manana basy ny mpanohana an'i Ravalo.

1. patrick2002 ( 21/04/2009 01:50)
Araky ny voalazany gazety aza dia polisy ray maty ,ary mpanao fihetsiketsehana iray pro-Ravalo ,roa izany no maty t@ fihetsehana omaly ,ary dia samy maty voatifitra avokoa.
Ny mahagaga ahy dia manana basy izany ireto mpanohana an'i Ravalo ireto ,loza loza loza. :{ :{ :{
Tsy mahagaga izany satria mialohany hietsehany CAPSAT dia tonga haka basy marobe teny @ CAPSAT ny garde presidentiel ,tsy nanaiky ny chef de corps ny CAPSAT ,ary rehefa nandeha ny fanadihadihana dia naika hizara basy ho an'i civil miandry eny Iavoloha Ravalo , :{ :{ :{ ,mari-koditra ny sainas mieritreritra an'izany
novalian'i pikatti ny 22/04/2009 01:55
2. xxx ( 21/04/2009 03:52)
source an'i roindefo zany voalaza elahy izany e,bandy ohatran'ireny tsy mahagaga,ny dahalo daholo foana na dia miova ho costume aza no hanaovany
3. yuka ( 21/04/2009 04:29)
polisy ray maty dia pitolona sady panangombaovao tompoko,zay no voalazan'ny
TIM ary ny CAPSAT no nitifitra azy
4. essera ( 21/04/2009 05:29)
ra-xxx koa ange tsy mino maty raha tsy avy mandevina e.
5. tsiafoi1 ( 21/04/2009 05:38)
Mirary fihononana sy faherezana ho an'ny havan'ny maty.

Ry Devoly rain'ny Lainga de tsy mitsahatra manely LAINGA.
-Mety ho Polisy mpanohana ny ara-dàlana io maty io, matoa voatifitra teo anivon'ny vahoaka.
-Mety ihany koa montage nataon'ny HAT, izany hoe niniana notifirina, ary tsy maintsy tireur d'élite no nanantateraka izany, mba hanosorom-potaka ny légalistes.

Efa eo amin'ny dingana manakaiky ny fandresena ny tolona. De foronina sy atao izao montage rehetra izao.
6. xxx ( 21/04/2009 06:03)
Sao dia ianareo pro-TIM no mpandainga. Inona no mahagaga raha toa ka hoe manana basy ianareo?????? tsssss. Efa zavatra fahana lalitra loatra ianareo ka na zvtr lojika be izao aza dia tsy ekena intsony.
7. ravatorano ( 21/04/2009 06:16)
ô ra pat ah
ilay polisy maty dia nanao tenue civile ary niaraka tamin'ireo olona mitonona fa mpoba ny aradalana.Izany hoe akamai'izy ireo ihany .ny mpitifitra moa dia ireo rasily sy osika ary deka nirahina teny anosy.
raha manana basy ry pro tim inona no olana amizany(misy miaramila anie pro tim koa e ka tokony tsy hahagaga izany) ,ary aza hadino fa teny ami'ny 13 mai anie ka efa nisy nitondra kalack akalamanjana mihitsy é ! tsy rasill ry zareo nefa nanana basy iza no tsy nahita an ireny na antsary na teny antoerana mihitsy.
Matetika ny olana eto amitsika dia ny tsy fampian'ny fanampipanazavana amin'ny vaovao omen'ny mpitondra rehetra izay nifandimby teto hany ka miriorio be ny sain'ny vahoaka mandinika ireny teny voalaza ireny.Tokony mba hisy "recoupement" mihitsy na koa synthese alohan'ny hamoahan'ny tompon'andraikitra ambony iray vavoao fa matetika "mivilana" ny filaza azy
8. Oay ( 21/04/2009 06:18)
Miverina ilay scénario teny Ambohipo t@ nahafaty an'ilay tovovavy mpianatra iny!
Mbola averiko izay nolazaiko t@ izay andro izay d ny hoe:"Sarotra ny hahafantatra hoe iza no nitifitra sy nampitifitra" noho izany d sarotra ny hiady hevitra @ io!

Fa ny zavatra azo lazaina kosa anefa d izao: "Lasa fahazaran'ny mpanao politika ity mampirisika vahoaka handeha ho vonoina ity, lasa fahazarana ilay izy satria izay mandefa ny vahoaka hovonoina d tsy nisy voatsara, izay nampitifitra ihany koa tsy nisy notsaraina" aiza ve rangaha ka i Manandafy izay nandà mafy ny nankenesana teny Imavoloha t@ 10 Aout no lasa mpandefa vahoaka hovonoina @ izao fotoana izao!
9. xxx ( 21/04/2009 06:21)
ny capsat aloa zao no hita manana basy mitifitra tsy manatsiny eo tsy tim koa io mitolona io fa ny vahoaka tsy tia ny coup d'etat e! ny ny any vahoaka basy rano
10. reeves ( 21/04/2009 08:53)
LAINGA foronin`i Monja Roindefo mba hanamarinana ny FITIFIRANA BALLE RELLE sy FAMPIHOROHOROANA ny mpanohana ny ara-dalàna ny filazana fa mitondra basy ny mpanao fihetsiketsehana ary anisan`izany ny marche kasainy hatao eo Ambohijatovo anio miaraka am`ireo fozaorana voakarama ary azo inoana fa hisy element capsat en tenue civil ao anatin`izany ka mila mailo sy miray hina tsara isika mpitolona .
11. patrick2002 ( 21/04/2009 12:08)
raha manana basy ry pro tim inona no olana amizany(misy miaramila anie pro tim koa e ka tokony tsy hahagaga izany) ,ary aza hadino fa teny ami'ny 13 mai anie ka efa nisy nitondra kalack akalamanjana mihitsy é !

tena olana tokoa raha manana basy ny pro-tim satria antoko politika fa tsy institution militaire na police na gendarmerie ,aza adino fa na dia agent de securite aza tsy manana alalana hitana basy ao madagasikara ,izay no legal .
Madagasikara tsy ohatry ny afrique du sud ,na afghanistan ,na palestine ,na etat sasany ao etats-unis ka ny citoyen manana droit hitana basy mba hiarovany tena .
Raha momba ny basy nentiny TGV iste ankalamanjana teny @ 13 mai ,dia tena tsy ara-dalana tokoa ,ireny zavatra nitranga ireny,
12. pikatti ( 22/04/2009 01:55)
noheveriko fa mba misaina ihany ty rapa2002 ty ,tsy noheveriko elaha no hihaino resaka masiso toa izao ,aiza le toetra taloha ireny é,efa mivaralila :-D :-D :-D :-D
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.4968