Ny miditra amin'ny makarakara dia

1. soanja ( 20/04/2009 15:36)
hivoaka amin'ny makarakara. Aza manahy fa tsy maintsy misy farany raha jiaby!

Tadidio fa ratsy ny herisetra na amin'ny endrika inona no isehoany.

Amiko avelao ny zavamisy amin''izao hitarika amin'ny fahalevonany. Tsy vahaolona ny fanaovana sorona ny aina. Maka aina aloha ry Malagasy. Andraso ny anjaralovanao mahasoa na ho ela na ho haingana amim-paharetana.
répondu par tsiafoi1 le 21/04/2009 06:37
2. locl ( 20/04/2009 15:48)
Marina izany soanja a! Misy valiny daholo ireny famonoana ireny, ary ny rà latsaka dia masina, na an'iza io na an'iza.
Fa dia diso tafahoatra loatra raha hatreny @ Hopitaly no sakanana avy, tena efa monstre fa tsy olona intsony
3. Mirananirina ( 20/04/2009 15:55)
ary tsy maintsy ny vahoaka Malagasyfoana no voa ,fa ireo mpitarika afamaina foana
4. Oay ( 20/04/2009 16:24)
Mirananirina:

ary tsy maintsy ny vahoaka Malagasyfoana no voa ,fa ireo mpitarika afamaina foana



io ranabavy le efa nolazaiko a! ny mpanao politika jereo raha misy maty izany fa ny vahoaka izay tsy misaina sy tsy mandalina fa azo atao fitaovana hatrany no maty sy maratra eo!
Fa izao raha mi-induire olona en erreur koa anefa d tadidio fa na ny lalana aza d manameloka an'izany!
Ka ny marina d efa zatra tsy voaheloka @ fanosehana vahoaka andeha hamono tena ireto mpanao politika eto amintsika ireto d ataony zara lasa fanao ilay izy!
5. molota ( 20/04/2009 17:21)
tsy MAINTSY MANDRESY ny tolona na inona na inona lazaina eto!!!! mialà dien'zao ny HAT!!! tsy misy vahoaka resin'ny miaramila izany :!: :!: :idea:
6. molota ( 20/04/2009 17:22)
tsy MAINTSY MANDRESY ny tolona na inona na inona lazaina eto!!!! mialà dien'zao ny HAT!!! tsy misy vahoaka resin'ny miaramila izany :!: :!: :idea:
7. xxx ( 20/04/2009 21:19)
soanja:

hivoaka amin'ny makarakara. Aza manahy fa tsy maintsy misy farany raha jiaby!

Tadidio fa ratsy ny herisetra na amin'ny endrika inona no isehoany.

Amiko avelao ny zavamisy amin''izao hitarika amin'ny fahalevonany. Tsy vahaolona ny fanaovana sorona ny aina. Maka aina aloha ry Malagasy. Andraso ny anjaralovanao mahasoa na ho ela na ho haingana amim-paharetana.



Tena ohatran'ny tsy dia @ izay intsony aho ry Soanja . Lasa toa manaiky lembenana izany fotsiny , mila miady ny ajara masoandron'ny tena fa ny marina mitavozavoza anie fa resin'ny lainga tsara lahatra e
8. ari.malala ( 21/04/2009 05:55)
molota:

tsy MAINTSY MANDRESY ny tolona na inona na inona lazaina eto!!!! mialà dien'zao ny HAT!!! tsy misy vahoaka resin'ny miaramila izany :!: :!: :idea:



Zany foana no miverimberina! fa ianareo mandeha mamono tena any anie ka tsy asian'ireo mpanao politika ireo jery akory rehefa voa e! firifiry akory izay no maty na naratra fa saingy indrisy, fotoana vitsy monja no mba mody iatsarandry zareo velatsihy @ fianakaviany fa avy eo madio ny rano nitàndry zareo!
9. tsiafoi1 ( 21/04/2009 06:37)
Mirary fiononana sy faherezana ho an'ny fianakavian'ny maty na . Tsarovy fa lavo tao anatin'ny faharesen-dahatry ny fitiavan-tanidrazana mivaivay izy ireo, fa velona ao ampon'ny vahoaka malagasy tsy manaiky lambenana. Mahereza tompoko.

Efa mby am-baravarana ny fandresena. Mahereza tompoko
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0447