mba toroy hvtra fa tsy haiko tsony le fitianana, very hevtr

1. xxx ( 21/04/2009 15:20)
za sipa 23 ans, efa niaraka tamin'ol nandritra ny 3 ans de aveo nisaraka efa ho 3 ans ko zao, de zao tsy haiko fa tsy mety hanana relation serieuse amina bandy hafa mintsy za fa otran'miovaova zany fona, tsy mety ho tia mintsy, tsy mahita an le tiko sy tia ahy, de kivy za. misy ihany ny miaraka amiko fa tsy tiko izy nefa izy itako fa ti ahy de miafy fotsiny za miaraka aminy. Kivy be za fa ny olona tiko ka iarahako de lasa misaraka vetivety tsy hita oe aona na aona, na za aza lasa mihevitra ny tenako oe ataon'ny bandy kilalao fotsiny ve za sa aona? mba toroy hevitra aho fa tsy haiko oe inona marina ny tena fitiavana, tena misy ve ny samy tia? inona no tokony hataoko :oops: :cry:
novalian'i Lejoba ny 22/04/2009 12:08
2. soanja ( 21/04/2009 16:45)
xxx:

misy ihany ny miaraka amiko fa tsy tiko izy nefa izy itako fa ti ahy de miafy fotsiny za miaraka aminy. Kivy be za fa ny olona tiko ka iarahako de lasa misaraka vetivety tsy hita oe aona na aona, na za aza lasa mihevitra ny tenako oe ataon'ny bandy kilalao fotsiny ve za sa aona?


Ny zavatra azoko atoro voalohany aloha dia ny fampiakarana ny mahaIzy anao (self-esteem) , tiavo ny tenanao, omeo fampiakarana moral ny momba anao.

Fantaro hoe iza ianao zany hoe inona avy ny toetranao na mombamomba anao: tsara sy ny tsy dia azoazonao loatra, inona no zavamahaliana anao; fianarana, fialam-boly sns.., ary aiza ny lalana tianao aleha sy ny tanjona. Rehefa hita mazava io dia jerena amin'izay hoe olona toy ny ahoana ny mifandraika amin'ireo voalaza eo ambony.
Rehafa tazanao ohatra ny toetra anananao nefa tsy azoazonao ka tianao hialana dia ny olona manana ny toetra tianao ananana no tsara iarahana amin'izay afaka mandray sy mianatra aminy tiana ho tratra ny tena. Ny toetra tsy azoazo amin'izay fotoana izay dia tsy ho ratsy fa entina hianarana sy hioharana amin'ny fiainana. Ohatra izany fa tsy voatery ho izay.

Hitako etsy ambony hoe miaraka amin'olona tsy tianao ianao. Raha zah ianao dia tsy mandany ron-doha handany fotoana amin'ny olona tsy ampivoatra ny fiainana. Ny fitiavana na ny fiarahana dia tokony hisy hafanana sy fahazotoam-po foana ary fampivoarana eo amin'ny tsirairay mifandray. Raiso namana fotsiny izy raha azo atao dia tsy irery ianao fa tsy hoe tena iarahana nefa dia manjary mamita tena ianao, manimba izany.

Zavatra iray goavana amin'ny fiarahan'olon-droa dia mila tia ny tenany aloha ny mpifankatia isanisany ary manisy fefy ny mba tsy hananaraotan'ny hafa. Rehefa feno mantsy io dia afaka mizara izany fitiavana izany amin'ny hafa indray.

Ny fitiavana raha hitady dia mila fantarina hoe inona na iza, fa tsy miandry azy ho tonga andondona eo ambaravana ka hanantena ny razana hanesika azy.

Tadidio koa anefa fa tsy voatery miaraka ny olona roa vao afaka hifanatsara sy hifanasoa. Na io namana io aza dia efa afaka mameno ny tsy feno amin'ny fiarahan'olon-droa mandrapahita izay tena tandrify ny fo.

Mahereza mitady ilay fitiavana mahasalama sy mifanasoa.


3. Lejoba ( 22/04/2009 12:08)
Ny torohevitra omeko anao ? Mipetraha aloha mandini-tena .
Tsy sanatria manenji-dresy sanatria, fa mpiseho @ vhvv avy nisaraka rehefa niaraka ela, ny miantsampitsampy etsy sy eroa. Mora domina (sy lemana, azafady).
Eo koa ny curiosité-n'ny bandy hafa. Indraindray mantsy rehefa misy sipa avy nisaraka dia toa tiana "handramana" izany. Moins farouche koa ny sipa toa anao matetika ka mora azon'ny bandy manala azy fotsiny.

Mbola tanora ianao, aza maika. Raha mety, aza miaraka @ olona aloha. Miezaha mitrandraka zavatra hafa mihitsy tsy idiran'ny fitiavan'olon-droa. Na amitié io, na kolontsaina, na izay mety ho réalisation personnelle hafa.
Sady manary dia io no mahatonga anao hahatoky tena bebe kokoa indray.
Izao mantsy ianao manjary feno fisalasalàna : tsy haiko intsony ve ny mitia? Sao ataon'ny bandy kilalao fotsiny ets.
Raha misy mikôty, alaivo milamina. Vonona hiaraka @ io ve ianao? Matotra ve ny firesany sa mitsapatsapa fotsiny? Toy izay koa, raha misy manintona anao, diniho miadana aloha. Sao fahataitairana fotsiny. Raha sanatria ka lasa ilay olona satria ela loatra ny fahatapahan-kevitrao, dia mifalia : tsy naharitra izany ilay izy ka soa tsy niditra. Ny sipa koa raha vao tonga dia miseho ho tia be nefa efa nanana tantara dia mampatahotra indraindray. Sao sanatria sipa matahotry ny tsy hisy haka vady fotsiny ka mety hamandripandrika, mpiseho izany fa tsy manitatra aho.
Ary indrindra koa, tena efa hadino tanteraka ve ilay tantara taloha? Mpitranga @ vhvv mantsy (na ny lhlh koa indraindray), ny manonofy ilay tantara taloha, 1er amour indrindra (hafa ihany hono ilay voalohany). Hany ka na efa miaraka @ olona hafa aza izy dia toa sanatria mitady ny tandindon'ilay olona taloha @ ilay iarahany vaovao. Na sanatria miezaka ny mitrandraka izay heveriny ho tokony ho izy ao @ ilay fiarahana vaovao toy ny hoe tadiaviny harenina ao ny tsy mety taloha. Nefa, ny fifandraisana samy manana ny hanitra ho azy.
Oh: raha nanana ny exigences-ny sy ny zavatra tiany ilay bandy taloha ka noezahinao notanterahina izany; mety ho zavatra hafa mihitsy indray ny feeling-n'ilay ao aoriana. Marina koa izay @ zavatra tsy tiana.

Ka lava be fa izay eh : ento milamina ny fiainana fa na hanao "année sabbatique" @ lafiny fitiavan'olon-droa aza ianao, mbola tsy tara.

Bonne chance eh
:-* :-* :-*
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.9385