Iza no namorona ny fidinana andalambe teto é!

1. Oay ( 16/04/2009 08:57)
Eny fa na d mbola tsy teraka aza ny tenanay d notantaraina fa ny Jiolahimboto namorona ny fidinana andalambe teto Madagsikara d i Manandafy Rakotonirina!
Mbola voalaza ihany koa anefa fa d i Manandafy Rakotonirina izany no anisan'ny mpanohana ny mandatehezana miaro ny tolompiavotana raha toa ka nanohitra an'izany i Monja Jaona!
Amin'izao d efa vizana ny MFM kanefa i Manandafy d mila seza d io najabaka ho praiminisitra io!
novalian'i Oay ny 17/04/2009 08:28
2. xxx ( 16/04/2009 09:25)
tena najabaka marina ve izy? ny tena azo antoka aloha hatreto de tsy tia maizina andra8 i oay e; ary mody tsy tgv koa, nefa hita aminy fomba firesaka eny ihany ny fanohanana ankolaka any tgv :-D tsy ratsy ka, sady avo lenta!!
3. Noue ( 16/04/2009 09:31)
:-D :-D :-D :-D
4. xxx ( 16/04/2009 09:31)
ankehitriny ny zavatra tena maha menatra dia hoe manohana an'i arema ou zafy albert dia mody ahodikodina ny resaka :-D :-D :-D
5. Noue ( 16/04/2009 09:33)
:-D :-D :-D :-D
6. Oay ( 16/04/2009 09:46)
Mampimé ana nareo d mitsiky za fa tsy mifankahita moa isika:
_Mbola averiko fa za ohatra tsy alika ka hiverina @ efa naloha d ireto izany:Ratsiraka é, Zafy é!
_Za tsy miaraka @ i TGV satria mbola tsy matotra i lery, za raha teo moa tsy tia midina andalambe maka fahefana!
_Za ny tiako d milamina kely any @ misy anazy aloha i Ravalomanana d atao ny référendum d rehefa vita izany d atao ilay famotsorankeloka faobe d miverina i Ravalomanana d afaka mirotsaka hofidiana izy!
_Za d manohitra ny hevitra ny hanaovana sesintany forcé an'i Ravalomanana satria asan'ny kely saina izany! mbola averiko fa ankasitrahako ny ady hevitra ambony latabatra izay miafara @ fifidianana!
Farany d @ ireo rehetrarehetra ireo d i Ravalomanana no afaka miaramiasa amiko fa misy fepetra d ny famelany ny rehetra hanana ny zo hiteny sy hanao izay asa tiany!
D raha ohatra moa ka sitrakin'ny ao ambony d mila miady hevitra @ Ravalomanana momba ny finoany an'Andriamanitra i Oay! D raha sitrak'Andriamanitra ka tanteraka izany d tadidio fa avokan'i Oay eto @ serasera ny marina rehetra momba an'i Oay! Tadidio fa tsy manonofy i Oay fa izy no nandaha raha toa ka nipropose an'i Oay ilay mpanolotsaina manonkan'i Ravalomanana ny hiprésentena an'i Oay @ Ravalomanana.
7. Mandefitra ( 16/04/2009 09:54)
Za mahita hoe mpanao politika manana ny maha izy azy zokibe Manandafy.
- Raha tsy teo izy tsy nirodana ny fitondran-dradidy
- izy tsy niditra t@ fitondrani zafy , ary mbola ny MFM ihany no nampitandrina fa ho tantely afa-drakotra i gasikara
- tsy niray petsapetsa t@ fiverenan-dradidy t@ fitondrana
- izy ankehitriny no sahy mijoro miaro ny ara-dalana ... tsy namadika palitao fa manana ny heviny tsy azo hozongozonina.

