Omeo 20 minitra avy aminao I Madagasikara
1. soanja
(
16/04/2009 19:33)
Mihamafotaka ny fihodin'ny zavamisy any Madagasikara. Betsaka ny zavatra mety hitranga ao anatin'ny 70 ora. Mino aho fa ny zava-drehetra no misy dia mitondra amin'ny mahasoa avokoa rehafa eo Andriamanitra.
Mangataka aminao aho. Omeo 20 minitra I Madagasikara amin'ny fotoana anananao manomboka izao mba hieritreretanao sy handefasanao Fitiavana avy amin'Andriamanitra ho fiahiana ary fahasoavana no azy.
Tsotra no atao raha tianao ny ho ampiako. Maka toerana iray mangingina ary akipio ny maso. Eritrereto ilay toerana iray izay nahalehibe na hitanao fa nikolokolo sy nanome ny soa anao tany. Eritrereto misy ankizy be dia be milalao sy mihirahira ary mifaly avanja. Atombohy ny vavaka. Jesoa Tomponay o, arovinao ireo ankizy ireo sy ny momba azy! Ny tananao mahery mitoetra eo ambon'izy ireo mitahy azy ireo tsirairay. Dia azonao tohizana ao anaty fitoniana. Azonao saratsarahana koa ny fotoana.
Miangavy indrindra aho, omeo Azy ny fotoananao raha mety izany! Misaotra mialoha! Aza manahy raha tsy vita koa satria ny eritreritrao na dia indray maka azy mampita fitiavana any dia hanampy tokoa.
Hanampy anao koa isa-kariva fa tsy ho irery ianao raha manao izany ato ho ato. Misaotra indrindra. Soanja

novalian'i fijo ny 06/05/2009 20:43
2. Belle
(
16/04/2009 20:07)
Tomponay o, arovinao ireo ankizy ireo sy ny momba azy! Ny tananao mahery mitoetra eo ambon'izy ireo mitahy azy ireo tsirairay.
Misaotra an'i Soanja amin'ny fanentanana.
Misy fanontaniko nefa: nahoana moa no ireo ankizy ireo ihany no anaovanao fangatahana amin'ilay vavaka? Iza no hikarakara azy ireo raha sanatria misy manjò ny RAR-niny na ny havany na ny olona tokony hitaiza azy? (indrindra amin'izao vanin'andro izao)
Noho izany, raha ny hevitro, dia tokony vavaka ho an'ny vahoakan'i Madagasikara tsy an-kanavaka ilay izy fa tsy ho ana-sokajin'olona fotsiny ihany.
3. xxx
(
16/04/2009 20:52)
Tsy hoe mandatsa fa lasa toa fanompoan-tsampy ilay soso-kevitra hivavaka ho an'i Madagasikara. Izaho manokana dia mahatsiaro sy mivavaka ho an'i Madagasikara foana aho isanandro na misy korontana any na tsy misy. Mba hazava sy hamiratra ny hoaviny sy mba hiadana hahazo ny anjara masoandrony ny malagasy rehetra.
Fa raha amin'izao fotoana korontana izao vao hikoropaka hivavaka dia hoy aho hoe Andriamanitra inona io hivavahana io? Andriamanitra antsoina mba hanao fahagagana ve? Tahaka an'ilay mpianatra hoe akaiky ny fanadinana vao mikofoka mafy manao famerenana fa nandritra ny taom-pianarana nilaozana nilalao sy nitaingin-tamboho fotsiny. Ekeko fa mamaly vavaka Andriamanitra fa ilay fomba entina mangataka aminy kosa hoy aho mba tokony hovaina fa tsy hoe rehefa poritra sy tery vao atao toto afo ny fangatahana.
"Rien ne sert de courir il faut partir à point" hoy ny fitenin'ny firenena iray izay. Ary ny malagasy manao hoe "taitra ny olona tsy taitra ka taitra irery vao mamaky takotra".
Tsara aloha rehefa mahatsiaro an'Andriamanitra, kanefa tsarovy foana Izy eo amin'ny fiainanao manontolo na milamina na misy olana fa dia ho hitanao fa tsy ilaina akory ny hanokanana 20 miniotra fa ho lasa vavaka sy fiharahana aminy ny fiainanao manontolo.

