Fibebahana sy famelan-keloka

1. bor2lais ( 17/04/2009 13:45)
Faly miarahaba antsika rehetra.

Misy fanontaniana mba tiako zaraina amintsika ity :

\"Tsy misy ve ny famelan-keloka raha tsy misy ny fiaiken-keloka ?\"

Izany hoe : \"ilaina ve ny fahatsiarovan-tenan\'ilay heveriko fa diso vao afaka ny hamela azy aho ?\"

Ahoana ny fandraisanareo an\'ity :
http://www.baiboly.org/toko.asp?boky=LIOKA&toko=17&andininy=1-5&dika=

Misaotra mialoha amin\'ny fandraisana anjara !
novalian'i bor2lais ny 05/05/2009 08:12
2. ikaretsaka ( 17/04/2009 14:04)
"Tsy misy ve ny famelan-keloka raha tsy misy ny fiaiken-keloka ?"

amiko tsy misy ny famelankeloka raha tsy fantatrao hoe inona ny heloka nataonao aloha de lazainao io, de miaiky ianao fa nanao an'io, dia mangataka famelana momban'io, ary manao resolution tsy hanao an'io intsony..
jereo ny pricipen'ny "fiapangan-tena (confiteor) fanenenana, ny atao @ konfesy , examen de conscience ary asa fivalozana @ ny an'ny kato) fa io no mahafehy azy

3. xxx ( 17/04/2009 14:08)
Ary ahoana raha misy zavatra eritreretinao fa mety nefa kay heloka ilay izy ?
4. ikaretsaka ( 17/04/2009 14:31)
dia izay no antony hanaovana ilay examen sy discernement...
de saika hanontany an'i xxx koa aho hoe .. ho anao iza no mamaritra hoe heloka na tsia ny zavatra atao anakiray?
5. soanja ( 17/04/2009 15:32)
bor2lais:

Faly miarahaba antsika rehetra.

Misy fanontaniana mba tiako zaraina amintsika ity :

\"Tsy misy ve ny famelan-keloka raha tsy misy ny fiaiken-keloka ?\"

Izany hoe : \"ilaina ve ny fahatsiarovan-tenan\'ilay heveriko fa diso vao afaka ny hamela azy aho ?\"

Ahoana ny fandraisanareo an\'ity :
http://www.baiboly.org/toko.asp?boky=LIOKA&toko=17&andininy=1-5&dika=

Misaotra mialoha amin\'ny fandraisana anjara !


Isan-karazany ny fisehon'ny heloka saingy ny fahatsiarovan-tenan'ny nanao heloka ka nibaboka fa diso ary tsy hamerina intsony no hiverenany ho olo-marina. Eo amin'ny fibabohana sy tsy hamerenana intsony dia ilaina ny asa fivalozana.

Fa raha toa ka ny olona no manameloka azy nefa izy tsy nahafantatra izay lalana nodisoany na ny ota nataony ary tsy nomena fahalalana momba izany izy dia tsy afahaka ny hahatsiaro tena fa diso izy, noho izany dia tsara ny itenenana azy ny hadisoany. Raha tsy nisy anefa izany fahafahana dia azo atao tsara ny mamela heloka azy satria tsy fantany izay nataony.


6. rahery08 ( 17/04/2009 19:03)
Miarahaba ny rehetra!

Jesosy aloha dia nangataka famelan'keloka ho an ireo izay nanombo Azy
Izany hoe azo heverina fa na dia tsy nahatsiaro diso aza ilay olona, di avela sahady ny helony ary mivavaka ho azy!
fianarana ho antsik!
7. Mirananirina ( 18/04/2009 13:02)
Tsy misy ve ny famelan-keloka raha tsy misy ny fiaiken-keloka ?"

