izay sahy maty hono no mifono lambamena

1. Havantsika ( 20/04/2009 19:20)
ry namana,
Taloha dia ireo tia tanindrazana sy nanana tanjona manokana no nanao tokoa ny vy very ny ainy. Ankehitriny izay sahy mamono no tena tian'ny sasany hitondra. Tsy aleo ve kely diploma nefa be fahendrena sy mahay mandanjalanja izay ataony no mitondra ka ho tanjony ny hanompo vahoaka. Fa isika rehetra koa toa mba hahay mandray lesona aminn'y tantara fa tsy hanaiky hopotehina sy hozarazaraina. mankahery izay mitantana ankehitriny hahavita ny mission hidirana amin'ny repoblika fahaefatra e
Salamà daholo
2. soanja ( 20/04/2009 19:29)
Fiteny ny Ntaolo tokoa io ary efa batsaka ny Malagasy no nampiseho izany tamin'ny tantara nandalovana.
Nefa hoy aho hoe "Tokana ny aina, kajio toy ny anakandriamaso, fikiro toy ny tadin-tsambo hatsipy ery ampitan-drano, ary koloy toy ny fakam-boaloboka. Ny ampitso dia ho fahafatesan'ny androany. Ny omaly ho aloky ny androany fa ny anio kosa dia ho mandrakizay ny fiasany!" Soanja :-* :-* :-*
3. Havantsika ( 20/04/2009 19:35)
Misaotra amin'ny fanehoan-kevitra, tena misy harena mihafina ao amin'ny teny malagasy ka mila trandrahina tsara raha io fomba filazan'ny Soanja io no dinihana.

Marina tokoa fa tokana ny aina ary ampiko hoe " raha mbola misy aina dia mbola misy fanantenana. Ka mitrakà daholo hiara-hanangana firenena vanona.

Misaotra
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0065