5. Belle
(
16/04/2009 21:02)
Tsy hoe mandatsa fa lasa toa fanompoan-tsampy ilay soso-kevitra hivavaka ho an'i Madagasikara.
Mitsaratsara olona foana ve ianao io ka tsy sahy miseho tava manoratra?
Tsy azoko mihitsy ny antony ilazanao fa tsy mivavaka ho an'i Madagasikara ny olona raha tsy amin'ny fotoana toy izao (tsy mahazo manao tombony izany? -extra fiombonam-bavaka); fa ianao IRERY ihany no mahay mivavaka ho azy isan'andro vaky???!!!
Rehefa mety ny fiainanao dia manomeza torohevitra tsotra fotsiny fa aza asiana fisehoana ho ambony noho ny hafa toy izao satria tsy fantatrao izay fomba fivavaky ny olona tsirairay any amin'ny misy azy avy any.
7. rakaroka
(
16/04/2009 22:32)
Ny vavaka angamba dia eo ihany! Fa fiheverako tokony mihevitra
solutions possible hoenti-miatrika na hisakanana ny loza! :roll: :roll: :-w :-w :-w Tsapako tsy mora noho isika kitay lavitra ny famindroana sy miparitaka be ihany, saingy noho ny aterin´eto dia mety azo atao ny
manao "confrontation d´idees" ho zary fanoitra, asa ohatra afaka mamorona rubrique hoe "act up ho an´i Dago ohatra", dia tsy hifampitifitra no atao ao, fa fiheverana izay "possible" a court terme , a moyen terme , a long terme ohatra.
mety hisy sous-rubrique maro koa azo heverina ohatra "inn ny possible
isorohana ny ady an-trano , sous-rubrique hafa , ny tsy fahampian-tsakafo? sns ...