Ny fahitako azy indray dia hoe,ilay tokony hamelana heloka no miaky fa meloka,izay ve?
Ary raha miteny izy hoe tsy meloka aho,na meloka aza dia tsy voavela
8. ikaretsaka ( 18/04/2009 14:09)
miombonkevitra @ mirananirina
rehefa mibebaka amiko dia maka resolution hoe tsy hanao an'iny zavatra nibebahana iny intsony
@ fomba ahoana tokoa moa no hahafahanao "tsy hanao an'iny intsony" raha tsy fantatrao tanteraka ny antony tsy tokony hanaovanao iny zavatra iny intsony!

amiko na hisy in 100 handrara sy in 100 mifona aza ny olona 1 @ ny hoe "tsy azo atao ny mipipi eo", ohatra dia hisy foana ny hanao eo, raha tsy fantatry ny ny olona hoe inona no antony mahatonga ny tsy azo hipipizana eo, na hoe omenao toerana tsaratsara kokoa izy hahafahany mipipi
9. rakaroka ( 18/04/2009 19:29)
Ny tsapako olana fototra angamba dia ny hoe
1- "pardonnable" ve ny "ignorance"na tsy "fahalalàna"? "Remise en question" raha ny marina ny voasoratra hoe "mamelà ny helony fa tsy fantany izay nataony!" satria @ ankapobeny
mizaka ny vokatry ny tsy fahalalàny foana ny olona iray! ohatra raha mihinana poizina mahafaty , dia maty noho ny tsy fahafantarana, sns
2-Tolérable ve ny "absence" de sincerité" raha @ Atra ?
=> izany hoe azo vazivaziana ve izany Atra :?:
3-Mety misy ny "heloka", antsoina hoe tsy "isaina" satria mety lalana ahatongavana @ tsara kokoa ?...ohatra asa :-w :-w ...noho ny ainy sy fiarovan-tena ho an'ny tanindrazana sy ny fianakaviana dia voatery nahafaty ny fahavalony ity miaramila iray ...
10. soanja ( 18/04/2009 23:44)
Misy tokoa ny heloka mitondra amin'ny hatsarana. Zany hoe tsy ratsy izy amin'izay fotoana izay fa fianaran-desona sy mitondra fahitana vaovao ny fiainana ary hahatonga antsika hanana saina mahiratra kokoa handray ny fahamarinana.

Soa lavo hahay hamindra hoy ny gasy!

Tsy misy ny mpanameloka fa dia ny fiainana no hitantana azy amin'ny lala-mahitsy rehefa avy nandalo tany meloka sy kitoatoana ary tsilotsilo izy! Io dia hinoako fa asan'Andriamanitra avokoa!
11. ikaretsaka ( 19/04/2009 04:14)
Io lazain'i soanja io le hoe tsy misy tsary diso izay mandia tany fa izay mivari lavo ro adala indrindra
12. soanja ( 19/04/2009 16:07)
Ny tena zavadehibe mantsy ny fahitako azy dia ny fahatsapan-tena na ny fahatsiarovan-tena (olana avy eo vahaolona= God) ka raha io aloha no tsy ao dia ny fanekena ny zavamisy no fitiavana voalohany indrindra azo omena ny hafa.
13. xxx ( 20/04/2009 06:39)
ikaretsaka:

dia izay no antony hanaovana ilay examen sy discernement...
de saika hanontany an'i xxx koa aho hoe .. ho anao iza no mamaritra hoe heloka na tsia ny zavatra atao anakiray?


Tsy ao anatin'ilay boky daholo ve e
14. ikaretsaka ( 20/04/2009 14:39)
xxx:


dia izay no antony hanaovana ilay examen sy discernement...
de saika hanontany an'i xxx koa aho hoe .. ho anao iza no mamaritra hoe heloka na tsia ny zavatra atao anakiray?


Tsy ao anatin'ilay boky daholo ve e


Mivelatra sy tsy manam-petra kokoa nohon'ny boky ny konsiansy

15. niryna ( 21/04/2009 04:26)
xxx:

Ary ahoana raha misy zavatra eritreretinao fa mety nefa kay heloka ilay izy ?

Dia nahafantatra izany hianao fa heloka dia mibebaha fa hadio fotsy toy ny oram-panala izany ary tsy ho tsaroan'ny tompo intsony... io ilay hoe a condition ka mibebaka fa misy manao tsianjery hoe raha mena toy ny jaky aza ny fahotanareo dia ho fotsy toy ny oram-panala( ....tohizo hoe raha mibebaka aho dia tsy ho tsaroany intsony izany na inona izany na inona
16. xxx ( 21/04/2009 07:05)
ikaretsaka:

xxx:


dia izay no antony hanaovana ilay examen sy discernement...
de saika hanontany an'i xxx koa aho hoe .. ho anao iza no mamaritra hoe heloka na tsia ny zavatra atao anakiray?


