niseho tany ho any izy dia mba te hijery sy hamantatra hoe hatraiza ny ny fetra.
6. diamondra27 ( 23/04/2009 12:49)
ni81: marina akia ny andry a! za nge mbo mivazivazy e

aleo izy hilaza ny heviny sy fanazavana fa izy le nanokatra dinika
7. mmmhh ( 23/04/2009 13:23)
Amiko aloha, tokony hankato ny RAD ny ankizy eo @ lafiny ara-pitiavana raha tsy hoe angaha fitiavan-tena tsotra izao ny an'ny le RAD,

Mety ho ankizy maditra be no hiarahan'ilay zanany, asa,

nefa na izany na tsy izany, mora ny miteny fa reefa tena tia izay ilay ankizy, tsy ho voasakan'ilay RAD @ fitiavany izany mintsy, mety hahatsapa ihany izy hoe marina ny an'i dada sy i neny, fa ilay herim-po hanantanteraka ny tenin'izy ireo no tsy misy, reefa ilay fitiavana an'ilay olon-tiany no be loatra ao anatiny,

sarotra ihany.
8. soanja ( 23/04/2009 13:53)
Djhamhal:

Misy fetrany ve ny fankatoavan'ny zanaka ny ray amandreny ra eo @ lafiny fitiavana ?? raha misy dia farito !!


Ny fitiavana dia vojanahary amin'ny rehetra. Ny olona rehetra dia mahatsapa azy avokoa ary tsy voafetra ny zavatra tsapa any anaty.

Adidin'ny Ray aman-dreny isanisany ny manorotoro ny zanany ny momban'ny fitiavana sy ny akony ary ny ho aviny, rehefa hiditra amin'io fotoanan'ny fahatsapana ny fitiavana mahery vaika ny zanany asa manomboka 9 taona ary miadana ny fampianarana fa tsy asesika.

Rehefa feno 12 taona eo ho izy dia ny fifampiresahana zany hoe izy manontany ianao Ray aman-dreny manome hevitra na mamaly sady manontany ny tsapany no betsaka. Zany hoe mifandray akaiky ny fonao sy ny an'ny zanakao ka ny olany dia olanao. Amin'io fotoana io dia mamerimberina foana ny ray aman-dreny hoe "Raha zah no tamin'ny toeranao dia ...." " tokony izao no atao.... " fa tsy hoe "Tsy mahazo...." na "tsy maintsy...." ny communication no isan'ny lakile ahafahana manampy ny zaza mitombo ahafantarany ny fiainana fa tsy ny didy jadona. Ialany lavitra ianao raha vao izay.

Rehefa feno 16 taona eo izy ka nitohy foana izany fifandraisana izany dia anjaran'ilay zanaka no manapaka izay tiany atao amin'ny fitiavany. Manontany vaovao sy mihaino ny momba izany no tena betsaka eto dia manome fandanjalanjana hoe nahoana no izay ny zavamisy na hoe mahatsara anao ve izay sns.... Eto dia ny fahafantarana ny zavatra ataony no tena important. Fa amin'izay anefa dia efa mahatoky ianao fa efa fantany ny vokany zavatra ataony.


Tsara averimberina aminy anefa fa ny olombelona tsirairay dia mitondra ny vokatry ny asa ataony sy fiainana arahiny. Fantaro ny tanjona tiana ho hita na dia mbola kely aza ianao!

Ara-tsiansa dia eo amin'ny 24 taona eo ny olona iray vao tena vory saina ka alohan'io izany ny olona iray dia mety hanao diso matetika kokoa satria mbola mianatra ny miaina izy.

Mazotoa ary!


9. endrika01 ( 24/04/2009 12:07)
Tsisy fetrany,satria ny RAD tsy mba hanolo-bato mafana ny zanany,ary mahalala tsara ny lafy ratsy sy lafy tsara ny fitaizany ny zanany,fa ny zanaka indraindray no miseho mahita volana alohany biby!Akatoavina ny RAD =))
10. Koditra ( 26/04/2009 10:24)
Ny tanjon'ny tsi11 dia ny hanambady olona manampahaizana, kalabe, tsara bika amantarehy, tsotra sy tsara fanahy, sns .... Mety hisy izany nefa sarotra ny ahitàna azy fa dia apetraka @farahafaratsiny izay tokony hananany fotsiny.

@ ankapobeny dia fitiavana hanana ny tsara hatrany ny fitiavan'ny ray amandreny ny zanany, io olona voalazako etsy ambony io ihany koa no faniriany ho anjanany, izany no miteraka ireny sakatsankana isankarazany sy mahasarotiny azy ireny. Tsy azo anomezantsiny tanteraka azy nefa izany, nefa kosa tokony hajainy ihany ilay safidim-pon'ilay zanany satria ny fitiavana no zavadehibe ary tsy misy tsy vitan'ny fitiavana.