Raha ampitahaina @ Ndremanjato, Ratsirahonana sns ... olo-mendrika izy.
8. Oay ( 16/04/2009 09:59)
Tsy marina ny hoe Manandafy no nanongana ny fitondran'i Radidy, tadidiko tsara t@ 1991 za efa 15 ans d tadidiko fa ny MFM no saika naharava ny teo @ 13mai satria tsy nifanaraka izy sy pastera t@ ilay dihabe nakeny Imavoloha!
Mahay politika izy tsy hiady hevitra amin'izany za! fa olona tia midina andalambe, fa ny tena nahamafy anazy d nisy an'i Germain t@ izany!
Fa ny olana d i Ndrema tsy mirevy an'i Manandafy d torak'izay koa i Manandafy @ i Ndrema d io ilay resaka valifaty é!
9. Mandefitra ( 16/04/2009 10:09)
Ka ny fozaorana sy ny mpomba azy dia valifaty no hitondrana ny fiainam-pirenena fa tsy fitiavan-tanindrazana.

- tsy tiana ra8, dia fidiana TGV
- TSy tiana ra8, dia sahy manosihosy h@ lalam-panorenana ry Ratsirahonana mba hanonganana azy
- Tsy tiana ra8, dia sahy mamorona document ny Pasitera Andriamanjato fa manao pacte @ Satan ra8.
- Tsy tiana ra8, dia avoaka h@ mpamono olona toa andry Kotity sy ny ekipany mba hiarovana ilay seza nangalarina.
- Tsy tiana ra8, dia na efa hita fa mamotika ny firenena zao ny efa natao, sy ny atao ary mbola hatao, dia tohizana sy tohanana h@ farany.

"Aza mifaly @ tsy fahamarinana" "Aza mamaly ratsy ny ratsy".
Atsipy ny tady eny antandroky ny omby ...
10. Oay ( 16/04/2009 10:17)
Mandefitra:

Ka ny fozaorana sy ny mpomba azy dia valifaty no hitondrana ny fiainam-pirenena fa tsy fitiavan-tanindrazana.

- tsy tiana ra8, dia fidiana TGV
- TSy tiana ra8, dia sahy manosihosy h@ lalam-panorenana ry Ratsirahonana mba hanonganana azy
- Tsy tiana ra8, dia sahy mamorona document ny Pasitera Andriamanjato fa manao pacte @ Satan ra8.
- Tsy tiana ra8, dia avoaka h@ mpamono olona toa andry Kotity sy ny ekipany mba hiarovana ilay seza nangalarina.
- Tsy tiana ra8, dia na efa hita fa mamotika ny firenena zao ny efa natao, sy ny atao ary mbola hatao, dia tohizana sy tohanana h@ farany.

"Aza mifaly @ tsy fahamarinana" "Aza mamaly ratsy ny ratsy".
Atsipy ny tady eny antandroky ny omby ...



Ny anampiako anazy d hoe:"Maninn i Ravalomanana izay filoha lefitrin'ny antokompinoana FJKM izay Kristianina no tsy nety nanaiky ny famelankeloka faobe" kanefa d efa voalaza fa mamela izay nanao ratsy taminao.
D izao koa izay mahay baiboly d aoka hamoaka ny adininy sy ny atokony fa tsy tadidiko ilay izy fa voasoratra any ho any koa "Fa aza miaro ny mpanao ratsy fa hotsaraina noho ny amin'izany ianao" izay no mahatonga an'i Oay nilaza hoe "ny olona azony iarahana miasa @ ireo d i Ravalomanana fa ny fepetra kosa d tsy maintsy miady hevitra aminy i Oay mikasika ity finoany an'Andriamanitra ity"


11. TWING ( 16/04/2009 10:23)
mandefitra LOL


Tia ra8 dia na dia ny vady ao antranonao aza no tengenany dia mandefitra enao ( Maire Antsirabe I sy Sénateur Vakinankaratra )

Tia ra8 ka na dia tetik'asa nanombaka t@ taona 1994 mifarana @ 2044 dia azo alaina tsotra zao satria TIKO.