Tsy ao anatin'ilay boky daholo ve e


Mivelatra sy tsy manam-petra kokoa nohon'ny boky ny konsiansy





toa mila base ihany ilay conscience ka, mila omena kely izy avy @ ilay Boky
17. xxx ( 21/04/2009 07:06)
niryna:

xxx:

Ary ahoana raha misy zavatra eritreretinao fa mety nefa kay heloka ilay izy ?

Dia nahafantatra izany hianao fa heloka dia mibebaha fa hadio fotsy toy ny oram-panala izany ary tsy ho tsaroan'ny tompo intsony... io ilay hoe a condition ka mibebaka fa misy manao tsianjery hoe raha mena toy ny jaky aza ny fahotanareo dia ho fotsy toy ny oram-panala( ....tohizo hoe raha mibebaka aho dia tsy ho tsaroany intsony izany na inona izany na inona


Tsy azonao ny fanontaniako , ahoana no ahafantarako fa heloka ny act iray ?
18. ikaretsaka ( 21/04/2009 11:21)
Xxx> anisan'ny fangalana base ny boky fa kosa tsy ny boky IHANY akory ny base. Mbola misy ny ethics,fiaraha monina,intutions..sns izay tsotra manampy ilay conscience
19. bor2lais ( 21/04/2009 12:37)
Mankasitraka antsika rehetra mandray anjara.

Mahaliana tokoa ary saika iombonako daholo ny voalaza rehetra.

Raha ny fahitako azy indray dia toy izao.

Refy 2 no voafaritra eto : ny \"lalàna\" sy ny \"fiaraha-monina\". Raha vao manao izay mampalahelo ny \"rahalahinao\" ianao dia azo lazaina fa meloka eo anatrehany. Ny tanjona, amiko, dia ny fifampiresahana mba hifananarana ka hifampandrosoana.

Ny fibebahana sy famelan-keloka dia midika ihany koa amiko fifampandeferana eo amin\'ny roa tonta (tsy misy ny fiziriziriana amin\'ny heviny).

Raha ny Soratra Masina no jerena dia adidin\'ny Kristiana ny miteny ny \"rahalahiny\" amin\'ny tsy mety nataony. Atao am-pitiavana izany : tenenina mangingina fa tsy alaina baraka, sns.

\"Dialogue\" anefa no atao : ilay heverina fa diso dia tokony henoina ihany koa ahafantarana ny antony (ka mety ampieritreritra ilay andaniny ihany koa).

Ao amin\'ilay Soratra Masina nolazaiko ery ambony dia voalaza fa raha manota in-7 aminao ao anatin\'ny 1 andro ny rahalahinao ka mangataka famelana in-7 dia tokony avelanao.

Mahalasa fisainana tokoa ka mampipetra-panontaniana (ara-piaraha-monina) :

1. heverina fa tsy mitovy akory ireo fahotana 7 nataony ireo fa raha tsy izany dia tsy tena fibebahana araka ny voalazan\'i Ika ery ambony no nataony

2. tokony hanontany tena ihany aho hoe inona re no nataoko no mahatonga ity rahalahiko ity manota in-7 amiko ao anatin\'ny 1 andro : sao dia avy amiko kosa aza ?

Farany, ara-tSoratra Masina tokoa ny voalazan-dRakaroka mikasika ny \"heloka tsy isaina\" : heverina fa fandikan-dalàna nefa mahasoa ny fiaraha-monina ohatra.

Hevitro ihany anefa ireo nozaraiko ireo, raha tsy mety dia aoka hiverina amiko ihany !
20. fahamarinana ( 22/04/2009 14:06)
:arrow: bor2lais : misaotra e !! amiko aloha dia aleoko tazonina fa tsy averina satria mazava amiko tsara ! :) (l)
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2907