mila hevitra kely tompoko o!

1. xxx ( 15/04/2009 13:35)
manaona daholo o, mba mila hevitra amitsika namana e, izaho izany mipetraka eto frantsa dia handeha ho any etazonia vetivety ka mba te hitondra zavatra ho an'ireo namana mandray ahy any aho nefa tsy hitako hoe inona re no mba zavatra tsy dia fahita any ? koa mba mangataka hevitra aminareo namana e! misaotra mialoha e!
répondu par diamondra27 le 02/05/2009 07:05
2. fahamarinana ( 15/04/2009 13:38)
:arrow: xxx mpandefa : za hananihany kely an ! mitondra statut de liberté kely sa tour effeil ve ! :wink: .
Ohatrany sarotra be fa raha zavatra vita malagasy no entina sy omena ,mba gasy ianao manko dia ohatrany mifanentana ! Asa anefa fa mba eritreritro iny an ! :) (l)
3. hasinina ( 15/04/2009 13:47)
na maka rano kely ao amin'ny La Seine na La Loire dia atao anaty tavoahangy kely. Toa tsy misy any ireo ô :wink:
4. rova30 ( 15/04/2009 14:04)
:) Hitondray €uros raviny bedabe, sur aho fa tsy dia fahita any ireo :-P

Vazivazy ray lanitra fa ireny taozavatra sy produit hita eny amin'ny manodidina ireny entina! Mino aho fa mba betsaka ireny eo amin'ny toerana misy anao.
5. ikaretsaka ( 15/04/2009 14:07)
pain d'epices (kamofleo fa confiske raha tratra)
raha gasy ilay namana dia hitondray zavatra gasy fa any frantsa mora mahita zavatra gasy nohon'ny any Bekintana :wink: raha vazaha koa mety hipasse ihany.
raha tia sport akoatran'ny fahitany any Bekintana izy dia itondray koa: kanetibe ohatra! :wink: :wink:
6. fahamarinana ( 15/04/2009 14:33)
:arrow: Ika : mavesatra kosa zany kanety be zany e !
(hs : fa maninona ny pain d'epice no voarara any bekitana sa ny sakafo mihintsy no tsy azo ampidirina ? ) (l)
7. Lejoba ( 15/04/2009 15:18)
ny arts malagasy tsy fahitan-dry zareo any firy satria tsy betsaka ohatry ny eto. Raha mavesatra dia VCD entina (à partir de 8€ eo ny film gasy 15€ ny clips).
Ny sakafo, na malagasy io na frantsay, sarotsarotra ihany ao @ douane.

Rehefa tena tsy mahita tokoa dia itondray ireny souvenirs de France ireny eh, be dia be eny @ Pigalle sy Barbès iny, sady tsy lafo fa misy latsaky ny 1€ aza dia mahazo ireny foulard, tour Eiffel, arc de triomphe, notre dame sns ireny.
Soavadia eh
PS ataovy correct daholo ny bagages sns fa manadala be ny ao @ douane ah
8. ikaretsaka ( 15/04/2009 15:42)
ny sakafo maha sarotiny azy mihitsy...
tsy fantany ny pain d'epices ry faha an
faha> raha ianao no mamangy aty aloha de kanetibe e
9. fahamarinana ( 16/04/2009 12:38)
:arrow: ika : :-D :-D Commande hany zao ! (l)
10. diamondra27 ( 16/04/2009 13:39)
fa maninona manao xxx e!

ny reko dia hoe ny fidirana ao chicago aloha no tena strict raha vao resaka sakafo izany no entina any.
Asa anefa na hoe avy any dago ny vol no mahatonga izany na tsia

fa ny passeport-n'i xxx ve aloha efa vita tsara e, raha biometric de tsy misy blem de toa hoe tsy mila visa intsony hono

fa zao no saika mba anontaniako ry zareo a, manararaotra ny dinik'i xxx aho:atao ahoana ny fanaovana ny resaka rappatriement sanitaire sa makeny amin'ny secu

ary ireny cd gasy ireny raha atao copie ka omena havana koa ve mety ho confiské ry ika sa ahoana?

xxx: mankanesa ery am boutik de souvenir ery am st-michel fa misy choix be any
11. tyty ( 16/04/2009 13:46)
dé bon voyage ary ry xxx a!
ireny zavatra fahita @ toerana misy anao ireny zao mety koa na koa misy ny anaran'ny ville misy anao.
fa aiza ho aiza ianao no mipetraka sao mba hisy handefa kanetibe ho an'ikaretsaka???? raha malalaka ny entana mazava ho azy! :D

ikaretsaka< dia ahoana zany raha misy zaza ilay olona ve dia tsy mahazo mitondra sakafonjaza any @ bagage à main :roll: ? dia na bagage soute koa aza ve dia sarotiny zareo raha misy sakafo :(
12. Mirananirina ( 16/04/2009 14:04)
namana gasy sa Amérikana ve aloha ilay izy e
13. diamondra27 ( 16/04/2009 14:10)
tyty: raha vao resaka liquide izany aloha de tsy poinsa e , fa kosa mety tsara ra teneninao refa mividy billet hoe: za mananjanaka à bas âge de tolerer le izy
ny olona marary mi-voyage ka manana ordonnance koa afaka mitondra fanafodiny fa raha misy medocs hafa ankoatry ny voalaza ao am ordonnances defa tsy poinsa e


ika: mila kanety be nga ika? mba lazao ihany ny toerana mety ahitana anreo sao de tonga any ny dadabenoely e


za ry tyty mba nitondra eua minerale sotroina ao am salle d'attente fotsiny aza tany Vienne fa e e e tsy poinsa fa poubelle, ny an'ilay sinoa izay aza foie gras sy fromage novidiany lafo fa tsy te-hahalala ry zareo fa de à la poubelle

14. Jekanefara ( 16/04/2009 23:10)
Izaho mipetraka aty US (Chicago). Tena tsy mahita zavatra Malagasy mihitsy aty. Araka ny efa betsaka nampiditra teo dia CD, VCD no tena favy. Raha tena te hanome cadeau dia mividiana mihitsy disque dur azo tsoahina dia atsofoy ao daholo izay hira Malagasy mety hoe hitanao.

Ny hitako tena nankafizina dia ny THB en cannette. Somary mavesatra fa raha toa ka mankasitraka izany ny handehananao dia lanitra ny tany. "Ho soa ny fiarahanareo"

Aza mitondra zavatra omby mihitsy fa tsy tafiditra (matahotra vache folle ny Be kintana) raha tsy declarer-na kanefa tratra dia mandoa $100 amende eo no ho eo. Ny Rafozako tratra nitondra saucisson. Teo no noraisina.

Tongava soa e!
15. fijo ( 30/04/2009 21:17)
hitondrao koba e
16. diamondra27 ( 02/05/2009 07:05)


Jekanefara: raha vcd pirate ve tsy maninona fa sao voan'ny lamandy koa

ary lasa aiza i xxx toa tsy namaly intsony e! sa efa lasa any USA
fijo: tsy aleo ve manao koba refa any an-toerana e!
:wink:
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0461