Tia ra8 ka na dia novana ho TIKO'LAND aza DAGO dia mbola misolelaka ihany
12. Oay ( 16/04/2009 10:25)
Mandefitra a! mila valiny ilay tsy fanekena ny famotsorak'eloka faobe an!
13. ravatorano ( 16/04/2009 10:32)
misy itovizako hevitra amin 'i Oay dia ilay hoe : "Za d manohitra ny hevitra ny hanaovana sesintany forcé an'i Ravalomanana satria asan'ny kely saina izany! mbola averiko fa ankasitrahako ny ady hevitra ambony latabatra izay miafara @ fifidianana!
Farany d @ ireo rehetrarehetra ireo d i Ravalomanana no afaka miaramiasa amiko fa misy fepetra d ny famelany ny rehetra hanana ny zo hiteny sy hanao izay asa tiany!
"

tena mahay politika tokoa i Manandafy ary tena marina ny hoe ny MFM no nanmpianatra ny fidinana andalam-be taorinan'ny 1972 izany saingy aza hadino fa efa isy ihany zany tamin'ny nataon'Ingahy Monja Jaona tany antsimo ny avril 1971,ary tadidio fa talohan'ny nisian'ny Mafana dia saika tao amin'ny Monima avokoa ry zalahy ireo ary mazava izany fa taizan'Ingahy Lehibe M.J. izay hajaina tokoa fa nahavita be teot amin' ity firenena ity;
Tadidiko tamin'ny taona 1979 mbola mpianatra tao amin'ny Lycée Antsirabe aho ary nisy grevy tao tamin' izay dia ny mpianatra MFM no nitarika izany ary nisy fivoahana teny ivelany mihitsy.
Taty aorina moa dia ny fanaovana tract : famoronana lahatsoratra,fanontana azy,fanaparitahana izany dia tena adklé mahazatra ny Mafana taloha ary hatramin izao.Mbola fahavelon'Ingahy Germain na ra Lynx izany mbola koa ry Aimé R. sy ny "rouges et experts" dia tena henjana ny Mafana ary nahazaka vahoaka tokoa saingy ny mitarika tolona no hain-dry zalahy ary vitsy no tena mahatakatra ny "projet de societé" atolony satria politika lalina no entin'izany

fanitsiana fotsiny : samy mpikambana tao amin'ny Mandatehezam-pirenena ny Mafana sy ny Monima ka mivimbio,ny Mafana aloha no niditra tao voalohany dia avieo reefa tsy lany deputé teto Tanà intsony ny ray amandreny Monja dia niditra ny Mandatehezana izy ary notendrena ho CSR niaraka tamin'dry Manandafy ireny tamin'izany.

Tsy hoe tsy eo intsony Germain d malemy ny Mafana, tsy izay kosa angamba fa ny fahitako azy dia efa lasa niparitaka be ry zareo nohon'ny "polifika" ihany
Ny nidiran'Ingahy Ravony ho Mafana kosa dia ansain'ny nahavoa azy satria reefa niala tao izy ka nanorina ny CSDDM dia maro tamin'ireo Mafana no nisintaka niaraka taminy.Toy izany koa ny fisintahan'ilay "zanaka antrano maditra kely" dia i Pety Rakotoniaina izany izya ny Mafana no namolavola azy tanteraka mba hanao politika toa andry Sareraka ireny izay lasa TGv ary ilay voaloohany nanorina ny Tambatra Madagasikara nefa na izany aza mobla misy sahy misandoka ny anaran'ny Mafan ihany ireo olona izay efa lasa Tambatra

