aza manao maso be tsy mahita
1. Havantsika
(
18/04/2009 18:39)
Ry namana
Matetika ny film efa nandeha no haverin'ny sasany hanakorontanana ny fiainam-pirenena. Aoka tsy hirehareha loatra ka hitrontrongy amin'tany no hiafarana fa tsy misy olona nampidi-doza amin'ny firenena ka ho afa-maina tsy hotsarain'ny tantara. Aza hadinoina koa ilay valin'asa e!
Aoka hifaninana hanao soa sy ny tsara dia handroso Madagasikara.
Ampio raha ilaina izay tsara sitrapo, omano ihany koa ny fifidianana ho filoha
Dia hiadana sy hilamina hatrany, na vahiny ianao na tompon-tany
ka ny mpifahavalo teo aloha, hifaninana hampandroso avokoa
Mandram-pihaona e
novalian'i Havantsika ny 19/04/2009 17:28
2. lemenakely
(
18/04/2009 19:41)
Marina ny zavatra lazainao, ary ny fahitako azy matoa miverina isaky ny 7 taona ilay izy dia ireo tanora mihintsy no fitaovana tena mahomby andrombahana fanjakana satria raha ankizy 12 taona t@ 1991 dia feno 21 taona izy 2002 , raha 10 taona 2002 dia 17 taona 2009,ary diniho fa ny tanora no mameno tanana !
3. Havantsika
(
19/04/2009 17:28)
Tsara ny analyse nataonao, ny toerana misy ny tanora , tadidio fa manodidina ny 50 % dia dia tanora latsaky ny 25 taona. Ny mampalahelo anefa dia tsy nahazo fitaizana handray andraikitra izy ireo ary be aza ny manao adidy amin'ny firenena fa variana amin'ny fiaianan'ny tanora e!
Soa ihany fa mbola misy zoky fitaratra, ary ilaina ny fahaizana mampiaraka ny hery sy traikefa ( Dynamisme, sy ny expérience) sarin'ny tanora sy olon-dehibe hendry)
A plus
Soa ihany fa mbola misy zoky fitaratra, ary ilaina ny fahaizana mampiaraka ny hery sy traikefa ( Dynamisme, sy ny expérience) sarin'ny tanora sy olon-dehibe hendry)
A plus