8. soanja
(
16/04/2009 22:53)
Belle:
Tomponay o, arovinao ireo ankizy ireo sy ny momba azy! Ny tananao mahery mitoetra eo ambon'izy ireo mitahy azy ireo tsirairay.
Misaotra an'i Soanja amin'ny fanentanana.
Misy fanontaniko nefa: nahoana moa no ireo ankizy ireo ihany no anaovanao fangatahana amin'ilay vavaka? Iza no hikarakara azy ireo raha sanatria misy manjò ny RAR-niny na ny havany na ny olona tokony hitaiza azy? (indrindra amin'izao vanin'andro izao)
Noho izany, raha ny hevitro, dia tokony vavaka ho an'ny vahoakan'i Madagasikara tsy an-kanavaka ilay izy fa tsy ho ana-sokajin'olona fotsiny ihany.
Misaotra indrindra anareo rehetra. Tsara petraka tokoa ny fanontanianao.
Nifidy ny ankizy aho satria io no ho avintsika, ireo no hoavin'i Gasikara. Ny momba azy dia mahafaoka tokoa ny fiainany iray manontolo izay i Gasikara: RAD, Havana, fianarana, fiarahamonina, ireo mpiahy etsetra....
9. soanja
(
16/04/2009 22:55)
rakaroka:
Ny vavaka angamba dia eo ihany! Fa fiheverako tokony mihevitra
solutions possible hoenti-miatrika na hisakanana ny loza! :roll: :roll: :-w :-w :-w Tsapako tsy mora noho isika kitay lavitra ny famindroana sy miparitaka be ihany, saingy noho ny aterin´eto dia mety azo atao ny
manao "confrontation d´idees" ho zary fanoitra, asa ohatra afaka mamorona rubrique hoe "act up ho an´i Dago ohatra", dia tsy hifampitifitra no atao ao, fa fiheverana izay "possible" a court terme , a moyen terme , a long terme ohatra.
mety hisy sous-rubrique maro koa azo heverina ohatra "inn ny possible
isorohana ny ady an-trano , sous-rubrique hafa , ny tsy fahampian-tsakafo? sns ...
Hevitra tsara tokoa izany. Afaka miahy amin'ny fomba isan-karazany isika.
10. soanja
(
16/04/2009 23:08)
xxx:
Tsy hoe mandatsa fa lasa toa fanompoan-tsampy ilay soso-kevitra hivavaka ho an'i Madagasikara. Izaho manokana dia mahatsiaro sy mivavaka ho an'i Madagasikara foana aho isanandro na misy korontana any na tsy misy. Mba hazava sy hamiratra ny hoaviny sy mba hiadana hahazo ny anjara masoandrony ny malagasy rehetra.
Fa raha amin'izao fotoana korontana izao vao hikoropaka hivavaka dia hoy aho hoe Andriamanitra inona io hivavahana io? Andriamanitra antsoina mba hanao fahagagana ve? Tahaka an'ilay mpianatra hoe akaiky ny fanadinana vao mikofoka mafy manao famerenana fa nandritra ny taom-pianarana nilaozana nilalao sy nitaingin-tamboho fotsiny. Ekeko fa mamaly vavaka Andriamanitra fa ilay fomba entina mangataka aminy kosa hoy aho mba tokony hovaina fa tsy hoe rehefa poritra sy tery vao atao toto afo ny fangatahana.
"Rien ne sert de courir il faut partir à point" hoy ny fitenin'ny firenena iray izay. Ary ny malagasy manao hoe "taitra ny olona tsy taitra ka taitra irery vao mamaky takotra".
Tsara aloha rehefa mahatsiaro an'Andriamanitra, kanefa tsarovy foana Izy eo amin'ny fiainanao manontolo na milamina na misy olana fa dia ho hitanao fa tsy ilaina akory ny hanokanana 20 miniotra fa ho lasa vavaka sy fiharahana aminy ny fiainanao manontolo.
Marina izany. Mety mihitsy ny sosokevitra arosonao. Saingy amin'izao fotoana hiditra tsy ela izao dia mila fifantohana bebe kokoa i Madagasikara amin'ny fiahianao. Isaorako anao miahy sy mivavaka ho azy isanandro vaky. Maromaroa tokoa ny tahak'izany.
Ny tiako ambara mantsy dia misy olona 10 no tadidiko niresahiko momba an'i Mada tao anatin'ny olona 30 mahery, dia izao no navalin-dry zareo raha bangoina: "Tsy misy azo atao izany fa tsy misahirana mieritreritra ny ady politika ao aho. Mandreraka atidoha fotsiny ny mieritreritra izany. Aleo ho any izay any!"
Sambatra i Madagasikara fa manana ny toa anao. Tohizo hatrany ny fivavahana ho azy. Afaka mihoatra tokoa ny fieritreretana an'i Mada sy ny fandefasana Fitiavana ho azy.
11. xxx
(
17/04/2009 09:13)
Belle:
Mitsaratsara olona foana ve ianao io ka tsy sahy miseho tava manoratra?
Tsy azoko mihitsy ny antony ilazanao fa tsy mivavaka ho an'i Madagasikara ny olona raha tsy amin'ny fotoana toy izao (tsy mahazo manao tombony izany? -extra fiombonam-bavaka); fa ianao IRERY ihany no mahay mivavaka ho azy isan'andro vaky???!!!
Rehefa mety ny fiainanao dia manomeza torohevitra tsotra fotsiny fa aza asiana fisehoana ho ambony noho ny hafa toy izao satria tsy fantatrao izay fomba fivavaky ny olona tsirairay any amin'ny misy azy avy any.
Tsy mitsaratsara mihintsy aho sanatria. Tsy anjarantsika ny mitsara. Fanehoan-kevitra sahala amin'ny an'ny hafa ihany no nataoko. Ny resaka saron-tava dia tsy hoe fahalemena na fahatahorana. Matoa nasiana ny fomba hahafahana mampiasa azy io dia azon'ny tsirairay atao ny mampiasa azy araka izay heveriny fa mampety azy. Raha mamaky tsara ny voasoratro ianao dia misy soso-kevitra mazava tsara ao tompoko: Tsy amin'ny fotoan-tsarotra ihany no tokony hivavahana ho an'ny tanindrazana fa isan'andro mihintsy. Nasiako ohatra amin'izany ny hoe sao hanao tahaka ny mpianatra sasany isika ka tsy hikoropaka raha tsy akaiky ny fotoam-panadinana. Tsy midika velively izany fa mety sy mizotra ara-dalana ny fiainako. Malagasy aho ary saro-piaro amin'ny maha malagasy ahy; marary ny foko sy ny saiko mandinika ny mahazo an'i Madagasikara amin'izao fotoana izao. Ekeko ilay fanentanana hivavaka fa hoy aho hoe aza atao filàna raha poritra fotsiny Andriamanitra fa antsoy isan'andro Izy mandritra ny fiainanao. Satria tsy mpiaro amin'izay manahirana fotsiny Izy fa mpitarika ny fiainana manontolo mihitsy.
Tsy manambony tena izany na sanatria fanambaniana ny hafa fa fanehoan-kevitra tsotra ihany.
12. xxx
(
17/04/2009 14:07)
Misaotra an'i Soanja @ soso-kevitra
Ny vavaka tena mety amiko ny ahy izao dia ity :
Zanahary ô tahio ny Tanindrazanay
Handroso lalandava, handry fehizay
Enga anie hanjaka ao ny saina mahay miray
Dia ho tany Sambatra, 'lay Madagasiakaranay
Reo mpitondra anay arovy lalandava koa
Tolory saina hendry, kinga sy mahay
Mba ho tena mahatoky , feno fahendrena koa

Ny taranakay tahio ho vanona tokoa
Ireo no solofo, dimby rahatrizay
Ka ny marina anie no mba hanjaka ao tokoa

((( mety misy mifamadika fa izay no tsaroako eto e)))
Ka ny

13. xxx
(
17/04/2009 20:19)
xxx2 - xxx10
Miisaotra anao nanome alalana ahy hanao xxx ihany koa.
Tsy nisy nanontany anao teo na mivavaka isanandro ianao na tsia. Fiombonam-bavaka no niangaviany anao sy ho an'ny rehetra na dia tsy mpivavaka isanandro aza, ka mazoto ianao sa tsia dia izay valiana? Sa tara loatra ilay fiombonambavaka ka tsy tokony hatao intsony fa ampy ny vavakao irery isan'andro hatramin'izay?
Mba fanehoan-kevitra tsotra ihany ny ahy.