14. Oay ( 16/04/2009 10:49)
Ravatorano a! Za aloha d tena tsy zakako raha toa izao mitranga any afrika izao no atao eto Madagasikara é!
_Alzeria : ovaina tampoka ny constitution d afaka mirotsaka tampoka kanefa olona efa mangozohozo sasatra ny miditra hopitaly!
_Lybie tsisy mpanohitra!
_Soudan ady an-trano!
_Afrika atsimo didin'ny be sandry ao @ ANC no nanonganana an'ny prézidà!
_Swaziland: aiza ve ka hatramin'izao mbola misy mpanjaka fona klé!
_Tchad ady antrano!
D izay no mahatonga ana miteny hoe aleo apetraka tsara ilay fototrin'ny atao hoe demokrasia!
Ka asa i ravatorano na afaka miteny hoe saika nakatahaka an'ndry zalahy afrikanina ireo isika raha tsy nisy iny hetsika iny na tsia?
15. Mandefitra ( 16/04/2009 11:09)
Ka iny hetsika iny efa vita ... fa tsy azo tohizana ela loatra fa manimba ny fiainam-pirenena.

Raha mba manam-pahendrena zany zao TGV, dia tsy nikitika ireo institution rehetra teo izy fa nanao zay nisian ny fifidianana haingana.

Fa ny fikirizany @ zao fitondram-pozaorana zao, ary ny fanohanana izany dia tsy fitiavan-tanindrazana ntsony kosa.

Ka dia ho hita eo zay hitranga h@ sabotsy, samia mivavaka ho an'ny firenena.
16. Oay ( 16/04/2009 11:17)
D mbola tsy voavalin'i Mandefitra ihany ilay hoe iza no tsy manaiky an'ilay famelakeloka faobe kanefa d voalaza fa mamela ny elok'izay nanao ratsy taminao! Ny vavaka d io no azo hianteherana é!
17. ravatorano ( 16/04/2009 11:17)
raha nanam-pahendrena koa ny HAT dia mba asiana didy na arreté reefa manendry olona na PDS izany na chef de régions na maire fa tsy apetrapetraka fahatany ankalamanjana eny foana e .Lasa za-dratsy amin izay mantsy ka tsy hita tsony hoe mankaiza marina ny fandehany amizao.
18. Mandefitra ( 16/04/2009 11:29)
Ka io mihitsy no tena loza mitatao ho an'i firenena :
manome lesona ratsy ho an'ny taranaka.

Resaka politika io ry Oay a ... Ny rehetra anie manaiky fa manana ny fahalemeny ra8 ... Ny tsy azo lavina koa anefa dia anisany nanandratra avo an'i gasikara izy, ary saika nametraka azy t@ toerana tsara lavitra noho zay nisy hatrizay raha tsy nosomparana. Saingy tsy anjely fa olona ihany, ka dia lavon ny fitiavam-pahefana sy voninahitra be loatra.
Ary raha tsy nisy zao hetsika zao tsy ho tsapa ny hasarobidin zany tena fihavanana marina.

Fa hoe ny mpanao politika rehetra ve vonona @ zany?

Tena mila fanetren-tena zany, fo vonona ny hifamela fa tsy saritsariny ...
Na ny malagasy tsotra aza mbola be no marary raha mieritreritra ny vonomoka natao t@ ireo kung fu t@ 1986, ny fatiolona teny iavoloha 1991, ny barage sy ny fanapoahan tetezana t@ 2002, ny black monday sy ny 7 fev ...

Ka mila ny asan'ny Fanahy Masina hanekena ny famelan-keloka ho fanavotana an'i Gasikara.
19. Oay ( 16/04/2009 11:57)
Ka ilay izy mbola averiko fa "Raha Kely fisainana d aleo tsy manao politika é!" ny TGV zao d efa hita fa kely aina mitady hamerina ny fikan'i Ravalomanana @ fanaovana sesintany ny adva!
20. Mandefitra ( 16/04/2009 12:16)
hehehe ary Oay ty hita ihany hoe akaman-dradidy an.

Saingy efa latsaka ankaterena ny firenena ka voatery hizotra @ lalan'ny fampihavanana.

Nefa tandremo, mila hatsangana haingana ny haute cour de justice hampihinana ireo zay mbola mitady hihoam pefy aorian'izao.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.046