Za mafantatra ray amandreny manizingizina fa ny zanany vavy dia tsy tiany hanambady lhl gasy fa tsy maintsy vazah, tsa mifidy io fa refa oe vazah fotsiny defa mety, na vazah frantsay io na vazah amerikanina na vazah sinoa na vazah komorianina. Ny raika vavy kalou efa naazo vazah frantsay, lay raika ambiny ao no efa tratran'ny sakana satri efa nitarika gasylahy 1, mbola tsy hay izay ho fiafarany.

Za manokana aloha dé zay tiko iany io e, ary tsy hisy ahasakana ahy @zany, za no hanana azy, za no izaka ny vokany raha ratsy safidy, za no sambatra sy tretrika indrindra ra nahay nisafidy.
11. ni81 ( 26/04/2009 11:04)
Za mafantatra ray amandreny manizingizina fa ny zanany vavy dia tsy tiany hanambady lhl gasy fa tsy maintsy vazah, tsa mifidy io fa refa oe vazah fotsiny defa mety, na vazah frantsay io na vazah amerikanina na vazah sinoa na vazah komorianina. Ny raika vavy kalou efa naazo vazah frantsay, lay raika ambiny ao no efa tratran'ny sakana satri efa nitarika gasylahy 1, mbola tsy hay izay ho fiafarany.
raha toa io voalaza eto io zao dia ahoana ary no hevitrareo?
12. Djhamhal ( 27/05/2009 15:19)
Miala tsiny aloha ra zao vao afaka niditra ndray fa tsy teto za de zao vao tonga ! ny tiako ho tenenina de efa nisy nilaza ihany oe: na dia efa mahaleo tena aza ve ianao ; tsy voatery oe efa manambady an! fa oe mahaleo tena @ fitadiavana zany na koa mitokantrano !manaraka ho azy moa raha efa manambady ianao ! dia misaotra anareo é!
13. soanja ( 28/05/2009 02:13)
ni81:

Za mafantatra ray amandreny manizingizina fa ny zanany vavy dia tsy tiany hanambady lhl gasy fa tsy maintsy vazah, tsa mifidy io fa refa oe vazah fotsiny defa mety, na vazah frantsay io na vazah amerikanina na vazah sinoa na vazah komorianina. Ny raika vavy kalou efa naazo vazah frantsay, lay raika ambiny ao no efa tratran'ny sakana satri efa nitarika gasylahy 1, mbola tsy hay izay ho fiafarany.
raha toa io voalaza eto io zao dia ahoana ary no hevitrareo?


Tsy vaotery manam-pahalalana momba ny fitaizana aby ny ray aman-dreny ka. Izay no antony indrindra ny ilana ny fanofanana ny ray aman-dreny rehefa vonona hiteraka izy ireo aty ary ilaina koa ny fahafantarany fa miova arakaraky ny zavamisy ny fanabeazana mety hitranga noho izany mila maharaka izy ireo hoe inona no ivo ihodinan'ny fiainan-janany any ivelany any ary inona no fomba iatrehana izany.

Ny maharaka ny fiainan-janakao ihany no isan'ny fitaovana goavana hahafahanao manampy azy.

Io ambony io aloha azoko lazaina fa didy jadona fa akory atao tsy voatery teraka tao anaty fianakaviana na fiaraha-monina naharaka ny rehetra isika. Rehefa lehibe ny zaza dia enga anie izy hahalala ny tokony ataony mba tsy hiverina ny zavanitranga taminy taloha ho an'ny taranany.

Azo faranana tsara ny odina mety manimba taranaka raha toa ka vonona hanita-pahalalana ny olombelona iray handray sy hijery ny fiainana amin'ny zavamisy misy fiatrehana sy fakana fanapahan-kevitra mampijoro fahaiza-mitandro ny ho avy maharitra.


14. Djhamhal ( 28/05/2009 13:01)
hoy i Soanja: Rehefa lehibe ny zaza dia enga anie izy hahalala ny tokony ataony mba tsy hiverina ny zavanitranga taminy taloha ho an'ny taranany.
kanefa anie izy @ zany fotoana zany mety efa nitondra ny mafy sy mangidy indrindra t@ fiainany ary nisy ny rano raraka be dia be tsy azo noraofina tao é! de le zanaka amin'io no mitondra ny fahoriana satria fiainany io ary izy no mahatsapa ny fangirifiriana ao anatiny ! fa tsy ny hafa!
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.7291