14. soanja
(
18/04/2009 06:33)
xxx:
Misaotra an'i Soanja @ soso-kevitra
Ny vavaka tena mety amiko ny ahy izao dia ity :
Zanahary ô tahio ny Tanindrazanay
Handroso lalandava, handry fehizay
Enga anie hanjaka ao ny saina mahay miray
Dia ho tany Sambatra, 'lay Madagasiakaranay
Reo mpitondra anay arovy lalandava koa
Tolory saina hendry, kinga sy mahay
Mba ho tena mahatoky , feno fahendrena koa
Dia ho tany Sambatra, 'lay Madagasiakaranay
Ny taranakay tahio ho vanona tokoa
Ireo no solofo, dimby rahatrizay
Ka ny marina anie no mba hanjaka ao tokoa
Dia ho tany Sambatra, 'lay Madagasiakaranay
((( mety misy mifamadika fa izay no tsaroako eto e)))
Ka ny
Tena mahafinaritra ahy tokoa io hira io. Isaky ny 26 Juin ihany anefa izahay no nihira an'io tany ampiangonana na ny alahady manakaiky io daty io. Enga anie mba hohiraina matetika ilay izy amin'izay tena lasa ranombavaka mahatoky tokoa anatin'ny fontsika rehetra. Tena mamy tokoa anie Gasikara!
Nihira an'io aho androany rehefa vita ilay 20 minitra. Misaotra indrindra nanome hevitra sy hira mamy. Soa.
:-* :-* :-* :-*
15. Mirananirina
(
18/04/2009 13:03)
Soanja a,na omena azy ary ny andro tontolo tsy hisy fiovana io.
17. ikaretsaka
(
18/04/2009 14:13)
misy fitenina olonkendry persan izay nanao hoe "ny fannaovanao ny anjara lahasanao @ fonao tanteraka, no fivavahana tsara indrindra"
dia hoy ilay zezoita izay hoe "vavaka: tolona fa tsy sento"

18. rakaroka
(
18/04/2009 18:13)
ikaretsaka:
misy fitenina olonkendry persan izay nanao hoe "ny fannaovanao ny anjara lahasanao @ fonao tanteraka, no fivavahana tsara indrindra"
dia hoy ilay zezoita izay hoe "vavaka: tolona fa tsy sento"
Miombon-kevitra ^:^ ^:^ ^:^
19. soanja
(
18/04/2009 23:52)
ikaretsaka:
misy fitenina olonkendry persan izay nanao hoe "ny fannaovanao ny anjara lahasanao @ fonao tanteraka, no fivavahana tsara indrindra"
dia hoy ilay zezoita izay hoe "vavaka: tolona fa tsy sento"
Tsy diso mihitsy tokoa izany hevitra izany nefa tsy midika koa fa ny fieritreretana zavatra mafonja sy mandaitra ary fiahiana mahasoa dia tsy hitarika fahatsarana ho an'ny olona/ firenana iray na asa iray.
Manao fahagagana tokoa Andriamanitra! Mitahy sy mitantana izy!
Naman'ny tolona ataon'ny olona iray ny mikatsaka ny fahanginana ao anatiny ary miresaka amin'Andriamanitra. Betsaka amin'ny fiainantsika ny stress sy ny fanelingelenana isan-karazany (depression, hatezerana, fiantsiana, tahotra sns...) izay mitondra antsika hanalavitra ny firesahana sy fifantohana amiNy. Io Fahanginana sy fifantohana io ary fangatahana fahasoavana ho an'ny hafa io dia isan'ny fototra ny fizarana fitiavana tokoa!
Miasa lalandava ao amin'ny Tompo!
:-* :-* :-* :-*
20. ikaretsaka
(
19/04/2009 04:10)
Amiko ry soanja dia 2 ihany no tena fototry ny fahagagana:
1) ny nampisy anao
2) ny fahatsiarovanao saina @ nahatonga anao ho misy sy ny anjara lahasanao vokatr'izany.
Ny sisa rehetra dia sampan'ireo daholo "mba hahatsara ilay fisianao sy ny antom-pisianai)