Fibebahana sy famelan-keloka

21. bor2lais ( 22/04/2009 16:53)
fahamarinana:

:arrow: bor2lais : misaotra e !! amiko aloha dia aleoko tazonina fa tsy averina satria mazava amiko tsara ! :) (l)


-> Dia mahasoava ary o !


22. Havantsika ( 26/04/2009 20:34)
Misy karazany ny fibebahana sy famelan-keloka
1 - Fibebahana sy finoana ny Filazantsara ( Jesosy Kristy maty nefa nitsangana ho fahamarinana ho izay mino) , ny heloka na ny ota nampisaraka tamin'ny Andriamanitra no voafafa tanteraka ( taloha, mandritra, aoriana) .
2- Fibebahana ( fifonana) ataon'ny zanak'Andriamanitra izany ny efa voavonjy, ota fantatra io , mila miaiky vakio ny I Jao 1: 9 sy ny tohiny
raha misy ota tsy fantatra dia ny Fanahy masina mifona, Jesosy koa solovava sy mifona
Ny ilaina dia mahazo antoka fa voavela heloka satria nandray izany ampinoana rehefa niaiky izany tamin'Andriamanitra
23. ikaretsaka ( 27/04/2009 01:22)
@ le resaka hoe miaiky heloka...
Le heloka ve ilaina fantarina hoe izao no heloka natao aloha mba hahafahana miezaka ny tsy anao intsony..
Sa de hoe miaiky fotsiny hoe meloka nefa tsy fantatra mazava akory hoe aiza le heloka, fa lazain'i dadapasy fotsiny @ toriteniny hoe "nohon'ny helokao" de ieeeee meloka tokoa... de zay?
24. bor2lais ( 05/05/2009 08:12)
ikaretsaka:

@ le resaka hoe miaiky heloka...
Le heloka ve ilaina fantarina hoe izao no heloka natao aloha mba hahafahana miezaka ny tsy anao intsony..
Sa de hoe miaiky fotsiny hoe meloka nefa tsy fantatra mazava akory hoe aiza le heloka, fa lazain'i dadapasy fotsiny @ toriteniny hoe "nohon'ny helokao" de ieeeee meloka tokoa... de zay?

------------
Miankina amin'ny "cadre" andraisanao azy angamba io Ra-Ika raha ny fahazoako azy :
heloka tamin'ny "rahalahy" (mpiara-belona) ve sa tamin' Andriamanitra ? Nefa ny heloka amin'ny rahalahy ve tsy efa heloka amin'Andriamanitra ihany ? sns.

Amiko (ary ara-tSoratra Masina ihany koa izany), dia tsy misy marina afa-tsy Iray ihany.

Izany hoe (raha kristiana ianao) tokony hanaiky am-panetren-tena fa manana fahadisoana foana isika eo anatrehan'Andriamanitra. Na dia ny filazana fa tsy manan-keloka aza ve tsy efa fahadisoana eo anatrehaNY ?

Koa raha hiverenana ny fanontanian'i Ika : amiko dia azo atao foana ny miaiky heloka eo anatrehan'Andriamanitra na fantatra na tsia izany heloka natao izany !

Ilay hoe "fiezahana tsy hanao intsony" na fiovan-toetra koa amiko dia tsy zavatra vitan'ny herin'ny tena fa mila fiankinana Aminy tanteraka.

Fanontaniana kely : mitovy ve amintsika ny antsoina hoe "mibebaka" sy ny hoe "mifona" ?
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.4336